Materialista

1. hashinah ( 24/06/2004 07:08)
Ny ankamaroan'ny vehivavy @ izao fotoana dia materialista.
2. voninkazokely ( 24/06/2004 07:26)
Aiza kosa é eee!
3. alz ( 24/06/2004 07:28)
Koa maninona moa?
4. kally ( 24/06/2004 09:15)
Inona tsara ny tianao lazaina amin'ilay hoe materialista aloha e!
5. nyaina ( 24/06/2004 10:23)
mety hitombona ihany aloha ilay hevitra e!nefa kosa tsy @ vehivavy rehetra
oh:misy veivavy tsy tia lehilahy raha tsy maambola
6. peluche ( 24/06/2004 10:38)
raha materialiste hoe tia vola,de satria te-hividy ankanjo-mba hitovy @ sasany,hanana "standing" de vie ambony.fa marina ny an'i nyaina ,tsy ny vehivavy rehetra fa na izany aza miamaro ihany ny vehivavy ,sy ny lehilahy materialiste,noho ny fahantrana ve mahatonga an'izany??
7. kally ( 24/06/2004 15:10)
F'angaha fahotana ny tia akanjo tsara?f'angaha tsy mety raha mba tia fiara? f'angaha dia ratsy be raha tia trano tsara tarehy?
8. tenio ( 24/06/2004 16:02)
Isaina amin'ny ratsa-tanana angamba sisa ny vehivavy tsy materialiste. Atao ahoana moa, ny fiainana sarotra, ary iza hono no hiantehitra amin'ny hazo boboka?

kally> tsy dia hoe ratsy anie akory ny tia akanjo tsara sy ny tia fiara tsara saingy tsy hoe rehefa tsy manao akanjo tsara sy manana fiara tsara akory ny lehilahy dia ialao.

Ny sasany moa mahavita miteny mihintsy hoe " Atao inona koa izato ianao, sady tsy kitay no tsy vary maina?"
9. kally ( 24/06/2004 16:46)
Dia valio fotsiny izy hoe ie sady tsy kitay no tsy vary maina fa gaz sy lasopy.
10. nala ( 24/06/2004 17:26)
Merci kally (matsiro koa nareo zany !)
Izaho materialista raha izany no définition-ny ho anareo. Mivoatra !
miezaka ny hampiasa ny fitaovana manamoramora kokoa ny fiainana ! fa tsy hoe mitetika kitay kely dia handrehitrafo, dia adin'ny efatra mahandro laoka ! anefa raha misy vola : microwave dia 5 mn ny lasopy ! (sa ahoana ry Kally !)
11. ramoul ( 24/06/2004 20:18)
Ny vehivavy am' zao fotoana izao tsy miaraka am' lehilahy ra tsy manam-bola ry zalahy.
Zay le izy.
12. fijo ( 24/06/2004 22:19)
tsy ny fitiavana ireo zavatra ireo no ratsy.fa ny fametrahana ny fitiavana ho lalana ahazoana azy no tsy eken'ny mpanoratra raha tsy diso aho.
homena tsiny ve nefa izay manao izany?
13. jhouhlambout ( 25/06/2004 08:00)
Tokony homena tsiny raha ataony FITAOVANA ahazoany izay tiany ilay olona!
14. kally ( 25/06/2004 09:21)
Ny dikan'izany mihetsika ianareo lehilahy dia aza mikidi-kizo mikendry izay tsy ho vitan'ny tena e!Izay mitovitovy fidiram-bola sy fomba fiaina amin'ny tena alaina fa aza manakatra an'ilay mpandeha salon d'esthétique sy fitness sy manana ny lamaody vao mivoaka rehetra ireny.Dia aza be menomenona moa fa mba mihetsika e!
15. peluche ( 25/06/2004 13:22)
kally/tsy ilay miakanjo tsara no ratsy,fa ilay manenjika na dia efa tsy manana azy,any ka manao ny tsy fanao sanatria.izay no fahitako an'ilay materialiste.tsy ankanjo ihany fa afaka hampiarina @ zavatra rehetra.
16. joda ( 25/06/2004 16:34)
marina izany e....mby ny sipa ankehitriny..resa-be ny mihoatra izay...àry be koa ny mpangalabadin'olona
17. kally ( 28/06/2004 07:53)
Materialista koa angaha ny mpangalabadin'olona?
18. fijo ( 28/06/2004 22:29)
misy tanjona kely ao ry kally an.
ka raha mba te ahazo sipa mitondra mers kosa ve le olona dia ahoana le?ih,ih,ih
19. kinaoly ( 28/06/2004 23:33)
joda,tenio> misy antotan'isa ve alou zany miteny zany hoe "ny sipa ankehitriny" sy hoe "azo isaina @ny ratsatanana" izany, izy rehetra ve ?
hummm
20. fijo ( 29/06/2004 20:04)
ka io koa anie hita mibaribary eny e.sa mody tsy mijery ny sasany?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2889