Teny gasy!!

1. RockyMaivia ( 12/12/2005 08:33)
Sahirana ny ankamaroan’ny Gasy " moderne " rehefa hamaky ny teny gasy. Hany ka lasa kamo mamaky boky na lahatsoratra amin’ny tenin-drazany. Sanatria ve ka tsy ho fidiny sisa ny fahaiza-mamolaka ny teny nahavitana nanangona ny " Tantaran’ny Andriana ", ny teny nahavitana dika manontolo ny " Baiboly ", ny teny nandaharana ny " Firaiketana " ?
Ny toro-hevitra apetrako ombieny ombieny dia hoe : vakio mafy satria rehefa ren’ny sofina ny feo mahazatra dia tsy hanavao ny maso ny litera sy ny soratra. Moa va tsy irony zazakely miana-miteny irony. Tanisao ny abidian-dRadama : a, b, d, e, f, g, h, i, j, k, l, m, n, o, p, r, s, t, v, y, z. Angamba ihany koa ny fampianarana ny teny gasy any an-tsekoly any no tsy mahasarika ny ankizy ankehitriny satria sanatria ka mahamonamonaina tahaka ny tsianjery sekoly alahady. Tokony hatsidika tsindraindray ny zavatra mahatsikaiky. Isan’ny ezaka manokana andraisako anjara amin’izany no ho tanisaiko anao manaraka eto.
Rehefa avy nibadabada ny abidia tsy misy ny litera vazaha " c, q, u, w, x " dia raiso ny zanatsoratra efatra : " a, e, i, o ". Araho ny sary fanazavana : raha atambatra amin’ny litera telo hafa (ohatra eto : f, r, y) dia firy no teny misy dikany ? Tsy fanadinana akory ity fa fanazaran-tena tsotsotra rehefa iny vizambizana iny. Samia mitady teny mitovy rafitra amin’io ohatra io ka tsy maintsy misy dikany avokoa ny teny tsirairay isaky ny mivady amin’ny zanatsoratra voatondro. Tsy fantatro izay mety ho hitanareo any ambadika any fa ny ahy aloha dia io “fary, fery, firy, fory” io no tena masaka an-dohako. Raha ny litera “v, r, y” indray ohatra no andramana, dia mety ny “vary”, mety ny “very”, mety ny “vory” fa tsy haiko izay dikan’ny “viry” raha teny misy akory ary io. Tahaka izany ihany koa : “sary”, “sery”, “sory” fa inona ary izany hoe “siry” ? Mandringa noho ny “tiry” ny “tary” sy “tery” ary “tory”. Ny litera “v, l, y” angamba no mety azo raisina : “valy”, “vely”, “vily”, “voly”, saingy tsy mahazatra intsony ny “valy”.
“FARY, FERY, FIRY, FORY” : aha, dia mba finaritra miteny ratsy loatra koa izao olona izao hoy angamba ianao. Ndry, fa angaha moa teny ratsy ny “fory” ? Ka raha teny ratsy ny “fory”, izay faritra amin’ny tenan’ny vavy, moa tsy ho teny ratsy ihany koa ny “nono”, ny “kibo”, ny “fe” ? Ny tena marina dia isan’ireo teny nozimbain’ny Vazaha io teny “fory” io. Indray andro hono, raha niakatra avy any Soatsimanampiovana, Mantasoa toerana niasany Jean Laborde, dia izao no tatitra nataony tamin-dRanavalona Reniny : “Vita ilay founeau”. Nisafoaka hono ny Andriana satria hay noheveriny fa “vita ilay forinao” no sahin’ity vazahalahy resadresahina…
Mbola ao an-tsaina hatrany ilay hainteny hoe : “ny kindin’ise ve sarangan’ambiaty” hoy ilay fanontaniana. Hainteny mihaja be mihitsy anefa izany. Ka toy izany no fiteny tety talohan’ny nahatongavan’ny misionera vazaha ! Talohan’ny nanoratana hoe “fivaviana” na “filahiana”, inona no teny gasy nanondroana ireo faritra amin’ny tenan’olombelona ? Manahy aho sao dia any amin’ny teny lazaintsika hoe “ratsy” no miafina ireny teny natao anjorom-bala ireny. Akanga sisa nanamborana amin’ireny teny ireny ny “kindy” (ny an’ireo havana vavy rehetra), “fory” (mahasosotra ahoana ary ?), “lataka” (tahaka an-drainy hoy ilay be vazivazy). Mahagaga fa tena “cours d’anatomie” mihitsy no am-bavan’ny Gasy rehefa mingoso izy…
Raha mandray “dictionnaire” vazaha ianao dia ahitana tsy misy fihatsaram-belatsihy ireto teny ireto : “testicule”, “pénis”, “vagin”. Indraindray koa, fa arakarakin’ny dictionnaire satria ny rakibolana sasany saro-kenatra, hita ao ny hoe “bite”, “quéquette”, “zizi”, foufounne”, “cul”. Dia tsy mba izaho kosa no mandainga, fa ny “dictionnaire” mihitsy izany no fatra-piteny ratsy raha atao hoe “ratsy” ny “fory”.
novalian'i Veloo ny 15/12/2005 17:12
2. lapino ( 12/12/2005 08:40)
Resaka "gasy moderne" ve izy izany, sa kilalaon-teny, sa resaka "anatomie"?
3. fasaly ( 12/12/2005 08:44)
kay tena lava be de fanina ny masoko!!!!
4. kally ( 12/12/2005 10:01)
Ianao ihany angaha ilay mpanoratra amin'ny gazety Express? Toa lahatsoratra tazako tao mantsy ity.Fa fonon-teny fotsiny iny fa efa resabe foana koa ange ny teny gasy e!
Ahitsy ny ankizy tsy mahay miteny gasy milaza ny teny gasy izany aleo ho any fa efa fisokafana @ teny vahiny izao, be diso be indray ity teny vahiny dia mba ahitsy indray ry zareo, dia milaza ny tenin-drazako angaha io fa rehefa azo ny tiana ho lazaina dia izay, dia asa re rankizy gasy, aza gaga raha tsizarizary ny fiainanao satria tsizarizary ihany ny fisainanao.
5. rurik ( 12/12/2005 15:29)
za te hamaky fa lava loatra le izy ko
6. Veloo ( 12/12/2005 16:31)
:^):^):^) lava lotra :^):^)
7. RockyMaivia ( 12/12/2005 18:21)
veloo> aza matahotra fa fohy ny ahy kah!
8. Veloo ( 13/12/2005 16:30)
rocky a jereo io ambony fa resaka lava ny anao ko :-D:-D:-D
9. mimiso ( 14/12/2005 05:10)
Vao nitopy le maso de lava be le zvt ,kayyyyy....
:-D:-D:-D Kamo be le maso hamaky, fa mba afohezo @ fomba tsotra mo e!!!!
10. Veloo ( 14/12/2005 16:36)
rocky a ny aratsim-panahy njy no betsaka ny ol rehetra metiny oe lava doly tsisy te hamaky za ihany no menomenomana:twisted::twisted::-D
11. pissoa ( 14/12/2005 17:25)
kou velo rery no :^):^):^):^):^)
12. lapino ( 14/12/2005 17:28)
mimiso:
Vao nitopy le maso de lava be le zvt ,kayyyyy....

hummhh...! :-D:-D
13. Veloo ( 15/12/2005 17:12)
pissoa a no maninn retsy ?fanina ve? hahahhaha:-D:-D:-D njy ko zany :^):^):^):^):P
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.316