fety krismasy

1. napou ( 13/10/2015 08:40)
Iza no mba manana hira na tantara na dihy fataon'ny ankizy amin'ny fety krismasy, sao mba afaka mizara traikefa eto isika izay mahay, mankasitraka an'izay mamaly
répondu par napou le 19/11/2015 06:16
2. Strong3 ( 13/10/2015 12:22)
any amin'ny trano printy loterana mividy boky fa betsaka ahafahana maka tahaka ao eh!
sady zareo tsy sarotiny na kopikolé aza

THT enao! :-)
3. napou ( 13/10/2015 12:31)

Strong3:

any amin'ny trano printy loterana mividy boky fa betsaka ahafahana maka tahaka ao eh!
sady zareo tsy sarotiny na kopikolé aza

THT enao! :-)


Misoatra Strong3 ah! ndeha ho any zany hijery fa tena vakiloha za, ny fotoana efa mia akaiky
4. Strong3 ( 13/10/2015 12:54)
ety antaninarenina no misy na izay akaiky anao any mety daholo
bedebe afaka misafidy tsara enao .. mazotoa de mahefa be ary ôh!
5. rhaj0 ( 13/10/2015 13:10)
Fa rahefa Krismasy io, dia tsikarokarohy koa ho'a ny @ Regulus sy Jupiter...

Asaivo hazavain'i Strong3 ny @ izany raha tsy hainao :-)
6. napou ( 13/10/2015 13:23)

Strong3:

ety antaninarenina no misy na izay akaiky anao any mety daholo
bedebe afaka misafidy tsara enao .. mazotoa de mahefa be ary ôh!


eny ary e misaotra fa hitako io toerana io, ary inona ndray zany lazain'i rhaj0 ry Strong3 ?
7. endriny ( 13/10/2015 13:53)
Ity no haiko a

Tia zaza (2)
ny Jesosinay
Lanitra nafoiny
zaza no trotroiny
Tia zaza (2)
ny Jesosinay

Vita Tompoko
8. sitlo ( 13/10/2015 16:14)
Blanche Neige et les Sept Petits Nains fotsiny no ovaina kely

Jesus et les Douze Petits Saints.

9. Strong3 ( 14/10/2015 06:15)
nanonofy hono i rhaj0 hoe tamin'ny andron'dry marcus de nahita regulus namirapiratra teny amin'ny lanitra, ary toa endrika liona hono , mba ilazana hoe lion'ny Joda
de no tehirizina hono ilay kitana mba hiandry ny fahatongavan'i Jesosy afaka 250 taona

resaka taingina re zany namana fa tezao araka ny fomba kristiana ho hendry sy ho tia Atra hatrany ny akizy mba hiadanan'ity nosy ity.
10. napou ( 14/10/2015 07:58)

sitlo:

Blanche Neige et les Sept Petits Nains fotsiny no ovaina kely

Jesus et les Douze Petits Saints.




Tena tiako be ilay hevitrao sady mba miova kely amin'ny mahazatra fa saingy mila ketrika an! misaotra e
11. Strong3 ( 14/10/2015 08:37)
hoe ilay nains ve no atao solin'ny ondry sa mpiandry ondry vaovao , tsy mandany stylo ve izany sa jiro mou hihi :-)
12. napou ( 14/10/2015 09:06)

Strong3:

hoe ilay nains ve no atao solin'ny ondry sa mpiandry ondry vaovao , tsy mandany stylo ve izany sa jiro mou hihi :-)


Mitombo ihany izany hevitra izany an! ataontsika mpiandry ondry e hihihi, azontsika afohezina izany ry Strong3 a!
13. Strong3 ( 14/10/2015 11:06)
efa nains ve mbola afohezina indray eh! :-) hihih

toa tsy mety izany napou ah!
i BN nge ka miandry ny prince fa ny an'i marie efa hitany eh

__ tamin'izay mbola mpianatra dia ozy ilay pasteur mpampivavaka isakin'ny lundi matin izay:
iza rakizy no niarahamba an'i Jesoa voalohany??
dia samy namaly teo daholo izahay
_ diso izany hoy ingahy pasy; .... ny omby no niarahamba azy voalohany fa tsy hafa
.. toa ho lasa hatsikana tamin'izay ny fampianarana maraina
coucou an'i pasteur Atsimon'ny mahamasina raha mamaky eto izy :-)
14. napou ( 14/10/2015 11:17)

Strong3:

efa nains ve mbola afohezina indray eh! :-) hihih

toa tsy mety izany napou ah!
i BN nge ka miandry ny prince fa ny an'i marie efa hitany eh

__ tamin'izay mbola mpianatra dia ozy ilay pasteur mpampivavaka isakin'ny lundi matin izay:
iza rakizy no niarahamba an'i Jesoa voalohany??
dia samy namaly teo daholo izahay
_ diso izany hoy ingahy pasy; .... ny omby no niarahamba azy voalohany fa tsy hafa
.. toa ho lasa hatsikana tamin'izay ny fampianarana maraina
coucou an'i pasteur Atsimon'ny mahamasina raha mamaky eto izy :-)


ka ny hevitro amin'ilay izy anie dia izao e: blanche neige ataoko marie mitoe jaza an'i Jesosy dia ny nains ataoko mpiandry ondry ilay nandà ny andray azy alohan'ny andehanany any amin tranon'omby, dia mitantara ny fijalian'izy sy josefa mandrapa terany za! heroda ataontsika an'ilay miroir, miroir, iza no mpanjaka mahery indindra sa tsy mety ve? avant naissance zany fa tsy izy efa teraka e! efa manomboka manoratra za io dia rehefa vitako dia alefako eto jerenareo an! mankasitraka e,
15. Strong3 ( 14/10/2015 12:04)
alefaso aza aloha fa sao takala ny inspirationnao eh!

i tsimisiAtra izao efa miandry fotsiny ao hihihih :-)
16. napou ( 14/10/2015 12:54)
Io ry zareo no mba vitako ah! asa raha mety, dia mba torohy hevitra ihany e! mamakia finaritra oo

Tantara iray mikasika ny alohan’ny nahaterahan’ny Mpamonjy dia Jesosy Kristy
Heroda : (miedonedona) Fitaratra, Fitaratra… Iza no mpanjaka lehibe indrindra sy mahery ?
Tsy misy afa tsy izaho irery ihany no mandidy sy manapaka eto!!
Mpiambina : Tsara antitra ianao ry mpanjaka! Marina tokoa izany voalazanao izany (mandoka)
Heroda : Nahare feo aho mantsy fa hisy mpanjaka ho teraka hono hisolo ahy? Mandehana fakafakao kely ny momba izany
Mpiambina : Eny ry mpanjaka
VOIX HAUTE : Rehefa nahare feo ihany koa ry Josefa sy Marie dia lasa niala teo amin’ny tànana hitady toerana dia any bethlehema izany!
Indro nahita tranona mpiandry ondry Marie,
Marie : toa tsy misy olona ? oay toa mikorontana ambony, ambany ny trano ? iza ary no mba mipetraka ato, sao mba tsy misy mipetraka ka ahafahanay sy Josefa mitoetra?
(nandamina ny trano Marie, reraka dia natory)
Tonga ny mpiandry ondry gaga raha nahita ny trano nadio sy nilamina ka vaky fanontaniana?
Mpiandry ondry 1 : “ Iza no nipetraka tamin’ny sezako?”
Mpiandry ondry 2 : “Iza no nisakafo tamin’ny loviako?”
Mpiandry ondry 3 : “ Iza no naka ny mofoko?”
Mpiandry ondry 4 : “ Iza no nihinana ny legiomako?”
Mpiandry ondry 5 : “ Iza no nampiasa ny sotro rovitrako?”
Mpiandry ondry 6 : “ Iza no nampiasa ny antsiko?”
Mpiandry ondry 7 ; “ Iza no nisotro tamin’ny kaopiko?”
VOIX HAUTE : Nankao an’efitra fatoriana izy ireo, gaga fa voambotra tsara daholo koa ny fandriana
Mpiandry ondry 1: oay toa milamina be ny fandriako?
Mpiandry ondry 2: ny ahy koa nisy nanamboatra!!
Mpiandry ondry 3: avia jereo fa misy matory eo ambon’ny fandriako? Iza io? Ary ahoana no nidirany tato?
VOIX HAUTE : Taitra tamin’ny torimasony I Marie ka gaga nahita ireto mpiandry ondry nanodidina azy “
Marie : ha(taitra) ianareo angaha no mipetraka ato?
Mpiandry ondry 5 : ie fa iza ianao ary alalana avy aiza no nidiranao sy nokitihanao ny fanananay tato?
Marie : Azafady re fa misy mikasa hamono ny zaza ato ankimboko, tsy izany mantsy fa izaho no Marie renin’I Jesosy zay mbola ho avy araka ny tenin’ny soratra masina hoe hitoe jaza avy amin’ny Fanahy Masina aho ka Imanoela no atao anarany! Izy no ho mpanjaka? Ka naheno an’izay heroda dia tezitra ka naniraka mpiambina hamono ny zaza rehefa teraka!
Mpiandry ondry rehetra : mingonongonona
Mpiandry ondry 2 : Afaka mijanona ato ianareo mandra piteraka ny zaza
Mpiandry ondry 5 : (somary masiaka) Tsia, za tsy manaiky an’izany, fa ny mety aminareo mitady trano hafa.
VOIX HAUTE : tonga tampoka I Josefa ka naheno ny tsy fankasitrahan’ireo mpiandry ondry dia nitondra an’I Marie hiala tamin’ilay trano
Josefa : Ndao Marie a! ny anjelin’Andriamanitra hiaro antsika eny an-dàlana eny,
VOIX HAUTE : tsy nahita toerana izy ireo nefa Marie efa manaikitra ny zaza ao an-kibony ka nanjary niditra tao amina tranon’omby iray izy ireo ary tao no nahaterahan’ilay MESIA.
17. napou ( 14/10/2015 13:06)

sitlo:

Blanche Neige et les Sept Petits Nains fotsiny no ovaina kely

Jesus et les Douze Petits Saints.




Misaotra tamin'ny hevitra an! dia mba mety ve io inspirako io?
18. Strong3 ( 14/10/2015 13:10)
bravo hihihi!
mahay an :-)
19. napou ( 14/10/2015 13:25)

Strong3:

bravo hihihi!
mahay an :-)


Mety izany dikany an! fenoin'ny Fanahy Masina ry Strong3 ah! dia nampianareo ihany koa, tongava hijery amin'ny fotoana kony an
20. rhaj0 ( 14/10/2015 22:16)
Dia io ho'a aza hadino ny misafidy ny aktera, ka mampiankanjo azy tahaka ny ara-tantara ("tena izy")..
- i Josefa dia efa antitrantitra ihany; efa any @ 70 taonany. Efa nanambady aman-janaka izy taloha, fa vady faharoa i Maria (mariazy arrangE no fanao t@ izany)
- i Maria dia mbola tena saika pre-adolescente, eo @ 12-14 taona teo, izy io bevohoka io.

Dia averina (dridran-gilo kely) indray, fa teny @ lanitra, dia nisy fisehoan-javatra mahalana tokoany: nifanojo ny planeta Jupiter sy ny kintana Regulus, hany ka nanjelajelatra be izy roaroa ireo rahefa hita avy ety an-tany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.317