Te hiteraka

1. xxx ( 11/03/2005 19:41)
Ahoana kay ny hevitrareo amin'ny hoe te hiteraka nefa tsy manambady ? Ny tena anefa mba tsara fivelomana ihany nefa dia tsy misy mpitia è. Eny, efa tara taona raha eo amin'ny resam-panambadiana. Mba manontany ny hevitrareo aho amin'izay.
novalian'i fijo ny 14/07/2005 22:42
2. vegas ( 11/03/2005 20:12)
Tsy mampino ahy zany tsara fivelomana nefa tsisy mpitia zany.Mety be mpitia enao fa fatrapifidy.Hevitro: manambadia vao miteraka.
3. xxx ( 12/03/2005 07:47)
Manao haona ô!
Tsy maintsy misy ol miaraka aminao anie vao bevoka ianao e! ko maninona no tsy mivady alou vao miteraka sa kosa angamaba vadin'olona no miaraka aminao ka tsy afaka hanambady anao izy ??
Mampalahelo anie ny zaza tsy tezain'ny ray sy reny miaraka izany é! na de eo ary ny vola amankarena , hevitro ihany ahy iny fa enao no tena tompon'ny fanapahakevitrao farany !
4. kinaoly ( 12/03/2005 11:33)
afaka manao insémination artificielle kanou, tsy olana zany miteraka tsy manambady zany refa hitanao fa ho vitanao tsara ny zanakao, mazahoa izay irina :D
5. mishou ( 12/03/2005 17:52)
Manahirana be ilay resaka manambady sy miteraka.
Manambady nefa rehefa avy eo misaraka, mitovy @ tsy manambady fa ny mahasamy hafa azy, nahita fahoriana tsara vao misaraka
Tsy manambady nefa miteraka, anontanian'ilay zaza na melohiny mihitsy hoe aiza ny rainy, ratsy toetra sy tia tena fa tsy mieritreritra azy fa tia tena.
Hitady vady nefa ny tena vehivavy, angatahana fa tsy mangataka, ary na dia handeha hitety izao tontolo izao aza dia ny lehilahy tsy manaiky mihitsy fa izy no maka sy manao izay tiany fa ianao alaina sy manaiky ny sitrapony.
Na dia malaza aza fa any USA ohatra mahazo mikaoty bandy ny vehivavy fa mandehana any dia milaotia azy fa ilay nokaotiny ihany no tiany.
Lanjalanjao dia izay fantatrao fa mety atao, be dia be ny manambady miteraka dia misaraka moa be dia be koa ny tsy manambady miteraka na dia ny idealy aza dia manambady miteraka dia mitotona @ lehilahy azo hifanarahana.
6. yonikafopl ( 12/03/2005 19:30)
kinaoly ,mishou :)
tsy hitako izay olana @ fiterahana tsy ao anatin'ny fanambadiana nefa kosa zaza vokatry ny fo sy fitiavana fa tsy zaza nataotao fotsiny na tsy nifampierana.Ary koa efa manana ny ampy hitaizana ilay zaza mba tsy hampijaliana azy.
Ny eo @ resaka we mijaly izy avy eo tsy manana ray, iza kay ny mijaly kokoa, ny nahita ny fijaliana tao anaty tokatrano sa ny nateraky ny fitiavana ??
Raha ny hevitro manokana kalou, dia alohan'ny hanaovana zazakely, dia hifanarahana tsara, azo atao tsara ny mampahafantatra ilay zaza amin-drainy ary azavaina azy ny marina momba ny fisiany rehetra.Miankina aminareo roa io, fa ny hoe tsy misy mpitia kalou toa sarotra hinoana fa ny we tsy tapakevitra ny hanambady nefa mba te hanana taranaka angamba.
Raha any Dago mety mbola hiaran'ny fanenjehana sy ny sisa , fa raha aty ivelany ataoko angamba fa malalaka tsara, asa kalou!
Ka izay fantatrao fa mahasoa anao atao, nefa mba fidio ihany koa izay atao ho rainjanaka fa tsy ze lehilay rehetra izao akory :twisted:
7. chipie1 ( 12/03/2005 19:37)
tsy olana izany fa refa hitanao fa vitanao dia ataovy, :-* dia manaova mora :-*
8. routa ( 13/03/2005 13:12)
xxx ianao io zany vehivavy ? avereriko fa lehilahy ko hihhi !raha lehilahy manko ianao io de hoy aho hoe vehivavy maro io ko nahoana no tsy maka vady. Ny hoe tara tsy misy tara zany ndry anona fa ianao tokoa angamba no fatrapifidy ko ,tsara ny roa noho ny ray avy eo apiiana zaza feno tsra ny ao antrano .Ny misaraka misy tsy fifanarahana matoa misaraka torohevitro ahy manokana: mitadiava vady koluny vao zaza zay hiany misy ny vitam bola tsy vitambady na be vola aza rehefa tsy misy mpiaramihinana otrany tsy matsiroklouny e!
9. xxx ( 13/03/2005 15:56)
Za voun ny hanome ranon'aina eh.

tsisy blem io k.


tsy voatery manambady kosany eh. toetsaina efa tam taonjato faha XIX zany eh.

Fa maninn kosa no haka engagement amzany le
10. betty ( 14/03/2005 15:20)
xxx > loll kou raha tsy production industrielle izy ty kou atao ann zany kle :p
xxx (le tomponkevitra :) ) > tsy tokony olana aminao izany miteraka zany refa vonona ianao. Tsisy limite d'age kou eo @ fanambadiana fa mety mbola tsy sendra ny tianao ianao sy ny tia anao.
11. fijo ( 14/03/2005 23:54)
manorata amiko fa azo resahana tsara io ka.
12. iartistika ( 15/03/2005 18:53)
ise nga mpapiteraka?
13. betty ( 16/03/2005 14:43)
iartistika > sagehomme i fijo :p
14. fijo ( 16/03/2005 23:32)
azo atao aby izany ka
15. pitchou ( 17/03/2005 20:32)
xxx> ianao no tompon-tsafidy, fa kosa mba aoka ho olona mba tianao no ataonao rain'ny zaza e! fa tsy ze mandalo akory!
tsy voatery hoe tsy eo ny ray d tsy ampy fitiavana sy fitezana le zaza, ary tsy ôtômatika hoe eo ny rainy d ampy fitiavana sy tsara taiza le zaza! d rehefa tapa-kevitra d aza mihaino ze vavan'ny hafa (mialona ireny!!!!) fa d ze mahafalifaly foana atao fa miankina @ ze toe-tsainao mandritra anao manana azy ny toetrany e
fijo> hihihi! hanoro hevitra sa ... handamin-kevitra? :lol:
16. methode ( 22/03/2005 00:19)
Fa tsy ampy intsony ve ny lehilahy eto ambonin'ny tany sa ahoana e!!! Hihihi!!! Nga tsy mitombina intsony ilay hoe vodysobika aza manan-tandrify??? Raha mbola misy ny fahafahana manambady dia aleo manambady vao miteraka e!! Raha hoe ny olana, ngah na hipetraka irery amin'izao aza ianao dia tsy hanana olana!!! Mila fifampitokisana fotsiny ny fanambadiana dia mandeha io!!! Toa lasa maro be mantsy ny vehivavy matahotra manambady ato ko!! :-D :oops:
17. chipie1 ( 22/03/2005 18:00)
ka io ane ry methode samy manana ny eritreriny e! misy ny te iaraka amzao , misy ny te hanambady ...
ary i methode zao inn ? :-D :-D
18. pitchou ( 22/03/2005 18:02)
methode> tena resaka fatahorana ny hanambady ve ny fahitanao azy? raha izay no mahafinaritra ny tena d izay no atao! samy manana ny tiany io! sa matahotra kosa ary i methode hoe tsy hisy hanaiky hanambady an'i methode ny vehivavy? enao tokoa aloha tsy afaka miteraka tsy manambady izany e! :-D
19. Ramaso ( 24/03/2005 06:38)
fa inona tokoa ny mampataotra @ manambady e
20. haingo23 ( 24/03/2005 11:09)
Misy ny behivavy tsy te-hanambady fa te-hiteraka.
Efa in-2 aho no nilazan'ny vehivavy izany. Mitovy daholo ny nolazain'izy roa vavy.
- Izaho te-hiteraka aminao hoy izy.
- Novaliako hoe dia ahoana ny fikarakarana ilay zaza ?
- Hoy izy :Zaza no tadiaviko aminao ary izaho ihany hoy izy no mikarakara sy mitaiza ilay zaza ary tsy ampahafantariko azy mihitsy ianao. Manana ny ampy hivelomanay izahay mianaka ka inona ny problemanao @ izany.

Gina aho satria tsy nampoiziko. Ny hany heriko dia hoe hohita eo izany. Nitady izay fika rehetra izy mba hiterahana amiko nefa tsy nahazo. Izaho koa moa mailo ary dia tena mandeha mihitsy ny calcul (regle) mba tsy hahatonga izany na ariako rehefa avy eo. Nony hitany fa tsy nety ilay izy dia tezitra tamiko izy dia nisaraka izahay.

Ka tsy manome tsiny aho raha te-hiteraka ny vehivavy @ fomba rehetra tiany hahazahoana izany. Any @ faritra sasany aza dia atao fanahiniana mihitsy ny miaraka @ lehilahy hafa mba hanatsarana taranaka hono.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3134