Misy ve ny fitiavana tonga lafatra ?

1. Vahinala ( 03/01/2006 14:45)
Dinika anisan'ny tena misarika ny saintsika namana maro ity resaka fitiavana ity ary io tokoa no zavatra anisan'ny tsara indrindra eto antany.
Maro anefa ny mitaraina fa hirahan'ny fijaliana amin'ny lafiny aram-pitiavana, ary tena marary tokoa rehefa sendra izany,misy kosa anefa ireo izay mahita fa tena fy izany. Fanontaniana manitikitika dia ny hoe misy ve izany fitiavana tonga lafatra tena tsy misy ahatahorana izany, ny olona tena tia an'ny tena tsy tiana nefa ny olona tian'ny tena indray matetika mampijaly na koa tsy hatokisana ny fitiavany. Inona ihany reto no tena izy a !
novalian'i mbositra ny 14/02/2006 21:30
2. majakely ( 03/01/2006 15:01)
tsy misy io ,,,injsy anefa ,,,tonga lafatra ???non kah ,,,hihihi
3. lapino ( 03/01/2006 15:04)
Tena farito mazava tsara aloha hoe inona no atao hoe "fitiavana tonga lafatra", dia afaka jerena avy eo na misy izy na tsia.

Raha ohatra manko hoe ny olona tianao no tia anao, ampy ve izay hilazana fa "tonga lafatra" ny fitiavana?
4. kally ( 03/01/2006 15:50)
Raha miandry hamantam-bonona dia tsy misy, misy kosa izy raha samy miezaka ianareo roa ny hahalafatra azy.
5. majakely ( 03/01/2006 15:56)
zay le hoe lafarina le izy e,,,,,hatao zay hahatonga lafatra azy ,,,,:D
6. landrie ( 03/01/2006 16:26)
fitiavana an'Andriamanitra.
no tonga lafatra.
7. lapino ( 03/01/2006 17:07)
landrie:

fitiavana an'Andriamanitra.
no tonga lafatra.


Fitiavan'Andriamanitra angamba no tian'i landrie lazaina fa tsy ny fitiavana an'Andriamanitra!
8. Vahinala ( 03/01/2006 18:52)
lapino:

Tena farito mazava tsara aloha hoe inona no atao hoe "fitiavana tonga lafatra", dia afaka jerena avy eo na misy izy na tsia.

Raha ohatra manko hoe ny olona tianao no tia anao, ampy ve izay hilazana fa "tonga lafatra" ny fitiavana?



Ka eo indrindra no olana koa, inn moa le fitiavana tonga lafatra ? Ary rehefa ahoana vao tokony tsy hisy hitaraina intsony ny mpifankatia fa tena milamina tsara ? Zay ange e !
9. lapino ( 03/01/2006 19:35)
Vahinala:
inn moa le fitiavana tonga lafatra ?

Ny fitiavana lehibe indrindra dia ny mahafoy ny ainy ho an'izay tiany, ...
Vahinala:
Ary rehefa ahoana vao tokony tsy hisy hitaraina intsony ny mpifankatia fa tena milamina tsara ?

... fa tsy fitarainana!
I Korintiana.13:4-7:
4 Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo,
5 tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra, tsy manao otripo,
6 tsy mifaly amin'ny tsi-fahamarinana, fa miara-mifaly amin'ny fahamarinana kosa,
7 mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra.

Raha tena tia ianao izany dia ireo. Ny andininy faha-5 sy faha-7 toa mahasarika saina manokana, mampandini-tena hoe tena tia marina ve?! Sa mitady hotiavina fotsiny?
Ary tsy voatery ho réciproque izany ny tena fitiavana! 8O
10. fasaly ( 03/01/2006 20:09)
misy amiko ny fitiavana tonga lafatra fa tsy maharitra, ilay fitiavana miredareda amin'ny mpifankatia volaohany iny no tonga lafatra indrindra, fa tsy maharitra hoy aho satria avy eo manomboka mifankaleo na mifankahalala ny toetra ny tsirairay amzay de manjary hifampitsikera an'izao sy izao de iny tsy mampaharitra azy. ny lafatra anie tsy voatery haharitra fa na dia atao hoe fitiavana be mandrintra ny 1 mois de efa lafatra zay....
11. jennifer2 ( 03/01/2006 23:08)
arakaraky ny mpifankatia ihany io.
12. pulchery ( 04/01/2006 06:30)
fitiavana tonga lafatra?Tsy misy angamba fa na samy tia aza tsy maintsy misy ny tsy mampifanaraka
Matrina mihitsy lay hoe fitiavan'Andriamanitra no tonga lafatra:!:
13. ari.malala ( 04/01/2006 07:34)
nefa hoy aho hoe misy izy, fa anjaran'ilay olon-2 no manao izay mahalafatra azy. Hoy ifasaly,
misy amiko ny fitiavana tonga lafatra fa tsy maharitra, ilay fitiavana miredareda amin'ny mpifankatia volaohany iny no tonga lafatra indrindra, fa tsy maharitra hoy aho satria avy eo manomboka mifankaleo na mifankahalala ny toetra ny tsirairay amzay de manjary hifampitsikera an'izao sy izao de iny tsy mampaharitra azy. ny lafatra anie tsy voatery haharitra fa na dia atao hoe fitiavana be mandrintra ny 1 mois de efa lafatra zay....
fa maninona no mifampitsikera? refa misy tsy mety aky d mifananatra no tsara fa tsy mitsikera a :) d hoy indray i pulchery
fitiavana tonga lafatra?Tsy misy angamba fa na samy tia aza tsy maintsy misy ny tsy mampifanaraka
eny e, ny tsy fifanarahana anie tsy maintsy misy e, fa mahay mifandefitra d milamina ny fiainana :) mety hiteny nareo we optimiste b za, fa zay amiko alo no hitako mahatonga lafatra ny fianana e :)
14. Vahinala ( 04/01/2006 07:36)
lapino:

Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo,
5 tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra, tsy manao otripo,
6 tsy mifaly amin'ny tsi-fahamarinana, fa miara-mifaly amin'ny fahamarinana kosa,
7 mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra.

Raha tena tia ianao izany dia ireo. Ny andininy faha-5 sy faha-7 toa mahasarika saina manokana, mampandini-tena hoe tena tia marina ve?! Sa mitady hotiavina fotsiny?
Ary tsy voatery ho réciproque izany ny tena fitiavana! 8O
[/quote]


Tena marina tokoa ny lazainao fa misy hisainana lalina be io teny tao anaty baiboly io an.
15. dadabe ( 04/01/2006 08:19)
hummm mafana ny resaka
16. hesham ( 04/01/2006 09:37)
fifandeferana no tena hitako mahatsara sy mampateza ny fitiavana .:-D:-D
17. ari.malala ( 04/01/2006 10:54)
nanatrika mariazin'ny cousin ako aho t@ janvier 2003, d io 1Kor13 io mintsy no toriteny nentin'ilay pasitera hoe raha te hahafantatra ny toetran'ny tena fitiavanao ianao d ireo teny rehetra ireo aloha eritreretina tsara hoe mifanaraka @ ireo v ny fitiavako, mahatanteraka an'ireo teny voalaza ireo v aho refa mitia, inona no tanjona tratrariko sa inona marina no tadiaviko refa mitia an'ity olona eto anilako ity aho... d anampiko an'le fifandeferana d ny fifampatokisana
18. hesham ( 04/01/2006 13:06)
ari-malala =D=D=D=D=D
19. fasaly ( 04/01/2006 13:11)
ari.malala, ka lay mifampitsikera lazaiko de zao, rehefa efa tapitra ilay fitiavana be lmiredareda manobmoka mifankazàtra amzay de manomboka tsy mahatandrina zay zavatra lazaina tsony, ny tsikera tsy hoe inona fa mifampila kisa eo amin'ny tsy antony...rehefa mifankaleoleo iny
20. ari.malala ( 04/01/2006 13:23)
fasaly hay v e, fa azo eviter na hoa zany :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3478