Azontsika rehetra apetraka eto ambany eto ny zavatra diso na adino ka ilana fanitsiana ao amin'ny takelaka namana vaovao.
Misaotra betsaka noho ny fiaraha-miasa.
> 1. Rahefa avy nampiditra ny solonanarana sy ny tenimiafina ianao ka
> tafiditra ao anaty tranonkala, raha manindry ilay rohy "Ny biz'oroka
> azonao" dia miseho... ny sarin'ny namana rehetra !
Nahitsy. Efa mandeha ny biz'oroka azoko
> 2. Nandefa hafatra ho ana namana vitsivitsy aho omaly 30/03/2005.
> Niserana tao @ "Namana serasera" aho anio 31/03/2005 ary
> nahatsikaritra avy nanindry ny rohy "Hafatra lasa" fa tsy tao intsony
> ireo hafatra nalefako. Tsy tokony hijanona ao andro vitsivitsy ve izy
> ireo ?
Nahitsy. Natao 10 andro toy ny teo aloha ny famafana ny hafatra lasa.