Inona no mba fahafinaretanreo?

1. vatosoa ( 04/05/2004 08:57)
Inona ry reto no mba zavatra tsotra nefa mahafinaritra anareo indrindra? ( Ankoatra ny resaka sex sy ny sisa ). Ny ahy ohatra dia ny milona ao anaty baignoire eau avec eau chaude dia bataiko ny télé dia ataoko ao @ douche dia mijery télé ao anaty baignoire. Rehefa mangatsiaka iny ny andro no tena mahafinaritra izany.
novalian'i kitjo ny 03/06/2004 18:16
2. aladin ( 04/05/2004 09:29)
nenah an manao pieds-nus @ ao an-trano @le ciment mangatsiaka iny.DE ankoatr'izay mihaino slow rock alefa mafy be.DE ny mandeh vam @ alina koa!
3. aladin ( 04/05/2004 09:31)
hay de ny manongotra takom-pery eny amiko koa mahafinaritra ahy.le mbola somary marary kely iny.hihihi!
4. cherri ( 04/05/2004 10:33)
Ny ahy ry reto an! le avy mikapa ka tsy mitohana iny no tena mahafinaritra ahy indrindra an tena maivamaivana tsara mihitsy
5. booboo ( 04/05/2004 10:54)
ny ahy mijery olona kotsan'ny orana nefa zà tranquille tsara ao anaty trano !
6. drtriniti ( 04/05/2004 13:47)
Ny ahy mamaky boky dia mandeha vam amin'ny Hariva a partir ny @ 18:30
7. ari.malala ( 04/05/2004 13:50)
ny mihira no zavatra tena ahazoako fahafinaretana indrindra
8. samoina ( 04/05/2004 13:53)
mijery olona falifaly toran'ny hehy !! hi!hi!hi!
mijery olona mifandrangitra @ alalan'ny hanihany ( na zaza, na tanora, na zokinibe...).
9. aladin ( 04/05/2004 15:06)
le mikapa ranony @ vô mifoha iny kou refa ririnina an!mmmmmm!hahahahaha
10. oully ( 04/05/2004 15:25)
Marina fa misokatra ho an'ny rehetra ny fanehoan-kevitra ary afaka milaza izay tiany holazaina nefa na izany aza, na dia hihantsikana sy hilalao aza isika mino aho fa tokony hotandremana ihany izay lazaina. Toerana ho an'ny rehetra intony, tahaka ny radio sy fahitalavitra, ka raha misy manotany anao ve ao amin'ny radio na télé hoe: inona no mahafinaritra anao indrindra dia hilaza ianao fa ny mivoaka ao amin'ny w.c. Misy tena mampihomehy tokoa na dia "n'importe quoi" aza no lazaina eto fa misy kosa tena faly te hiteniteny foana fotsiny. Zà tena efa zatra miaraka amin'ny namana fa na izany aza rehefa imasom-bahoaka mba ...... avec modération! Nefa tsy haiko, fisainan'antitra angamba izany fisainako izany.
11. kally ( 04/05/2004 16:59)
Avy any @ mangatsiaka be dia misotro dite mafana be ronono sy mihinana mofomamy tsara be!!!
Raha tsy izay mitsilailay eo @ tany dia ankinina ambony seza na @ rindrina ny tongotra.
12. ikaretsaka ( 04/05/2004 19:56)
nyahy dia mihidy rery ao an-trano ..pihana ny jhiro dia velomina ny labozia .. apetaka ny basse .. dia mitendry izay voatendriko ao..
mivoaka avy ao aho tena velon'aina ery
13. mumu ( 05/05/2004 07:35)
nena refa ilay avy orana iny de ao anaty couette , maka hafanana tsara
14. aladin ( 05/05/2004 07:56)
ny mitaingina vam @route national mangina amin'ny andro avy orana iny de mihaino rocks ballad na crossroads iny koa!
oully> nandratra anao ngah le hoe mikapa ranony?aleo aza atao hoe mivalan-drano e!nefa toa io ndray aza no manavivia kou!
15. ravatorano ( 05/05/2004 08:32)
mitsangatsangana eny antampo tendrobohitra eny ( Ivohitra,Mandray,Iavoko,Andringitra,Mandraka,Tsiafajavona)Izany hoe tsy tena tonga teny antampony aho tamin ireo tendrombohoitra farany avo eto Mada fa mahafinaritra ny mijery ny manodidina miaraka amin ilay rivotra mangatsiatsiaka eny ambony eny.
Ny mifoha maraina koa dia mandehandeha eny ambomy bozaka tsisy kiraro fa amizao.
Ny misakafo maka tsirony tsara iny koa ka mipatrapatraka avy eo ny hatsembohana tena mahazo fahafinaretana mihitsy.
Milalao PS de mihaino hard rock (asiana ecouteur) tena favy be.
Izany hoe ireo zany no tsy maintsy ataoko rehefa manana fialana sasatra aho
16. vatosoa ( 05/05/2004 08:50)
Mahafinaritra daholo izany.
17. hendry ( 05/05/2004 09:01)
-Mankeny @ plage dia avy tampoka ny orana, tena avy be fa tsy erika a!.
-Mihanika tendrombohitra
-Mijery ny manodidina (tany, vonikazo, lalana sy ny sisa) avy kotsan´ny orana.
-Manao méditation
-Mi-voyage @ alina (taxi-brousse) dia tsisy olom-pantatro na iray aza.
-Mitsangatsangana @ toerana zara raha misy olona.
18. aladin ( 05/05/2004 10:12)
ny eny amoron-drano @ andro mody masoandro.mangingina tsara de misiotsioka ny vorona.toa hoe andron-dolo hono nefa zavatra milay be io
19. booboo ( 05/05/2004 10:52)
manao afon-dasy dé mientana ambaka ny fokonolona eo @ ilay tanana ! soa ny fiarahana !
20. tsilan ( 05/05/2004 14:35)
Ny ahy ny manadio sofina no tena mahafinaritra ahy. Tena indraindray aza mila ho 10 minitra misikotra sofina foana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1973