izao no manjo refa maika

1. xxx ( 24/09/2005 04:45)
21 taona , nianatra teny amy universite ,de nanao sipa , de tia be an\'le sipa! deizy kou tia be !
de avy eo nifankahita toetra!hita ihany kou ny toetra ratsy !
de niova za lasa tsy tia be tsony !
Anefa 10 taona de novadiko ihany le sipa satria nampalahelo we niandry ana teo foana !sady hendry!
za kou nanaja
de nefa refa nivady de leo za !
de natsiaro fa diso za !tsy ao tsony le fitiavana
nefa izy mampalahelo
ny zaza kou 1!
de lasa tsy natsapa fitiavna tsony !
INONA AZA NO METY HATAO ?

novalian'i lilbon ny 30/09/2005 05:04
2. fijo ( 24/09/2005 04:51)
tsotra be,vady mila fitiavana,rehefa tsy misy io dia isarao.
3. lilbon ( 24/09/2005 04:58)
ary maninn kou fijo tonga alohako e! hihihih
4. Herimiafina ( 24/09/2005 05:04)
Fa i xxx ve lahy sa vavy e. Tatsy ambadika tatsy toa hoe mandé rà refa tsaintsain, de ato njay mirevy sipa be. inn tena marna e?:-D:-D:-D:-D

Momba le tena resaka njay de normala be zany fa efa nandalo teo daôly zay. fa ny vahaolana de le sisprizy ihany e. omeo sirprizy izy de la sa tia be anao de lasa manao sirprizy koa avy eo.

Ny mankaleo anao de izy tsy mba manao sirsprizy mintsy. de anjaranao ny manomboka de manao izy avy eo zany.
5. xxx ( 24/09/2005 05:50)
herimiafina>lexxx afaka manao daholo ka!na enao aza
samy hafa zany reo xxx 2 reo .
le sirprizy tsy de zay loatra!
fa tena maty le fitiavana !
maty par jalousie le sipa
maty satria misy le toetra tsy hita raha tsy taty aoriana
maty satria maty le fitiavana
6. Herimiafina ( 24/09/2005 06:03)
Izay vô azoko le xxx, nde mba hananjana kou za de hiteny ratsy be mahintsiny hijerevana azy,hihihihihi:-D

Fa zao e, inn le toetsa nahafaty le fitiavana, voretra be ve izy sa mampirafy be sa tia resaka be sa matimboola be?

Fa tadidio fa mety ny fitondrantenan'ilay olona miaraka aminy koa no mampimpoitra izany toetsa izany.

Izao fôna no mba atoroko ireny olona mitaraina aty amiko ireny hoe toy izao na toy izao ny vadiny. Izao no avaliko azy:
"Matoa izy toa izany dia satri ianao no mety nahatonga zy lasa ôtran'izany"
Ny zaza hono ohatra tsy mihanta raha tsy nampiataina.

Dia tokony ovana kou zany le toetran'ilay bandy amin'ny alalan'ny sirprizy de milamina io e.

Tandremo fa raha ôtsan'izany fôna de na hiala amin'io rasipa io aza le bandy de mbola mitovy amin,io ihany ze manaraka rehetra eo, ka hiala foana ve isaky ny ....
7. jajaf401 ( 24/09/2005 06:39)
marina zany eh!
eo ampitadiavana seza io tsara jiaby na sipa na kofa fa refa lasa ny andro sy ny volana de lefy foana io fa mijery point fort hafa indray anandratana an'ilay fiarahana fa tsy ilay fitiavana tery @ originaly intsony eh!
Fa aza atositosika izy fa tsy fidiny zany eh! Efa enao no anjarany!:-D:-D:-D
8. fasaly ( 24/09/2005 10:14)
manaova fialamboly ho anareo roan na voyage ho anareo roa dia mianara miafankatia toy ny teny ampiandohàna, raha ny jalousie no namono ny fitiavana de resaho izy tsy ho saro-piaro, ny ela maha-ray ny roa, na maty aza ny fitavana mivoara-mena tsy maintsy misy foana ny fitiavana mifamatotra aminareo roa ka io no tsara velomina kely indray.
9. ravakamalala ( 24/09/2005 13:37)
Omeo zandry i koto na i ketaka!
10. Herimiafina ( 24/09/2005 17:53)
Raha mila fanampiana amin'ilay fanamboarana zandriny de za eto fôna.=))=))=))=))
11. narij ( 25/09/2005 03:58)
Eritrereto tsara ny dia manaraka fa mbola lava be ny fotoana sao da hanenina na hanamboatra zaza vao hafa raha mbola misy lay fitia :D; na hitady vady vao hafa eh :-*(l)
12. pika ( 26/09/2005 05:02)
zay ny mahavoa antsika matetika natao mariazy satria efa ela no niarahina ka mahamenatra ny fianankaviana sns... zao anefa ny vokany diso efa hatr@ 1 ianao
rehefa tsy mitia olona 1 amin'ny kilemany dia aza manambady azy
torohevitro izany dia izao hoe ny fiainampianakaviana mila fifankatiavana tsy hisy fahasambarana ny tokantrano tsy misy izany fa na ny zaza aza mety hijaly satria na tianao na tsia dia mety hisy adiady lasa tena goavana be
tsotra misaraha dia ny mbola 1 ny zaza sy mbola samy tanora fa tsy fiaianna izany
13. ratole ( 26/09/2005 05:56)
Hoy ny Ntaolo : " ny fanambadiana toy ny mitafy jiafotsy ; vao tsy ialan-kasokasoka, tonta tsy ialan-dromoromo". Ny tiana holazaina dia ny hoe tsy maintsy misy foana ny olana eo @ mpivady fa anjaranao ny mandamina azy. Miezaha manetry tena sy miezaka mitia @ ilay kileman'olona. Aza misaraka izany mihitsy fa tsimjovy ny hoavin'ilay zaza.
Tsy mbola mpahafirin'ny zavatra iainan'ny mpivady izany fa mitadiava vahaolana tsara.
Ka raha izany misaraka izany foana na tsy ho tia izany no atao dia milaza marina aho fa na dia hiova vady foana ianao dia tsy hahita olona tsy hana-kilema na ho ela na ho haingana.
Aza misaraka e! Tiavo izy ary ataovy izay hampiravona ny tonkatranonao.
14. fasaly ( 26/09/2005 06:20)
sady lay fisarahana wa tsy solution izany, e! ny efa misy no hatsarao fa hitady olona hafa ndray nefa tsy hay na haharitra na tsia, mbola hamolaka sy hizàtra toetra amin'uilay vaovao indray ve?
15. pika ( 26/09/2005 07:24)
ny fitiavana no maha mpivady ny mpivady koa raha io no tsy misy ao an-tokantrano dia toy ny elo ny fiainana
io koa anefa tsy azo tefitefena izany koa eritrereto tsara raha toa moa mbola misy fitiavanao azy na kely aza ka azonao antoka koa fa afaka ampitomboina izany sy kolokoloina dia tsara fa raha tsia kosa ny valiny dia mametraha ? ihany hoe hanao ahoana ny tohiny
16. kukuto ( 26/09/2005 08:24)
Ary sô de mila manao vakansa kely toi.refa le anatrika zavatra sarotra reny to efikasy iany io. Oatra oe mifady hanina any anefitra kooo.
fa tsy mametraka divorsa fa mba miala kely fotsiny.:-@.
Efa lasa lavitra loatra le aingampanahy taloha de mila averina indray. hihi
17. cocorie ( 26/09/2005 14:13)
Aza isarahana kosa izy e! ovay indray ny feeling raha ambony ianao talo de mba midina ambany indray mba mifandefindefitra eo e!
18. deghany ( 26/09/2005 15:32)
fijo:

tsotra be,vady mila fitiavana,rehefa tsy misy io dia isarao.


ie!!!
19. Herimiafina ( 26/09/2005 16:50)
Efa hoe manamboara zandriny amin'izay e.:-D
20. Veloo ( 26/09/2005 17:45)
oy i xxx oe:
Anefa 10 taona de novadiko ihany le sipa satria nampalahelo we niandry ana teo foana !sady hendry!
za kou nanaja
de nefa refa nivady de leo za !

Efa folo taona nareo niaraka? nareo anie zany efa eo @ ilay taona oe vady e... zany no ahitanao ny kilemany rehetra efa leo ianao...ao @ fanambadiana dia misy an'io stage io "leo" nefa novadianao izy dia ianao tokony hiresaka amin'ny tsara. ny firesahina no tena zavatra lehibe indrindra rehefa mivady.. lasa par pitie no nivadianao azy dia anao ny mi-forcer ny tenanao ho tia azy indray tadidio ireny lasa nareo taloha izay nahafinaritra ireny, mandehana manao vacance kley nareo mi-tsam fa miverina io fitiavana io raha misy finiavana ianao...
bonne chance e (aza adino ny mivavaka)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.387