anisany ko ve nareo?

1. ann ( 30/07/2005 10:36)
maro ny milaza fa akamaroan'ireo firenena silamo dia mahery setra daholo .
nefa misy ko ny miteny hoe : efa tsy rariny kosa ny manjo andreo de voatery mamaly tsy fidiny ry zareo .
ary za ko mpomba an'io hevitra io
novalian'i fijo ny 18/08/2005 20:28
2. ainaheri ( 30/07/2005 14:13)
Ny fivavahany tokony ahitsiny kely fa misy manao
fitaovana entina ampiorohoroana an'zao tontolo
izao ny ataon'ny sasany,ka raha miaramipoaka @
baomba eny anaty olona eny de lazaina fa maty
ho an'Andr/niny iny fa tsy noho ny adalany!!
3. hps ( 31/07/2005 19:55)
slt an!Tsy resaka hoa fivavah.io fa efa firenena lian-drà be zareo dia tsy maintsy miaina ao anatin'izany;misy ihany kosa anefa silamo tsara fanahy fa tsy mahery fihetsika toy ireny mahazatra ireny;zao izao dia efa hisy arabo mihitsy hiara-miasa @ journaliste gasy de ahoana angamba ny ho tohiny8-)
4. LazaRandri ( 01/08/2005 02:48)

Valifatin'iza? Maro ny firenena sy olona tsy nanao na inona na inona kanefa iharan'ny asa maizina ataon'ireo mpamono olona mahery fihetsika ireo.

Ny faminaniana nataon'i Jesoa Kristy dia ampy ahafantarantsika fa avy amin'ny "finoana" no mahatonga ireo mahery fihestika hanao ny asa ratsiny.
"eny, ho avy ny andro, ka hataon'izay rehetra mamono anareo fa manatitra fanompoam-pivavahana ho an'Andriamanitra izy. Ary izany no hataony, satria tsy fantany ny Ray na Izaho." Jaona 16:2-3

Adidin'ny Kristianina ny mampahafantatra azy ireo ny marina ka ho afaka amin'ny ny toe-tsaina sy toe-panahy ratsy mangeja azy izy: "Lazaiko aminareo fa misy fifaliana toy izany eo anatrehan'ny anjelin'Andriamanitra ny amin'ny mpanota iray izay mibebaka." Lioka 15:10

Tsy misy tokony ireharehana anefa izany, fa asan'ny Fanahy Masina avokoa no ahafahantsika "hitory ny Filazantsara, tsy tamin'ny teny fahendrena, fandrao ho foana ny hazo fijalian'i Kristy." 1 Korintiana 1:17

Any amin'ny firenena Silamo dia voararan'ny lalana ny mitory ny Filazantsara, na dia mitabataba "fahalalahana ara-pinoana" aza ry zareo rehefa mipetraka any andrefana. Mivavaha sy ankino amin'Andriamanitra raha vonona hanao izany ianao. Ary aza kivy na ketraka raha sanatria tsy tafita aza ny hafatra. Tsy ho voavonjy avokoa akory ny olona rehetra. "Ary izao no fitsarana, fa tonga amin'izao tontolo izao ny mazava, nefa aleon'ny olona ny maizina toy izay ny mazava, satria ratsy ny asany. Fa izay rehetra manao ratsy dia mankahala ny mazava sady tsy manatona ny mazava, fandrao hita miharihary ny asany." Jaona 3:19-20
5. Veloo ( 01/08/2005 19:23)
Ny tena olana amin-dry zareo dia ny lavage de cerveau de mafotaka be... Tena mampalahelo mihitsy.
6. fijo ( 01/08/2005 21:30)
na ny silamo na ny toa an'i lazarandri dia samy atahorana,satria jamban'ny finoany ka tsy mahita ny tokony hoataony intsony.
7. LazaRandri ( 01/08/2005 23:25)
Mahatsikaiky ahy izato ianao ry Fijo. Hono ho'aho? Tsy natahoran'ny Fariseo sy Mpanora-dalana koa ve i Kristy noho ny resa-pinoana? (tsy mampitaha ny tenako aminy aho akory fa miezaka manara-dia azy sy mino azy)

Tery sy hety ny lalana mankany amin'ny fiainana, ka tsy maninona na ataonao hoe tery saina aza aho e! Rehefa misokatra malalaka handray ahy eny an-tratrany ny tanan'i Kristy, izay mahatery ny saiko (tsy mivelatra amin'izao ratsy rehetra izao), dia ampy ifaliako izay.
8. Veloo ( 02/08/2005 15:55)
fijo a ekena mihitsy e:{:{ mihitsy io eeeeeee:wink:
9. LazaRandri ( 02/08/2005 23:34)
Misaotra tompoko o! :)
"fantatro izay inoako" ka asa na "jamba" aho izany na tsia? :roll: Rehefa tsy maharikoriko sy tsy mankandoa an'ilay inoako fotsiny ny mahita ahy na inona na inona lazainareo dia fisaorana no ataoko betsaka e :)
"Fa satria matimaty hianao ka tsy mafana na mangatsiaka, dia efa haloan'ny vavako hianao"
10. Veloo ( 03/08/2005 16:28)
lazaRandri a ny laodice ve? tsika rehetra io e:wink:
11. fijo ( 03/08/2005 20:29)
lazarandri;ny atao hoe tery saina amiko dia ny olona tsy mahita lazaina sy atao,hafa tsy ny finoany.
jereo ireo silamo ireo,fa tsy mihira raha tsy allah,tsy mitsodrano raha tsy allah,tsy misy zavatra atao raha tsy amin'ny anaran'i allah.
dia jereo koa ny ataonao,raha tsy toa izany.jesosy ary,jesosy aty;jesosy avy.
izay marina le hoe minonoa fotsiny ao.
12. LazaRandri ( 03/08/2005 23:49)
Izay mihitsy ilay izy Fijo an. I Jesosy no mahatery ny saiko fa tsy misokatra sy mivelatra amin'izao fahadalana rehetra izao.:-D
Izy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana

Dia misaotra anao tamin'ilay fanamarihana. :lol:




13. LazaRandri ( 03/08/2005 23:49)
Izay mihitsy ilay izy Fijo an. I Jesosy no mahatery ny saiko fa tsy misokatra sy mivelatra amin'izao fahadalana rehetra izao.:-D
Izy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana

Dia misaotra anao tamin'ilay fanamarihana. :lol:




14. lo ( 04/08/2005 03:04)
LazaRandri : ô ry namana a, jamban'ny finoana marina ianao ka tsy mijery ny ara tantara. Jereo ilay lazaina taloha we tafika masina (croisade) tany am tany silamo nataon'ny Kristianina, famonoan'ol tsy manantsiny koa anie no natao tamin'izany e, ary tena reharehan'ny Croisés tamin'izany mihintsy ny we nahafaty silamo bdb. Ary izany no anisan'ny mandranitra ny silamo hatramin'izao hanohy ny ady masina (jihad) amin'ny kristianina. Na hanao référence firy firy amin'ny baiboly aza ianao, tadidio fa nisy responsabilité historiquen'ny kristianina iany nahatonga an'io zavatra io, ary le fahateren'ny saina daholo no niatombohany, na avy tamin'ny andaniny na avy tamin'ny ankilany
15. LazaRandri ( 04/08/2005 03:11)
:D
Misy ny saina tery amin'ny tsara ary misy ny saina tery amin'ny ratsy.

Efa navoitranao ihany ny tantara dia mba idiro lalindalina kokoa hoe iza ireny namono olona tamin'ny "croisade" ireny? Sao dia mpisandoka ny anaran'i Kristy ? Raha tery saina ny amin'i Kristy dia tsy namono olona toy ny tamin'ny "croisade" fa tia olona, eny tia na dia ny fahavalony aza.
16. LazaRandri ( 04/08/2005 03:23)
Hono ho aho ry lo?
sao kosa dia izay resaka "responsabilité historique" noteneninao izay no:
1- nahatonga ny Pape teo aloha nanambara am-pahibemaso fa mitovy ny Andriamanitra ivavahany sy ny Silamo?
2- mahatonga ny Pape ankehitriny tsy manameloka ny terrorisme tany Netanya?

fanontaniana manitikitika ihany ny ahy fa tsy voatery hamaly akory ianao.:)
17. lo ( 04/08/2005 03:46)
- Ny croisade d tena natao tamin'ny anaran'ny maha-kristianina fa dinoho tsara aloha ny tantara e
- Iray ihany ny fototry ny fivavahana kristiana sy silamo. Tadidio fa zanak'i Abrahama i Ismael izay tena niandohan'ny islam, ary nivavaka tamin'Andriamanitra, fa ny silamo nijanona tamin'ny concept tamin'izany : Dieu guerrier. Fa ny taranak'i Jakoba, zanak'i Abrahama koa no niandohan'ny christianisme taty aoriana, izay nanova ilay Dieu guerrier ho Dieu amour. Ary izay fototra izay no tian'ny papa nolazaina tamin'izany fa ny fandraisan'ny tery saina azy no diso :)
- tsy d hitako loatra ny mety hidirany amin'ny resaka aditany any Israel sy Palestine aloha e, sa misy ve? tsy haiko re, hazavao amiko we amin'ny lafiny inona fa tena tsy arako marina :)
18. LazaRandri ( 04/08/2005 03:58)
Mahafinaritra fa dia maharaka tantara tokoa i lo na dia somary mivilana aza.

Marina mihitsy ny teninao hoe "Ny croisade d tena natao tamin'ny anaran'ny maha-kristianina". Kanefa fantaro koa hoe "Kristianina" marina ve ary "tery saina (niantehitra) tamin'i Kristy" ireo nanao izany? TSIA! Mpamono olona ireny :)

Ny Andriamanitr'i Abrahama dia iray ihany, ilay Nahary izao rehetra izao. Izany akory tsy misakana ny ratsy hamily lalana ny olona sy hanompo andriamani-kafa:( . I Kristy aza tadidio fa efa nokasain'ny devoly hanompo azy koa. Saingy tery saina tamin'ny Fahamasinana sy tamin'Andriamanitra i Kristy ka tsy nisokatra tamin'ny vela-pandrik'i Satana.
19. lo ( 04/08/2005 04:20)
:-D :-D :-D mivilana tokoa ve?
Raha misy doute ny kristianina amin'ny maha kristianina ny Papa dia inona intsony izany? Satria raha ny fahalalako azy dia ny Papa Urbain II no naniraka ny kristianina handray fiadiana hanomboka ny croisade, koa raha hoy ianao we tsy kristianina ireny fa mpamono olona...zay vao tena mivilana
20. LazaRandri ( 04/08/2005 04:39)
lo:

:-D :-D :-D mivilana tokoa ve?
Raha misy doute ny kristianina amin'ny maha kristianina ny Papa dia inona intsony izany? Satria raha ny fahalalako azy dia ny Papa Urbain II no naniraka ny kristianina handray fiadiana hanomboka ny croisade, koa raha hoy ianao we tsy kristianina ireny fa mpamono olona...zay vao tena mivilana


Ary raha mba andramana ovaina ilay fanontanianao manao hoe: "Raha misy fisalasalana ny kristianina amin'ny tsy maha kristianina ny Papa dia inona intsony izany?"
Tsy hiditra "polemique" be eto aho momba ny Papa fa samy mahafantatra ny tantara izay te ahalala. Sao mantsy vao maika misavoritaka ilay finoanao efa mareforefo. Torohevitra tsara ito omeko anao ito, tsy avy amiko fa nindramiko tao amin'ny Baiboly: "tsapao ny fanahy rehetra, tano izay tsara ary alaviro izay ratsy"



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.26