Ataovy @ teny GASY

1. jhouhlambout ( 24/05/2004 13:08)
Efa mba site vita gasy ity koa mila fenoana ny voambolana tsy ampy,
ohatra:
- korisa = curseur
- kilio = clavier
- tarazava, fahita = ecran
- tangilotra, tangilo = ordinateur
- lokotsy; sidiraoma = CD - ROM
- siberikaoatry = Cybercafé
- Abodaty = update
- mi-chat = misaka
- sity = site
- folokety=diskety
- mailaka = mail
- vovo= adresse web
- totozy = souris
- ngidina = réseau
- vezivezy = RAM
- fipirintina= imprimante
- irakiraka = unité de commande
- Sompitra = disque dure
- .....
novalian'i booboo ny 22/06/2004 13:32
2. aladin ( 24/05/2004 15:36)
milay kousa lou la mi-saka sy le folokety e!
3. ikaretsaka ( 24/05/2004 15:55)
io indray ilay lany andro amin'ny famoronana teny gasy kitoatoa... tadidio fa na ny ntaolo aza ange tsy nivakiloha namorona teny gasy kitoatoa ohatran'io e..
-poizina =poison (vakiana teny anglisy)
-Boky= book sns... fa tsy nanao izy izy hoe adiantakelakatrafenosoratranataoprinty fa boky hozizy
4. kally ( 24/05/2004 16:07)
Marina ny voalazan'Ikaretsaka,ny teny gasy efa misy eo aza toa tsy hain'ny ankamaroan'ny gasy ny mifehy azy ka milingilingy mamorona teny sy mandika ny zavatra tsy noforonin'ny tena.fehezo aloha izay eo vao manakatra mandika ny hafa .
5. kally ( 24/05/2004 16:08)
Marina ny voalazan'Ikaretsaka,ny teny gasy efa misy eo aza toa tsy hain'ny ankamaroan'ny gasy ny mifehy azy ka milingilingy mamorona teny sy mandika ny zavatra tsy noforonin'ny tena.fehezo aloha izay eo vao manakatra mandika ny hafa .
6. olly ( 24/05/2004 16:49)
sady zay ko aloo tsy nahalala an'zany siberkaoatry sy abodaty zany ra tsy vo zao e!de ahoana ary ny fomba hitenenanay zay tinay lazaina mazava ra tsy hay reo ka!
7. yonikafopl ( 24/05/2004 16:49)
fa matetika kosa anie dia ireny teny kitoatoa ireny no miditra sy milentika tsara ao andohan'ireo tanora ankehitriny e!, aiza ve ka ny ankizivavy na vehivavy izao lazainy hoe " joba " indray kou, dia inona izao no tena dikan'io , ilay Joba voalazan'ny baiboly ve sa ahoana e!, nefa iny toa lhl no fahalalako azy.
Tsy misy tsara ohatran'ny malagasy ofisialy ihany e! raha toa te hitandro ny maha malagasy dia hajao ny tenin-drazana voalohany indrindra , ny diso tsipelina aza efa tsy fidiny .
8. aristar ( 24/05/2004 20:22)
No comment
http://www.infogasy.net/forum/posting.php?mode=quote&p=207
9. aristar ( 24/05/2004 20:26)
Rectification
http://www.infogasy.net/forum/viewtopic.php?t=42
10. ikaretsaka ( 24/05/2004 22:41)
yonika> ny heo joba diateny efa nisy tany @ taona 60 tany.. fitenimparitra amin'ilay heo Jombilo io dia nohafohezina d eheo Job hopb de lasa joba ny niafarany
11. fijo ( 24/05/2004 23:50)
aoka marina letsy rajhiouhl,fa ny anarany amin'izao aza efa mahavaky ny lohanay dia asian'ialahy an'ireoi indray ve tsy vao miha lasa gaigy ato isika e.tsy fankahalana gasy izany,fa latabatra sy solaitra atao ohatra e.
12. yonikafopl ( 25/05/2004 01:44)
ikaretsaka! hay ve e! misaotra anao nanazava. izaho aloha tena tsy mahay ireny fanagasiana ireny mihintsy e! ilay teny anglisy na teny frantsay nohagasiana no mahavantana ahy kokoa,
13. jhouhlambout ( 25/05/2004 07:57)
Ka ireo teny ireo anie efa misy mampiasa e! Sady ny ankamaroan'izy ireo dia avy any @ fitenin'ny tanora daholo....
oh: vovo
14. kitjo ( 25/05/2004 15:39)
eny e, natao hanalana andro kosa ange le k araha tsy ratsy aloha tsy olana e

jhoul>> vovo ange k tena teny gasy e, vao nopoirina tany @ niafenany tany d lasa fitenin tanora

fa amiko aloha ra oh k haintsika ny mampiasa azy ts d olana fa ataovy oh ny teny rht e, misy miteny frantsay, vakiana teny gasy, teny anglisy vakiana teny gasy,

oh le @ hiran Samoela "areheto ny poto" iny, misy mampias any voambolana lazainy, fa ze te hampiasa mahazo ,izay tsy te ts olana koa fa tsy fehezina

Fa raha tsy hay aloha ny manonona azy aleo hilamina sao dika vilana ko mahita teny gasy tena izy hafa tampoka eo,lolllll
15. jhouhlambout ( 26/05/2004 07:28)
Ka ny teny gasy anie Langue vivante e! donc: miovaova sady miha-feno. Maka ohatra fotsiny aho, ex le français: Ny teny hoe: FROmage dia FORmage no tena niaingany kanefa ni-déformer-ny vazaha dia niova sady lasa raikitra.....
eh oui! zay no atao hoe langue vivante....
16. kally ( 26/05/2004 08:21)
Ekeko ny voalazan'i Jhoulahmbout fa raha mijery ny firesakao aho dia ho "langue morte" ny teny gasy atsy ho atsy.
17. chipie1 ( 26/05/2004 09:10)
kally: hihihi
18. six ( 26/05/2004 10:24)
oups!
19. 2689 ( 26/05/2004 14:05)
Kanjony zany rajhoul fa milay io an! Misy ilako an' ireo atsy ho atsy fa ampio raha mbola misy hafa.

adolescent : adolatsento (ito farany tsy tiako loatra satria efa misy dikany madio be)
20. jhouhlambout ( 26/05/2004 14:27)
... na koa: Adalantsento
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.5732