TENA misy, TENA marina

1. endriny ( 14/10/2016 05:37)
Tsy maintsy ampanenoina be ohatran'izany ve ilay izy vao marina sy misy, sa tena tsy vitantsika ny manaporofo ilay izy dia tsy maintsy atao vazavaza mihintsy mba hampangiana ireo tsy mety resy lahatra e?
répondu par endriny le 31/10/2016 16:31
2. rhaj0 ( 14/10/2016 12:15)
TENA misy, TENA marina ary ... "TENA IZY". Izany no fi(s)ainan'ny Mpino, k'atao ahoana moa...

TSY takatry ny Mpino izany hoe "relative".. TSY takany izany hoe "work in progress"... Fa misy fatahorana-be ao anatin'ny tsy-fahalalana, ary dia mila manao fiki-maty @ izay abobo rehetra izao izy.

Hoe "tena izay mihintsy", tsisy ilavana adi-hevitra na fanaporofoina, fa dia izay no atao fiki-maty ao.. satria izay no nahabotrabotra ireo h@ fahagola... nefa ve zareo ireo mbola "fahagola" ???
3. endriny ( 18/10/2016 05:55)
MIsy olona mpiara-miasa amiko izay, sahy mihiniana sy mijoro mihintsy fa izy no vavolombelona fa TENA velona Jesosy, ary hoavy tsy ho ela ny farany. Efa ataoko fiomehezana fotsiny moa. Iny izy rehefa maraina, sady manao palitao no mivimbina ilay akanjo fotsy fentiny mivavaka rehefa avy miasa ny hariva. Te ho anjely mbola velona ry zareo dia manao rebareba fotsy.

Ka asa anefa moa raha tena fotsifotsy tokoa ny akanjon'ny anjely na ahoana? Fa ny fahalalako azy tokony ho feno tasy menamena ny akanjon'ny anjely.
4. endriny ( 21/10/2016 02:59)
menan'ny ran'olombelona ny akanjofotsin'ny anjely ry RBNIR a
5. NDINDY ( 22/10/2016 12:51)
endriny:

menan'ny ran'olombelona ny akanjofotsin'ny anjely ry RBNIR a
6. endriny ( 25/10/2016 04:47)
Ka madripaka sy mamono olona fotsiny no ataon'ilay Atra sy ny anjeliny ary ny mpanaradia azy koa
7. endriny ( 26/10/2016 06:20)
TENA hijery ny lanitra mianjera hono ry zareo e...
dia TENA hiraraka hono ny kintana e...
dia TENA ho avy hono ny vay sy ny aretina e...
dia TENA hisokatra hono ny lanitra e...

Dia TENA mampihomehy dia hoe: "HISOKATRA NY LANITRA"

Fa angaha moa mihidy ny lanitra?
8. rhaj0 ( 26/10/2016 12:39)
Miresaka lanitra i Endriny, fa izao ho'a no fihiranay ilay hiran'I Nono hoe..

Rehefa Midorehitra Menamenabe
Iny Fara-Vodilanitr'Iny an...
Dia Koditra Be Rakrisy Mibanjina Azy an...

Dia i Hanitra no sorena fa koditra hono Rakrisy mpinomino foana mibanjina azy.. :-)
9. endriny ( 27/10/2016 04:22)
(Mihomehy kely aloha)

Lanitra efa mangotanatana be io dia mbola hisokatra indray hono. Heverin-dry zareo fa saron'ny rahoana foana angamba ny lanitra. Dia ny tena mahatsikaiky dia ry zareo avy any amin'ny tany ts misy orana indray no mahita hoe hisokatra ny lanitra.

Fa nifoka bozaka aza ve i Paoly? Sa nidotra mololo?
10. rhaj0 ( 27/10/2016 13:01)
Ka ilay lanitra anie noheveriny toa ny Toile ngezabe eee... Eritrereto foana ho'a hoe, mba toatoa ny ahoana no takatry ny hoza-dohan'izay nanoratra, na notaterina an-tsoratra ao @ io Baiboly sy Torah io TAMIN'NY TAONA -3000 tany...

ka dia hitanao iny, fa ny "finoana" (tsisy kilema) an'ny Kristiana sy Jiosy, dia hoe : napetak'Andrmntra toa ny punaises @ toile-n'ny Lanitra ny masoandro sy ny volana.

Ary dia.. normal be, ary lojika be raha toa ka "hisokatra" io Lanitra io indray andro (farany) any... sahala @ ireny rideau ireny izany eee....

Dia tena mampahonena fa dia mbola "minobe" an'izany ny Kristiana maro (toa an-dry RBNIR). Asa ho'a hoe, TSY mba ampiasainy mihintsy ve ilay coco fa tonga dia manaiky be ao fotsiny eee... Dia mbola mamerinalava ny resak'ireo olombe-del'an-3000 ao zareo, dia rahefa miboloky eo, miteny izany resaka izany, dia tena "TSY mba ampiasaina mihintsy ve ilay coco eee"???
11. NDINDY ( 27/10/2016 14:04)
rhaj0:

VALINY : Ny coco mety ampiasaina foana fa raha mandiniky ny zava- miseho @ zao fotoana izao ianao, dia DINIHO sy halalino tsara fa efa tena manomboka simba tsy kelikely ny zavaboahary sy ny totontolo iainantsika. Ohatra iray amin'izany fotsiny no ho lazaiko anao dia :ny fafavakisan' NY COUCHE D'OZONE.... dia inona koa no mety hitranga rahampitso ...,? Sady efa maro be koa anie ireo zavatra miseho hafahafa eto antany saingy hodian''ny olombelona tsy fantatra e . TSY EFA FAMBARA RATSY ho an'ity planete ity ve izany ....?Tsy efa manomboka ve ny fahapotehan'izao Ntotolo izao ve izany...? (sa ahoana ny hevitrao...?)
Tsy inona no mahatonga izany fa vokatry ny fahotanjanoak'olombelona ihany. MANAO DEFI @ Andriamanitra ny zanakolombelona , nefa tsy hainy fa mamono tena izy amin'izany.
12. rhaj0 ( 27/10/2016 14:33)
TSY takatrao ilay izy. Tena TSY takatrao ilay izy, satria ianao anie ry Ndindy ka jambain'ny Finoanao ao. Diniho tsara.

Hozy ny Andriamanitry ny Baiboly sy Torah : HANJAKAO NY BIBY SY NY ZAVA-MANIRY.
Dia satria ny caucasian sy ny fisainana Kristiana no nahery, dia izay FISAINANA izay no nanjaka teo @ planeta Latera: ary dia io no vokany...

Hozy ny Grand Manitou-n'ny Amerindiana. TSY TOMPONY IANAO FA MPINDRANA.
Izany no maha-voatandrina ny ala aty amerika avaratra ohatra, TSY tompon'ny zavamaniry sy biby ny olona ka dia TSY nanjaka tamin'azy teo.

Torak'izay koa ny Ntaolo Malagasy. Ary halalino anie ny concept boudhiste ny @ natiora sy ny zavamaniry sy biby, na ny environnement eee... TSISY an'izany "hanjakao ny biby sy zavamaniry" izany.

Ka tena TSISY "défi" @ Andrmntra ny nahapotehan_draolona ny environment. Teo ambany fiandrianan'Andmntry ny BAiboly akoriny azany izany fahasimbana sy fahalovana izany.
Averiko ihany: Hanjakao io, hozy ny Andrmntry ny Baiboly, ary dia izay ny vokatry ny fanjakan-draolona, eo ambany fiandrianan'Andmntry ny Baiboly
13. NDINDY ( 28/10/2016 10:28)

VALINY: Tena mazava amiko tsara ny tianao ambara fa mba hazavao amiko kely indray ary izay voalazan'ny CORAN MASINA ! Ahoana hoy
Allah ny mombany zavaboahary ?Fa tena mampiheritreritra be mihintsy an ! Dia ampitahao @ Boky Masin'ny HINDOUSME SY NY BOUDHISME dia ho hitanao fa tena MAMPANDINIKA ny saina no hiafaran'ny TANY sy ny planete.
14. rhaj0 ( 28/10/2016 13:28)
Ny Coran anie mirevy an'i Abrahama koa eee... Samy mi-genesisy ao daholo nareo.

ka ny finoana na fisainanareo taranak'i Abrahama sy mpi-genesisy, dia hoe, "anjakao ny zava-maniry". Fa raha toa ka lasa vorika izy izao, dia... "défi @ Andmntry ny Genesisy nanome anao ny fahefana feno hanjaka ny zava-maniry" izany.

Tsy azoko ilay lojika(nao).

Ny Andrmntry ny hafa anefa ho'a, milaza hoe, "hajao ny zava-maniry".. ary dia TSY lasa vorika ny azy t@ fotoan'androny sy jeogirafiany.
15. endriny ( 28/10/2016 13:52)
Noana be ny olona ry zareo dia nisy nangalatra ny Coco a
16. NDINDY ( 29/10/2016 06:08)

endriny:

Noana be ny olona ry zareo dia nisy nangalatra ny Coco a
VALINY : Na dia nisy nagalatra aza ny coco dia aza adino faTsy ny coco ihany anie no mahavelona e ! Raha nilaza ny Andriamanitry ny Genesisy hoe manjaka @ zavaboahary, tsy midika velively izany hoe ataovy izay tianao atao. Satria aza adino KOA fa tsy mahasoa avokoa ny zavatra rehetra. Misy mamono ary misy mamelona. Arakaraka ny fampiasanao azy ihany io. Azonao atao ny mampiasa ny zavamaniry ho fanasitranana, ary azonao atao koa ny mampiasa azy ho famonoana. Arakaraky ny feon'ny fiheritreretan'ny sainao ihany io. Tsy midika izany fa tsy misy Andriamanitra. Ary raha misy sahy milaza fa tsy misy Andriamanitra dia mba manomeza porofo hiarahantsika mifandesy lahatra eto. Na dia tsy haka reference ao @ BOKY MASINA (ohatra : Baiboly , Coran, bokimpinoana samihafa...) aza isika, fa mijery ny realité sy ny zavamisy fotsiny. Dia alefaso fa misokatra ho an'ny rehetra ny ADIHEVITRA.
Hazavaonao fa tsy misy Andiamanitra ary manomeza porofo mazava , ary izay milaza fa misy Andriamanitra dia manomeza porofo na dia tsy haka hevitra ao anatin'ireny BOKY MASINA be dia be ireny aza isika, fa ny zavamisy sy mitranga ankehitriny no hanaporofoantsika izany. Dia aza adino fa ady hevitra tsotra arahina porofo no ataontsika eto fa tsy fanenjehana antokom-pinoana na antokom-pivavahana na olona iza na iza akory.( tsy azontsika atao koa ny manaratsy finoan'olona na manaratsy anaran'olona fa hevitra fotsiny no hazavao) MISAOTRA hoa an'izay vonona hamaly.
17. endriny ( 31/10/2016 03:09)

NDINDY:

endriny:

Noana be ny olona ry zareo dia nisy nangalatra ny Coco a
VALINY : Na dia nisy nagalatra aza ny coco dia aza adino faTsy ny coco ihany anie no mahavelona e !

Fa ny vary sy kitoza ihany koa

NDINDY:
Hazavaonao fa tsy misy Andiamanitra ary manomeza porofo mazava
.
Tsy mahay manaporofo zavatra tsy misy aho ary ialako tsiny indrindra fa tsy afaka ny handainga amin'ny zavatra tsy haiko na tsy voamarina aho. Tsy afaka manao vavolombelon'ny tsy misy aho.
18. rhaj0 ( 31/10/2016 11:21)
NDINDY:
Hazavaonao fa tsy misy Andiamanitra ary manomeza porofo mazava
.
endriny:
Tsy mahay manaporofo zavatra tsy misy aho ary ialako tsiny indrindra fa tsy afaka ny handainga amin'ny zavatra tsy haiko na tsy voamarina aho. Tsy afaka manao vavolombelon'ny tsy misy aho.

Ka misy mikiky ve ny sainao ry Ndindy, ka izay "inoanao" ao anie ka TSY hitanao porofo akoriny, koa dia ataonao tsara petrapetraka ny fanontaniana.

Izay anie ny fototry ny "finoana" eee ... mino = manaiky-tsisy-porofo.

Ka ny fahitako anao izany dia "tsy-mino" ianao. Na "mino" ianao, fa indrisy ry tava-tsosisy hozy ny gasy izay, indrisy fa mbola miasa ihany kay ilay coco-nao ao, ka dia misa-vire-vole ianao eee...

Raha "tena" mino an'izao Andmntra izao ianao, dia TSY mila porofo, fa manaiky fotsiny. Dia mitelina h@ izay kortezy manaraka azy ao, dia ireo fombafomba, toa ny fanekena, ary lerana-tsisy-fanontaniana mihintsy io, fanekena izay resabe ataon'izay olombe ao, na ny fahiny na ny ankehitrio, h@ ireo tantara-angano fampandriana valala be dia be ireny.

Toro-hevitro aminao : mivoaha tao @ io box-kelin'ny "finoana" io.. mivoaha haingana mihintsy!.. :-)
19. NDINDY ( 31/10/2016 14:44)

VALINY :Misaotra anao. Fa ny fahitako azy dia zao na dia tsy mino an'Andriamanitra aza ianao dia aza adino fa mbola hasehony anao ny maha Andriamanitra Azy indray andro any. Ary amin'izay fotoana izay dia ho tsaroana ity resaka nosorataka ity.Amindra fo aminao anie Izy
20. rhaj0 ( 31/10/2016 15:08)
ianao angamba tsy nahita ny resaka efa nandalo teto, fa ilazao an'izany koa azany i Einstein (nilaza ho'a hoe childish n'enao), na koa i Mandela (nilaza fa useless n'enao) eee...

Fa ny imagination-nao re no mamorona izany "fisehoana" izany eee.. Ka rahefa mi-imaginer ihany ianao ao re ry Ndindy, dia mba irio ho tsara azany ee... Ataovy hoe, mamela foana hoe izao Andmntra izao, ary miaiky akoriny azany Izy fa nandrebireby ana(re)o tao fotsiny, satria dia noforomporonin'izao olo-pahagola izao Izy, nefa dia mbola miraikitra toa tsipolitra ao imagination-n'ny sasany ao, h@ izao...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0927