REHEFA TENA TIA VE DIA MAINTSY MANDEFITRA

1. xxx ( 09/09/2005 15:03)
Refa tena tia ve dia tsy maintsy mandefitra?
novalian'i tojo007 ny 29/10/2005 11:23
2. Herimiafina ( 09/09/2005 15:15)
Vita matavy amin'izany eo.
Lasa diplomatika be mantsy rehefa tia dia tsy sahy miteny tsy sahy mampiseho ny tena maha-izy ny tena satria matahotra sao mampiseho fihetsika ana toetra ratsy amin'ny partenera.

Tsy voatery mandefitra lava ianao fa manome fahazarandratsy ny parteneranao, avy eo ianao any aoriana any leo mandefitra dia mampiseho ny tena izy momba anao dia diso fanantenana ilay perteneranao.

Izany hoe raha mandefitra ianao fa tia:

1- Dia ho leo ianao any aoriana any.
2- Ny perteneranao diso fananatenana fa kay ianao tsy nampiseho ny tena heritreritrao fa nandefitra.

Crois-moi efa niainako izany, fa bordel be ny vokany avy eo.
3. Herimiafina ( 09/09/2005 15:19)
(Tohiny sady ohatra mazava).

Rehefa leo nandefitra foana rakalakely taty afara dia navoakany jiaby jiaby amin'izay ny zavatra niafianay rehetra tao nandritry ny roa taona, miteny hoe "ianao aza ohatr'izao sy izao sy izao, tamin'ilay indray mandeha izay, tsy niteny fotsiny aho satria...".

Dia hoy ny navalin'i Herimiafina hoe: "hay va re? Fa maninona no efa aty aoriana be efa ho rava ilay fitiavana vao nambaranao ahy daholo izany rehetra izany? Mety tsy nahafantatra aho hoe ratsy ny zavatra nataoko tamin'izany nefa tsy nampahafantarinao ahy, raha tsy izao, raha maba niteny nefa ianao dia mba afaka nahitsiko kely ilay fihetsiko tamin'izany. Izao efa tsy misy fanafana intsony vao fantatro ny tsy nety nataoko".
4. tsondjo ( 09/09/2005 15:46)
mmhhh herimiafina voa kay enao hhiih mahereza e!!!, soa lavo hahay hamindra
5. Herimiafina ( 09/09/2005 15:51)
Experiansa daholo izany ry tsondjo an.
6. booboo ( 09/09/2005 16:02)
amiko ié, tsy maintsy mandefitra. Tsy oe tsy miteny sy miharitra fotsiny eo a ! fa mitady marimaritra irasaina am-pitoniana, zay no mandefitra amiko.

Raha samy hanao zay di-dohany dé ho tapaka ny raha satria samy be doika ho manana ny rariny ; raha tsy hiteny mihitsy fa hiaritra fotsiny sy hanaiky fotsiny dé lasa dominant/dominé ny fifandraisana.
7. Herimiafina ( 09/09/2005 16:10)
Dominant-dominé = relation de pouvoir, rapport de force, la loi du plus fort.

Partenariat = collaboration + confiance + compromis.

Le faharoa hono no tokony ho izy. Nefa hoy aho hoe balance-o izy roa fa aza tonga de maka modele iray fa mandratra foana.

Indraindray ianao mi-imposer kely, indraindray ianao mandefitra kely, favy ery izy refa ohatr'izay.

Miankina amin'ny psychologie an'ny olona tsirairay avy io:
1- Misy olona raha vao andeferana dia manararaotra tsy mety tonga saina mihintsy (toa ahy taloha).
2- Misy olona mila dominer-na satria izay no ilavany anao, ny hi-domine azy.

Dia fantaro tsar aaloha ileiry sy ikala dia manaova management du tokantrano amin'izay. (l)(l)(l)(l)
8. booboo ( 09/09/2005 16:29)
tsy "hono" fa tena izay mitsy kah ! Satria olon-droa samy hafa (samy manana ny lohany, samy manana ny principes-ny taloha, samy manana ny nahazatra azy, samy manana ny fomba fanao etsetra etsetra )no tafaraka dia tsy miantsy ireo no atao raha te-hirindra ny raha ( collab + conf + compro ).

Rehefa manomboka mahalala (tsy mahafantatra fotsiny a)ny iraika ny andaniny sy ankilany dé tonga ho azy any @ ilay "management du tokantrano" io dia re-tonga any @ 3C ny farany.





9. Herimiafina ( 09/09/2005 16:37)
Dé ahoana izany za ry booboo? Za zao mitady olona mpi-domine be mahintsiny mba hanasazy kely ahy fa bandy mafy loha be maditra be.:-D:-D:-D:-D
10. booboo ( 09/09/2005 16:40)
hihihihihi tia raha SM angaha ingahy :°)?



11. Herimiafina ( 09/09/2005 16:41)
booboo:

hihihihihi tia raha SM angaha ingahy :°)?



Mety ho izay angamba, asiana karavasy kely izy mety favy be :-D:-D:-D:-D
12. booboo ( 09/09/2005 16:49)
hihihihihi
13. Herimiafina ( 09/09/2005 18:24)
:*:*:*:100%
14. bubbly ( 09/09/2005 18:35)
anisan'ny fitiavana ny fandeferana nefa misy fetrany io satria ny fitiavana akory tsy natao hijaliana:lol:
15. toby ( 09/09/2005 19:41)
tsy hoe mandefitra ianao fa miaro ny hasinn'ny atao hoe fitiavana satria tsapanao fa sarobidy aminao izany fitiavana izany, izay manao tsinontsinona ny fitiavana dia manao tsinontsinona an'Andriamanitra satria ny fitiaana dia avy amin'andriamanitra. ka ny fiarovanao ny fitiavana dia midika ho fanekena an'andriamanitra.

16. Herimiafina ( 09/09/2005 21:03)
Marina mihintsy izany, tandremo fa manjary hitsakitsahan'ny olona ianao raha mandefitra be loatra an.
17. ravakamalala ( 09/09/2005 22:08)
TSY MAINTSY MANDEFITRA. Rehefa tena tia ianao dia tsy mipetraka akory izany fanontaniana izany fa mandeha ho azy ny fifandeferana. Firifiry ny olona hitako miova be mits ny fomba fiainany rehefa tena tojo an ilay olon tiany izy?
Ary tsy tokony hanenenana satria zavatra natao am pitiavana.
Matoa ianao tsy te handefitra dia satria tsy mbola ampy ny fitiavanao an ilay olona.
Tsy maninn Herimiafina na hitsakitsahiny aza, fa fitiavana azy no nanaovanao izany a! tsisy maharatsy izany mihitsy , marary aloha fa mandra pahitanao an ilay tena sahaza anao , dia tsy maintsy mandalo kely am zay ianao e!
ianao angaà tonga dia nahay nitaingina bisikileta teo noho eo? Tsy maintsy mba nianjerazera kely e!
Aza kivy fa mahereza fa mbola any izy any.
18. Herimiafina ( 09/09/2005 22:19)
Afaka mandefitra anie fa tsy atao be loatra kosa fa manjary manome vahana azy indray anie amin'izay saindratsiny rehetra any e.

Ny tena izy dia tokony ho fantatsika hoe inona ilay zavatra tokony handeferantsika, ireto misy ohatra:

1- Tsy mody an-trano mihintsy izy.
2- Tsy mety mandeha mamangy ny havanao mintsy izy.
3- Tsy mety mijery ze film tinao @ cinema mintsy izy.
4- Tsy tia henakisoa sy ravitoto izy.
5- Tia mampirafy be mihintsy izy.

Ilay 2, 3, dia 4 ihany angamaba no azo atao ao antin'ilay domaine handeferana satria question goût sy maha-izy azy ireo dia tsy maninona.

Fa raha ilay 1 sy 4 kosa dia efa mivadika ny tany raha toa ka tsy maintsy handeferana ireo.

Miankina amin,ilay olona indray ny amin'iny.

NB: favy mihintsy anie ity ravakamalala ity e.
19. nanourand ( 10/09/2005 00:04)
raha TIA fotsiny dia tsy haiko sao dia tokony tsy mety ilay hoe mandefitra!

raha MIFANKATIA kosa dia tsy misy akory izany fandeferana izany, ... fa toa mety daholo zay atao,
entre an'ilay olona roa no tiko tenenina

;)
20. Herimiafina ( 10/09/2005 03:27)
Za zany te-hijaly ampitiavana be mahintsiny fa toa favy be ilay nanjo ahy taloha izay. Tamin'ireny aho mbola be espoara be.
Any izay ilay sipa e. Tsy hita popoka. (l)(l)(l)(l)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0822