Namana mila fanampiana

1. xxx ( 23/12/2005 18:56)
Miarahaba anareo rehetra, za ihany ilay teo aloha io fa nanandrana fotsiny azony efa nanoratra aho teo fa toa tsy nety ilay izy.
D zao ry reto a, misy olana iray ity somary lavalava nefa tena mila fanampiana avy aminareo aho azony efa tsy hitako intsony izay hametrahako ny tenako.
Misy namako iray lehilahy izy io, efa hatry ny mbola kely izahay no mpinamana be ary mifampizara olana foana rehefa sendra misy izany. Efa elaela ihany aho moa no niala tany Dago ka d nifanome vaovao teny foana izahay, nifanoratra ary mifampiantso rehefa misy ny occasion.Amin\'izao fotoana d sendra olana somary \"délicat\" ihany izy io, mitaraina sy mangataka toro hevitra aty amiko foana anefa tena sahirana koa aho mieritreritra ilay fiainany.
Tamin\'ny 2 taona lasa angamba zay d nifankafantatra tamina vehivavy vahiny tamin\'itony net itony izy io, nifandray teny foana, miantso azy am phone foana le ramatoa sns, volana maromaro taty aoriana ary dia tonga nijery azy tany ilay vehivavy io nandritra ny 2 herinandro, niezaka ny nifankafantatra teny ry zareo, ary nony 3 volana teo eo angamba tao aorian\'ny nodian\'ilay vehivavy dia re fa hivady ry zareo, (za aza naharay faire part taty Frantsa). Ny olana anefa d misy elanelany be ry zareo ireo satria zokiny eo amin\'ny 15 taona eo ilay ramatoa,d teo no somary nananatra azy daholo ny ray amandreniny s ny manodidina azy tany hoe mieritrereta tsara fa sao d hanenina ianao any aoriana, satria nareo aza tsy mbola tena mifankafantatra tsara akory d hivady sahady ve, ny olona sasany aza amantaonany no miaraka mbola ts tapakevitra ny hivady. D sorena be teny izy f hoe miditra amin\'ny fiainany hono ny ray amandreniny, manoratra aty amiko izy milaza sy mimenomenona hoe tsy rarahiany zany fa ze tiany ihany io, d niteny azy tsotra fotsiny aho hoe, rehefa tena izay marina no tadiavinao sy fantatrao fa mety aminao d ataovy fa fiainanao io. D vita ary ny mariazy, niala tamin\'ny asany izy nony avy eo ary nakaty frantsa namonjy ny vadiny. Izahay moa rehefa mba misy fotoana dia mihaona teny ihany indraindray aty, fotoana vitsy taty aoriana ary d nifankafantatra tamina tovovavy malagasy iray izy tao Paris, tanora toa azy ary tsotra sady mahafinaritra kely, ary raikipitia tamin\'io izy. Io tovovavy io anefa ts mipetraka aty fa nandalo nanao vacances fotsiny ihany nandritra ny 20 andro, d niaraka teny ry zareo ary iz kosa aloha hono ts nanafina hoe efa manambady. Nony nandeha nody tany dago rasipa d narary mihitsy ranadahy io, miantso ahy foana mitaraina hoe malahelo fa mbola tsy nahatsiaro ho tena tia toy izao hono izy. Za moa mihaino azy ary nampatsiahy azy foana hoe aza adino fa efa manambady anie ianao izao. Taty aoriana kely ndray ary d lasa nakany Dago izy io namonjy ny mariaziny zandriny vavy, vao tonga tany d mazava ho azy fa nitady an\'ily tovovavy iray ary tany hono izy no nipetraka nandritra ny séjour ny tany Dago, ilay tovovavy moa nanaiky satria tena tia koa angamba izy ka tsy omena tsiny. Rehefa nanakaiky anefa ny andro tokony hiverenany taty amin\'izay d nitokona tsy nety handeha izy fa hoe hisaraka amin\'ny vadiny hono fa tsy tiany akory ary hiaraka amin\'ilay sipa vaovao, ny mariaziny amin\'io tsy mbola ampy 1 taona akory.D nanomboka niteny azy ireo havany hoe ts mety izany fa mandehana enao mody ary mifampiresaha aminy vadinao, ary somary naneso kely aza hoe raharaha notadiavina ny anao satria efa mba nananatra ihany zahay, izy mimenomenona hoe inona ary hono no nahazo azy nanambady io vavy antitra io, nefa tara loatra izy vao tonga saina. Za ndray moa niteny azy hoe miverena aloha hoa mba ts hanasarojavatra fa rehefa aty ianao, mieritreritra tsara ary lanjalanjao izay tokony ho ataonao fa aza manao coup de tête intsony sy mazandoha fa zay no efa nahavoa anao. Nanaiky niverina ihany ary izy ny farany, tonga taty anefa izy d tsy hay akifika fa ny hiverina any dago ihany no ao antsainy fa hoe hanao divorce hono no antony niverenany, ty ramatoa vadiny ao antrano tsy hiresahany fa hiavonavonany, ary indraindray ary amin\'ny alina be izy tonga aty aminay fa hoe tsy hody hono izy fa hatory aty,ilay ramatoa moa ts naharitra koa fa lasa niantso ahy matetika foana mitaraina,d za mandamina ny sainy fotsiny hoe tsy mora anie hoa zany lavitra tanindrazana izany fa aza omena tsiny izy raha toa ka mikorontantsaina. D eo no efa tena tsy hitako intsony izay atao, za lasa tafiditra lalina be amin\'ilay problèm ndry zareo, ts hoe ts te hanampy azy aho akory amin\'ny maha namana ahy saingy za koa mba manana ny fiainako sy ny mahasahirana ahy.Ny toetsain\'ny olona tsy fantatra, ilay ramatoa tsy hay raha hanaiky mora an\'izany satria normal ny azy, inona fotsiny ary no nivadiana kosa, sady izay koa ilay namako io tsy mbola manana asa hatramizao fa mbola ramatoa no mamelona.
D zay ilay tantara ry zareo a, sarotra tokoa nefa tsy hitako izay atao, izy miteny hoe hipetraka aty amiko hono mandrampandehany nefa za koa ts mipetraka rery fa en colocation. Ampio aho ry reto fa tsy haiko instony izay asiako ny tenako a, tena fanina mihitsy aho zao. Misaotra betsaka anareo mialoha e !
2. Ragadona ( 23/12/2005 19:34)
Ao an tokan tranon izy sy le vazaha ihany no tsy maintsy amoahany ny vahaolana na hisaraka na hitohy ny fiarahana, ampahafantaro azy zany. Raha zohiko tsara io tantara io dia toa olona taitaitra lava izy ka tsy manam potoana handinihana ntsony refa misy zavtr tiana hatao fa tonga dia lasa zao. Ny zavatra tokony hanampianao azy zao dia ny mampahafantatra na mampahatsiaro azy an io fahalemeny io mba hampisaina azy vao manao fihetsika fa sao mitetika hipitsika amin ny vazaha amin ny fomba tsy feno fiheverana ka fonja sanatria no iafarana. Tandremo, sady am zay mbola olona iantohan ny le vazavavy fotsiny ndray. Attention hono e, alao ambony alao ambany alohan ny hivoahana
3. Bariry ( 23/12/2005 19:50)
délicats be le situation, mila lanjalanjaina tsara ary indrindra mila mahafantatra ny antonanton-javtra rehetra... Mila calme tsara aloha le ranamana, fa toa somary entin-javatra, taitaitra araka ny voalaza teo. Ny vahaolana dia ny fifampiresahan'izy mivady ihany... Samy milaza ny heviny.... Eo vao afaka manao tsoa-kevitra hoe : hivady, hisaraka sns... Raha hivady aiza no hipetraka ao frantsa sa any dago? nefa sao hampijaliana ny zanakolona tonga any dago any...Maherza enao ry xxx
4. xxx ( 23/12/2005 20:47)
Ragadona:

Misaotra anao fa tena mitovy eritreritra mints isika, za koa tena izany no ahatahorako aminy, ts mora ange zany mitsoka fotsiny zany fotsiny e, en plus izy lhl tsy mamelona koa etsy andaniny, azon'ilay ramatoa toriana fa manao abandon de foyer, zany rehetra zany efa nohezahiko nolazaina azy indray mande fa ts voalazako teo, fa d mafy loha ihany izy. Farafaharatsiny d refa tena ts te hijanona tokoa izy d manao izay hifandaminana mora amin'ilay vadiny mba tsy hiafara amin'ny gidragidra. Misaotra manohana e !

5. xxx ( 23/12/2005 20:50)
Bariry:

délicats be le situation, mila lanjalanjaina tsara ary indrindra mila mahafantatra ny antonanton-javtra rehetra... Mila calme tsara aloha le ranamana, fa toa somary entin-javatra, taitaitra araka ny voalaza teo. Ny vahaolana dia ny fifampiresahan'izy mivady ihany... Samy milaza ny heviny.... Eo vao afaka manao tsoa-kevitra hoe : hivady, hisaraka sns... Raha hivady aiza no hipetraka ao frantsa sa any dago? nefa sao hampijaliana ny zanakolona tonga any dago any...Maherza enao ry xxx

Ka izy ange efa tena hoe tsy mety hifandamina fa ilay any dago ony no tiany d zay hisaraka izy, eo olana enga anie tsy hiafa ratsy satria araka ny voalazako ilay namana iray eo ambony d ts hay zay eritreritr'ilay ramatoa, manana ny atout rehetra izy satria izy no vehivavy aloha voalohany indrindra, izy no mamelona ary raha hody le ranamana d mbola izy koa no hiantoka. Misaotra re mankahery a, manana namana marina manana anareo.
6. Ragadona ( 23/12/2005 21:00)
Sao de mba raiki pitia amin i xxx kosa ary izy, de te hipetraka any dia mody mba manao sinema kely fa sarotra be ny mitsotra ? Cas possible iray koa manko zany
7. zefalah ( 23/12/2005 21:58)
manaona enao:)
voaloany an!! misaotra anao nanoratra an'ty sujet ty
satria ity dia fampitandremana manokana ho anao,sy ho ahy,ary ho asika rehetra tanora izay maniry te amorona tokatrano.
erahamahalala moa fa ny tokatrano dia tsy vita mora,ka ilaina fieritreretana tsara vao miroso @zany.
tsy kilalao izy io ka ho atompoka @ fimehezana dia ho faranana @ fimehezana,tsy kilalao ny fanambadiana
raha jerena manokana zao lay lhl naka vady zokiny 15 taona io dia diso,satria maika maika loatra.
le lesona tiako alaina de zao...
aoka sika tanora rehetra mba tsy ho toa io lhl io.
sy io vhv io....
efa voa mo izy..reny no atao hoe rano raraka teny an-dohan'ny mpatraka-rano ka tsy azo raofina tsony.
ny manarina azy no nde atao.
efa nisy valiny mazava be tery ambony tery hoe.
miankina @ izy mivady iany io,satria resaka tokatrano mo izy ty ka anahirana iany ra hiditra @lay izy...tsy ai sika na le ramatoa mandainga na le ranga..tsy ay tsony zany...
fa ny zavatra ataonao ry xxxx dia zao.
zay fanotaniana apetraka aminao dia valio @ fomba mendrika,ary mieza mba amaha ny olana zay misy @izireo....mahazo apetrakao ao aminao izy raha sitrakao zany,nefa kosa...misy fiteny arabo zay manao hoe...raha ny vhv sy lhl no rai-trano dia ny devoly no fahatelon'izireo.
ka asakasakao...fa tena marina miankina @izy mivady ny raharaha..na entinao any @ manampahefana aza io sujet io ,dia zay ny valiny azonao avy any.
ady tokatrano io..ka rangahy no tohokony voloany hijangana @zany....fa tsy enao na le ramatoa.
le hoe le ramatoa no mamelona azy...raha lhl misy saina izy dia tohokony tsy anao divorce,satria olona zatra mionda sandry ka ra mionda mololo manevika.
mbola aiza ny lalany,no olona mamelona azy no ataony aon'zao.
xxxx tsy de itako lotra zay idiranao lalina @le izy na de namanao be aza r'zareo..satria ady tokatrano oa io..ny ady tokatrano na ny mama na dada tsy mavita mamahy azy ka maika fa enao..
fa nanao soa enao nanao an'zay efa vitanao,fa raha ny hoe izy hipetraka any aminao alo..afa afa iany zany....amiko alo...fa tsy aiko enao.
soa atao hono levenambola e..fa ratsy atao loza miantona,nefa raha soa amono anao kosa ,maty aho matesa rahavako..ok'etsy....
ka ozy aho hoe...enao no masomandidy @ fanapina azireo..fa raha ny marina dia adin'ny mpivady tsy hidiran'iza n'iza..na police aza.
mahereza
8. dadabe ( 23/12/2005 22:00)
:^):^)
9. adidy ( 24/12/2005 00:23)
REhefa tena dinihana ny toetran'ilay namanao dia zaza saina tsy matotra! Na ilay voalohany ary dia naleony niaraka t@ olona zokony, dia avy eo dia leo fa nahita hafa, ohatra ny kilalao e! Mahita hafa dia tsy tiana indray ny teo(capricieux), mila kolokoloina(maternage) , ary ny tena olana dia ianao no mody asainy mitady hevitra sy mikaon-doha fa dia ianao ihany no hifoterany avy eo, satria rehefa any Dago indray izay ka ho leo an-dra joba dia lazainy fa ianao no nanakantsakana azy tsy ho tafita, mila bouc émissaire foana izy hanazavany ny tsy fahombiazany, ka hazavao fa namanao izy, fa kosa misy ny fanapahan-kevitra mila raisina irery.
10. fetrakens ( 24/12/2005 07:32)
Mivavaha mafy.
11. kally ( 24/12/2005 07:42)
Aza midikiditra @ tokantranon'olona izany fa tsy mety satria isan'ny mpiray tsikombakomba @ faharavany ianao raha rava izany, tadidio fa misy alahelon'olona ao anatin'izany.Fijeriko manokana iny.Apetraho @ andraikiny ilay namanao.Avelao izy hamaha irery ny olany fa efa olon-dehibe,araky ny nolazain'i adidy etsy ambony hoe hifototra aminao eo io vao ho gaga ianao.
12. xxx ( 24/12/2005 09:10)
Ragadona:

Sao de mba raiki pitia amin i xxx kosa ary izy, de te hipetraka any dia mody mba manao sinema kely fa sarotra be ny mitsotra ? Cas possible iray koa manko zany

Zay aloha inoako fa ts mitombona e, ny azy d ny handeha hody any Dago hamonjy ilay tovovvay iray ihany no ao antsaina, mitady hitsoaka ilay tokantranony aty fotsiny nefa tsy eritreretiny izay mety ho vokany. Marina fa efa ela izahay no nifankafantatra nefa madio ny finamananay ary za koa efa manana ny fiainako.
13. Vehivavy ( 24/12/2005 09:16)
zefalah:

manaona enao:)
voaloany an!! misaotra anao nanoratra an'ty sujet ty
satria ity dia fampitandremana manokana ho anao,sy ho ahy,ary ho asika rehetra tanora izay maniry te amorona tokatrano.
erahamahalala moa fa ny tokatrano dia tsy vita mora,ka ilaina fieritreretana tsara vao miroso @zany.
tsy kilalao izy io ka ho atompoka @ fimehezana dia ho faranana @ fimehezana,tsy kilalao ny fanambadiana
raha jerena manokana zao lay lhl naka vady zokiny 15 taona io dia diso,satria maika maika loatra.
le lesona tiako alaina de zao...
aoka sika tanora rehetra mba tsy ho toa io lhl io.
sy io vhv io....
efa voa mo izy..reny no atao hoe rano raraka teny an-dohan'ny mpatraka-rano ka tsy azo raofina tsony.
ny manarina azy no nde atao.
efa nisy valiny mazava be tery ambony tery hoe.
miankina @ izy mivady iany io,satria resaka tokatrano mo izy ty ka anahirana iany ra hiditra @lay izy...tsy ai sika na le ramatoa mandainga na le ranga..tsy ay tsony zany...
fa ny zavatra ataonao ry xxxx dia zao.
zay fanotaniana apetraka aminao dia valio @ fomba mendrika,ary mieza mba amaha ny olana zay misy @izireo....mahazo apetrakao ao aminao izy raha sitrakao zany,nefa kosa...misy fiteny arabo zay manao hoe...raha ny vhv sy lhl no rai-trano dia ny devoly no fahatelon'izireo.
ka asakasakao...fa tena marina miankina @izy mivady ny raharaha..na entinao any @ manampahefana aza io sujet io ,dia zay ny valiny azonao avy any.
ady tokatrano io..ka rangahy no tohokony voloany hijangana @zany....fa tsy enao na le ramatoa.
le hoe le ramatoa no mamelona azy...raha lhl misy saina izy dia tohokony tsy anao divorce,satria olona zatra mionda sandry ka ra mionda mololo manevika.
mbola aiza ny lalany,no olona mamelona azy no ataony aon'zao.
xxxx tsy de itako lotra zay idiranao lalina @le izy na de namanao be aza r'zareo..satria ady tokatrano oa io..ny ady tokatrano na ny mama na dada tsy mavita mamahy azy ka maika fa enao..
fa nanao soa enao nanao an'zay efa vitanao,fa raha ny hoe izy hipetraka any aminao alo..afa afa iany zany....amiko alo...fa tsy aiko enao.
soa atao hono levenambola e..fa ratsy atao loza miantona,nefa raha soa amono anao kosa ,maty aho matesa rahavako..ok'etsy....
ka ozy aho hoe...enao no masomandidy @ fanapina azireo..fa raha ny marina dia adin'ny mpivady tsy hidiran'iza n'iza..na police aza.
mahereza

Misaotra anao indrindra, ny tena marina d tsy za no manao safidy niditra tamin'ny olanmpiainandry zareo fa ry zareo mihitsy no mitaraina aty amiko foana, miantso ny andaniny milaza izay teneniny miantso koa ny ankilany milaza ny ampony, za lasa eo ampovoany tsitako iza lalakombana, nefa ts vitako koa ny hiteny amindry zareo hoe alamino rery ao nenareo fa fiainanareo io. Mikasika ilay izy hipetraka aty amiko, d tsy marisika mihitsy aho amin'izy io satria za hoy aho mba manana ny fiainako koa ary misy namana ray ery ambany miteny hoe lasa voaray ho mpiray tsikombakomba aminy aho ra sanatria ka miafara ratsy ny tantara. Miezaka manamboatra ny sainy foana aho hoe lhl lehibe ianao hatreo ny tokantranonao ary mieritrereta tsara alohany anaovanjavatra fa izay no efa nahavoa anao hatramin'ny voalohany.
14. Vehivavy ( 24/12/2005 09:17)

15. Vehivavy ( 24/12/2005 09:25)
Za zany le nanoratra io olana io fa efa tsy nafeniko intsony e ! Tiako ho fantatrareo fotsiny hoe tena tsy miditra amin'ny fiainany aho fa za koa aza hoa mba sahirana, nefa inona kosa ary no ataoko rehefa iny fa miantso ahy ry zareo mitaraina, tena tsy hitako, ny hipetrahany aty amiko inoako fa tsy vahaolana mihitsy, ary vao maika aza ho tafiditra diso lalina loatra aho raha toa ka manao izany. Ny fiainako aza efa be problème koa amin'izao fotoana, efa tsy hitako izay hanaovana azy, ny any hafa koa ity toa vao maika loza, tsy hitako intsony e !
16. Vehivavy ( 24/12/2005 09:25)

17. diamondra27 ( 24/12/2005 10:08)
o ry reto a! tena lava be le izy e!zay tsy manana fotoana fa adiny iray ihany no eto @ cyber nefa zany mbola jerena dinika sy zvt hafa fa de miala tsiny raha tsy afaka mamaly anao za

nefa sur fa mba tokony hanampy anao ihany

raha misy namana afaka manao resume de mba ataovy e
18. landrie ( 24/12/2005 15:03)
ty namana ray ty ry sipa de nanambady olona zokiny 15 taona hono.
nipetraka tany france izireo..le sipa no miantoka an'lery.
refa niverina taty dago le bandy de naita ny aganga tsara soratra..de nanary mitady anary ny vadiny ao atrano.
koz e...mbo vrai mo zany...de teny ny resaka.
ka le nama-sika nanoratra no mpanome conseil.
le blem zany ra ny fazaoko azy de tena..anao divorce forse @ le vadin'takaka e..ee....ka aona ny evitrao
hisaraka @ vadiny ve izy sa tsy hisaraka.
fa tsara marihina..za mitady vady..ra vonona enao.
:D diamondra27 landrie no adresse-ko.
six e
19. diamondra27 ( 25/12/2005 19:20)
landrie:soa ihany fa misy mpadika ato , merci

xxx:
x pose un problème
y cherche une solution
z APPARTIENT à x
y=?
CQFD = racine carrée de relation entre z et x
20. diamondra27 ( 26/12/2005 09:35)
d= distance entre mada et france
n= namana serasera
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1496