mahatsapa tena

1. nathanael ( 14/07/2004 18:26)
Izaho ry zareo mahatsapa tena fa efa tena tsy avotra intsony amin'ity resaka fitiavana ity. Ny antony dia efa tena zatra miodina loatra ka matahotra ny hanambady sao mbola manohy. Nefa any misy sipa vadiable tsara sady tia ahy fa izaho mihintsy no tena matahotra sao mbola hitohy ny toetra ratsiko. Nefa izaho koa tsy hahita sipa otran'azy intsony raha mbola miandry ela, izy sady hendry no tsara fanahy.
Inona no mba fanafodiko?
novalian'i fijo ny 12/08/2004 00:18
2. nathanael ( 14/07/2004 18:37)
ramaso> le sipa tena tsy misy hokianina fa izaho mihintsy no tena tsy matoky ny tenako. Izaho anie leitsy tsy mahatanty mahita vehivavy ka tsy hikoty. Matahotra aho leitsy sao hijaly ilay zanak'olona miaraka amiko.
3. rambofrau ( 14/07/2004 19:49)
Dia efa tsy mifidy asiana enao izany an.
Tsotra fotsiny: soa enao tena tofoka sy leo t@ zavabita taloha dia hendry tanteraka aminizay,soit "tanana zatra mitsotra tsy afamivokina intsony" ka raha izay no mitranga dia soit tsy manambady mihintsy fa manidintsidina eny ihany soit tonga dia lazaina azy ny toetra,dia matoa izy miroso dia mahazaka izany.
4. ramoul ( 14/07/2004 20:41)
nathanael tsotra: teneno izy we ialahy dia tsy maharitra mijery vehivavy afa.
Ra manaiky izy dia tiany elah ary anjaran' lah no mihezaka manova ny toetra ratsy hatrizay.
5. atmos ( 14/07/2004 23:13)
Ka elà ange zany lesy tsy stable a, ho sarotra be lesy ny fandidiana a, na vadian'elà izy, de na dia miezaka aza elà hanova ny toetran'elah ratsy dia rehefa misy olana eo aminareo na adiady kely, tsy haharitra lesy ialahy a, fa hikôty sipa hafa, kôzy zany e. Bandy lesy bandy hany an

Ka elà zany le we toujours bôgôsy sa?
6. pitchou ( 15/07/2004 02:22)
din ty atmos!!! ka nathanael ange zany no tsy vadiable e! manandrama alou tsy mikoty na mijery vhv mihitsy mandritra ny volana maromaro dho hitanao na ho vitanao na tsy ho vitanao ny ho hipetraka! tsy voatery hoe zatra ni-roule manko d tsy afaka hijanona intsony!
7. rivorijasoa ( 15/07/2004 04:48)
Ny tarehy ratsy ry nathanael no tsy azo ovàna fa ny toetra ratsy kosa mora ny miala azy raha manana fandavan-tena a!
8. xxx ( 15/07/2004 06:38)
Za mahita solution é! sarimbavy letsy vadiana fa ireny no tsy maninona raha ampirafesina @ sipa a! hihihihiii...*
9. fanja1 ( 15/07/2004 09:15)
Iza kou ny vehivavy hanaiky izany . tssssssssssss
10. hendry ( 15/07/2004 10:49)
Ny fahatsapan-tena dia efa zava-dehibe saingy tsy ampy raha tsy enao mihitsy no manana finiavana hala @ zany fiodanana zany.
Aza manambady rehefa mahatsapa fa tsy mbola matotra @ zany.
11. pitchou ( 15/07/2004 10:59)
ambaraka fa hiteny i rivorija hoe ny tarehy ratsy ny tsy azo ovana fa ny vady ratsy mora ialana!
12. ari.malala ( 15/07/2004 12:48)
nathnanael â! tsara aloha ianao mahatsapa fa ratsy ny ataonao, dingana 1 iny, dia dingana 1 manaraka ataonao an, miezaka miala @ le ratsy fanaonao satria dia tena marina fa hijaly ilay zanak'olona raha izy hanaja anao nefa ianao hisidina atsy sy aroa. Ianao ihany no antony, rehefa hoy ianao hoe ampy izay dia izay zany, hoy ianao hoe tena tsy mety (nefa izaho miteny anao fa tsy misy zavatra tsy mety zany ê!)
13. lema ( 15/07/2004 14:31)
resahoi moramora lé sipa hoe ra tia ahy ianao dé mba manaja ny zavatra tiko dé teneno izy hoe lé karama tsy banga jerena fa za miodina aza rarahina.
14. rambofrau ( 15/07/2004 21:14)
Lema ho aho dia tsy mahagaga mihintsy eh.Koa raha tsy ny vola no vadiana koa.
15. rivorijasoa ( 16/07/2004 04:04)
lema> raha azoko tsara izany dia hoe: Ilay vehivavy tsy maintsy manaja ny revin'ny lehilahy fa ralehilahy kosa tsy afaka hanaja ny safidin-dravehivavy e!
16. nathanael ( 16/07/2004 08:02)
Ka izao anie ny fandehany e!

Izaho toa tsy ho hendry mihintsy raha tsy manambady.

Kanefa raha manambady aho dia matahotra ny sao mbola tsy ho hendry ka hampijaly zanak'olona.

Iny hataoko?
17. lanto ( 16/07/2004 08:23)
ilay fahatsapan-tenanao aloha dia efa zava-dehibe ! hitondra ho amin'ny fahasitranana ....:-)
18. atmos ( 16/07/2004 09:45)
Ka ialahy aza ry nathanael efa mahatsapa tena we tsy ho hendry raha tsy manambady. OK, tian'elà izy, de vadio e, de miverena eto indray @ manaraka manontany raha mbola misy ampiana. Hozizy ny vazaha we, demain est un autre jour e. Valable io @ elà.
19. pitchou ( 16/07/2004 10:10)
ary maninona raha miaraka aminy alou enao, miaraka tsotra fa vady-like an! d ho hitanao na ho hendry enao satria eo izy na tsia?
20. nathanael ( 16/07/2004 10:17)
pitchou>azoko atao ihany izay kanefa izy tonga dia vady hono no tadiaviny

Raha sipa hafa anie ry zareo tsy mampaninona ahy fa ito sipa 1 ito kosa tsy tiako hijaly mihintsy na dia kely aza, indrindra fa noho ny amiko.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4926