MAHAMENATRA NEFA TSIMAINTSY ATAO

1. johns ( 08/08/2005 11:17)
Saika hamaliako ilay dinika tatsy ambadika ito nefa ohatrany tsara raha atao hevitra vaovao.
Eo amin'ny mpivady ny firaisana ara-nofo dia zavatra tsimaintsy atao, ary fantatry ny olona rehetra fa ny mpivady dia manao anio. Koa maninona anefa no mbola menatra foana na dia hoe miresaka izany fotsiny aza.
novalian'i fijo ny 04/09/2005 19:35
2. fasaly ( 08/08/2005 11:30)
zà mba gaga....
zavatra natoraly io ka tsy tokony hamenatra e!
3. eh ( 08/08/2005 11:42)
ilay toetra gasy mihintsy no tsy misokatra @ io resaka io ê!tsy nizarina hiresaka an'izany hatramin'ny fahakely knou!
4. RockyMaivia ( 08/08/2005 12:01)
8O 8O 8O 8O
5. ari.malala ( 08/08/2005 12:35)
masony avao koa nidiridiry... fa nanin? :)

marina io resak'i johns io fa zay le we tsy nozarina hivantana ny gasy ê! :) mahamenatra na ny miresaka momba ny firaisana na ny momba ny fitaovam-pananahana (sexe) fts aza d mahamenatara ny ankamaroany... :)
6. Samoana ( 08/08/2005 13:05)
Raha tsy misy ny fahamenarana dia baranahina ny fiainana ary miletsy hatrany. Toy ny hoe ihany io resaka fohazin'i Johns io hoe: maninona ny olona no mbola miakanjo anefa efa fantatra izao ny zava-miafina ao ambanin'ireo fitafiana ireo ?!!
7. majakely ( 08/08/2005 14:14)
Tsy mitovy kosa io ry Samoana !! Na dia efa fantatrao aza ny ao anatin'ny akanjon'ilay olona tsy ho fantatrao na lava na fohy ny mahalahy azy !!!Na koa hoe be nono mirozaroza na tsia satria misy soutien-gorges ilay vehivavy !!!
Fa izany tsy manazava kosa ny hoe nahoana ohatra ny vehivavy na lehilahy iray ,, no mbola menatra ka milaza ny vadiny hitodika ary ambadika ohatra raha misolo akanjo izy, na koa menatra ny samy mpianaka reny sy ny zanany vavy raha vao resaka sexe??? indrindra isika malagasy!!!???Nahoana nefa efa io fiainana ! zavatra fatao!!?
8. fasaly ( 08/08/2005 15:34)
samoana a!
diso kosa aky zany a!
nahoana izao ny olona aty europe malatsaina tsara, sans tabou ny resaka sexe, kanefa ny firenea tsy mi letsy izany, tsisy idirany ny miletsy ilay izy e! tokony mba halala-tsaian amzay fa de efa tery loatra ka! dia matoa miakanko dia misy ny faritra intime sy mistery ka tsy maintsy manao akanjo ary fomba ny miakanjo, ny resaka firaisana malalaka tsy midika fa afaka tsy miakanjo koa!!!!
io ihany no mahatonga ny tanora gasy indrindra ny vavikely hoe bevohoka etsy sy eroa satria tsy fantany loatra lay izy ny RAD tsy miresaka nin mintsy, amiko aloha tsara ny firesahana an'ilay izy e! tsisy maharatsy azy.
9. Veloo ( 08/08/2005 18:02)
Tsy aiko indray aloha izay ho lazaina eto e... to otran'ny sarotra ilay izy inn marina no tena tian'i johns ho teneninay aminao???
10. fijo ( 08/08/2005 21:08)
marina aloha fa ilaina ny miresaka momba an'io.saingy tsy hitako kosa hoe ilaina ve ny miresaka an'izany foana eny rehetra eny?
tsy manohitra le firesahana aho ,fa le fomba sy fotoana hiresahana azy kosa no mba hitako ,hoe mila tandremana kely.
11. jambo ( 08/08/2005 21:44)
Izao indrindra no fotoana tokony hiresahan'ny Ray aman-dReny ny zanany mahakasika ny firaisana indrindra fa de ny mbola kely izy. Nahoana moa? satria izy ireo no tsara toerana indrindra momba an'izany. Matetika mantsy dia any @ ireo namana foana no handrenesana io resaka momba ny firaisana io ka lasa mivadika ho zava-dratsy ilay izy.
Jereo hoe :" Inona marina moa ny fomba fijerin'ny baiboly momba azy io?"
12. ari.malala ( 09/08/2005 06:16)
fijo, tsy hoe eny rehetra eny kosa anie ê! fa entina anoroana ny tanora sy ny ankizy @ zao mba tsy hanaonao foana satria koa efa bdb ny fivoizana ilay resaka...
13. fasaly ( 09/08/2005 06:26)
fijo:
ny fahalalahana miresaka io anie akory tsy hoe hiresaka io foana kosa e! resaka toy ny rehetra ihany ka raha hiresaka voiture ve de hiresaka iny foana koa ohatra...

raha miresaka io nakahalalahana koa tsy midika fa de lasa sex sex be daholo ny olona, fa eo amilay fisainana mintsy e! mba avela hisokatra kely fa tsy tery loatra....

ohatra zao aty ivelany amin'ny tany mandroso, resaka ankahalalahana ilay izy eny amin'ny fahita lavitra rehetra eny, misy debat momba azy aza, fa tsy hoe vao maheno lay olona hoe resaka sex e! de lasa gaga gaigy be daholo hihihi!:lol::lol::lol:
14. pietro ( 09/08/2005 07:15)
raha ny hevitro indray zavatra natoraly io, tsy misy tokony hahamenatra, fa aleo samy mahalala dia samy mandanjalanja ny ratsy sy ny tsara fa tsy adino kosa ny soatoavina malagasy izay mitahiry ny fahendrena tena malagasy, hevero fa raha tsy misy io soatoavina io dia angamba efa ny ampaha efatry ny malagasy voan'ny SIDA daholo. Gaigy an!
15. kally ( 09/08/2005 12:51)
Ka ny resak'i Johns firaisana ara-nofo, raha hampianatra ny ankizy sy hiresaka aminn'y ankizy ve anefa tsy ny mikasika ny taovam-pananahana sy ny fomba fihodiny sy ny aretina mety hahazo sy ny fitandremana ny vatana no resahina, asa! fa raha ny firaisana ara-nofo mihitsy kosa dia misy taonany,sy toerana sy olom-pady ihany angamba.
Marina fa tsara sy madio ny mandro ary tsy mahamenatra ny mandio tena fa na izany ve dia handro eo an-tokotany ianareo?
16. ravatorano ( 09/08/2005 13:19)
ilaina io ho an ny rehetra raha atao hanabeazan ny ankizy na ny mpivady fa kosa raha atao ambetrin dresaka toa tsy d hitako loatra.
amin izao fotoanan ny fandrosoana izao dia mila ampahafantarina ny rehetra ny fandehan ny fiainana amin ny antsipirihany mba tsy hanaonao foana ny tanora ,ny fahamenarana iny indray dia miala tsikelikely eny fa na ny rtenako izao aza mba mahatsiaro menatra taloha fa rehefa tafiditra tamin itony tranokala itony d afaka ihany.
17. fasaly ( 09/08/2005 16:47)
ka ny RAD kosa anie tsy kosa anie de tsy hanao resaka masaka be amizany fa ny mampahafantatra ny zavatra mety hitranga sns..fotsiny e!
asiana limite ny fomba firesaka azy amin'ny tanora sy ny ankizy fa tsy lay sopapa be iny no atoro eo akory kosa e!
fa entra ny samy couple tsy tokony hisy hahamenantra, na samy adults tsisy fady.
18. fijo ( 09/08/2005 21:10)
raha ampianarana aloha dia tsy hitako izay manakana azy,fa le fanaovana azy toa ny resaka ampatana no tsy voako.
19. Veloo ( 10/08/2005 18:20)
:roll:
20. fijo ( 10/08/2005 20:01)
MAY NGAH VELOO,
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1894