Shekhinah sy ny Jiosy - fitaizana ny vehivavy

1. rhaj0 ( 10/11/2014 14:06)
Omaly aho nahita fandaharana t@ TV momba jiosy Hasidic ao Quebec, mikasika ny fitaizana ny tovovavy. TSY ilay Jiosy Lev Tahor ity, izay sekta tena maneritery ny (fiaina sy sain'ny) vehivavy, fa ireo Hasidic indray. @ ity indray mitoraka ity, dia io "Shekhinah" io no ambetin-teny = "the Divine Presence of God" izay mi-"represent the feminine attributes of the presence of God".

Alohan'ny hitantarako izay tadidiko eto, dia tia ahare ireo namana Jiosy eto aho, hoe ahoana ny fijeriny izany : fitaizana ny tovovavy, "feminine attribute of God", etsetra...

répondu par rhaj0 le 17/11/2014 14:12
2. endriny ( 10/11/2014 14:46)
Taloha ange ry namana ka vehivavy ny Atr'Israely e, fa taty aoriana vao lasa lehilahy...
3. rhaj0 ( 10/11/2014 15:02)
Tsy tafateny (na hoe tsy reko niteny) izany ny t@ fandaharana, fa kosa, dia nanindry (insiste) an'io "feminine attribute" io zareo, hotry ny hoe "toetran'ny vehivavy" ilay "be fitiavana" sy mitsinjo ny hafa (ny zaza santionany...).

(raha ny hevitro manokana, dia "fony taloha tsy-nipataloha" angamba izany, fa ankehtrio kosany dia ... betsaka ny lehilahy .. "rose-rose".. toa ahy :)
4. rhaj0 ( 10/11/2014 15:04)
ampiako kely... raha ny fahatakarako azy manokana koa, dia miombo-kevitra @ Endriny aho.. fa lasa "lehilahy" ilay A.tra (israely)... "guerrier" sy ... "cruel"
5. gasy1zay ( 10/11/2014 15:12)

rhaj0:

Omaly aho nahita fandaharana t@ TV momba jiosy Hasidic ao Quebec, mikasika ny fitaizana ny tovovavy. TSY ilay Jiosy Lev Tahor ity, izay sekta tena maneritery ny (fiaina sy sain'ny) vehivavy, fa ireo Hasidic indray. @ ity indray mitoraka ity, dia io "Shekhinah" io no ambetin-teny = "the Divine Presence of God" izay mi-"represent the feminine attributes of the presence of God".

Alohan'ny hitantarako izay tadidiko eto, dia tia ahare ireo namana Jiosy eto aho, hoe ahoana ny fijeriny izany : fitaizana ny tovovavy, "feminine attribute of God", etsetra...



Fa angaha moa ny gasy jiosy ry rhaj0 sa misy jiosy mahay teny gasy?
6. rhaj0 ( 10/11/2014 15:25)
MIsy namana nisafidy ny hanaraka ny Fivavahana Jiosy eto, raha tsy diso aho, sahala aminao nisafidy ny hanaraka ny Fivavahana Kristiana.

Safidiny izany ka dia hajaiko aloha raha izaho. Ary tiako ho re inona ny eritreriny..
7. rhaj0 ( 10/11/2014 16:12)
Ny nahataitra ahy t@ ilay fandaharana, dia Vehivavy no nitarika/nikarakara ilay sekoly ho an'ireo tovovavy jiosy tao Quebec (Ste-Agathe) io, ary izy no nanazava teo. Matetika loatra mantsy dia ilay "mpisoronabe" (Rabin) foana no miteny, toa hotry ny hoe izy mahalala kokoa ny @ vehivavy.. Na izany aza, mbola manalokaloka ao aoriana ihany ilay Rabin iray izay.

Dia nahataitra ahy koa, dia ilay ramatoa dia sahala @ viavy maoderina rehetra ihany @ fiankajony. Fa rahefa mijery tsara aho, dia akanjo lava-tanana sy zipo lava no nanaovany. Tsy nanao saron-doha (fa hotry ny kevoka akoriny aza miaraka @ firavaka...)

Dia nihomehy irery aho, nahatsiaro an-draiko, nilaza hoe, ny viavy, dia mila manafina ny kiho sy lohalika. Ary tao @ ilay fandaharana, dia izay tokoany no "fombafomba" (regle) tao @ ilay sekoly.
8. rhaj0 ( 10/11/2014 16:20)
Dia ny nanintona ahy koa, dia mitsikitsiky, sariaka, ary hita fa sambatra mihintsy ravehivavy (ao @ Finoany ao). Ilay tovovavy nanontaniana taty aoriana koa dia miramirana ary kifalifaly ary toa tena resy lahatra @ nampianarina azy tao...
9. rhaj0 ( 10/11/2014 19:02)
Ka toatoa izao izany no "mahasambatra" andrizareo ao...

- Ny vehivavy dia TSY mahazo miarakaraka @ lehilahy : TSY mahazo mikitika (toucher) lehilahy raha tsy hoe vadiny ilehio.

Dia hita moa izany rahefa mifety zareo ka mandihy, dia misaraka efitra, ary ny samy lahy no miara-mandihy @ efitra iray, ny samy vavy atsy @ ilany. Fa tena kifalifaly kosa zareo mitsinjaka ao. TSY Madonna na Rihanna no andihizana fa revy tradisionaly. Ary tsisy complexe zareo fa mifampisakambina sy mifamihina sy miara-mandihy ao ny samy vavy (sy ny samy lahy).


- Ny vehivavy dia antenaina fa hanambady eo faha-25 taonany.

Rahefa tsy mahita ho azy izy, dia amboarina (match maker) ny fiarahana.


Masina dia masina ho an-dreo ilay mariazy, satria araka ny Finoany, dia "soul" (fanahy?) tokana raolona, fa nony teraka dia nizara roa, ny iray vavy, ny iray lahy. Fa rahefa mivady kosany, dia miverina "mitambatra" ho iray ity "soul", ary dia tena zava-dehibe izany (satria izay ilay .. revin'A.tra).


Fa ny tena nanaitra ahy, dia ny revy hoe :
---> ny fanambadiana dia "commitment"(engagement). Fa kosa, rahefa "engagE" ao, dia hitsiry sy hiroborobo ilay "love", fitiavana.


Io izany, raha ny fahatakarako azy, dia mifanohitra @ revy maoderina hoe :
---> ny "love" no mandeha aloha, ary dia mi-"s'engager" @ olon-tianao ianao rahefa mariazy.


Ka raha ny fahatakarako azy, dia izay izany no(isan'ny) maha-sambatra an-dreo.. Izany rehetra izany, dia miaraka hatrany @ ilay hoe, izay no revin'i A.tra ho an-draolona (jiosy)


(ka dia mahasoava amin-dreo ao izany izany, fa kosa dia tena TSY @ kapoakako e...)

10. rhaj0 ( 11/11/2014 14:17)
Dia zavatra iray nanitika ahy koa, dia ny fazahoana (conception) ndrizareo ny sekisa... Amin'azy, ny sekisa dia ... hotry ny hoe dia ny hiterahana.. Izaho izao tena tia mba hanontany an-dreo hoe, mba mihiaka ilay "O Ry Gasy Moa e" ve zareo ireo @ androm-piainany manontolo ao ?
(Ito izao mifandray @ resaka natomboko tatsy, Sekisa sy fafin'aharetana)

Satria raha izaho manokana aloha, dia ny sekisa dia fahafinaretana (plaisir) koa.. Ary tena fahafinaretana tena manja be... asa ny anareo :) ...Nefa moa io "fahafinaretana" io dia matetika loatrany, dia "culpabiliser"-n'ny Fivavahana... na fara-faharatsiny tsy mba ampirisihiny fa ahodiny @ fiterahana foana ny ampiasana io taovam-pahafinaretana io


Fa dia izay e.. TSY kapoakako ny revin-dreo ao, fa raha ahitany fahasambarana ve moa, mahasoava aminy ao azany e...
11. rhaj0 ( 11/11/2014 16:16)
Iverenako kely ilay revy hoe:
---> ny fanambadiana dia "commitment"(engagement) aloha. Fa kosa, rahefa "engagE" ao, dia hitsiry sy hiroborobo ilay "love", fitiavana.


Mandeha tsara io amin-dreo, satria na ny Lahy na ny Vavy dia samy mino an'io. Dia izy samy izy Juif Hasidic ihany izany no mifanambady ao. Misy ilay ramatoa iray nohadinina tao, fa tsy mahita Hasidic hono, ary dia kivibe fa dia ho voatery hiafy amina Gentile hono..

Fa rahefa mitovy Finoana ao izy roaroa, dia
- samy manao ilay mihivingivina manitrikitrika mamaky Torah ao,
- dia misaraka efitra rahefa mifety (sy amin-javatra hafa koa),
- sy ny tsy mahazo mikitika (toucher) olon-kafa afa-tsy ny vadiny,
- dia samy mino fa miteraka betsaka no fahasoavan'A.tra ao,
- dia ao Ramatoa tsy mankaiza fa mitaiza ao,
- dia Ramatoa koa miakanjo manafina kiho sy lohalika ao foana (hoe tena erotic be rahefa aseho an'ny vadiny ny lohalikany sy ny kihony)
Izany rehetra izany, dia miaraka hatrany @ ilay hoe, izay no revin'i A.tra ho an-draolona (Jiosy), ka dia "fahasoavana" daholo foana izany


Fa dia izay tokoany moa no mahasambatra azy ao, ka dia tsara izany izany ho azy...
12. rhaj0 ( 11/11/2014 18:29)
Ny zavatra iray mampamiramirana an'ilay Ramatoa sy ilay tovovavy nohadinina t@ ilay fandaharana, ary izay koa no noventesin'ilay Rabin nanalokaloka tao aoriana tao (mino aho fa ilehio no nanao lavage an-dry viavy isany ao), dia hoe ... izay ataony rehetra hono dia ahatsapany fa miaraka @ A.tra ao izy, h@ misakafo ka hatraiza hatraiza..

Dia nihomehy irery ao... Tiako hanontaniana ho'a ny fiainany ara-tsekisa an-dreo ao... Hoe ho'a hoe, mba mihiaka "O ry Gasy moa e.." ve izy, dia mahare azy koa izany A.tra ?.. Na koa fotsiny koa hoe, rahefa manao ao izany zareo, dia manatrika ao koa A.tra ? na hoe, rahefa mi-se matsirobe ao izy, dia sirik'A.tra ao koa ?
13. endriny ( 12/11/2014 05:23)

rhaj0:

MIsy namana nisafidy ny hanaraka ny Fivavahana Jiosy eto, raha tsy diso aho.


Mety diso ianao satria tsy misy olona afaka miditra mpikambana amin'ny fivavahana Jiosy raha tsy afaka manaporofo fa taranaka Jiosy, ary manana ilay tetiharana nomen'ny Ray aman-dReny teo aloha ary azon'ny Rabia porofoina...

Anontanio aloha ilay toerana nalehanao...
14. rhaj0 ( 12/11/2014 11:55)
Toa mety afaka mivadika ho Jiosy (fivavahana) ihany hozy wikipedia.

Fa raha ampiharina @ Revy hafa io Revy Jiosy araka ny lazainao io, dia tokony koa izany ohatra hoe : tsy misy olona afaka miditra mpikambana amin'ny fivavahana Kristiana raha tsy afaka manaporofo fa taranaka Kristiana

Tokony ho io tokoany anie izany, satria ny Teny ao @ Baiboly (araka ny tianao tsindrohana ihany io) dia toa manondro ny "taranaka" foana ihany e...
15. moustaraf ( 13/11/2014 10:03)
salama namana,
1.Mila avahana tsara ny hoe: jiosy na juif (karazana) sy judaisme (fivavahana)
satria: Ny olona rehetra dia afaka manaraka ny fivavahanatiany arahina , dia tahaka izany koa ny fidirana ao amin'ny judiasme (fivavahan'ny jiosy)

2. Mila avahana tsara ihany koa ny : jiosy (juif) foko telo "joda, benjamina, levy) SY ny Israely (foko 9) "mbola tsy nody mandraka ankehitriny", izay tsy aiza fa aty "Ma dag ha-shakar?" no misy ny ampahny be indrindra eto ambony tany.
oh:"Eo @ fitoran'ny faladiako....eo no hitoeran'ny Israely oloko mandrakizay",
-sarina faladia (havia)=Madagasikara

3. Fombafomba sy fitaizana, fanambadiana:
Efa voasoritra daholo ao Torat Mosheh (bokin'ny lalàna) ireo ka mila mamaky tsara isika!
Ny olana ho an'ireo jiosy dia ny "fanampiana" an'io torat Mosheh io amn "ireo fampianarana voatolotry ny razana", hany ka misy ampahany maro izay "azy manokana " satria nolovainy t@ fomban-drazana, izay misy maro no nentiny niverina avy tany @ tany nahababo azy (babylona, Asyria, sns....), ARY ireo no nnotsipahin'Yeshu'a rehefa nampianatra Izy, ary nampifanditra Azy sy ireo fariseo, mpanora-dalàna.

4.Ny fisoratam-panam-badiana dia efa tany @ andron'i Mosheh no efa nisy, ary fomba hebreo fa tsy kristiana akory: KETOVAH no iantsoana an'io! voasoratra anatin'io avokoa ny adidy sy andraikitry ny mpivady sy ny famehezana ny tokan-trano; io ilay antsoin'ny any @ faritra hoe "Orim-bato".
16. rhaj0 ( 13/11/2014 14:50)
Hono ho'a ry Moustaraf... tena tsy aritro fa misy fanontaniana (efa nolazaiko io ambony io ihany)... aza atao maha-sadaikatra fa efa samy olon-dehibe isikana e...

Aminareo, ny sex dia ... hotry ny hoe dia ny hiterahana ihany.. Ka ny fanontaniako ho'a dia hoe, mba mihiaka ilay "O Ry Gasy Moa e" (tonga @ orgasme) ve zareo vehivavy ao aminareo ao ?

Na koa @ ankapobeny, mety diso aho miteny hoe, ny anareo sex = iterahana, ahoana azany ny fampianarana amenareo (na raisinareo) momba ny sex (sy ny plaisir indrindrindra) ? Ahoana ny @ A.tra sy ny sex (na ny @ A.tra sy ianareo manao sex) ?


Misaotra mitafotafo mialoha @ izay valin-teninao. Dia raha manan-kambara koa moa ny namana hafa, toa ry Hery katolika, na ry RBNIR na koa ry Maranatha sy ry Toriteny mbamin-dry Gasy1zay, dia tena isaorana mba mizara sy mifampianatra sy mampifampieritreritra e....

Fa raha tena manahirana nefa moa dia hadinoy fa tsy quoi e... tsisy an-tery eto...
17. endriny ( 13/11/2014 15:31)
moustaraf:


rhaj0:



Izao aloha e:
1) Afaka manaraka fivavahana Jodaism na Ziona ianao, saigy tsy midika akory izany fa voaray ho mpikambana na mpiangona ao ianao raha tsy
a) Mahazo fankatoavana manamarina fa ianao Jiosy fihaviana
b) Na mahazo fankatoavana sy fanohanana avy amin'ny fikambanam-piarahamonina Jiosy iray, saingy tsy midika akory io fa afaka miditra na manaraka ilay fivoriana any amin'ny fikambanam-piarahamonina hafa ianao. Satria tao anaty fiangonana iray ianao no nahazo fankatoavana noho ianao tsy Jiosy, fa tsy ny fiangonana rehetra misy akory.

2) Moustaraf dia mbola manizingizina ihany fa Jiosy ny Malagasy ary miala any ilay demonstration be amin'ny teny niavian'ny hoe Madagascar, Fa angaha moa tsy Portugais no namorona ny hoe Madagascar? sa koa ny Portugais Jiosy?
18. rhaj0 ( 13/11/2014 16:25)
Avy ato @ wikipedia dia, raha ny fahazoako azy, dia mahazo manao "conversion to Judaism" izay tia. Misy sampana (official policy of American Reform Judaism) misokatra saina sy fo @ io. Fa mazava ho azy fa misy sampana na andiany hafa mandA. Ka dia sahala @ Fivavahana/Finoana rehetra io, dia safidio izay tianao iarahana ao, fa rahefa manilikilika anao izy dia ... izay izany.
19. moustaraf ( 14/11/2014 09:27)
Salama e!
1. Izahay aloha dia manizingizina fa HEBREO ny Ankamaroan'ny foko tonga teto Madagasikara! Tsy averina eto intsony ny fanaporofoana fa efa bdb, ary "tsy olom-poana akory izahay fa Chercheur international mitovy amin'ireo mpikaroka rehetra maneran-tany, ary académique sy scentifique ny recherche izay atao".

2. Tsy Jiosy fotsiny, satria JIOSY = FOKO 3 (averina ihany)

3. Ny judaisme dia fivavahna nantsangan'ireo Jiosy izay tafaverina tao Palestina avy tany @ fahababona : EZRA, DANIEL, NEHEMIAH,...
Noho izany:
i Abrahama tsy Judaiste, Davida tsy judaiste, Solomona tsy judaiste, snsn maro be talohan-dr'i EZRA. Efa nivavaka anefa ireo olona ireo! "tsy judaisme"
JUDAISME = fivavahn'ny Firenan'i Joda (foko 3)

4.ISRAELY anefa tsy foko 3 MONJA fa 12, aiza ary ny 9??? Mila valiana!
Ny baiboly ihany anefa no mamaly sy efa naminany ny momba ny toerana misy azy ireo.

5.MADAGASCAR, Portugais? Fantatsika ve impiry niova anarana ity Nosy misy antsika ity???
Ary tsy ny Porugais velively no nametaka ny Madagascar!(jereo les anciennes cartes)
Azontsika inoana ve fa t@ 1500 monja ve vao nisy olona teto @ ity nosy ity? fa babokoto sy omby manga ihany no teto?
Diso be izany tantara izany! Ny hazo lehibe nanorenana ny tempolin'i Jerosalema sy ny volamena rehetra dia teto no nalaina, ary ilay Mapnjakavavin'i Etiopia no nitarika ny mpiasan'i Solomona teto! Misy porofo maro be izany!
-Tsy tongatonga ho azy ny anaran'ny seranana MAROZ SETH (MAROANTSETRA), fa teo no namoahana ireo hazo sarobidy tsy fahita maneran-tany (mety ho bois de rose???).

6. Resaka sexualité sy plaisir sexuel
Raha misy firenena tena mankafy an'io sex io dia ny israeliana , ary izany no nahatonga ireo didy maro be ao @ Torah mahakasika an'izany! tsy afaka ny hilaza zavatra hafa maro be etO aho anefa.
-firy moa ny vadin'i Solomana? 1.000; niterahany daholo ve? Tsia, nataony inona ary?
20. endriny ( 17/11/2014 06:35)
Ny hoe Maroantsetra ry namana dia izao a, rehefa niorimponenana teo ny olona ka namboly vary tamin'ny horaka, dia gaga fa raha nahita fa ity toerana ity dia feno antsetra, ilay bibin'angidina mbola tsy misy elatra fa mipetraka anaty rano. Dia izay no nahatonga ny anarana hoe Maroantsetra.

Sao dia ny Israelianina kosa aza no avy eto, taranaky ny olona bobo avy eny Ambohimalaza? Mora amin'ny mainty mantsy no mivadika fotsy toa izay ny fotsy hivadika mainty....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3035