Ny hasambarana tsy hoe .......

1. majakely ( 03/11/2005 07:55)
Inona toko no atao hoe fahasambarana ??? ......
novalian'i majakely ny 10/11/2005 11:04
2. pika ( 03/11/2005 08:03)
samy manana ny hamaritany azy fa raha ny fahasambarana ety ambonin'ny tany dia mandalo sy mety miova ihany fa ilay any ankoatra any miaraka @ kristy no tena izy
oh ny vola no maha sambatra mety ho lany izany
ny fahasalamana mety mbola harary ...
ny fitiavana mety mbola ho voadona .......
3. xxx ( 03/11/2005 08:03)
efa nisy teto io suzé io
4. jentilisa ( 03/11/2005 08:10)
Tsy olana na efa nisy teto aza fa avelao hisy hevitra hafa na hamerina izay hevitra tsara tany ianareo e!
5. jentilisa ( 03/11/2005 08:12)
ny hasambarana tsy hoe tianao ihany aho fa ny hoe tiako ianao? mahatsiaro aho fa tianao? mahatsapa aho fa tianao?

Tsy sambatra kosa aho raha tsy mahatsapa ny fitiavanao na dia tia ahy aza ianao?
6. mamzelkely ( 03/11/2005 08:14)
ny ahy alo ra hidéfinir zany we hasambarana zany de ts haiko mits e...fa ny ana angamba de ny fitiavana no manakaiky indrindra n fahasambarana na eo am fianakaviana zany na eo amin'ny mpinamana na olon-droa..:)
7. majakely ( 03/11/2005 08:24)
ka ilay fitiavana amin'ilay olon-droa ange ry mamzelkely toa mampijalijaly zany e,,fa tsy tena mahasambatra zany ko!!sa zah ve no.....???
8. Herimiafina ( 03/11/2005 08:47)
Iainanano isan'andro ny fahasambarana fa tsy hitanao.

Ny fahoriana no hitanao bebe kokoa dia toy ny tsy misy ny fahasambarana. Bisous daholo.
9. mamzelkely ( 03/11/2005 08:59)
majakely< njay njay izy alo de mampijaly fa ts manin fa fombany io...:)
10. jentilisa ( 03/11/2005 13:12)
mihevitra aho hoe araka ny hitondranao ilay fitiavana ihany io. raha ataonao ho toy ny nofinofy io dia tahaka ny maniditsidina maivamaivana izany ianao. Dia izay ilay heverina hoe fahasambarana...

Rehefa kivikivy ianao mahita ny toetra sy ny zava-misy dia mivadika ny tontolo. Tahaka ny mavesatra izany avokoa ny zava-drehetra na dia ny tongotra hamindra aza. Dia heverina ho fahoriana indray izay zavatra izay.
11. ari.malala ( 03/11/2005 13:49)
tiava marina tokoa dia ataovy izay tianao atao, mitiava tsy miandry valiny, manomeza tsy miandry valiny fa raha miandry valiny ianao d tsy hahita fahasambarana fa fahadisoam-panantenana aza no hitanao
12. fasaly ( 03/11/2005 15:27)
ny fahasambarana amiko de rehefa adinonao iny daholo ny soucis na amin'ny lafin'ny rehetra na aretina na problème jiaby!:wink:
13. majakely ( 03/11/2005 16:03)
aiza misy an'io fasaly ???ho any mantsy zah ...hihi
14. mandrindra ( 03/11/2005 16:27)
anadao izany ho any daholo !!! raha tsy dia lafo loatra ny frais !!
15. Veloo ( 03/11/2005 20:11)
ande ho aiza ry mandrindra?
16. fijo ( 03/11/2005 22:38)
za aloha rehefa tsara kaly aho sy milamina dia efa ao izay e
17. cutie ( 04/11/2005 02:58)
ny fahasambarana :refa velon'aina sy afaka mihaino mozika 8)
18. jentilisa ( 04/11/2005 07:00)
ny fahasambarana...sao dia odiana adala tsy mahalala tsy tiana?
19. lilbon ( 04/11/2005 10:18)
fasaly> marina mihintsy zany!
ny fahasambarana amiko de rehefa mampitsiky ana daholo ny fiainako!:):):)
20. lilbon ( 04/11/2005 10:18)
ny fahasambarako de refa za no mandresy e!:twisted:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0564