EL SAPHIRA

1. xxx ( 09/01/2004 15:14)
Mba hitanareo ve ny zavatra mamoha fady nataon'i EL SAPHIRA tao @ LA PLAGE t@ réveillon ?.
novalian'i xxx ny 04/11/2005 00:48
2. xxx ( 09/01/2004 15:19)
Raha tsorina dia izao : tsy fantatra izay zavatra nahazo azy na zavatra efa nomanina fa nanala akanjo teo amasom-bahoaka tao anaty boîte de nuit i El SAPHIRA sy vehivavy roa t@ réveillon ary nampandrona t@ Champagne izay tokony hosotroin'olona.Azo atao aty amintsika ve izany fihetsika mamoha fady toy izany ?.
3. ikaretsaka ( 09/01/2004 15:31)
arakaraka ny interpretation sy ny fihevitrao ilay izy ko... no comment
4. donemaskit ( 09/01/2004 16:43)
Tsy ho azo atao ve moa rehefa tiana hatao? ...
5. donemaskit ( 09/01/2004 19:39)
Tena tsy neritreretiko hahavita an'izany sahady ny Gasy... mino aho fa vao manomboka fotsiny io, atsy ho atsy zao tsy mahagaga intsony ny mahita Vehivavy malagasy miboridandridana @ télé, @ pub sns.
6. ikaretsaka ( 10/01/2004 14:36)
ny mason'ny gasy no tsy zatra amboalohany... fa rehefa manao foana moa afaka haninona! ohatran'ny nidiran'ny minizipo ihany io
7. hery ( 10/01/2004 09:23)
Tafitohana indray izao ny sasany tamin'izany. Marina fa tsy dia fomba gasy loatra izany kanefa tokony jerena hoe atmosphere gasy ve no nanaovany azy. Izany aza efa hoe El Saphira (anarana tsy Gasy) nampandroana Champagne (tsy boisson Gasy), dia hoe tao amin'ny La Plage (Anarana hotely tsy gasy). Dia avy eo koa mbola hoe nandritra ny Réveillon (euh, fety gasy??? :) )... izany hoe tsy resaka gasy mihitsy.
Dé hoy aho hoe normal raha misy fomba tsy gasy tahaka izany.
8. donemaskit ( 10/01/2004 10:06)
Ny fanontaniana mipetraka dia hoe : manaona ny hiparitahan'io raha io?
9. ikaretsaka ( 10/01/2004 16:15)
dia arakarak'izay mandray io ra donne a
10. donemaskit ( 10/01/2004 16:17)
Haka tahaka an'io ve ny boites hafa?
11. xxx ( 10/01/2004 17:54)
misy vehivavy gasy manao an'ireny film X ireny ary teto Madagascar ilay izy no nalaina!!!!!!
12. mouvoka ( 11/01/2004 17:58)
Izaho aloha tsy tany @ plage t@ reveillon e. Tsara tsindriana ihany hoe "nanala akanjo" ahoana moa izy ?. Azavao tsara ny fisehoan-javatra (inona sy inona avy ny zavatra niseho ?), fa sao dia tsy fantatrareo ary hoe any @ "PLAGE" ny fety ?
13. donemaskit ( 11/01/2004 10:48)
Zah aloha tsy mahafantatra e, mba détailler-o kely marina hoe ahitana an-tsary azy!
14. xxx ( 11/01/2004 16:45)
Izao ny zavamisy fa nahita an'io scène io aho :Niboridana teo amasom-bahoaka tao @ boîte de nuit atao hoe la plage (eny Betongolo) i EL SAPHIRA (raha tsorina dia sahalan'ny nanao striptise ) ary nampandrona t@ champagne.Marihina fa nisy olona roa vavy niaraka nanao taminy io fihetsika io.Maro be ny olona tafintohina ka nadaho tsy fidiny ilay toerana ka nidina tany ambany.Mazava @i izay angamba.
15. donemaskit ( 11/01/2004 17:21)
organisé nga ilay zavatra sa nisotro un verre de trop lay ramatoakely?
16. mouvoka ( 12/01/2004 15:59)
Izy aloha (i ramatoakely io) dia tena hafa (degany) mihintsy ny reviny e. Izy sy i Rachicky aza moa @ clip tonga mitsaoda maharitra sady hita fa tena mankafy tsara mihintsy. Sahy aloha izy e. Raha ny hevitro, tsy tokony natao teo imasombahoaka betsaka ilay izy fa tokony natao en privé... Tsy azo tsaraina hoe nisotro verre de trop izany izy fa manjary lasa fialana pà ilay zava-pisotro (na hafa) maha-domelina !??.
17. xxx ( 12/01/2004 14:29)
Raha @ toerana misy azy dia tsy tokony hanao izany izy fa efa trop loatra ilay zavatra vitany.Izy nanimba ny ambiance tao fotsiny no nahakamo satria maro be ny olona niala ilay toerana satria niaraka t@ olom-pady.Izany angamba no hitan'i EL SAPHIRA fa mety.
18. fijo ( 14/01/2004 12:06)
raha ilay clip aloha dia tsy maninona satria art io.fa raha izany zavatra nitranga izany indray dia izao nomba hevitro.
marina ilay fanamarihana nataon'i hery,saingy ampiako hoe,tao tana mada no nisehoany.
raha izaho manokana dia tsy mampaninona ahy ilay izy.saingy,raha ilay filaza azy ato indray no jerena dia lasa outrage a la pudeur publique ilay izy,ka eo aho dia tsy manaiky.ary tokony tsy havela mora ny toa izany.raha club privé dia ok.fa tsy amin'ny lieu public kosa.
19. xxx ( 31/01/2004 16:58)
miala tsiny za raha toa ka somary mivatam-batana...fa maro lotra ny malagasy no miatsara vela-tsihy.
mody oé tsy mety ny zao sy ny zao, nefa hay "maka fy ery" no tena marina...
sady tsy tena an-dalam-be izy no nanao izany fa tamin'ny trano filanonana ka de zay zany...
tsy hampandroso ny firenena sy ny fivelaran'ny saina mitsy izay fitsarana "mpitsara mody miatsara vela-tsihy izay"...
sady mbo mahasosotra amy malagasy ity tia mitsara ny fiainan'ny sasany ity.
ohatra zao ity raharaha El saphira ity...izay tsy mahatanty de mandeha, fa mahatanty mijanona mijery, izy no te hanao spectacle, ny maso mijery tsy mitondra mody..
ka ianao mpitatitra io, rehefa tsy nahatanty de mivoka, de point c tout, fa aza be tati-bolana aty avy eo....


20. fijo ( 03/02/2004 10:03)
marina io voalazanao io,fa na izany aza,tsara ihany koa raha misy mitazona ny toe tsaina malagasy toa izao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.161