Filazana maika
1. saraih
(
20/05/2014 09:15)
Ampahafantarina isika Malagasy fa ny mpanompo vavin'Andriamanitra Soeur Fabiola izay efa maty 3 andro 3 alina nampahitan'i Jesosy Kristy ny lanitra sy ny helo t@ Janoary 2013 dia maty indray ny Alatsinainy 19 May teo t@ 5ora sy 45 min maraina ary mbola hiverina afaka 3 andro. Hitondra vaovao lehibe mahakasika ny firenena sy ny fiangonana no antony nakan'i Jesosy Kristy azy indray.Ao @ toby masina Kristiana Miara-mivavaka Ankerana Ankadindramamy no misy azy @izao ary @ fiverenany dia entina ao @ Hopital Girard et Robic ary hiantsoana mpanao gazety maro.
répondu par bichette le 02/06/2014 11:45
2. hery
(
20/05/2014 10:03)
Nisy vaovao LEHIBE tokoa nolazain'i Fabiola ato
euh... Ramatoa Hery Rajaonarimampianina no lany filoha
euh... Ramatoa Hery Rajaonarimampianina no lany filoha
3. Tefigasy
(
20/05/2014 10:37)
saraih:
.....
N'iza n'iza ho faly, n'iza n'iza mety ho tezitra dia hiteny aminao aho eto hoe MPAMINANY SANDOKA io ramatoa io. Na fitsarana izany, na inona na inona eritreritrao dia izay no izy, ary afaka porofoiko aminao ara-baiboly izany raha ilainao.
Ny trangan-javatra toa izao no efa nampitandremana mafy ny mpino hatrizay ka asakasak'izay mbola te ho andevony sy ho andevoziny.
Na izany aza, mbola afaka mamindra fo amin'io ramatoa io ny Tompo raha tena vonona ny hibebaka marina tokoa izy.
Ka ataovy ho tonga any ampototsofiny fa tsy misangisangy azy akory i losifera, ary tsy izy koa no mibaiko an'i losofera fa andevon'ny losofera io !
4. hery
(
20/05/2014 10:43)
Toa mbola tsy azo ampitàna hafatra izy amin'izao fa mbola maty :-)
fa nahoana tokoa ara tsy amin'izy maty izao no miantso mpanao gazety dia miara-miandry ao.
fa nahoana tokoa ara tsy amin'izy maty izao no miantso mpanao gazety dia miara-miandry ao.
5. saraih
(
20/05/2014 10:56)
afaka manantona any an-toerana izay te hanamarina miaraka @ mpanao gazety II H 18 N Y ANKERANA, mitondrà camera na appareil photo
6. bor2lais
(
20/05/2014 11:03)
Vhv tsy manambady tsy miteraka sns ... tsy izy ihany ve izany lazainy izany ? :-)
Izay ilay isan'ny mahafinaritra ahy amin'itony sehatra itony : ahitana raha ! :-)
Tsaratsara, Fabiola ... ;-)
Izay ilay isan'ny mahafinaritra ahy amin'itony sehatra itony : ahitana raha ! :-)
Tsaratsara, Fabiola ... ;-)
8. Rakparfait
(
20/05/2014 13:45)
Maninona marina raha izy maty izao no asaina jeren'ny dokotera, dia asiana Formol. 
Sady na inona aloha na inona filazan'izany ramatoa izany sy ny troupe-ny dia tena miombon-kevitra amin'i Tefigasy aho, mpaminany sandoka io ramatoa io!

Sady na inona aloha na inona filazan'izany ramatoa izany sy ny troupe-ny dia tena miombon-kevitra amin'i Tefigasy aho, mpaminany sandoka io ramatoa io!
9. andrywui
(
20/05/2014 20:56)
Rakparfait:
Maninona marina raha izy maty izao no asaina jeren'ny dokotera, dia asiana Formol.
Sady na inona aloha na inona filazan'izany ramatoa izany sy ny troupe-ny dia tena miombon-kevitra amin'i Tefigasy aho, mpaminany sandoka io ramatoa io!
nen'i Raparfait kou tena tonga de formol ve lee ...tonga de vita be amzany le ramatoa lesy fa aleo alou izy mba hijoro vavolombelona a
10. Maranatha
(
21/05/2014 05:57)
saraih:
Ampahafantarina isika Malagasy fa ny mpanompo vavin'Andriamanitra Soeur Fabiola izay efa maty 3 andro 3 alina nampahitan'i Jesosy Kristy ny lanitra sy ny helo t@ Janoary 2013 dia maty indray ny Alatsinainy 19 May teo t@ 5ora sy 45 min maraina ary mbola hiverina afaka 3 andro. Hitondra vaovao lehibe mahakasika ny firenena sy ny fiangonana no antony nakan'i Jesosy Kristy azy indray.Ao @ toby masina Kristiana Miara-mivavaka Ankerana Ankadindramamy no misy azy @izao ary @ fiverenany dia entina ao @ Hopital Girard et Robic ary hiantsoana mpanao gazety maro.
Ny toy izao indrindra no hilaina ny fahalalana ny soratra masina sy fitarihan'i Fanahy masina . 1- F'angaha ny M/sy irery no vahoakan'A/tra eto ambonin'ny tany no aminy irery no hitondrana vaovao avy @ Tompo ( Fa mino aho fa tsy ny Mpamonjy velively no miteny aminy) Apok 10:11 Ary nisy nilaza tamiko hoe: Tsy maintsy maminany indray ianao ny amin'ny olona maro sy ny firenena maro sy ny fiteny maro ary ny mpanjaka maro..
2- Isaia 8:20 Ho amin'ny lalàna sy ny teni-vavolombelona ihany! Raha tsy miteny araka izany teny izany izy, Dia olona izay tsy hiposahan'ny fahazavan'ny maraina
3- Deot 18:22 Raha miteny amin'ny anaran'i Tsitoha ny mpaminany, ka tsy efa ny zavatra, na tsy tanteraka, dia teny izay tsy nolazain'i Tsitoha izany: tamin'ny fahasahisahiana no nilazan'ny mpaminany izany, koa aza matahotra azy. Ity dia manamarina iry video navoakan'i hery iry
4- Ny olona mihaona @ Tompo koa dia tsy maty izany fa toy izao Nomery 24:4 Izay mandre ny tenin'Ny Avo-indrindra sady mahita fahitana avy amin'ny Tsitoha , torana, kanefa voahiratra ny masony:.
Porofo : Toy i Daniela Daniela10 :8 Ary dia nilaozana ho irery aho ary nahita izany fahitana lehibe izany, dia tsy nisy hery tafajanona tato amiko; fa nihasimba nivaloarika ny tarehiko, ary tsy nisy hery intsony tamiko.9 Nefa nandre ny teniny ihany aho; ary nony nandre izany aho, dia renoky ny torimaso niankohoka tamin'ny tany.
Toy i Jaona Apok 1:17 Ary raha nahita Azy aho, dia lavo niankohoka tahaka ny maty teo anoloan'ny tongony. Fa Izy nanendry ahy tamin'ny tànany ankavanana ka nanao hoe: Aza matahotra; Izaho no Voalohany sy Farany
Iza tao anaty soratra masina no efa maty ka natsangana dia nitantara ny hoe izao no zava-misy tany an-danitra na tany @ helo. I Lazarosy izao natsangana t@ maty nitantara ve izy?? Ny zanak'lay vevivavy sonemita izay natsangan'i Elisa, nitantara ve izy??? I Eotika ilay natsangan'iPaoly moa ve nilaza???
matory ny olona maty fa tsy mankany an-danitra izany hoy ny Tompo Jao 11:11 Izany no nolazainy; ary rehefa afaka izany, dia hoy Izy taminy: Matory Lazarosy sakaizantsika; fa handeha hamoha azy Aho.12 Dia hoy ny mpianatra taminy: Tompoko, raha matory izy, dia ho tsara ihany*. [*Gr. hovonjena]13 Nefa Jesosy nilaza ny fahafatesany; fa nataon'izy ireo kosa fa fialan-tsasatra amin'ny torimaso no nolazainy.
Mandiniha f'aza dia mihinana ambolony .
11. andrywui
(
21/05/2014 06:18)
Saraih --)
nanaoana nitsangana ihany ve ramatou sa tonga de any de nampamangy ?
De mbo tantarao ry saraih ze teniny avy any ndray oe , fa otran'ny nandainga ihany izy na tsy marina otran'ny an'i mailhol le teniny hoe: tsy hisy fifidianana tanteraka eto tam 2013 , nefa otran'ny vita le fifidianana zao ry saraih à de i Hery Vaovao no lany ao à .

12. vahiny2004
(
21/05/2014 07:21)
Tany Mahajanga koa ilay nisy tantara nampiesona ohatr'ity, dia maty soa aman-tsara ilay rangahy fa tsy velona intsony akory
13. bor2lais
(
21/05/2014 07:57)
HS
Sao izay kosa aza no dikan' ilay hoe Hery vaovao fa ianao no tsy mahafantatra : Vhv tsy manambady tsy miteraka ...
Tsy mitovy Ramatoa Hery Vaovao sy Andriamatoa Hery Rajaonarimampianina ! :-)
Tapitra ny HS
:-) :-)
andrywui:
nefa otran'ny vita le fifidianana zao ry saraih à de i Hery Vaovao no lany ao à
Sao izay kosa aza no dikan' ilay hoe Hery vaovao fa ianao no tsy mahafantatra : Vhv tsy manambady tsy miteraka ...
Tsy mitovy Ramatoa Hery Vaovao sy Andriamatoa Hery Rajaonarimampianina ! :-)
Tapitra ny HS
:-) :-)
14. andrywui
(
21/05/2014 08:15)
Tokony ho efa ho velona ane zao le madama ry saraih e efa ampy 3jrs tsara izy zao,,,fa lasa nankaiza ary enao ahenoana vaovao ,,, sa calendrier hebreo arakin'ny tenin'i mailhol zay no arahanle ramatou de mbola misy 3jrs vaovao ndray ?? Huhuhhu
15. Marielle7
(
21/05/2014 08:55)
Izaho rehefa misy sahala amin'izao dia malahelo amin'ny fomba fitsikerantsika, satria mino aho fa kristiana avokoa ny ankamaroantsika mamaly ireo.
Tsy anjarantsika no mitsara na marina na tsy marina ny zavatra henontsika na hitantsika. Tsy natao hitsara n'iza n'iza isika:
1- "Koa aza mifampitsara intsony isika; fa aleo mihevitra izao, dia ny tsy hanisy fandavoana na fanafintohinana eo anoloan'ny rahalahy" (Romana 14: 13),
2- " Koa amin'izany dia tsy manan-kalahatra ianao, ralehilahy, na zovy na zovy ianao izay mitsara; fa izay itsaranao ny sasany no anamelohanao ny tenanao koa, fa ianao izay mitsara aza dia mba manao izany ihany koa" (Romana 2,1)
Raha sanatria ka tsy maharesy lahatra anao ny zavatra voalazan'i Sarai ohatra, dia azy sy ny Tompo izany, fa manome fitoerana ho an'ny devoly amin'ny tenanao ianao raha mamoaka fiteny tsy arak'Andriamanitra.
Raha toa kosa ka ny Tompo tokoa no nanao izao, dia tsy ho afa-bela avokoa izay nanenjika rehetra satria mafy kokoa ny fitsarana hahazo ireo rehetra izay manenjika ny olom-boasotr'Andriamanitra.
Aleo isika mijoro amin'ny maha-kristianina antsika isan'andro isan'andro fa tsy hoe rehefa Alahady na Sabotsy ihany. Mifampivavaka sy mifananatra am-pahendrena.

16. Tefigasy
(
21/05/2014 09:55)
Marielle7:
Izaho rehefa misy sahala amin'izao dia malahelo amin'ny fomba fitsikerantsika, satria mino aho fa kristiana avokoa ny ankamaroantsika mamaly ireo.
Tsy tokony ho sarotiny ny amin'ireo izay lazaina fa amboadia mitafy ny fitafin'ny ondry ve ny kristianina hoy ianao izany ?
Tsy tokony hiaro ny ondry manoloana ny mpaminany sandoka ve ?
Tokony ho alana ao anaty baiboly ve ireto teny ireto : 1.Pet.5:9 "tohero izy , ka miorena tsara amin'ny finoana ianareo "
2.kor11:13-14 “Fa Apostoly sandoka izy ireny, mpiasa mamitaka, ka dia mampiova ny endriny ho tahaka ny Apostolin’i Kristy. Fantaro fa hain’i satana tsara ny manova ny endriny tahaka ny anjelin’ny mazava, hain’i satana ary vitany ny maka ny endriky ny olona toa mitafy fitafiana fotsy sns ....
Marielle7:
Tsy anjarantsika no mitsara na marina na tsy marina ny zavatra henontsika na hitantsika. Tsy natao hitsara n'iza n'iza isika:
Efa tsinjoko hatramin'ny voalohany fa fitsarana no andraisan'ny sasany ny filazana fa mpaminany sandoka io ramatoa io. Izany anefa no marina ary tsy izaho no manambara izany fa ny baiboly, ary tsy vao izaho no kristianina nilaza olona iray ho mpaminany sandoka fa efa maro ny apostoly ao anaty baiboly no nilaza olona na vondron'olona ho mpaminany sandoka. Ka dia sahinao ve ny hiteny ny baiboly hoe aza mitsara ianao ry baiboly ? Avadibadio ny baibolinao dia fantaro ny atao hoe mpaminany sandoka, jereo ny ataon'io ramatoa io dia ampifandraiso amin'izay hitanao ao anaty baiboly.
Marielle7:
1- "Koa aza mifampitsara intsony isika; fa aleo mihevitra izao, dia ny tsy hanisy fandavoana na fanafintohinana eo anoloan'ny rahalahy" (Romana 14: 13),
Dia sanatria ve ianao hanaiky an'i losifera hoe rahalahy ! Raha fanahin'ny Fahamarinana no ao antin'io ramatoa io dia tsy hahavita teny hanohitra ny fanambaran'Andriamanitra ao anaty baiboly izy, indrindra ny aty amin'ny filazantsaran'i Jesoa Kristy !
Marielle7:
Raha sanatria ka tsy maharesy lahatra anao ny zavatra voalazan'i Sarai ohatra, dia azy sy ny Tompo izany, fa manome fitoerana ho an'ny devoly amin'ny tenanao ianao raha mamoaka fiteny tsy arak'Andriamanitra.
Asaivo alan'ny Tompo ao anaty baiboly ny hoe mpaminany sandoka, dia tsy hiteny izany intsony aho raha izay no mahatafintohina anao. Tsy avy amiko izany teny izany fa avy amin'ny Tompo, ary nasainy nosoratana ao anaty baiboly tompoko.
Saraih eto dia mampita hafatra fotsiny, ary indramiko ihany koa izy ery ambony mba hampita hafatra (retour) ihany koa. Ka tsy i Saraih no maninona fa ilay ramatoa no mpaminany sandoka.
Marielle7:
Raha toa kosa ka ny Tompo tokoa no nanao izao, dia tsy ho afa-bela avokoa izay nanenjika rehetra satria mafy kokoa ny fitsarana hahazo ireo rehetra izay manenjika ny olom-boasotr'Andriamanitra.
Tsy hanosotra olona hanohitra ny teniny mihitsy akory ny Tompo fa aza matahotra ianao. Jereo daholo izay olom-boaositr'i Jehovah ao anaty baiboly fa tsy nisy na iray aza nahavoaka teny nanohitra ny teny fikasany raha tsy efa nidiran'ny devoly ilay olona ary ity ramatoa ity dia maro ny teny navoakany izay manohitra ny filazantsara !
Marielle7:
Aleo isika mijoro amin'ny maha-kristianina antsika isan'andro isan'andro fa tsy hoe rehefa Alahady na Sabotsy ihany. Mifampivavaka sy mifananatra am-pahendrena.
Ny fijoroana ho vavolombelon'ny Tompo mihitsy no antony hitondrana fampitandremana eto fa aza matahotra ianao, ary tadidio fa ny devoly dia tsy misangisangy fa tena mandrapaka izay azony ka asakasakao raha mbola mahavita matoritory sy mipetrapetraka manoloana ny tranga toa izao ihany na hitsangana hanaitra ny ondry ka hitady sy hanaisotra ny mpisandoka tonga ao anaty vala
17. hery
(
21/05/2014 10:12)
Vao naheno aho izao fa nitsangana alohan'ny fotoana ramatoa Fabiola.
Sur fa ho avy eo i Saraih hilaza ny vaovao.
Tokony ho rahampitso izy no nitsangana fa izao nitsangana mialoha izao. Angamba tsy mety raha rahampitso satria sao dia be dia be ny vavolombelona.
Averiko kely ny tantara.
Tena nisy olona maty miendrikendrika Fabiola mihitsy teny amin'ny HOMI, nibontsina sy maimbo mihitsy. Hitan'ny rehetra. Tsy nisy afaka nanaporofo anefa hoe tena i Fabiola tokoa io (fanaporofana ADN sns).
Rahampitso daholo ny olona vao saika ho tonga hijery mivantana hoe tena hitsangana tokoa ve io olona maty io.
Kinanjo androany dia nitsangana hono, tsy nisy afaka nanaporofo hoe tena ilay olona maimbo teo tokoa ve no nitsangana sa niverina niseho amin'izay ilay tena Fabiola.

18. hery
(
21/05/2014 10:54)
Tandremo fa raha toa ka hoe olona hafa tokoa ilay maty dia lasa afera criminel be ilay izy ary misy complices maromaro miara ho traingo ao.
Tsy maintsy hokarohina mantsy hoe iza tokoa izany ilay olona maty, dia nataon'izy ireo aiza izy amin'izao.
Tsy maintsy hokarohina mantsy hoe iza tokoa izany ilay olona maty, dia nataon'izy ireo aiza izy amin'izao.
19. sahia
(
21/05/2014 12:04)
Tantara ity ka tantara an, mahaliana izy zany, miandry izay tena METY HISEHO MARINA SY VAOVAO MARINA ary izahay kou
20. andrywui
(
21/05/2014 12:18)
sahia:
Tantara ity ka tantara an, mahaliana izy zany, miandry izay tena METY HISEHO MARINA SY VAOVAO MARINA ary izahay kou
Ka lasa nankaia i saraih e ,,ny olona ato efa dodona daolo miandry azy oe , iza le nitsangana mialoha lazain'i hery io , Sao de mba olona maty nitovitovy allé fabiola de tonga defa alefa le tsaho ,sa tena izy ve zany nibotsinkibo efa maimbo zany ? Sa mbola maty izy amzao de oul hafa mitsy le maty maimbon'i hery zany , tena mila jiro mitsy izy ty ry saraih fa enao zao no any miandry faty any amzao à ..
INONA NO VAOVAO AO SARAIH