manadino tsy misy ratra

1. maditra ( 20/04/2005 02:56)
Araka ny hevitrareo, atao ahoana no ahafahana manadino fitiavana an'olo anankiray izay miara-miaina aminao isan'andro, nefa te hifampitondra toy mpianadahy aminao fa tsy fitiavana. Na farafaharatsiny manafina fotsiny. Ny olana amiko manko, raha izahay roa irery ihany eo, dia mora amiko ny mody tsy tia e( tia au sens amoureux). Fa rehefa iny izy misy bandy miaraka na mampiresaka azy iny, toa sarotra be amiko izany ny hi-se comporter hoe libre. Marihiko fa ny mitory fitiavana azy efa tsy vahaolana satria efa natao kanefa tena ni-vexer sy tena halany be e!
Tsy afaka ny tsy hahita azy isan'andro anefa zah. Sao dia mba efa nisy tratran'izany ka manana hevitra azo aroso momba izany!
maditra
novalian'i sonwin ny 29/04/2005 13:33
2. hery ( 20/04/2005 05:47)
Angamba ny vahaolana tsy ny hoe hanadino ilay fitiavana fa ny hanadio ilay fitiavana... saingy sarotra io. Ny saina ihany sisa no afaka miasa fa ny fo efa voadona. Ny hanadiovana ny saina dia hoe ilay sipa aza tsy mieritreritra an'izany akory donc tsisy fanantenana ny amin'izany fa aleo tehirizina izay efa hita eo... izany hoe ilay fitiavana madio. Dia eritrereto toy ny hoe raiki-pitia amina Star malaza iray... tena tia kanefa tsy afaka hanao n'in n'in akory... fa soa ihany fa ilay star eto dia namanao sy afaka miresaka aminao.

Mahereza e.
3. pika ( 20/04/2005 06:30)
tadidio ilay hiran'i Sitraka hoe :" mpinamana tsotra...mba tsy hananako tsiny aminao".Raha tena tia azy ianao ka tsy te ho rava fihavanana aminy dia hajao ny safidiny. hitanao sambatra izy dia mahatsiaro ho sambatra koa ianao.Mahereza e!!!!!!!
4. yonikafopl ( 20/04/2005 08:40)
pika za koa mitovy hevitra aminao, ny tena fitiavana dia ny fanajanao ny safidin'iny olona tianao iny, hoy ny ntaolo we ny fitiavana tsy raikitra tsy atao haharatsy fihavanana, ka dia mahereza.
5. sonwin ( 20/04/2005 08:59)
maditra> mahereza ry akama fa sarotra io.."Fitia voarara ...", ny manamafy ny maha-mpinamana no hafinaritra, dia ho lasa confindent-ny ise,resaka tsotra be sy anihany foana atao, ampihomehezo matetika izy, miaritra kely refa misy bandy izy, manaova pro miaraka indraindray, manasa azy etc...rehefa mafana ny maha-pinamana an..ho raiki-pitia ho azy izy...ary raha sendra ts tafa any amin'izay alehany izy dia eo amin'ise no hiantoraka dia hande ho azy ny fihetsika tsy mila resaka..bonne chance
6. mihanta ( 20/04/2005 09:21)
maditra raiso toy ny fitiava namana ny fitiavanao azy.aleo manamboatra saina refa tsy mety aminy.ny namana kou anie ilaina foana..araka ny voalazan'i sonwin io kou alou mety possible,l'amitiƩ peut se transformer en amour refa ela ny ela.
mazotoa
7. sechat ( 20/04/2005 09:58)
maditra>
Raha mbola ao an'eritreritrao foana ilay hoe "Tsy afaka ny tsy hahita azy isan'andro anefa zah" sns... dia tsy ho sitrana mihitsy ianao :lol:

Fanafodiny:
Manandrama tsy mahita azy tsindraindray. Mba mandeha mijery namana hafa indray. Dia rehefa mahita vehivavy mba tsara2 na tianao dia resahana (hum hum hihihi iza moa no mahalala) :roll:

Ny mahatsara an'io dia raha tia anao ilay taloha nefa nampifila fotsiny na tsy tapa-kevitra, dia raha mahita anao tsy mandalo intsony dia ho taitra ka hitady anao. Dia anao indray ny laka @zay o^o

Raha tsy tia anao marina moa izy, dia mba farafaharatsiny tsy miady ianareo satria tsy manadala an'azy intsony ianao. Moa ianao koa mihasitrana (na afaka mieritreritra fahasitranana) rehefa zatra ny tsy mahita azy intsony.

Fehiny:
1/ Zen foana ^:^ 2/ Ny fitia toy ny ketsa ka mora afindra :-$ 3/ Io ilay hoe "Vouloir, c'est pouvoir!" :@
8. bkaan ( 20/04/2005 10:10)
rehefa tsy misy hevitra dia miezaha mipetraka any antoerankafa na hajainao fotsiny ny safidiny
9. haingo23 ( 20/04/2005 10:38)
Tanala very sampy ka ny manova no mety
10. poupounesana ( 20/04/2005 13:08)
maditra, tsy afka ny hitoetra eo@toeranao aho saingy fantatro ny mety ho eritreritr'ilay sipa tianao! tena raisiny ho namany enao ary manantena anao hihevitra toy izany izy! mety halahelo b izy raha ohatra enao ka manjavona na sanatria hiavona aminy! enao koa anefa tsy omentsiny fa ny fo no mibaiko an'io! fa zao, miezaha tsy mieritreritra an'ilay fitiavanao azy, diovy ilay fitiavana araky ny nolazaindry zareo eo ambony ireo!fa aza avela ny finamanana!
11. ndrena ( 20/04/2005 13:46)
Ny ho avy banjinina e!Sao dia marary fo fotsiny eo ka noho izany rehefa tena resy lahatra ianao fa tsy anjaranao izy dia ny miala no fahendrena,tadidio anefa fa tsy maintsy misy ratra hiaretana @ izany.
12. dadabe ( 20/04/2005 13:59)
maditra>de hoaritra trefle zany elah kle :(
13. maditra ( 20/04/2005 14:54)
Misaotra anareo rehetra namaly, ary mbola manasa an'izay namana rehetra hanome hevitra maromaro. Ny hevitra hono tsy azo raha tsy avy amin'olona. Atao ahoana dadabe fa misy hakanosana ihany atsika lehilahy ity indraindray. tssssss,
Fa mahafinaritra ahy doly ny valiny nomenareo. Bizz doly!
14. fijo ( 21/04/2005 21:22)
ramaditra an.mampalahelo ise.fa ity hiran'i ricky ity atao an tsaina."naleoko ihany tsy nisy anao"
15. pissoa ( 21/04/2005 22:26)
maditra > mitovy hevitra amin'ny sechat aho amin'ilay hoe manandrama tsy manjavona tsindraindray eny ianao e! Raha mbola mazotoa ianao dia ampianao tosika kely fa tsy hoe nandrasanao teo fotsiny ny valin-teniny de avy eo ianao :cry: :cry: Izaho tsy miteny hoe tena sur izay fa optimiste be fotsiny ah.
Fa henjy anefa refaveo fa tsy maditsaditsa an :-D :-D
16. sonwin ( 22/04/2005 11:23)
ilay madiditsa ihany leisy no tena revin'ny sipa an!
17. ari.malala ( 22/04/2005 13:21)
hoan'i maditra, raiso ho fahasambaranao ny mahita azy sambatra. Sarotra sy marary fa vao mainka hifanantona bebe kokoa ianareo avy eo satria hanjary holasa tena namana akaikin'nyfony ianao, hitantarany izay manko azy, iza moa no mahita na mety hirona any aminao ihany ny fitiavany any aoriana any?! Mahereza!
18. tranokely ( 22/04/2005 14:18)
Za aloha dia mety ho hafa kely ny hevitro fa zavatra efa hitako teo @ manodidina ahy no lazaiko fa mitovy ny cas misy teo aminareo fa lay bandy akama ry Maditra presque 10ans ni-insiste foana fa nanaiky ihany ilay tovovavy de zao zao ry zareo efa telo anaka, ka io dia ialahy ihany no tompon-kevitra fa raha mbola hanohy ialahy de aza atao brusque be fa ataovo tsikelikely de manana patience ary farany de mahereza fa tsy misy mafy tsy laitran'ny zoto ary mety ho azon'ialahy ihany ny amboara @ farany
19. mishou ( 22/04/2005 18:31)
maditra> gaigy be izany fa ny aza voany ihany. AMbonin'izany raha eritreretiny ho anadahiny ianao fa tena ianao mihitsy no hitantarany ny ataony any @ ilay olona any nefa ianao amin'io te ho eo @ ilay toerana. Mafy be lesy izay fa tena mahereza fa tena ela2 kosa aloha io vao afaka e.
Mila manmboatra saina be mihitsy. Indraindray aza izy tena hitanao hoe tsy manenjika azy intsony ny eritreriny satria efa nolazainy taminao ny tao an-tsainy nefa tsy fantany fa aminy no izay fa tsy aminao.
tsy hamendrofendro aho fa mila mafy loha tsara lesy ah.
madi-doha lesy an :{ :{ :{
20. dadabe ( 23/04/2005 06:54)
mafy loha ve de mihozongozona tahaka an'io ???hihihihi
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3971