kristiana sa mpivavaka fotsiny ?

21. jonah ( 27/06/2005 11:48)
Ny finoana ihany no mahavonjy ankoatr'izay de tsy izy.
Ny finoana anefa mitaky zavatra maro fa tsy amndeha ho azy/
22. dadabe ( 27/06/2005 17:47)
azavao aza e:roll:
23. bichette ( 29/06/2005 09:20)
dadabe > jereo ao amin'ny hebreo ao anaty baiboly fa misy momba ny finoana
24. routa ( 29/06/2005 13:49)
ity nge ry dadabe tsy fiangonana e!
fanehoankevitra avelao zahay aloha hiteny ka!:D
25. dadabe ( 30/06/2005 02:06)
routa hihihihih ekena e

bichette Hebreo toko faha 11 ve ahan ekena e:wink:
26. bossy ( 30/06/2005 18:56)
...Tsy maninona na dia "mbola" tsy mivavaka izy kanefa mba mandeha any am-piangonana dia efa misy ezaka famantaram-pinoana sahady izany amiko, misy efa finiavana hihaona amin'ny Tompo sy ny olona samy efa notiaviny (ny ilaina fotsiny dia hanao izany amim-pahatsoram-po sy am-pitiavana..) sarotra ny manondro molotra na mitsara olona hoe mivavaka io na tsia, @ amin'ny fihetsika samihafa ety ivelany...Na ny zazakely aza anie dia entina am-piangonana na dia "tsy mivavaka angamba izy hoy ianao mpijery azy". Marina sy ekeko fa noho ny Fiangonana=Tranon'ny ankohonana Kristianina dia ny Fihetsika fanao maha mpianakavy no atao...Ny mivavaka kosa dia any am-po any fantatry ny Tomponao samirery "mangingina"
27. tselatra ( 01/07/2005 09:00)
Ny tenako moa dia olona mbola tsy manampinoana,fa eo am-pitadiavana aho ankehitriny ,satria betsaka loatra ny finoana eto an-tany ka ny hiezaka hitady ny marina aho ,satria araka izay fahalalako dia izany andriamanitra izany dia iray ihany ,ka tsy maintsy ho finoana iray ihany no sitrakany ho an'ny zana-kolombelona, sady mbola betsaka ihany koa ireo zavatra manitikitika ny saiko amin'ireo finoana izay efa nolaliniko,ka mitady toro-lalana amin'izay afaka hanampy.

28. dadabe ( 01/07/2005 10:54)
:-w:-w
29. ndrena ( 02/07/2005 06:23)
Mirosoa @ lalindalina e!Raha mpiangona fotsiny ianao taloha dia meteza ho mpivavaka ary raha mazoto tsara ianao dia lasa tena Kristiana manana antoka fa handiva ny fanjakan'A/tra.
30. dadabe ( 02/07/2005 13:17)
handova fa tsy handiva:^)
31. ndrena ( 04/07/2005 10:33)
Ny hevitra jerena fa aza ny fomba fanoratra dadabe a!
32. majesty ( 04/07/2005 11:31)
tsotra be ny valiny ,kristiana mpivavaka de zay .
33. tsimiandravola ( 05/07/2005 09:08)
Ny tenako moa dia olona mbola tsy manampinoana,fa eo am-pitadiavana aho ankehitriny ,satria betsaka loatra ny finoana eto an-tany ka ny hiezaka hitady ny marina aho ,satria araka izay fahalalako dia izany andriamanitra izany dia iray ihany ,ka tsy maintsy ho finoana iray ihany no sitrakany ho an'ny zana-kolombelona, sady mbola betsaka ihany koa ireo zavatra manitikitika ny saiko amin'ireo finoana izay efa nolaliniko,ka mitady toro-lalana amin'izay afaka hanampy.

Hoy ny kristianna hoe:mandehana ary torio ny firenen-drehetra ny filazantsara.Dia hoy aho hoe:raha mpino ianao dia zo-nao izany ary na silamo ianao na bodista,rehefa tsy manelingelina ny hafa dia tsy maninona.Fa raha toa kosa ka mitsofotsofoka any amin'ny fiainana sy ny fahafahan'ny hafa dia voan'ny tsiny.Ary satria ny fampielezana ny finoany dia ao anaty finoan'ny kristianina sy ny hafa,dia voatery ary izahay tsy mpino manao fanefitra ka dia miala tsiny!:ho an'i Tsalatra sy ny hafa ary dia hoy aho hoe :AZA MIDITRA.Ny antony dia satria revingadra daholo ny finoana.Tsy manenjika ny mpino aho amin'izany fa mamely ny finoana fotsiny.Efa andron'ny internet isika izao ary tsy lavitra mihitsy ny porofo sy temoignage fa klik 1 na 2 fotsiny,ka raha tianareo dia aoka tsy hanararaotra toy ny banga mihome alina intsony ny kristianina.Ela izay fotoana efa nanamparan'ny kristianina izay ary nanaovany obscurantisme mba ahafahany manambaka sy mangalatra ary namono sns.Amin'izao fotoana dia mampitandrina ny pasitera sy ny mopera ary ny théologien kristianina aho fa crime mampiditra any amin'ny fitsarana mihitsy ny mitory fa nisy ara-tantara izany hoe Jesoa izany.Izany no hoe "faux et usage de faux".Ka asakasak'ireo izay te hanankina ny fiainany amin'ny "faux",fa tsy ny obscurantisme antsoina hoe "finoana" akory no hampisy ny "paradis".
34. bichette ( 05/07/2005 09:41)
Tsimiandravola > tsy resaka hoe manararaotra anie ilay izy e! ekeko fa misy ol tena manararaotra ary mody hoe mitondra ny etikety hoe "kristianina" sy ny anaran4Atra entina hanambakana ny hafa fa tsy ny rehetra kosa e§ eo koa anie anjaran'ny tsirairay avy eo ny safidy fa tsy terena e !
35. tsimiandravola ( 05/07/2005 12:58)
bichette:

Tsimiandravola > tsy resaka hoe manararaotra anie ilay izy e! ekeko fa misy ol tena manararaotra ary mody hoe mitondra ny etikety hoe \"kristianina\" sy ny anaran4Atra entina hanambakana ny hafa fa tsy ny rehetra kosa e§ eo koa anie anjaran\'ny tsirairay avy eo ny safidy fa tsy terena e !
Isaory ny Andriamanitrareo fa tsy mpanambaka daholo ny mpino,tsara loatra izany.Ny ampangaiko ho fanambakana dia ny finoana mihitsy,indrindra ny finoana kristianina satria izay no akaiky ahy indrindra.Ny Baiboly mantsy dia,araka ny nolazaiko teo dia \"montage\" de a à z.Ny nanontana sy nanintsiana sy nanamboarana ny testamenta vaovao fotsiny dia zato taona raha kely ary nanodidina ny taona 150 fa tsy nanomboka tamin\'ny taona 33 akory.Asa raha fantatrareo fa miisa maherin\'ny 60 ny évangile sy ny taratasy isan-karazany.Misy endriny 2 ny Kristy hita taratra ao amin\'ny Nouveau testament farafahakeliny.Ny apokalipsa dia nisy version de 69 ary misy ny version de 95:ny toko 1,2,3 ary ny 22 dia vao nampiana,fa ny ambiny dia nosoratan\'ny Esséniens (revolutionnaires).Ny Actes sy ny Luc dia tsy i Paoly no nanao azy fa i Marcion.Amin\'izay indray notefitefena be ihany mba hampiharana azy amin\'i Kristy (=fiction).
Farany dia i Pierre(=vato),mba toa an\'iza no ieritreretanareo azy?Na ny anarany fotsiny aza dia milaza fa tsy olona malefaka izy fa evolutionaire misy muscles pectoraux,ary \"brigang\" tanteraka toa an-dry Jodasy.Naseho amin\'ny endrika malemy fanahy sy hendry fotsiny izy satria niova ny planna tato aoriana satria tsy nahomby ny revolution nifantoka tamin\'ny herisetra.Jereo fotsiny ny episode nisy ny tantaran\'i Anania sy Safira (Acte 5)izay nivarotra tany ka nanafina ny ampahany.Eritrereto fa eo antongotry i Pierre izy no nidaraboka.Tsy milaza ny Actes5,5 fa nisy coup de sabre satria manelingelina ny idéologie vaovao izany (idéologie douce ankehitriny izay idéologie de lutte armée teo aloha).Diniho koa ny endrika communisme nataon\'ireo sekta esseniennes izay tsy kristianina velively fa io episode io sy ny maro hafa dia nampiantefaina amin\'ny Kristianina taty aoriana.
Farany dia nisy efatra ny sokanin\'ny Hebrio tamin\'izany=,ny sadducéens,ny pharisiens,ny Samaritains,ary ny Esseniens.Nahoana ny Noveau testament no tsy miresaka ny Esseniens mihitsy?????Satria ny idéologien\'ny Esseniens (sy ny fomba fijeriny ary ny fihetsiny)no nangalarin\'ny Kristianina.Tsipihiko tsara \"NANGALARINY\".
Fantaro noho izany fa ireo Rain\'ny Eglizy tany ampiandohana mihitsy no mpandainga sy mpangalatra sy mpanao hosoka.Nisy mihitsy aza anankiray izay nantsoina hoe \"Eusèbe le faussaire\".Eritrereto amin\'izany ny hosoka sy ny vono ary ny fandrahonana sy \"bucher\" ary ny \"excommunication\" ,sy ny \"inquisition\" nisy hatramin\'izay taon-jato maro izay.Aza misaon-tava intsony ka misitrika ao ambadiky ny finoana re rey olona ê!Ny valin-dresaka mba vitan\'ny Kristianina ankehitriny anie ka tsy proportionnelle mihitsy amin\'ny attaque ataon\'ny athés sy ny agnostiques ê.Inona ny antony???Tsy misy ATENY intsony satria efa misavovona loatra ny lainga marivo tototra.Hatrany amin\'i Adama sy Eva ka hatrany amin\'i Kristy dia mirodana daholo eo anatrehan\'ny histoire sy ny science,izay tsy mmamela mivalo.Nanao tsy ho tratry ny aloka ka hay tratry ny alok\'akoho.Tsy misy fahamarinana izay tsy ho tratra.Merci!

36. routa ( 06/07/2005 04:45)
dadabe>hihihihi bedyyyy:D mihomehy fotsiny aho fa sao tezitra eo an!
ndrena>masika be an! aza mora tezitra zany fa ny soratra koa anie manahirana rehefa tsy hay vakina e!
miroso @ lalina de arotsaka ny harato sy ny sisa e!
37. dadabe ( 06/07/2005 16:19)
non tsy tezitra izy routa a
ndrena misaotra

tsimiandravola ahan
38. bichette ( 07/07/2005 14:49)
tsimiandravola > hisaorana ianao ny am fanazavana rehetra. Ny ahy aloha dia izo e , tsy mampivarilavo ny fiainako ny mamaky baiboly ary ny fanezahako (fanezahako hoy aho fa tsy miteny aho hoe tanterako avokoa) ny manaraka ireo anatra dia vao maika manampy ahy ami fiainana. raha mamaky ny ohabolana fotsiny izao dia hitako fa tena marina daholo ary misy fahendrena tanteraka ..; momba an'i Petera, ireo olona ao anaty baiboly anie tsy hoe satria voasoratra ao anaty baiboly dia manana fitondran-tenamendrika be sy modely, fa olombelona ohatrantsika ihany ary misy aza tena mety ratsy toetra fa tsy izany no asongadina fa ny finoany sy ny ara panahy e !

izao fotsiny no mba angatahiko ani tsimivalona, jereo ny tromba, jereo ny mpisikidy, jereo ny mpamosavy jereo ny zavapady, moa tsy maneho antsika ve izny fa tena misy ny fanahy ? moa tsy maneho amintsika ve na dia mieritreritra aza isika fa resaka fiction sns fotsiny ireo, moa tsy maneho amintsika ve fa misy zavamiafina tsy takatry ny sain'olombelona ? ary tsy voa dominer ntsika olombelona ? ny tiako lazaina dia hoe tsy azo atao ambaninjavatra ny fisian'ny miracle, ny magie sns .... mety hors sujet angamba izany lazaiko izany fa izao e !
vakio fotsiny ny ohabolana ohatra , teny fahendrena, fampitandremana amin'ny ratsy sns .;; amin'ny fiaianana andavanandro am fiaramonina, rad, ny fitondrantena ny fisotroana, ny fifaneraserana aminy hafa sns ..;
39. tsimiandravola ( 07/07/2005 22:52)
Ny ahy aloha dia izo e , tsy mampivarilavo ny fiainako ny mamaky baiboly ary ny fanezahako (fanezahako hoy aho fa tsy miteny aho hoe tanterako avokoa) ny manaraka ireo anatra dia vao maika manampy ahy ami fiainana.
Tsara loatra ho anao,ary tano.Ny olako fotsiny dia ny izaranao azy amin\'ny hafa satria izaho koa lasa \"victime\" noho izany fihetsika izany.Ny kristianna mantsy dia tsy mihanona fotsiny fa nahazo \"soa\" ho an\'ny tenany,fa mbola niampy baiko manao hoe:\"mandehana,ampianaro ny firenen-drehetra\" sns.Ka eo aho no tsy dakoro,ka izany no hanaovako FANANKIANANA.
raha mamaky ny ohabolana fotsiny izao dia hitako fa tena marina daholo ary misy fahendrena tanteraka
Tsy manao aho hoe tsy misy ilàna azy daholo ny ao anaty baiboly.Misy tokoa ny ilaina ary ampirisihina aza mba ahatsara ny fiaraha-monina.Tsy antony anefa izany hanindrihindrina fa ny Baiboly no \"fahamarinana\".Ny mifanohitra amin\'izany aza no hita,satria araka ny efa voalazako dia \"montage\" fotsiny io Baiboly io ary ny antony nanaovana an\'izany montage izany dia resaka \"politika\" sy resaka \":afera\".Diniho fotsiny ity nolazain\'ny pape Leon X ity(1475-1527):\"on sait de temps immémorial combien cette fable de Christ nous a été profitable\".
Tsara ho fantatr\'i Bichette ihany koa fa maro koa ao anaty baiboly ao no évident ary tsy i Salomon irery akory ny tena hendry,ary tsy i Jehova akory no farafanaperana.Tsy misy tsy mahalala fa \"après la pluie c\'est le beau temp\".Tsy misy tsy mahalala fa ny andro no mandimby ny aizina sns sns.Tsisy ilàna sorcier izany na mpanao fahagagana na prophete.Marihiko fotsiny momba ny Andriamanitry ny Jiosy dia izao:tsy Dieu no nanao ny Hebrio hitovy tava aminy,fa ny Hebrio no nanao Dieu hitovy toetra amin\'izy ireo.Inona no vokany?=Laza nataony teroriste be ny Dieu-ny;Sady mpamono olona no manenina lalandava amin\'ny zavatra nataony.Izany no nanaovany ny safo-drano(légende Sumérienne puis Babylonienne).Dia naninona koa izao raha tsy nasiany bibilava sy hazo voarara tao Edena?(légende Sumerienne),nefa fantany mazava fa ho latsaka ao i Adama sy Eva
momba an\'i Petera, ireo olona ao anaty baiboly anie tsy hoe satria voasoratra ao anaty baiboly dia manana fitondran-tenamendrika be sy modely, fa olombelona ohatrantsika ihany ary misy aza tena mety ratsy toetra fa tsy izany no asongadina fa ny finoany sy ny ara panahy e !

Diso mihitsy ny fahazahoanao ny fanamarihiko.Tsy misy tsy diso ,izay mandia ny tany,ekena izany.Fa tsy izany mihitsy no tiako ho lazaina eto.Ny tiako ho lazaina dia tsotra.I Simona Piera ,sy i Joany,sy ireo Apotres hafa izay voalaza ao amin\'ny Nouveau testament dia \"montage\":mody natao malemy fanahy,natao olon-tsotra ary vendrambendrana mihitsy aza,mpanjono tsotra,mpanay trano lay,mpiandry ny Mesia amimpilaminana sns sns...
Ny tena marina dia fantatra ireo fa terroriste,mpanafin-tay an-tsalaka,mpamono olona,mpirongo fiadiana.Eritrereto hoe ny \"Sabre\" taloha dia mitovy amin\'ny \"kalaknicov\" amin\'izao fotoana izao,dia ivereno vakiana amin\'izay ny Evangile(à paque) dia soloy amin\'y kalak ny sabre,dia ho hitanao ny ampahany amin\'ny toetran\'ireo,toetra izay sisa tavela satria tsy voahovan\'ny mpihosoka daholo ny notediaviny hafenina.
izao fotsiny no mba angatahiko ani tsimivalona, jereo ny tromba, jereo ny mpisikidy, jereo ny mpamosavy jereo ny zavapady, moa tsy maneho antsika ve izny fa tena misy ny fanahy ? moa tsy maneho amintsika ve na dia mieritreritra aza isika fa resaka fiction sns fotsiny ireo, moa tsy maneho amintsika ve fa misy zavamiafina tsy takatry ny sain\'olombelona ? ary tsy voa dominer ntsika olombelona ? ny tiako lazaina dia hoe tsy azo atao ambaninjavatra ny fisian\'ny miracle, ny magie sns .... mety hors sujet angamba izany lazaiko izany fa izao e !

Misy dia misy tokoa ny atao hoe \"inconscient\" ao amintsika olombelona,izany indrindra no tokony itandremana mba tsy hataon\'ny olona fitaovam-pamitahana io toe-javatra io.Ary tsy ny fandavana ny fisian\'izany no tena imasoako,eto fa ny maha fivavaham-pitaka fotsiny ny Kristianisma.
fa izao e !
vakio fotsiny ny ohabolana ohatra , teny fahendrena, fampitandremana amin\'ny ratsy sns .;; amin\'ny fiaianana andavanandro am fiaramonina, rad, ny fitondrantena ny fisotroana, ny fifaneraserana aminy hafa sns ..;
Araka ny efa voalazako etsy ambony dia tsy nisy niandry mihitsy ny Jiosy vao hahay mitondra tena,fantaro tsara fa ireo firenena nanodidina ny Jiosy tamin\'izany fotoana izany dia efa nanana ny fahendrena \"logique\" avy daholo.Raha ny nentindrazantsika dia tsy ambaka izany na dia misy aza ny madilana hotentenana.Ny teniko fotsiny dia atao voankazo an\'ala fotsiny ny ao amin\'ny ohabolana,fa raha tianao ny hitsongoako resaka \"mivalanorona\" ao dia tsy maintsy ahita aho.Marina koa izany ao amin\'ny Baiboly iray manontolo,dia ny fahabetsahan\'ny hevitra mifadiditra=misangorilepetra hoy ny zatovo.
Misaotra!
40. dadabe ( 07/07/2005 23:02)
hummm !! ise ve teolojianina sa...?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3837