fandeferana

1. doudoudoudou ( 20/12/2003 18:13)
Tena mandreraka mihitsy ity mandefitra lava ity fa inona no tokony atao e!
Ohatra ny efa mahazatra anà ndray de tsy tiako
novalian'i fijo ny 15/01/2004 11:20
2. xxx ( 20/12/2003 10:00)
Tsara nie ny mandefitra fa na zany aza tokony asina limite ihany fa anjary araoraotiny ol fotsiny eo enao!
3. isrine ( 20/12/2003 11:57)
Za indray de mandefitra fona, fa rehefa hitako fa manararaotra ny olona de tsy mandefitra ntsony aho. Ary ny mpanararaotra @ izay fotoana izay tena hita fa maharary mitsy satria tsy nahazo ny ilaina tsony. Ary ny mahagaga @ olona mpanararaotra de milaza fa ratsy fanahy ny tena!
4. rniaina ( 21/12/2003 15:04)
tsy mahafanty antoka ny mandefitra fa fitiavana daholo izany ie
5. donemaskit ( 21/12/2003 19:01)
Aza atao fahazarana fotsiny e! Tsy fandeferana tsony tsin fa "tsy firaharahiana" mints. Raha tena tia ve izy tsy hijanona ihany.


En tout cas, korazy e!
6. rlcj ( 22/12/2003 09:10)
DoudouBDB,tsara anie zany manampandeferana izany e,ary ny mandefitra amiko dia tsy midika eo faharesena na fahalemena fa midika fa manam-po tokoa ianao.Za zao ao anatin'ilay sokajin'olona be fandefarana ary mahafaly ahy tokoa izay qualiteako izay.Fa saingy zao,ny mampalahelo kely ahy fotsiny dia zao: nokianin'ilay sipa niaraka t@ko taloha aho hoe olona tsy manana ny personaliteany hono ny olona mandefitra lava,tsy fantatra mihitsy hono izay heritreretiko fa manaiky foana.Misy marina ihany izay ka ny zavatra hitako fa tsara indrindra zao dia mandefitra ihany fa misy ilay limite ka io limite io dia miankina @ tsirairay fa tsy bareme na norme io .
7. tequila ( 22/12/2003 09:58)
Zah aloh dia mitovy hevitra min'i isrine e ! Fa zao ange , mahasosotra koa ny miaraka amin'olona tsy manana hevitra , eritreretiko hoe samy hafa ny mandefitra sy ny tsy manana personalité . Fa ny olona tsy manana hevitra sy manaraka ambokony foana dia manjary mankaleo ndray satria misy ny hevitra mba tiana hampiadiana sy hifanankalozana .
8. isrine ( 22/12/2003 16:44)
tsy mitovy mitsy ny olona manaraka ambokony sy ny olona mpandefitra, fa ny ahy ny tena tiko de ny mijery ny olona zatra ny manararaotra @ fotoana tsy ahazahoany ny ilainy amiko tsony!
9. fijo ( 23/12/2003 11:29)
tsara ny mandefitra,fa ilaina koa ni mahay manda.rehefa itanao fa tsy mety izai angatahana aminao dia mahaiza manda amin'ny fomba tsotra.tsy ho very namana ianao amin'izay ray tsy hararaotin'ny olona koa.
10. moi ( 23/12/2003 16:31)
Ny tiako havahana tsara ny fandeferana sy ny fahalemena.
Ny fandeferana dia fanekena hiaritra toe-javatra iray tsy tiana, fa ny fahelemena dia tsy fahasahiana manohitra ilay toe-javatra tsy tiana, ka ny mandefitra dia tsara, fa ny miaritra tsy fidiny tsy lasa.
Mpandefitra ary ve ianao sa ... modaka ??
11. fijo ( 24/12/2003 10:18)
mahaiza manda e.
12. tongasoa ( 26/12/2003 16:41)
za ndray de milaza fa ny fandeferana de ilana toko fa saingy tokony ho ferana eo ihany satria nahoana?
vao maika ny olona manararaotra
noho izany asiana fetra ihany ny fandeferana de zay zany e!!!
13. fijo ( 26/12/2003 18:39)
dia mba masiaka ko indraindray.GRRRRR,woa,woa,jsdkshiohof
14. rinakely1 ( 05/01/2004 20:33)
manaova mafimafy loha indray zany koa!
15. fijo ( 06/01/2004 16:28)
tandremo ihany sao lasa be mokony an
16. rinakely1 ( 13/01/2004 17:34)
mba bq mokony fotsiny aza!
17. fijo ( 14/01/2004 11:42)
fa inona indray hoatra
18. rinakely1 ( 14/01/2004 12:58)
asany
19. lema ( 14/01/2004 13:50)
ary ra mandefitra tsy manana ny rariny?
20. fijo ( 15/01/2004 11:20)
dia lasa manana ny rariny
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.173