VALINY :Misaotra anao. Fa ny fahitako azy dia zao na dia tsy mino an'Andriamanitra aza ianao dia aza adino fa mbola hasehony anao ny maha Andriamanitra Azy indray andro any. Ary amin'izay fotoana izay dia ho tsaroana ity resaka nosorataka ity.Amindra fo aminao anie Izy
Ndindy a, raha namindra fo io Atra io efa ela no tsy maty intsony ny olom-belona. Efa ny zanany mihintsy no nataony sorona ho takalon'ny fahotan'i Adama sy Eva, fa e e, mbola maty ihany RaOlombelona. Sao mba Atra diso kajy aza io?
Fa rehefa tsy voaporofo ny maha misy azy dia inoy ao fotsiny, dia atao toy ny PMU ny fiainana ka raha sendra misy zavatsara dia Atra izay, raha sendra nisy ratsy dia fitsapan'Atra izay, raha ratsy miantefa amin'ny fahavalo dia sazin'Atra izay, dia nisy olona manao zavatra diso dia nidiran'ny devoly izay.
Dia ataontsika ao ny antsapaky ny filaharana (arrangement) sy ny fifandraisana (combinaison) amin'ireo tranga ireo. Dia mety be ny fiainana miaraka amin'Atra.