Narovana sy ny death note
1. Azrael666
(
il y a 1 jours)
Olana manodidina ny fanabeazana sy ny "crise d'adolescence" ary ny finoana ny olan'i Narovana, ilay zazavavy kely nitsambikina namono tena avy any amin'ny rihana fahaefatra, raha ny fandinihako manoka.
- Olana ara-panabeazana satria nobeazin'ny "manga" sy ny "tik tok" ary ny karazana tambazotran-tserasera loatra ilay zaza, ka voan'ny "lavage de cérveau". Kolontsaina vahiny tsy voasivana no nikolokolo sy nampivaralila azy, raha toa ka kolontsaina Malagasy sy Kristiana no tena mifanaraka aminy.
- Crise d'adolescence koa satria hita taratra tamin'ireo "journal intime" navelany fa toa tsy afa-po amin'ny vatany izy (te hiova ho lehilahy Koreana), mitaiza aretim-po amin'ny alalan'ny fanoratana tononkalo feno alahelo, mialona ny zandriny vavy izay toa iangaran'ny ray aman-dreniny.
- Olana ara-pinoana koa satria matahotra ny afobe izy ("j'ai peur de l'enfer" hoy ny sorany),satria "LGBT" ny tenany,kanefa fantany tsara koa fa voararan'ny Soratra masina izany sy ny famonoan-tena izany... NAMOY FO NY SIPAKELY NONY FARANY

répondu par hery le il y a 15 heures
2. Azrael666
(
il y a 1 jours)
Sivano ny fialambolin'ny zanakao, fa sao mitsoraka avy eny @ 4eme étage! Aza avela ny boky toy ny death note no fialokalofan'ny sainy (refuge) sy fialam-boliny, fa ny solution atolotr'izy ireo, dia mitsoraka avy eny @ 4eme étage! Ampamakio anganon'ny ntaolo sy Baiboly izy mba tsy hitsoraka avy eny @ 4eme étage!
3. hery
(
il y a 15 heures)
Tsy dia te hiteny be mikasika ity tantara ity tao amin'ny facebook aho fa eto mba hiresaka kely.
Raha miteny mantsy dia manjary hoe manome tsiny an'itsy na iroa.
Ao Madagasikara, mety mbola milamina ny fanabeazana amin'ny ankapobeny, vokatry ny fahantrana sy ny tsy fisian'ny fitaovana firy. Ka manjary zavatra mahagaga be ireny nitranga tamin'i Narovana ireny.
Fa aty Eoropa dia mateti-pitranga ireny ka efa maro ihany ireo ray aman-dreny miezaka. Misy ny mahita vokany tsara amin'ny ezaka atao fa misy mbola tsy tafa, ka na tsy mamono tena aza ny zaza dia mibirioka amin'ny zavatra hafa.
Ny tranga matetika dia miseho ao anatin'ny fianakaviana tahaka an'ireny andry Narovana ireny. Fianakaviana Kristianina, na koa fianakaviana manana fotokevitra manohitra ny fivoarana. Ny zaza nefa mifangaro amin'ny mpianatra hafa, manana namana ivelany, mijery internet, mijery télé. Ka eo indrindra no mitranga ny olana satria tsy voatohitry ny fampianarana sy ny fanabeazana asehonao ny fanabeazana raisiny avy any ivelany. Noho ny tsy fisian'ny fifanakalozan-kevitra dia tohizany mangina ny voarainy any ivelany fa ny zavatra lazainao koa mody ekeny na dia tsy ampihariny intsony ara. Ianao izany mahita hoe mandeha tsara ny fiainany dia tsy manadihady, kay izy efa lasa lavitra be.
Ka amiko dia fomba roa no azo atao amin'ny tranga toa itony.
1. Na fehezina tanteraka ny zaza rehefa fehezina. Tsy avela mifanerasera amin'ny tontolo hafa mihitsy. Na finday, na namana, na télé, na havana koa ara. Betsaka ny olona manao sy mahavita an'izany.
2. Na koa raha tsy voafehy dia mila atao izay handresen'ny fanabeazana entinao ary anatin'ny fifampiresahana sy fifampitokisana. Tsy tokony hisy fiainany tsy fantatrao fa tokony ho afaka mizara izay iainany rehetra ny zaza.
Mino aho fa mety ho azo atao ihany ny misoroka raha toa ka ireo no mitranga. Fa averiko ihany, sarotra ny mitsara ny olona satria tsy fantatrao tanteraka izay tena niainany.