Borneo sy East Africa, ireo indray hono no fihavintsika e

1. antso2005 ( 19/12/2005 16:18)
Borneo, East Africa, ireo indray hono no fihavintsika raha ito lahatsoratra ito no vakina:

Half of the genetic lineages of human inhabitants of Madagascar come from 4500 miles away in Borneo, while the other half derive from East Africa, according to a study published in May by a UK team.

Tohiny : http://news.mongabay.com/2005/0708-wildmadagascar.html

novalian'i soanja ny 20/03/2006 13:21
2. Veloo ( 19/12/2005 19:45)
antso a za aloha efa fantatro fa avy any indonesie e... fa tsy Afrique de l'Est....na ny teny gasy ary dia betsaka mihitsy ny hitovizana ny an'i Indonesie
3. Herimiafina ( 19/12/2005 19:49)
O ry Veloo an, Ny boky tantara tranainy indrindra no milaza an'io fa tsy midika akory fa marina foana izy voalazan'ny boky na de professora be tahaka ny inona aza no nanoratra azy.

Ary ny hypothese probable indrindra de multiple origine ny gasy na maro fiandohana fa tsy indoneziana fotsiny na afrikana fotsiny, misy arabo any misy malais, misy avy any malaga.

Ary matetika dia ny voasoratra dia ny momba ireo malais sy indonesien vaky sambo tamin'iny morontsiraka antsinanana iny avokoa, izay nolazaina fa niavotena tamin,ny sisiny antsinana ary nivady tamin'ireo olona efa teo hatramin'izay.

Tsy nisy mihintsy tantara nanadihady ireo karazana olona efa nipetraka teo talohan'ny nahatongavan'ireo vaky sambo ireo, ary matetika ny olona teo voalohany autochtone dia lazaina fa vazimba ary lazaina koa fa maty daholo.
4. Herimiafina ( 19/12/2005 19:56)
Ny nahatonga an'io hypothese hoe maro fiandohana ny malagasy dia ny fijerevana ny kiltiorany no nahatongavana teo.
Ohatra maro ny fomba any amintsika mitovy ny fomba any Indonezia sy malais, indiana, sns,
Maro koa ny mitovy ny any Afrika, na eo amin'ny resaka dihy izany, na resah fomba fitafy , na resaka finoana ny razana, sns
Be dia be e, ny fanontaniana nandalo tato antsaiko raha nahita izay boky matevimbe mikasika an'io izay izaho de ny hoe: raha efa kiltioran'olona daholo aza ireo karazana kiltiora hita aty Dago ireo de mba inona no tena atao hoe kiltiora gasy raha handalina azy izaho?

Hanao hira gasy ve izaho? Any Asia atsimo koa toa misy karazana hiragasy izany klé.
Hanao minotsoka sy salegy ve zah, toa mitovitovy amin'ny any Afrika andrefana le fomba fandihy.
De tsy hitako tsony re rankizy fa de very zah e,

5. Veloo ( 19/12/2005 20:05)
ary miverina inn droa anie ty size ty ry antso2005 a fa ahona kay?
6. dadabe ( 19/12/2005 21:43)
fa aiza ko no misy??

tsika klou avy @ pays asiatika fa tsy afrika e
7. Herimiafina ( 19/12/2005 22:28)
Misy metissage avy any afrika kah, jereo fotsiny ny elanelana misy amin'ireo tany roa ireo, de hitanao fa influence afrikana kokoa i Madagascar, hita any amin'ny kiltiorany izany.
8. xxx ( 19/12/2005 22:56)
Dia ho afrikana ve tsika klé?
toa tsy aleo ihany asiatique ko!
9. Veloo ( 20/12/2005 01:32)
o ry kala hery a jereo doly ny valony, tsika pays asiatique fa tsy afrika e:P
10. jennifer2 ( 20/12/2005 01:55)
Ny olona any @ sud sy ouest no maro no metisy Afrikana
11. Herimiafina ( 20/12/2005 02:07)
Adinonareo ny olona efa nipetraka teo talohan'ny nahatongavan'ny avy any Asia vaky sambo. Vao nisaraka tamin'i Asia i Afrika tamin'ny Godwana, dia nitokana i Mafdagasikara ka efa nisy olona teo ary ny teo voalohany dia afrikana.

Avy ao antsinanana no nidiran'ny malais sy ny indoneziana fahiny, nanambady tao ry zareo rehefa hitany fa tsy hisy sambo handalo hanavotra an-dry zareo, dia nidina niantsimo izy ka nisy nijanona foana isaky ny tanana nanambady izay efa teo antoerana, dia rehafa avy any antsimo izy de niakatra nanaraka ny morontsiraka andrefana dia varatra dia avy eo ni-decider ho amin'ny toerana avo indrindra de ny hautes terres izany, dia nijanona teo ka nanangana fanjakana.

Ary mbola nisy ihany koa ny fifandraisana tamin'ny sisintanin'i Afrika iny ka nifangaro ny mponina teo.

Nisy ihany koa ny arabo nidditra avy aty atsimo andrefana ka nanao toy izany dia nivady tamin'ny tompontany ka nanome ny malagasy mitovitovy amin'ny arabo.

Mbola marobe fa ireo klou no azo aroso, le boky mnahitako an'ireo konkou efa tsy haiko tsony ze nalehany.
12. jennifer2 ( 20/12/2005 02:11)
Herimiafina: Mr l'historien
13. Herimiafina ( 20/12/2005 02:13)
Zah akia tsy historien izany an, mba tadidiko tamin'ny boky novakiako ireo de izay fa tsy mahay tantara fadiranovana zah, lovantsofina angaha de haiko fa zah tsy tia mamaky boky akory, tsss, hehe:-D
14. jennifer2 ( 20/12/2005 02:20)
Aleo indray ary atao hoe Mr le scientist e! mety ve zany filazako azy zany?
15. Herimiafina ( 20/12/2005 02:22)
An3, zah olombelona tsotra kah, somary miadana be fotsiny ny fi-assimiler-ko zavatra de mba tadidiko ze hany tokony ho tadidiko amin'ny zavatra maro be tokony ho tadidiko. Lent hono zah e,
16. jennifer2 ( 20/12/2005 02:26)
Iza no milaza anao ho lent?? enao aloha rapidos amiko e!
17. Herimiafina ( 20/12/2005 02:28)
Poikany,ny mpampianatra anah tany amin'ny EPP niteny daholo hoe lent be ty zaza ity, de zah foana no gida-maimbo fa tsy tiako ny zavatra nampenarina anah fa tsisy sarisary, hehehehe:-D:-D:-D:-D
18. jennifer2 ( 20/12/2005 02:33)
Efa taloha zany fa zao enao lasa rapide indray!
19. Herimiafina ( 20/12/2005 02:35)
Poikany, misy maha-rapida anah fa zah lent be en zeneral kah, hehehehehe:-D:-D:-D:-D
20. jennifer2 ( 20/12/2005 02:38)
inona no maha-rapide anao? mety ho fantatro e?;-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5181