fahotana ve ny mivady tsy vita mariazy any apengonana

1. zo6 ( 15/08/2016 18:00)
fahotana ve ny mivady tsy atao mariazy any apengonana, ra ny ankamaroan'ny malagasy manko d tsy vita fanamasinana any apengonana ny mpivady, zan oe mijangajanga zan ry bebe sy dadabe
répondu par rhaj0 le 23/08/2016 13:20
2. stahtam ( 17/08/2016 06:33)

[quote=zo6]
fahotana ve ny mivady tsy atao mariazy any apengonana, ra ny ankamaroan'ny malagasy manko d tsy vita fanamasinana any apengonana ny mpivady, zan oe mijangajanga zan ry bebe sy dadabe
[quote=stahtam]
Fa angaha ianao mbola tsy mahafantatra ny fahotana sy ny tsy fahotana?
3. zo6 ( 17/08/2016 13:04)
disons ar oe tsy mahafantatra zan e!
4. ZIORIKA ( 17/08/2016 17:09)

zo6:

disons ar oe tsy mahafantatra zan e!


Miaraba Tompoko!

Tsy fahotana izany satria ny soratra masina anie mamporisika antsika hanaiky ny fahefana ara-panjakana noho izany rehefa mpivady ara-panjakana dia mpivady eo anatrehan'Andriamanitra na tsy tany am-piangonana aza.

Zao anefa no aza hadinoina fa mizara roa ny atao hoe Fahotana:
- Fahotana mahafaty
- Fahotana tsy mahafaty (hazavain'ny epistilin'i Jaona ireo)
Tsy resaka fanasokajiana ny fahotana ireo araka izay mety ho fiheverana, indrindra eo amin'ny fivavahana maro izay manao lisitra maro fa izao fotsiny no azo ilazana azy.

Ny FAHOTANA ataon'ny olona rehetra dia mitovy avokoa na kely io na lehibe na inona io na inona ( na mandainga na mamono olona...)saingy izao no mampiavaka azy/ ny olona rehetra izay tsy mbola NINO ny famonjena nataon'i Jesosy Kristy teo amin'ny hazo fijaliana na dia milaza azy ho kristiana aza izy dia mahafaty azy fôna izay rehetra mety fahotana ataony fa Izay mino izany kosa dia tsy hahafaty azy ny fahotana izay mety hahalavo azy.

Ny atao hoe mahafaty eto dia tsy fahafatesan'ny vatana fa fahaverezana mandrakizay (ny Helo) satria na MINO ianao Na TSY mino dia tsy maintsy ho faty fôna fa ny fanontaniana mipetraka dia hoe/ Ianao ve rehefa rahtrizay aorian'ny fahafatesana ho aiza tokoa?

maro ny olona tsy mahalala tsara ny Soratra masina ka milaza fa tsy misy mahalala izany! ny SORATRA MASINA mihintsy anefa no manazava fa dieny eto an-tany isika olombelona no misafidy izay halehantsika ary fantatra ankehitriny izany fa tsy mila miandry izay mety hitranga any aoriana any.

ny tena mampiavaka ny kristiana dia zavatra tokana ihany/ tsy ny anaram-piangonana misy azy na ny mety ho fombafomba izay mety samy manana ny azy fa: ny fahazony antoka ny amin'NY famonjena NY FANAHINY sy ny fisalasalany.
Raha mino Ianao fa MPAMONJY TOKOA I KRISTY, dia tsy mampisalasala ny maha voavonjy anao satria tsy miankina aminao ny famonjena fa miankinja amin'ilay mpamonjy.

5. zo6 ( 17/08/2016 19:28)
mazava ka
d ny tiko iavina @le sujet manko d ny fiangonana manko milaza fa fahotana ny manao firaisana alohan'ny fanambadiana, teo no napametra panontaniana ny tenako oe manomboka aiza le point iaingan'nle fanambadiana satri bdb ny gasy tsy vita mariage ao apengonana kanefa dia manao firaisana miteraka, fa efa voavalinao ian mu oe mety na ara panjakana.
d araraotiko iany ny fanontaniana satri manitikitika ahy lotra, fahotana ny firaisana aloan'ny fanambadiana, ekeko zay ra @olona miray 'efa tsy mbola afaka manambady toy ny sipakely sy bandikely amizao, @couple iray ku zay tsy vonona ifanambady akury, zan oe mijangajanga ny anaran'izay satri miray @olona zay tsy vadiny no tsy ho lasa vadiny akur ka mandoto ny tenany,
d niezaka aho namaky Soratra Masina, ahitsio aho ra diso a, Andriamanitra tsy manameloka ho faty ny firaisana alohan'ny fanambadiana ra ohatra ka tsy misaraka le couple ary ifanambady ka mijanona fidele fona zan mazava oazy, d'après ny hevitro réf avy namaky ny Deo 22:28-29 ny tenako, ny fijanganjangana rehetra nomelohiny ho faty fa io irery no tsy nomelohiny
ka ny tena mo tanora sad olombelona, ny eritreritra manenjika, NY fiangonana mandrara, aona ny hevitrao amizay,
merci :)
6. zo6 ( 17/08/2016 19:33)
d mba afaka azavaina v oe le tsy Mino nefa kristianina
merci
7. rhaj0 ( 17/08/2016 20:01)
zo6:
d mba afaka azavaina v oe le tsy Mino nefa kristianina

Fa dia "manota", araka ny reference kristiana, manota daholo izany ny 99.9%-n'ny olona eto an-tany SY teto an-tany eeee.. hi hi hi.. kotiana daholo hatr@ ireo hafa kolotora rehetra, toa ny sinoa sy karana, ka h@ Razantsika sy ny Aborigenes sns...

Ianao moa manontany an'ireo "TSY-mino", fa raha ny atheista no tianao lazaina @ ireo, dia vanitika gilady re 'ireo "fampianarana" ireo... Ny "tsy vita mariazy ampiangonana" ka h@ "mandoto ny tenany" rahefa manao firaisana alohan'ny mariazy (am-piangonana).

Dia "manota" izany ireo olona rehetra ireo, ka dia maninona na haninona moa izany zareo ireo??
8. RBNIR ( 18/08/2016 07:21)
« Aoka hanan-kaja amin'ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandriana; fa ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin'olona dia hohelohin'Andriamanitra. » (Hebreo 13:4)
9. RBNIR ( 18/08/2016 07:48)
Inona ny fanambadiana tena madio eo anatrehan'Andriamanitra?

Valiny : Ny fanambadian'ny mpisorona dia toy izao no takiana amin'izany :

« Aoka tsy hanambady izay vehivavy mpijangajanga ka voaloto izy, ary aoka tsy hanambady vehivavy izay efa nisaoran'ny lahy; fa masina ho an'Andriamaniny ny mpisorona. » (Lev. 21:7)
« Fa ny maty vady, na ny efa nisaorana, na ny voaloto tamin'ny fijangajangana, dia tsy azony hampakarina, fa virijina avy amin'ny fireneny ihany no hampakariny. » (Lev.21:14)


Ny fanambatiana tena madio amin'Andriamanitra dia ny fanambadiana vehivavy iray tsy voaloto....

Raha manaraka ny tantaran'ny Jiosy ianao dia tsy miray fandriana ny jiosy raha tsy efa vita fanambadiana.....

Vakio ny tantaran'i Jakoba Genesisy 29

Ary taloha dia tena notakiana ny maha virijiny ny vehivavy (vakio deotoronomia 22:13-29)



Na izany aza, « Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron'ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin'izao tontolo izao hibebaka, » (Asan'ny Apostoly 17:30)


Koa mirosoa aingana amin'ny fanamasinana mba tsy hanananao heloka eo an'Anatrehan'Andriamanitra.......
10. RBNIR ( 18/08/2016 07:53)
Raha mamaky tsara ny deotoronomia 22 :13-29 dia samy diso na ny lehilahy na ny vehivavy ka manao firaisana alohan'ny fotoana fanambadiana.....

Fehiny tena takin'Andriamanitra ilay fahadiovana alohan'ny Fanambadiana.......
11. zo6 ( 18/08/2016 08:06)
ka izao manko, ny sipako mbola vierge niaraka tamiko, ar izaho ihany no nidevierge azy, ar mbola miaraka zahay atramizao, za mbola tsy nampirafy azy, fahotana ho an'y fiangonana vé ny anamasina anay refa alaikô vady izy? ra ao @baiboly mantsy d melohin'n' Andriamanitra ho faty notorahambato doly zay mijangajanga fa ny firaisana alohan'ny fanambadiana tsy nomelohiny ho faty fa nodidiany mba hivady sy tsy isaraka tsony
12. RBNIR ( 18/08/2016 08:26)
Ny fitorahambato aloha efa natsahatr'i Jesosy.....fa mbola azonao atao ange ny mibebaka ka manamasina aingana ny fanambadianao e!
13. tealala ( 18/08/2016 08:37)

RBNIR:

Ny fitorahambato aloha efa natsahatr'i Jesosy.....fa mbola azonao atao ange ny mibebaka ka manamasina aingana ny fanambadianao e!

Te hamaly kely an'ito fotsny hoe, efa natsaraina sa efa nofoanany?
14. zo6 ( 18/08/2016 09:15)
A/tra nge zan mamindra fo izy @firaisana alohan'ny fanambadiana ra mivady sy tsy misaraka tsony le olona, fa Izy tsy amindra fo mihintsy ra @oe olona misipa @vadin'olona ra tsy oe misaraka mitsy le olona miaraka @vadin'olona,
15. lahindroy ( 18/08/2016 10:12)

RBNIR:

Ny fitorahambato aloha efa natsahatr'i Jesosy.....fa mbola azonao atao ange ny mibebaka ka manamasina aingana ny fanambadianao e!


salama tompoko ô
misaotra Azy isika izany fa tsy hisy tora-bato intsony ( fa ilay sabatra sy fampisarahana eo amin'ny samy mpivady na mpianaka ...nohon'ny Anarany dia mbola mety mitohy ihany )

dia mba ahoana izany ny mahakasika an-dr'Imboasalama , ry Ilaidama , ry Andriamisara , ry Rasalimo ...voahasina teo amin'ny finoana sy ny fomba amam-panao malagasy ny fanambadiany , tsy natao teo ambany fifehezan'i Jesoa na YHWH fa kosa niantsoana ny fitahin'ireo Sampin-dRazana ?
dia ho very "mandrakizay doria amena" daholo tokoa ve ireo izay tsy mibebaka na manamasina ny fanambadiany amin'ny anaran'i Jesoa na YHWH ? izany hoe ireo Malagasy rehetra mbola manaradia sy mino ny finoan-dRazana ,ny shintoista japoney ? ny bouddhista rehetra ? ny hindouista ?

ary isika kristiana izay tsy manaradia sy nanao ny fanambadiana mifanaraka amin'ireo finoana maro voalaza eo ambony ireo , sao dia mba ho lasa bibitsaonjo , totozy na koa voay be ...rehefa maty ?

asa
16. rhaj0 ( 18/08/2016 11:49)
zo6:
ka izao manko, ny sipako mbola vierge niaraka tamiko, ar izaho ihany no nidevierge azy, ar mbola miaraka zahay atramizao, za mbola tsy nampirafy azy, fahotana ho an'y fiangonana vé ny anamasina anay refa alaikô vady izy? ra ao @baiboly mantsy d melohin'n' Andriamanitra ho faty notorahambato doly zay mijangajanga fa ny firaisana alohan'ny fanambadiana tsy nomelohiny ho faty fa nodidiany mba hivady sy tsy isaraka tsony

O ry Zo6 aaa... ataovy tsara fotsiny ny revy ao, ary hadinoy any izay "fampianarana" lalinabe any eee... IZY ve tsy ho kOpy... Voavela (foana) ny "helokao", ary ho afaka (foana) ny "otanao" fa IZY hono ka dia be "famindra-po" eeee.. ny revy nataonareo tao dia t@ fo sy saina madio, ary aoka hazava fa TSISY "maloto" izany.

Aza mba mi-se-culpabiliser @ revy izany fa ngo dia coince ao ianareo mi-tsam @ farany.
17. ZIORIKA ( 18/08/2016 14:25)
Tadidio fa ny atao hoe Mpanota dia manao OTA zany hoe, rehefa tsy fahamarinana na kely io na lehibe eo anatrehan'Andriamanitra dia Ota.

raha momba ny fanambadiana indray no resahina dia aza adino fa Andriamanitra dia mametraka Drafitra mirindra tokony harahina " Gen : ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin'ny vadiny ary dia ho nofo iray ihany izy ireo..." zany hoe misy lamina sy antony mazava tokony harahina io fa tsy metimety fotsiny am zao.
raha Manao firaisana ny olona iray rehfa tsy vadiny dia tsy ankasitrahan'Andriamanitra izany.

mety bestaka ny fiarovan-kevitra azo lazaina , mety avy amin'ny soratra masina ihany koa aza , nefa aza adino fa rehefa tsy araka ny fahamarinan'Andriamanitra dia tsy mety.

Misaotra
zo6:

mazava ka
d ny tiko iavina @le sujet manko d ny fiangonana manko milaza fa fahotana ny manao firaisana alohan'ny fanambadiana, teo no napametra panontaniana ny tenako oe manomboka aiza le point iaingan'nle fanambadiana satri bdb ny gasy tsy vita mariage ao apengonana kanefa dia manao firaisana miteraka, fa efa voavalinao ian mu oe mety na ara panjakana.
d araraotiko iany ny fanontaniana satri manitikitika ahy lotra, fahotana ny firaisana aloan'ny fanambadiana, ekeko zay ra @olona miray 'efa tsy mbola afaka manambady toy ny sipakely sy bandikely amizao, @couple iray ku zay tsy vonona ifanambady akury, zan oe mijangajanga ny anaran'izay satri miray @olona zay tsy vadiny no tsy ho lasa vadiny akur ka mandoto ny tenany,
d niezaka aho namaky Soratra Masina, ahitsio aho ra diso a, Andriamanitra tsy manameloka ho faty ny firaisana alohan'ny fanambadiana ra ohatra ka tsy misaraka le couple ary ifanambady ka mijanona fidele fona zan mazava oazy, d'après ny hevitro réf avy namaky ny Deo 22:28-29 ny tenako, ny fijanganjangana rehetra nomelohiny ho faty fa io irery no tsy nomelohiny
ka ny tena mo tanora sad olombelona, ny eritreritra manenjika, NY fiangonana mandrara, aona ny hevitrao amizay,
merci :)
18. rhaj0 ( 18/08/2016 15:04)
zo6:
ka izao manko, ny sipako mbola vierge niaraka tamiko, ar izaho ihany no nidevierge azy, ar mbola miaraka zahay atramizao, za mbola tsy nampirafy azy, fahotana ho an'y fiangonana vé ny anamasina anay refa alaikô vady izy? ra ao @baiboly mantsy d melohin'n' Andriamanitra ho faty notorahambato doly zay mijangajanga fa ny firaisana alohan'ny fanambadiana tsy nomelohiny ho faty fa nodidiany mba hivady sy tsy isaraka tsony
rhaj0:
O ry Zo6 aaa... ataovy tsara fotsiny ny revy ao, ary hadinoy any izay "fampianarana" lalinabe any eee... IZY ve tsy ho kOpy... Voavela (foana) ny "helokao", ary ho afaka (foana) ny "otanao" fa IZY hono ka dia be "famindra-po" eeee.. ny revy nataonareo tao dia t@ fo sy saina madio, ary aoka hazava fa TSISY "maloto" izany.

Aza mba mi-se-culpabiliser @ revy izany fa ngo dia coince ao ianareo mi-tsam @ farany.

Dia amafisiko ihany ee..

- TSY manambady ianao, nefa manao, dia lazainy fa "ota BE'. Ary lazaina fa "hitaNY" ao foana ianareo.
- TSY manambady any ampiangonana ianao, dia lazainy fa"ota BE" koa. Ary lazaina fa "hitaNY" ao foana ianareo.
- Dia avy eo anefa, manambady ianao, dia lazainy fa TELO ianareo ao an-tokatrano ao. IZY @ io ilay 3eme homme. Efa ao an-tokatrano mihintsy IZY izany @ io ary tena hitaNY ao foana ianareo mi-tsam eee...

marina mafy ry Zo6 raha hahita fafiny mihintsy ianareo mi-stam ao am-pandriana ao... Dia rehefa tonga ny disfonctionnement sekisoaly, dia tena handeha any @ psy sy radoko @ andro farany.. i Mopera angaha mahay an'io: izy TSY mba manao hono :-)
19. angouz ( 18/08/2016 18:04)
salama daholo ! ity koa misy torohevitra iray, misy tonom-bavaka izay ao @baiboly ao fa tsy tadidiko loatra ny toko sy ny andininy fa mba tadiavo fa azo atao ny mivavaka alohany hanao firaisana kanefa tsy midika akory izany fa filibana ho anareo fa mba asio hajany ny tena fa endrik'A/tra ianao io(Image)
20. rhaj0 ( 18/08/2016 18:55)
Mopera ve mampianatra izany "vavaka alohan'ny hanao firaisana" izany ry Angouz? Dia tena mahazo "valim-bavaka" ve @ilay izy ?? ampitapitao fa sao mahachou eee....

Ary izany angamba no mahatonga ny sasany rahefa mahazo fafiny be ireny, mihiaka hoe, "oooo god..." na koa "djisaosy kiraista...".. ka "mifankahita" ao angamba kouh... :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8732