anisany ko ve nareo?

21. fijo ( 04/08/2005 04:52)
lazarandri an,tadidio,fa raha tsy nisy io "croisade"nataon'ny kristianina europeanina io tany mada tsy lasa kristianina enao io.izany hoe ny fampidirana le finoana ankeriny dia efa mariky ny fahateren tsaina,toa izao ataon'ny silamo izao ihany.
22. LazaRandri ( 04/08/2005 05:04)
Fijo,
Voalohany, ny "croisade" tany Mada vao maika nitarika olona maro nandeha tany amin'ny lalana diso. Ilay lalana "mivelatra" sy "malalaka" mampivady ny fanompoan-tsampy sy ny kristianisma, ilay marimaritra iraisana.

Faharoa, tsy ny herisetra sy ny vokany mihitsy no mahalasa Kristianina na tsia, ary tsy ny fahendren'ny olona koa. Hoy i Jesosy: "tsy misy afaka manatona ahy raha tsy ny Ray, izay naniraka ahy, no mitarika azy"
23. lo ( 04/08/2005 07:24)
LazaRandri : tsy misavoritaka miitsy ny finoaka ka, ary tsy mareforefo,références historiques fotsiny reo voalaza reo ary réalité fa tsy noforonina ka rah hoy enao we tsy kristianina ireny olona tamin'izany reny (ny Papa tao anatiny) d gaga iany aho hoe niova le histoire marina :)
tsy afa-misaraka amin'ny tantarany mantsy ny finoana na kristianina zany na silamo na boudista na inona, de mbo nilaza za we zany no nataon'ny kristianina tany aloha tany izay mety nahatonga ny fifandrafesana amin'izao d zay :)
24. LazaRandri ( 04/08/2005 07:44)
Eny, mety milaza azy ho "kristianina" ireny namono olona ireny, ary maro koa no miantso azy ho "kristianina".

Tafiditra ao amin'ny "références historiques" nojeren'i lo ve anefa aloha fa izy ireny dia nandatsaka ny ran'ny martiora Kristianina maro? Tsy namela ny Baiboly ho vakian'ny daholobe? Kristianina ve izy izany raha ny famaritan'i lo ny teny hoe "Kristianina"?
25. LazaRandri ( 04/08/2005 07:49)
Hiverina @ lohahevitra amin'izay aho.
Ny mahatonga ny terrorisme amin'izao dia vokatry ny tsy fahafantarana an'i Kristy.

"eny, ho avy ny andro, ka hataon'izay rehetra mamono anareo fa manatitra fanompoam-pivavahana ho an'Andriamanitra izy. Ary izany no hataony, satria tsy fantany ny Ray na Izaho." Jaona 16:2-3

I Saoly koa dia voasokajy tao anatin'ireny fony izy tsy mbola nahalala an'i Kristy. Niova fo tanteraka anefa izy (Paoly) rehefa nahafantatra ny marina.
26. cocorie ( 04/08/2005 12:52)
:?::?::?: samy mitana ny finoany fa izay miady no ho voalohany aminareo no ho lasa farany eo
27. lo ( 04/08/2005 13:40)
lazaRandri : nitonona ho Kristianina reny ary ny mahakristianina azy no voatazon\'ny tantara. Izaho tsy mitsara an\'zany fa zany fotsny no nisy, na tiantsika na tsy tiantsika. Ny fahateren\'ny sain\'ny kristianina tamin\'izany no nahatonga an\'io. \"Trop de religion tue la réligion\". Nivadika tany amin\'ny extremisme le izy satria trop loatra d zay.
Zao zao tedavinao fafana ao amtantara ny maha kristianina anreo ol reo d aona zany? :-D :-D :-D
28. fijo ( 04/08/2005 21:41)
izay mihintsy,ary io toetran'i lazarandri io dia mbola maneho io "extremisme"izay mariky ny fahateren tsaina io.sa ny "extreme" ihany no atao hoe tena izy????????raha izay mantsy dia ry ben laden ihany koa no tena silamo.ary ny sekta ihany koa no tena kristianina.ka dia ndana mamonjy toerana efitra iray ,dia miverena miakanjo toa azy ireny,dia alavao koa ny volombava,dia fohano ny TV,ny net;ny gazety s,ns,fa tsy mendrika aminareo ireny.
29. LazaRandri ( 04/08/2005 23:23)
hahaha! izao e! ny "extreme" misy ny extreme tsara sy ratsy. Misy ny Fanjakan'ny lanitra sy ny afobe, misy ny fahamasinana sy fahavetavetana, misy ny mazava sy maizina, misy ny fitiavana sy fankahalana, misy ny fiainana sy ny fahafatesana...koa raha ohatra ianao ka sady tsy maty no tsy velona dia mitsipozipozy :-D, raha sady tsy mazava no tsy maizina dia malomaloka :-D


Hoy i Fijo: sa ny "extreme" ihany no atao hoe tena izy?
Tsy hamaly anao aho hoe "tena izy" na "tsy tena izy" fa ianao ihany dia mahavaly azy:
1- Raha tsy "extreme" ianao kanefa "Kristianina" dia tadidio fa mankandoa an'i Kristy (sady tsy mangatsiaka no tsy mafana):-D
2- I Kristy izay arahin'ny Kristianina dia "extreme" tamin'ny fitiavana sy fahatsarana ary fahamarinana.
3 - Tsy nilaina akory ny hazo fijaliana raha tsy "extremist" tamin'ny fitiavana sy fahamarinana ary fahamasinana i Kristy, fa vitan'ny "marimaritra iraisana" daholo.


30. fijo ( 08/08/2005 21:56)
ka ny loza anie dia izao e,le kristy io olona voahombo satria meloka.olomeloka ve ny arahana?????sy lazaina fa tsara
31. LazaRandri ( 08/08/2005 23:00)
Hoy i Dr. King:
32. fijo ( 09/08/2005 21:25)
lery ve dia tsotra??? koa naninona no nandrava tsena?naninona raha nifandamina fa tsy nanao herisetra?
fahamarinana?marina ve hoelohana?
mahagaga ihany an,i ratsiraka no hoariko amin'iny.nomelohan'ny mpiarabelona taminy,fa ankatoavin'ny tsy nahita azy.
33. LazaRandri ( 09/08/2005 22:02)
hahaha! aza mamaky vilana fa mitady ho tanteraka aminao ilay hoe "hijery fa tsy ahita", aiza izao no misy an'izany tsotra izany ry Fijo? 8O

hoy i Fijo: "koa naninona no nandrava tsena?naninona raha nifandamina fa tsy nanao herisetra?"
hifandamina amin'ny fanimbazimbana ve? hahaha. izay no ilaina ilay fahateren-tsaina amin'ny fahamasinana sy fahamarinana.:)

hoy i Fijo: "fahamarinana?marina ve hoelohana?"
Io ilay voalazan'i Dr. King hoe nomelohina satria nisondrotra avo dia avo noho ny olona manodidina azy :)


hoy i Fijo: "mahagaga ihany an,i ratsiraka no hoariko amin'iny."
i Fijo izany dia mitovy tsy misy valaka amin'ireo namantsika azy teo amin'ny hazo fijaliana. Ireny koa mantsy nampitovy azy tamin'ireo jiolahy roa hafa (extremists t@ TSY fahamatorana) niara-nofantsihina taminy.
:)
34. fijo ( 10/08/2005 20:20)
za aloha raha tany dia namantsika azy mihintsy e.olona mivoana amin'ny lalanana'ny fiarahamonina ve tsy hoboina.
nisondrotra avo tokoa ve????tamin'ny inona ohatra?tamin'ny fanambonian tena ngamba.
iza marina no nanimbazimba,izay nanaraka ny lalana nisy tamin'izany,sa izay niseho nanohitra ny lalana?mahagaga,fa toa tsy mijery izay nisy nareo,fa manombatombana fotsiny amin'izay heno
35. LazaRandri ( 10/08/2005 21:43)
hahaha! mahatsikaiky izato ianao ry Fijo. andao ary isika "hijery izay nisy" tokoa e:

- hoy ianao hoe "nandrava tsena"
Fantatra anefa fa Tempoly ilay toerana fa tsy tsena :) dia iza no nanimbazimba? ilay nanao azy ho tsena sa ilay nandrava ny tsena? :)

aza manahy fa mbola mamela ny heloka vitantsika Izy rehefa mibebaka isika.
36. fijo ( 10/08/2005 21:47)
ka tamin'izany anie ny tempoly azo nivarotana koa e.efa neken'ny lalana io.tamin'ny androny
37. LazaRandri ( 10/08/2005 21:56)
fijo:
efa neken'ny lalana io

Diso be! hahaha. Ianao ihany no "manombatombana fotsiny amin'izay heno" araka ny filazanao. :)
38. fijo ( 10/08/2005 22:04)
matoa ireo nivarotra tao,tsy nenjehan'ny mpitondra fivavahana diaefa nekena izay.fa lery miseho matanjaka dia mandrava tsena fotsiny
39. LazaRandri ( 10/08/2005 22:50)
fijo:
matoa ireo nivarotra tao,tsy nenjehan'ny mpitondra fivavahana diaefa nekena izay

neken'ireo "manombatombana fotsiny" araka ny teninao, fa tsy neken'ny lalana hahaha.
40. fijo ( 11/08/2005 20:34)
ka ny mpitandrina tamin'izany aza nanaiky ko inona indray,ny anareo toa le mpanao barofo no tena revinareo ko.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.116