kristiana sa mpivavaka fotsiny ?

1. lalamaria ( 23/06/2005 10:14)
Miarahaba antsika rehetra, izaho moa vao haingana ihany no niditra ho namana.Ny zavatra voamariko dia be tokoa ireo hevitra momba ny finoana kristiana voalaza ato @ forum , fa ny tena mampalahelo dia toa lasa fifamaliana eo @ antokom-pivavahana samihafa no misy.Tsy tokony ho lany andro hiaro ny fiaviam-pinoany isika na hifamely eto ka hanatsikafona ny fahalemen'ny mahakatolika,mahaprotestanta,anglikana,jesosy mamonjy,....satria TSY NY ANARAM-PIANGONANA no ahatongavana any an-danitra fa ny MAHAKRISTIANA, izany hoe ny finoanao manokana an'i jesoa kristy.
Tandremo ary fa samihafa ny Kristiana resy lahatry ny hazo fijaliana sy ny mpivavaka noho ny anaram-piangonana, sao fitahin'ny devoly eo dia miady eto isika...misaotra anareo namaky izao hevitro izao.
2. bnoty ( 23/06/2005 10:58)
Miarahaba antsika rehetra! amiko manokana aloha rehefa mino an'i Jesosy Kristy ary mivavaka aminy dia omena ilay anarana hoe: Kristiana! Ny fanontaniana tsara apetraka angamba dia hoe: Tena kristiana sa Kristiana anarana fotsiny?
3. tovo ( 23/06/2005 11:16)
Arahabaina koa ianareo.
Misy tsetsatsetsa tsy aritra kely mba tiako hambara fa mety hampieritreritra antsika angamba.
Mino tanteraka aho fa ny finoantsika no hahavonjy antsika. Tsy miankina amin'izay Andtra hinoana io fa miankina @ finoana satria tsy an'ny Kristianina irery ny paradisa fa mba manana ny maha izy azy koa ny antokompinoana hafa toy ny boudiste na slamo na ny hafa maro...
Ny mampalahelo fotsiny dia ny mahita ireo olona hafa mampijaly loatra ny tenany @ fanompoana nefa isika matoa velona dia tokony hahay miaina anatin'ny zavaboahary nomena antsika.
Misaotra
4. bichette ( 23/06/2005 12:42)
lalamaria > isaorana ianao nampahatsiaro io voalaza io. lalamaria, tandremo sao dia marary fo ianao fa eto anie ka adihevitra be foana ary indrindra fifanankalozana
5. routa ( 23/06/2005 13:58)
lalamarie>Marina tokoa ny hevitrao fa zao de io ny hevitra natolotr i bichette io ,tohizo anefa ny fanehoankevitra atao ary mahereza azy kivy2 zany e!
6. radriana ( 23/06/2005 14:21)
Tovo, somary disoako kely ilay teninanao hoe mampalahelo ny mampijaly ny tenany @ fanompoana, amiko aloha matoa ataony dia ahazahoany tombontsoa sy fahafinaretana ka à mon avis tsy mijaly izy ireo.
Misaotra an'i Lalamaire fa tena hevitra tsara
7. dadabe ( 23/06/2005 15:07)
hoy i lalamaria

fiaviam-pinoany isika na hifamely eto ka hanatsikafona ny fahalemen'ny mahakatolika,mahaprotestanta,anglikana,jesosy mamonjy,....satria TSY NY ANARAM-PIANGONANA no ahatongavana any an-danitra fa ny MAHAKRISTIANA, izany hoe ny finoanao manokana an'i jesoa kristy.
Tandremo ary fa samihafa ny Kristiana resy lahatry ny hazo fijaliana sy ny mpivavaka noho ny anaram-piangonana, sao fitahin'ny devoly eo dia miady eto isika...misaotra anareo namaky izao hevitro izao.

na dia vaovao za ianao dia aza misalasala fa zahay tsy toy ny ranon'ikopa ho tonga namana vao mavomavo ,asehoy ny hevitra fa mahagfinaritra ,fa zao klou e mba omeo tsara y faritopa aza hoe ny atao hoe finona ry lalamaria
8. fasaly ( 23/06/2005 16:56)
:-w:-w:-w:-w
9. zandrikely ( 23/06/2005 18:59)
ny sasany @ izy ireo mantsy mandeha miangona fa tsy mivavaka akory
10. marozevo ( 23/06/2005 20:47)
Confiteor : Ho an'ny Kristianina dia tokony hivoitra mandrakariva ny fijerena ny finoan'ny tena aloha, vao miteny izay fomba hiainan'ny hafa ny finoany. Za tsy d'accord amin'i zandrikely satria ny sasany no hitany sy tsarainy fa ny tenany mba ahoana...
Ny tena sahy dia manao hoe CONFITEOR : Izaho miampanga ny tenako, fa na mankany am-piangonana aza dia tsy mivavaka akory. Izaho miampanga ny tenako fa anarny fotsiny aho no Kristianina, izaho miampanga ny tenako etc....
Misaotra an'i lalamaria.
11. fijo ( 23/06/2005 22:39)
fasaly an:@:@:@
12. routa ( 24/06/2005 09:30)
zandrikely > de mandany andro hanao inona any kay ?:D
13. ndrena ( 24/06/2005 10:33)
Ny atao hoe kristiana dia mpanara-dia an'i Kristy,na ny fiainany na ny fitondratenany ary indrindra ny foto-pampianarany.Ahitsiko avy hatrany ilay voalazan'i Tovo tery ambony satria tokana ny lanitra ary lalan-tokana no hidirana any dia ilay voalazan'i Jesosy hoe:IZAHO NO LALANA SY FAHAMARINANA ARY FIAINANA TSY MISY OLONA MANKANY AMIN'NY RAY AFATSY AMIN'NY ALALAKO JAONA 14/6
14. dadabe ( 24/06/2005 10:47)
Fijo> ngah lah lasa mabra lety ??(:@) zah tsy manao fa entre pa io a


Mpandefa : fasaly [ Valio ] 23-06-2005 18:56:40
Lohateny : Re : kristiana sa mpivavaka fotsiny ?

ary inona no mahalasa saina anao ???:-w

15. routa ( 24/06/2005 11:20)
ndrena>mazava
16. dadabe ( 25/06/2005 04:21)
ekena !
17. Mifenty ( 25/06/2005 15:35)

Ohé, Ohé???

Ohé :-D:-D:-D:-D
18. dadabe ( 25/06/2005 17:20)
:roll:
19. zefalah ( 26/06/2005 09:40)
lalamaria> zao alo e...miarahaba anao.
tsara raha ny vehivavy no misy finona sy mana-kevitra ...le hoe resaka fifamalina sy fifandirana aloa dia mety ho hisy ra mitoy toy zao.
nefa ataoko ngamba fa tsara iany koa mba ahaizana ny evitriny sasany.
amiko manokana dia tsy ny vava sy ny resaka tsara lahatra no tena maha olona asika ,,fa ny asa atao hoy ratsiraonana ny hifampitsarana.
ka marina nenao..nde sika hiasa mba sy anao fampeleza-tsara mba anambara ireo zay varina @ fifandirana sy fitiavana tena.
ka manao ny ainy ho izy rery no eto an-tany.
:D nde sika iasa anao ny soa sy tsara..fa tsy ho varina nefa ny lera mande iany.
misaotra betsaka anao t@ le hevitra tsara tare..
hitoy anie zao evitra zao..ary ho reny ny vehivavy rehetra ...manerana ny nosy :)
20. dadabe ( 26/06/2005 16:12)
ahan !!
zefalah > de ahoana ilay ataon'ny fiangonana sasany hoe " aoka hangina ny vahivavy rehefa mby ao ampiangonana"
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1462