Kolob - Xenu

1. rhaj0 ( 31/07/2015 01:38)
Ankamantatra no atao, inona raha fantatrao... Kolob sy Xenu..
répondu par Strong3 le 12/08/2015 06:44
2. Strong3 ( 03/08/2015 07:32)
Baiboly noforonin-dry zareo manokana io r'ingahy ity ah... ka inona moa no hirarahian'izay kristiana amin'ny zavatra taingitaingina fotsiny any.

raha misy ve izany tsy efa nisy nitady tany Atra?
3. rhaj0 ( 03/08/2015 11:44)
Kolob : hanontanio ny Mormons eee... I Strong3 kosany ho'a dia io mihidy saina io foana eee... Raha vao hoe tsy ao anatin'ny imagination-ny dia tonga dia rabirabiany. Nefa anie i Abrahama hono (hozy ny Mormons) no nahita an'i Kolob ee... Ianao angaha tsy mba manaja ny olombe Abrahama ?? :-)

ka dia inona hono i Kolob?

i Kolob hono planeta, ary ao akaikin'i Kolob ao hono i A.tra no mitoby.. :-)

Voaporofo ara-Baiboly (an'ny Mormons) io... Alleluia... "izay voasoratra dia voasoratra".
4. Strong3 ( 03/08/2015 13:16)
hahaha.... ôdôiééé... mihidi-saina nga ny tsy ampy any

profoy eto hoe taiza no nahita ny baiboly mormon?
__ tany amerika
iza no nanoratra ny baiboly mormon?
__ josefa smith
hoy zareo , namangy tany amerika hono Jesosy
__ amarino izany, ... dia hoy zareo: tamin'i Jesosy ilay nanamaizina ny andro teo ambony alitara hono no nakanesany tany.

ka tokony hikato-tsaina za amin'izany sa tokony hihidy saina???

efa hitanareo tsimisiAtra na ny siantista nga io planeta kolob io? de tazanareo tao ve ny fitobenan'Atra?
__ hoy ny baiboly: ny tany no fitoeran'i Tongotro ary ny lanitra no seza fiandrianako.

mampiasa baiboly kristiana ve ny mormon??
_ ie mampiasa zareo.
ka nahoana no manana baiboly hafa izy ireo
_ satria ...???
ka nefa io baiboly hafa io toa mifanohitra amin'ny baiboly kristiana, fanahoana?
_ tsy hay hoe ahoana fa de ingahy zaozefa smith no nahita azy tany amerika.

IZAY NO ILAZAKO ETO HOE: MITANDREMA IANAREO MILAZA KRISTIANA MITORY ETO IRETO FA zalah tsimisiAtra ireto tena mitsongoloka ny asasoratra rehetra mahakasika ny boky misy Atra.
iza taminareo kristiana izao no mahalala izany planeta kolob izany raha tsy i rhaj0 tsimisiAtra no nampahalala anareo hihihih.... :-)
(misy mormon mitory aty ka haiko tsara ny doctrine-dreo rhaj0 ah ...) :-) hihi
5. rhaj0 ( 03/08/2015 15:05)
hi hi hi ... dia vahao ao izany ny tsy firaisan-kevitra aminareo (Kristiana "tena izy") sy ny Mormons e... dia aminareo sy ny TJ koa.. Dia rehefa eo ihany dia vahao koa ny tsy firaisan-kevitra aminareo Kristiana "tena izy" sy ny Kristiana hafa koa... dia tohizo fa mampihomehy :-)
6. rhaj0 ( 03/08/2015 16:21)
Xenu : hanontanio indray ry Tom Cruise sy ry John Travolta na izay Scientologiste eeee...

Raha ny fazahoaako azy, dia toa an'i Abrahama mifangaro Noah sa i Lota ilay hoe Zenu @ Scientologiste e... sao misy Scientologiste eto mba manazava?
7. Strong3 ( 04/08/2015 07:26)
Tsy firaisan-kevitra... mmm

tena mahavalalaniny ahy io resaka io rhaj0 ; eto izao isé dia mahita karazany mifanohi-kevitra mafy.
efa tafakatra ho 400 mahery eo izao ny anaram-piangonana niforona eto madagasikara.
_ matoa ireo nanorina dia manana "marina" heverin'ny tenany fa "izay"
_ matoa ireo nanorina dia tsy nohenoin'ny mpitarika azy tao amin'ny nisy azy tao. nefa nilaza nahita marina.

raha ireo hevitra roa ireo , no nosivanina tamin'ireo hevitra maro mampisamotofoto .
dia mba te-haka ny hevitr'isé izaho; RARINY VE NY FANANGANANA SAMPANA VAOVAO SA TSIA?
rhaj0
8. rhaj0 ( 04/08/2015 10:04)
ny hoe "rariny" aloha, izany hoe mampilamina ny fiaraha-monina (rariny -> mandrary) dia ... raha izaho manokana, ny filamatra dia "vivre et laisser vivre" foana ihany. Rahefa tsy manitsaka ny "vivre"-n'ny hafa, dia ao ianao, olon-dehibe vory nofo vory saina, na hikatona ao @ box-be, na box-kely, anao ny anao. Fa rahefa hoz'ianao hoe, satria hozy i Paoly na Isaiah na Xenu na whatever, hozy ilehio hoe tokony manao an'izao daholo ny mpiara-monina, dia "TSY rariny" izany raha ny fahitako azy.
9. Strong3 ( 04/08/2015 10:35)
:-) vivre et laisser vivre ...

ary raha tsy mifampiteny marina moa izany fa samy miaina izay tandrifiny ao , dia mifampitazana ny fandrosoan'ny hafa sa ny ahy ihany no hatreako ao?

fiarahamonina ve no mbola anaran'izany?
sa rehefa amin'ny lafin'inona vao miaramonina?
10. rhaj0 ( 04/08/2015 10:43)
vivre (ensemble si possible) et (toujours) laisser vivre
11. Strong3 ( 04/08/2015 12:12)
miray ao anatin'ny fihasamihafa izany kou... vita izany, nefa raha hilatsaka any andavaka ny fahitanao ny namanao dia tsy hiteny ve ianao?

ohatranao mahita anay mihidy anaty box izao dia miteny ihany... si possible marina hihih
12. rhaj0 ( 04/08/2015 12:57)
ilay "laisser vivre" anie TSY ao anaty Baibl ee... ny mifanohitra @ izany azany no ao: hoe, "ataovy mpianatro izao tontolo izao" ??

Dia avy @ io, rehefa "manjanaka" ny sasany dia ganga... dia hoe tsy ao anaty Baibl izany, nefa hita io fa inspiration ilay Baibl. Dia mahavariana fa ianao kristiana (izay vao gasy) voazanaka anefa dia hotry ny mankafy ao..
13. Strong3 ( 04/08/2015 13:04)
ka samy miaina amin'izay tiany kou inona injay ary ity mahazo hihihi... :-)
14. rhaj0 ( 04/08/2015 13:08)
iieeeee. efa mi-"laisser vivre" anie ny olona e... fa "mivanitika" koa ny "vivre"-ny... Rahefa tsy mahazaka vanitika ry extremista (moslimo ohatra) dia vao mainka ny olona mivanitika :-)
15. Strong3 ( 06/08/2015 06:56)
ka efa manohitohina ny hafa ilay vanitika, tokony asina lamboridy izany ny vivre-ny tsirairay

amin'izay mety tsara ilay laisser vivre; ohatra ny tsimisiAtra dia afaka miboridana amin'izay alehany fa tsy hitan'ny kristiana izay matahotra mampiseho ny laferany sy ny sorony ary ny tratrany

de ny kristiana tsy hitan'ny tsimisiAtra hoe mihidy ao anaty box-kely :-)
16. rhaj0 ( 06/08/2015 09:57)
hi hi hi ... ilay Strong3 io izao tena miboridana mandehandeha ao an-tranony ao raha vao tsisy mahita, fa eto mody hoe eo... hi hi hi.. dia sirika be fa ny fanirinao sy eritreritrao ao (ny hiboridana) ka voan'ny interdiction-kristiana, ary dia eto Strong3 no manala vokony @ tsimisiAtra eee... :-)
17. Strong3 ( 06/08/2015 10:16)
mdr... izay indray ilay saina paolemika

dia raha avadika izany dia hoe i rhaj0 te ho KRISTIANA mafy fa menatra ny kanadianina namany fotsiny izy hoe mbola HIVERINA HIHIDY AO ANAty box-kely ve nefa efa mba tonga aty amin'ny laisser vivre
dia eto no manala vokiny ny kristiana eto sisa sao mba marina ihany ny firehana capitalista robotisé ... hahaha :-)
18. rhaj0 ( 06/08/2015 11:16)
Jereo nge ato e
http://www.lapresse.ca/actualites/national/201508/05/01-4890692-une-pasteure-de-leglise-unie-se-bat-pour-rester-malgre-ses-propos-athees.php

Ilay pasitera kay atheista :-)

hi hi hi ... izy azany mba mitsotra kouh... Fa dia asa fotsiny ohatra i Francis na Benoa ao raha hotr'izany koa, fa tena mafy fotsiny ny vavam-bahoaka, na koa hoe, ilay avantazy ve dia ariana fotsiny, ka dia miolankolana ao eeee... :-)
19. Strong3 ( 06/08/2015 12:09)
aaa ohatranao ihany zareo ireo ka, rehefa tonga any dia ajambain'ny robotisation ny fiainana ... toa tsy misy intsony ny mahaolona sy ny fahalalana fa misy fanahy dia miova hevitra

toa tsy hita any amin'ny fiainana kaptalita izany Atra izany, ny marary misy mpiahy aratsosialy ka voatsabo tsara, ary rehfa tsy vita dia lazaina tsotra hoe efa nanao izay fomba rehetra izay fa tsy nety ka dia nafoy ilay havana.

milamina eh..

mahatsiaro ny fahazazana aho, toa tsy misy saina izay hivavaka fa libre amin'izay atao (tena mafinaritra izany) , rehefa lebebe kely anefa dia nentin'ny rad hivavaka
de toa tsy azo atao ny mandainga, mangalatra , sns...

niatery ny fiainana, ny anitena alain'olona, fa ny tena tsy mahazo maka ny an'olona...

ny tena vonon'olona fa ny ny tena tsy mahazo mamon'olona ...sns

ny vadin'ny tena alain'olona fa ny tena tsy mahazo maka ny vadin'olona

hay... saika adino; fa hay rehefa niainana izany dia toa nanana fiadanana sy fifaliana rehefa manisy soa olona , sy mamaly soa ny nanisy ratsy ny tena... mmm toa lasa tsara ny nampihantra azy izany... :-)

de nanaiky fa misy Atra (faly aho)

fa izay lasa any andafy hoa toa tsy misy asiana soa sy manisy ratsy fa variana amin'ny samy fiainany ny olona dia toa tsy mi-existe ilay fampiharana. dia toa tsy misy ilaina azy ngamba ny baiboly , na hoe ilay didin'Atra. ary farany dia toa Atra mihitsy no tsy ilaina any hihihih...

ka dia tsy omeko tsiny ireo pastera sy ianao ry rhaj0 raha tonga tsimisiAtra ankehitriny hihihi :-)
20. rhaj0 ( 06/08/2015 12:19)
... miasa mafy mihintsy izany fanahin'ny imagination-nao izany ry Strong3... Toa izany izany ny olona aty raha ny sainin'ny fanahinao ao.. sa izay hozy Pasitera/Mopera?.. :-)

Heverovereto ihany hoe...
- toatoa ny inona ny fiainan'ireo 70%-n'ny Siantista any @ U (TSY-mino).
- toatoa ny inona ny an'ireo kristiana fondamentalista evanzelista any @ ranch-ny any..
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2095