"Omeo famotsoran-keloka ireo mpanala zaza" hoy ny Papa... Inona no hevitrao?

1. endriny ( 01/09/2015 12:09)
Inona no hevitrao?
répondu par endriny le 12/09/2015 04:58
2. hery ( 01/09/2015 12:31)
:-) Miova be izany. Fa resahako ihany satria mahaliana anareo (mahaliana anareo mihitsy io finoako io... :-) nefa aho tsy liana amin'izay anareo any... fa aza tantaraina mihitsy satria aho tsy liana)

Hatramin'izay, ny pretra mampikofesy, dia tsy afaka manome famotsoran-keloka raha vao fahotana toa ny fanalan-jaza fa tsy maintsy mangataka amin'ny Papa. Amin'izao dia miteny ny Papa hoe miankina manontolo amin'ilay pretra ilay izy fa tsy voatery hangataka amin'ny Papa intsony. Mametraka fitokisana manontolo amin'ilay pretra izany izy. Raha hita(-n'ilay pretra) fa tena mibebaka amin'ny fony tokoa dia azony omena.

3. rhaj0 ( 01/09/2015 13:03)
eny.. mahaliana tokoany ny finoan'i Hery [size=3]azony mampivanitika gaigy be ahy[/size] :-)

Ka dia "voavela heloka" izany koa hono ny "mpanala zaza" (rahefa "tena mibebaka")... ary "olona" (na ny pretra na ny papa) ihany no mamela na manala heloka... (fa TSY mila miandry ny Fitsarana Farany..

Efa t@ volana mey io, fa izao moa ny eto (na izaho) vao naha-araka (jereo eto ohatra) fa dia isaorana i Endriny mizara fahalalana eee.


Faraha ny @ io izao, dia tokony ho velomim-bolo koa ny fomba (katolika) taloha, izay tena mety "tsy hita izay maharatsy azy" eeee... "indulgence"... izay efa noresahina tato.. sa ahoana ry Hery? :-)
4. Strong3 ( 02/09/2015 08:03)
tamin'ny mbola kely dia hoe lasa anjely ny zaza kely izay maty.
ka raha mitombo ny isan'ny anjely koa tsy ho faly ve Atra? asa aloha hihihi :-)

ary ny lalana velona any aminareo ve ra rhaj0 mba mamela heloka ny mpanala zaza?
5. bor2lais ( 02/09/2015 08:39)
Raha araka io fanazavana nomen'i hery io dia "fitsinjaram-pahefana" no nataon'ny Papa ry endriny fa tsy resaka fanomezana "famotsoran-keloka (faobe)" a ! :-)
6. Strong3 ( 02/09/2015 09:06)
ka baiko avy aiza aza no ahazahoan'ireo mamela heloka?
7. taxs ( 02/09/2015 09:09)
Ady hevitra be mihitsy izy ity ry namako isany an?
Alalino tsara ny BAIBOLY, fa misy formul zay ao mahafehy tsara ny ady hevitra
8. bor2lais ( 02/09/2015 09:28)

Strong3:

ka baiko avy aiza aza no ahazahoan'ireo mamela heloka?


:-)
Izao ny famalin'i hery ny fanontaniana tahaka io (alohan'ny hamaliany azy) : te- ho katolika angaha i strong3 ? :-)
9. Strong3 ( 02/09/2015 09:31)
efa ... /

ka inona moa no olana hizarana ny tsara raha tsara izany, fa ilana hoe te ho indray aloha

te hianatra ao amin'ny esca ve enao? _ valiny: katolika nga enao? :-)
10. hery ( 02/09/2015 09:38)
Ny resaka hoe avy aiza sy avy aiza aloha dia efa ivelan'ny lohahevitra eto ihany. Raha mahaliana (ilay finoanay) dia mahafaly mihitsy ny mizara izany. Izahay mitory amin'izay liana ihany fa tsy amin'izay tsy liana tahaka ny fitoriana ataon'ny sasany :-p

Ny tian'ny Papa lazaina eto fotsiny izany dia hoe "Afaka manome famotsoran-keloka (araka ny fomba fanao amin'ny konfesy ataon'ny katolika) ho an'ny mpanala zaza ny pretra fa tsy voatery manao fangatahana manokana any aminy toy ny taloha intsony"

11. rhaj0 ( 02/09/2015 10:24)
hery:
"Afaka manome famotsoran-keloka (araka ny fomba fanao amin'ny konfesy ataon'ny katolika) ho an'ny mpanala zaza ny pretra...

Hay va re ka izany no mitranga ao @ confesse ao eee... ho "votson-keloka", eo anatrehan'ny Finoana (katolika), ianao izay nanota.

Ka eto izany ilay ota dia "nanala-zaza"... dia ho hoz'i Mopera hoe, "afa-keloka" ianao, satria tsapany fa "tena mibebaka", na dia "famonoana olona" azany izany no natao... araka eritreritra taloha.

Dia torak'izany koa izany ny taloha eeee... dia hoz'i Mopera hoe, "afa-keloka" ilay maffiosi, satria tsapany fa "tena mibebaka", na dia "famonoana olona" azany izany no natao.

12. hery ( 02/09/2015 10:37)
Eny :-) Misy olana ve amin'izany?

Marihina fa manoloana ny lalàna maha-olombelona eo anivon'ny fiaraha-monina izy dia tsy maintsy manefa ny sazy sahaza azy. Ary anatin'ilay fibebahana marina indrindra ary izany, izay mila anaovana asa fivalozana mendrika ny ota natao.

Ny mafiosi afa-keloka eo anatrehan'Andriamanitra dia mila manefa (réparation) amin'ireo izay nanaovany ratsy... izay no antony iantsoana ny konfesy hoe "Sacrement de la réconcilliation" na sakramentan'ny fampihavanana.
13. Strong3 ( 02/09/2015 10:42)
omena famotsora-keloka ny mpanala zaza hoy ny papa! (izay ilay lohahevitra ôh?)

__ ka inona hono no mahadiso ilay hoe: baiko avy aiza no nanova izany tao andohan'i papa?

ngamba izany kestion-ko izany no tena atao hoe liana raha misy ny kestion adaladala eto :-)

koa raha hitsangana daholo ny fanahin'ireo maty taloha tsy voavela heloka noho ny fanalan-jaza dia ahoana?

sa ivavahan'ireo piretra sy papa izay taloha hoe ; mifalia ianareo tsy voavela heloka tamin'io ota io taloha fa AVELA indray nareo izao, dia mety hisy afindra hiala ao anaty afobe ho an'ny amin'ny paradisa tampoka izany??? :-)
14. rhaj0 ( 02/09/2015 10:50)
hihihi... araky ny tenin'i Hery hoe, "misy olana ve amin'izany?"

Mandehana ho'a mividy "indulgence" dia mba "avotra" koa ianao... "misy olana ve amin'izany?"

fomba Katolika... misy olana ve amin'izany?:
Ka inona hono ity "indulgence" ?? dia hoe (wiki) ...
Le commerce des indulgences vient de la possibilité dans l'Église catholique romaine d'acheter des indulgences (du latin indulgere, « accorder »), c'est-à-dire la rémission totale ou partielle devant Dieu de la peine temporelle encourue en raison d'un péché pardonné.

Averina kely : acheter (..) la rémission totale ou partielle devant Dieu de la peine temporelle encourue en raison d'un péché pardonné.
15. hery ( 02/09/2015 11:28)
Strong3 > Ny fampihavanana dia natao ho an'ny velona mila izany :-) Ny katolika nahavita heloka toa ny manala zaza ka mila famindram-po amin'Andriamanitra sy amin'ny fiaraha-monina dia manatona ny pretra. Teo aloha dia tsy afaka manao n'inona n'inona avy hatrany ny pretra fa manao fangatahana manokana any amin'ny Papa izay lehiben'ny Fiangonana Katolika. Amin'izao izany ny Papa dia miteny hoe rehefa resy lahatra ny pretra fa tena ao anaty fanenenana marina ilay olona dia afaka manome famotsoran-keloka fa tsy mandalo any amin'ny Papa intsony. Baiko avy aiza izany? Io mazava io hoe baiko avy any amin'ny Papa kou :-) Efa ela no nangatahana an'izany dia io izy nanaiky io... que demande le peuple? :-)

rhaj0 > Tsy misy ifandraisany (au moins intsony). Ny indulgence dia tsy miova... saingy taloha izy dia matetika natakalo vola. Resaka ara-tantara izany, tsy lavina. Tsy nazava tamin'ireo olona mpanan-karena angamba ny resaka ara-panahy. Ny ambonimbony teo amin'ny fiangonana taloha dia ry zareo mpanjaka sy nobles sns be vola. Nisy koa ireo mpitondra fivavahana nanana ny fahalemeny (soa ihany).

16. rhaj0 ( 02/09/2015 11:32)
Rahefa mbola hita fa "manja" ny revy, dia ilay institution no arantiranty fa manja. Fa rahefa oainina, dia ireo olona ao @ ilay institution no arantiranty fa "malemy".

Ny olona samy olona @ izao 2015 izao anefa, rahefa misy ny olana, dia zohina lalina ny @ institution sy ny foto-kevitra ijoroany ao, fa tsy akipakipaka fotsiny hoe, ny olona no malemy eeee... Satria avy eo, misy olona hafa mbola lasa "malemy" ihany aoriana, satria... toetra raiki-tapisaka (intrinseque) @ ilay institution ilay izy.
17. gasy1zay ( 02/09/2015 18:37)
Raha ny voalazan'ny baiboly aloha no jerena dia ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina ihany no tsy ahazoana famelan-keloka, fa ny ankoatrizay, na inona na inona fahotana vitanao ka mifona sy mibebaka ianao @ fonao dia hahazo famindram-po eo anatrehan'Andriamanitra ( fa tsy ny lalàna velona an!)
18. rhaj0 ( 02/09/2015 19:02)
gasy1zay:
hahazo famindram-po eo anatrehan'Andriamanitra ( fa tsy ny lalàna velona an!)

Fa rehefa mahazo ny famindram-po (eo anatrehan'Atra) izy, inona intsony moa no irahirahiany izay lalàna velona any ?


Jereo indray anie ity eee... mba manaraha vaovao ho'a...
http://www.wsj.com : ilay ramatoa Davis no mpanome ny certificat de mariazy. Fa tsy mety manome ho an'olona homosekisoaly izy, ary nohitariny h@ hetero akoriny azany, @ di-dohany lasa lavitra io. Efa nodidin'ny Fitsarana (hatrany @ Cour Supreme) fa tena mbola miziriziry ramatoa ee.. dia hoe, fa ny lalànan'iza no andraisanao izay fanapahan-kevitra izay? dia hoe, ny "lalànan'Atra" : she was acting “under God’s authority hono eeee...

Dia io izany izy Itsimahalalaafatsynysaimpantany eee... Dia tsy midrikina betsaka aloha ny olona izao, sao dia mitono-tena indray ity ramatoa, na ho ahindrahindran'ny Kristiana (sasany) namany, ho "maritiora" eo indray, ka hoe, ara-baiboly dia "misy ary betsaka ny mpanenjika"...


Dia inona no maha-samy hafa amina(re)o sy ity ramatoa Davis ity ??

Mitovy "finoana" ianareo, iray ny Atra inoanareo, iray ny foto-kevitra sy izay petra-kevitra andrianinareo, na koa izay fampianarana arahinareo, fa kosa, i ramatoa Davis dia mahasahy mijoro @ "Finoany", ary dia tena ny lalànan'Atra aminy no ambonin'ny lalàna velona...


Ka ahoana... #YouAreMsDavis koa izany ???


19. rhaj0 ( 02/09/2015 20:12)
fomba Katolika... misy olana ve amin'izany?:
Ka inona hono ity "indulgence" ?? dia hoe (wiki) ...
Le commerce des indulgences vient de la possibilité dans l'Église catholique romaine d'acheter des indulgences (du latin indulgere, « accorder »), c'est-à-dire la rémission totale ou partielle devant Dieu de la peine temporelle encourue en raison d'un péché pardonné.

Averina kely : acheter (..) la rémission totale ou partielle devant Dieu de la peine temporelle encourue en raison d'un péché pardonné.

hery:
Ny indulgence dia tsy miova... saingy taloha izy dia matetika natakalo vola.

Fa izao izany ilay "indulgence", inona no takalony rehefa ao @ confesse ao ??? mipika maso (anankiroa) ny mpanota (ilay nanala zaza ohatra), dia hozy i Mopera hoe, "afa-keloka ianao ry zanakou.. eo anatrehan'Atra..."

Dia tena hadalanareo izay tsy (tia) Katolika... toa be fialonana fotsiny koa nareo izany.

Satria mantsy, ny mandalo @ "indulgence" katolika no lalana tsotra indrindra raha "hitady famelana avy amin'Atra" (ka hankany an-danitra)... Mopera fotsiny dia efa manome bileta eeee....
20. Strong3 ( 03/09/2015 06:08)

rhaj0:

fomba Katolika... misy olana ve amin'izany?:
Ka inona hono ity "indulgence" ?? dia hoe (wiki) ...
Le commerce des indulgences vient de la possibilité dans l'Église catholique romaine d'acheter des indulgences (du latin indulgere, « accorder »), c'est-à-dire la rémission totale ou partielle devant Dieu de la peine temporelle encourue en raison d'un péché pardonné.

Averina kely : acheter (..) la rémission totale ou partielle devant Dieu de la peine temporelle encourue en raison d'un péché pardonné.

hery:
Ny indulgence dia tsy miova... saingy taloha izy dia matetika natakalo vola.

Fa izao izany ilay "indulgence", inona no takalony rehefa ao @ confesse ao ??? mipika maso (anankiroa) ny mpanota (ilay nanala zaza ohatra), dia hozy i Mopera hoe, "afa-keloka ianao ry zanakou.. eo anatrehan'Atra..."

Dia tena hadalanareo izay tsy (tia) Katolika... toa be fialonana fotsiny koa nareo izany.

Satria mantsy, ny mandalo @ "indulgence" katolika no lalana tsotra indrindra raha "hitady famelana avy amin'Atra" (ka hankany an-danitra)... Mopera fotsiny dia efa manome bileta eeee....


sao mba hiteny eto indray aza ity rhaj0 ity hoe; omeo an'i papa injay ny toeran'ny mpitsara maneran-tany. fa toa tsy hisy bedy sy gadra intsony . fa mibebaka tsara dia voavela heloka

izy koa tsy dia hanao sisibola be lohatra . fa mety hoe tambiny kely ilay miditra ho membra ny fiangonana :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2511