inona ny dikan´zany?

1. hendry ( 19/12/2003 18:16)
Misy lehilahy miaraka amiko ary rehefa nanontaniako ny tanjony @ fiarahanay izy dia nilaza hoe: je t´aime pour toujours mais je ne te promets pas de me marier avec toi.
Inona ny dikan´zany aminareo?
novalian'i fijo ny 15/01/2004 11:23
2. kinoux ( 20/12/2003 20:07)
mety ny nataony satria tsy fantatra ange ny ampitso e! sady ratsy izany manao fampanatenana pokaty izany .tsy hoe tsy tia anao akory izy raha miteny izany .anjaranao ny mieritreritra e!
3. rniaina ( 20/12/2003 20:24)
ny olon-tiana tsy vadiana hono........
4. rlcj ( 20/12/2003 17:04)
ny dikan'zany dia izao:tiany ianao fa saingy mbola tsy vita ny sitra-pony sady io mariagemariage io mampitsoka anay bandy ndrayndray satria raha ny hevitro manokana dia mila fahamatorana tsara zay vao maka an' io decision io.Fa izao atao aza de potserina be izy fa ataovy izay maha-potika be an'azy de ho hitanao eo ny decisiony
5. doudoudoudou ( 20/12/2003 17:32)
Tsotra be ny dikan'izany,
Tia anao izy fa saingy matahotra satria be dia be anie ny circonstances mety hitranga e! eny antsefantsefan-dalana eny,
fa aza forcé-na izy, fa raha destin anareo ny hivady, dia tongra amin'izany foana na inona na inona mitranga fa rehefa tsia, dia tsia izany.
Et surtout, jamais aza manao enceinte.
6. xxx ( 20/12/2003 10:04)
Tsotra b ny dikanzany e!
Misy tiany ao @nao fa tsy afaka ny andeha lavitra izy!satria matahotra v sa manhy sa mbola te hanao ny mahamety²ny fiainany!
Olona tiana v tsy halaina ho vady!@fomba ahona kou aza zany! tena tia marina v razoky sa misy ilainy fotsiny d miteny anzany izy!!
7. isrine ( 20/12/2003 11:52)
Za vehivavy fa afaka ny hiteny toa an'io bandy lazaina eo @ sujet io. satria marina fa mitia olona iray fa mety tsy de ao à iny olona iny lotra ny critères tadiaviko. Azo atao ny manohy ny fifankatiavana, minamana sns, fa tsy mifanambady. Nefa iza mahita in'1 andro mety ho tonga ihany ny hoe hifanambady, satria izy tsy nampanantena!
8. paingotra ( 21/12/2003 16:18)
dia maninona ary! tadidio fa tsy izay hiarahana rehetra dia vadiana, hoy itompokolahy Rabearivelo hoe "ny vadiko vadiko ihany, ny asako vadiko koa vadiko ivelan'ny trano vadiko iray faharoa". Torak'izany koa hoe" ny vadiko vadiko ihany, ny sipako vadiko koa vadiko ivelan'ny trano vadiko iray faharoa" inona no diso amin'izany, ataovy mazava dieny mialoha ny fiarahana dia izay sahy miditra.Aza mitady zavatra sarotra satria na vady na sipa samy tiana avokoa fa ny fandraisan'ilay olona azy no samihafa.Aza atao maha tezitra
9. raten ( 22/12/2003 17:27)
Zaranao aza izy mbô efa nitsotra ny ao am-pony toy 'zany, @ 'zay, misy hieritreretanao hoe in no hatao! Vitsy ihany mantsy ny kôfa no mahasaky miteny toy 'zany. Za 'zao d'efa tsy mahasaha miteny @ 'zany!!!
10. moi ( 22/12/2003 17:48)
Mazava ny teniny fa tiany ho tena namana ianao, fa tsy ho vady. Fa raha mazava ny resaka, mety hiova izay.
11. isrine ( 22/12/2003 16:47)
Ny dikany zany de we: mbola tsy vonona ny hanambady izy e!
12. fijo ( 23/12/2003 11:34)
ratsy ny manome toky,nefa tsy manatanteraka.koa amiko,dia io valinteny io no tena tsara tamin'ilay fanontaniana.izany hoe misy ilay fitiavana,fa mbola lava ny fiainana,ka tsy hay izay hitranga.olona misaina io olona miaraka aminao io.
13. xxx ( 23/12/2003 11:48)
efa mazava zany ny teniny, tsy te hivady aminao izy, donc, tsy mpifaninn zany nareo fa mpinamana tsotra, de atao toy ny mpisipa ny fiarahana fa ataovy toy ny mpinamana tsotra zao e, rehefa izy no anajranao tsy ho tanteraka ny aminareo, fa raha toa kosa enao ka efa mitady izay hiarahana rahatrizay de efa atopazo lavidavitra ihany zany ny fijery fa de aza variana loatra aminy intsony satria efa mazava ny teniny, raha toa mo izy no tena tianao de ... zay maharitra hono no vadin'andriana e...
14. hendry ( 23/12/2003 14:59)
Misaotra anareo nampiseho ny hevitrareo. Ny tsy dia hanekeko loatra ilay izy anie dia satria aho mba te hahazo assurance hahafahako mieritreritra ny fiarahanay raha mba mety haharitra sy hirosoako @ dingana lalindalina kokoa e.
Izao zao dia lasa misy blocage amiko noho io teniny io. Ny tena marina dia nametraka aho hatr@ zay hoe mba ny olona miray amiko voalohany( manao firaisana ara-nofo no tian-kambara eto) no ho vadiko, raha tenenina @ teny hafa dia hoe tsy manao firaisana ara-nofo raha tsy efa sur hoe ho vadiko io olona io.Tsy hitako zay atao. Izy tiako nefa tsy sahy miroso aho raha tsy mba manantena fa hiaraka maharitra zahay. Amiko manko ny dikan´io teniny io dia hoe tsy mieritreritra ny hiaraka maharitra amiko izy fa fotoana voafetra ihany.
15. fijo ( 24/12/2003 10:23)
raha izay indray dia mievera tsara aloha.ity ary ka misy olona miteny aminao hoe tena haka vady anao aho,nefa vao vita ny zavatra dia bye.dia ahoana?ny teny anie azo atao foana e,fa ny fihetsika no hitsarana azy.
16. rinakely1 ( 05/01/2004 20:35)
tonga d pitsiho zany kofa tsisy ilaivana azy izany!
pour tjrs: pour faire l'amour avec toi seulement avy eo tsisy harakaraka!
17. fijo ( 06/01/2004 16:30)
ahoana tsara hoe ry rinakely.kefa hoe pour toujours ka inona indray.
18. rinakely1 ( 14/01/2004 12:59)
pour tjr mira pour faire l'amour e!
19. fijo ( 15/01/2004 11:23)
ka izay le amour pour toujours
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3368