Afaka miara-miaina ve isika?

1. rhaj0 ( 28/03/2014 21:07)
Isan'ny fifanakalozana efa ho 10 taona lasa, ary sendra hitako indray, "fivavahana.. ny aty sy ny any", ary tena mbola hitako mila avoitra indray... inty ny resaka narosoko t@ izany...


rhaj t@ 02/12/2003:

nisy fandaharana t@ tele taty Kanada, omaly.. ny foto-dresaka dia ny hoe afaky ny hiara-hiaina anatin'ny "pluralisme" (religieux) ve isikana.. tafiditra @ izany h@ atheist...

ny hany tavela ato an-tsaiko dia ireto. (raha misy diso izay tantaraiko eto dia miangavy
ny namana hanitsy/hanampy...).

Hoy ilay ranamana iray (Sikh izy)..

k'izy ity anie sahala @ilay tantara-kisary hoe, nisy jamba maromaro asaina mitsapa elefanta,
ary milaza hoe inona ilay izy. Samy milaza ny "truth" tsapany. Dia nefany, "zovy" moa no
afaka hilaza-tena fa "mahita", ary hilaza fa ny fahatsapany no "tena izy"? "zovy"?

dia nanamafy ilay ranamana iray (Hindu izy)..

ny ampianarin'ny antitra (hendry) anay, dia jereo ho'zy ny tendron'i Himalaya... marobe
ny lalana mitondra mankany (segaondera sy otorouty ho'zy nareo).. ka "zovy" moa no
afaka hilaza hoe ny "lalana misy azy ao" no "tena izy"?

ny piraobilema teo mantsy dia, nisy ranamana iray, kristianina-evanzelisita izy. Izy dia manaiky koa ilay tantara-kisary-elefanta sy lalana-mankany-Himalaya, fa ny tantara-kisary
nanampiany azy dia hoe..

sahala @ mankany @ dokotera anie izy ity e.. dokotera samy hafa mety hilaza samy hafa..
ka raha mahalala aho hoe, ity dokotera ity no "tena izy", dia mahatsiaro manana "adidy"
ny hilaza ny rehetra aho f'izay no "tena izy"...

nisy kristianina iray (united church izany) moa nanala-tena t@ hevitr'ilay kristianina-evanzelista, ka nilaza hoe ilay "diversity" dia ekeny sy hajainy, ary akory aza, mampanankarena na manamafy orina ny "finoany"; ary izy (zareo) dia tsy handresy lahatra ny hafa hoe "midira aty aminay"..

Dia ho'z'izy: "accident at birth" anie ny naha-kristianina ahy.. raha tany Arabie aho no
teraka, dia mety ho mosilimo-kely-sambatra. Dia ho'zy ilay Hindu nanamafy hoe: izaho, dia
jiosy-kely-sambatra, bodista-kely-sambatra... ny tiako lazaina, dia ny anarana no samy hafa,
fa ny fikatsahana sns.. dia mitovy ihany..

Fa hoy ilay Sikh hoe.. ny "religion" (aminy) dia sahala @ hoe "path" mitondra.. mankany-mankany. Ao anatiny ao ianao, tena mbola "eo am-pikarohana". Ny teny hoe Sikh dia midika hoe mpianatra. Nanamafy ilay Hindu, f'zareo koa, na ny tenany aza dia efa hananany "doute" fa "tsy-mahalala": tsy ao anatin'ny soatoavin-drizareo ireo mihintsy ny hilaza fa "izao no tena izy".

Dia hoy ilay Sikh.. ny "religion" (isan-karazany) anie dia ahatongavana @ tsara... sy ny ratsy.
Raha ny tato ho ato, dia nampiasaina ho @ "ratsy" ilay izy. Ny olana dia ny "sasany" dia
mihevitra fa ny azy no 'tena izy", zony izany, nefany izany dia ampiarahiny @ "action" ataony
@ hafa. Ilay hafa @io tsy mitovy hevitry aminy. Ary izany no anton'izao "ratsy" rehetra hiainantsika izao..

Ny isan'ny namaranan'ilay Sikh ny resany dia..

ianao ao @ Finoanao ao, asa-mitohy-goavana-tsy-vita mihintsy ny fitadiavanao ny hankany-hankany.. k'aza tsindritsindriana ny hafa ny @ finoaNAO. Ny anao hatrehina, fa ilay "mpamonjy" no hisarika ny hafa hankany-hankany, toa ny nisarihany anao.
Ary anay izay tsy mitovy aminao, mba ameo zo zahay @ ataonay ao @ "fitadiavanay" ato, ameo zo zahay, ary zonay akoriny aza 'zany, na ho diso aza..

répondu par rhaj0 le 31/03/2014 17:46
2. rhaj0 ( 28/03/2014 18:33)
Rahefa nandray ny mpitondra fivavahana katolika izany ny Papa, notateriko tatsy, dia raha ny fahitako azy, dia :

rhaj0:
raha ataoko kisarisary ny ato an-tsaiko, ary hitariko (exagerer), dia toa "mihantsy ady" @ ireo ho "evangeliser-na" izy, ary mitady hanindry aloka (imposer) ny finoaNY @ ireo zaza tsy manan-tsiny.

Dia mamerina ny lazain'ireo TSY ao anatin'ny Katolisisma (toa ny Sikh sy Hindu... ary ny atheist) aho, araka ny resaka eto, hoe :

tsy-katolika:
ianao ao @ Finoanao ao, asa-mitohy-goavana-tsy-vita mihintsy ny fitadiavanao ny hankany-hankany.. k'aza tsindritsindriana ny hafa ny @ finoaNAO. Ny anao hatrehina, fa ilay "mpamonjy" no hisarika ny hafa hankany-hankany, toa ny nisarihany anao.
Ary anay izay tsy mitovy aminao, mba ameo zo zahay @ ataonay ao @ "fitadiavanay" ato, ameo zo zahay, ary zonay akoriny aza 'zany, na ho diso aza..

3. 5laody ( 29/03/2014 12:55)
Misy tanàna toy ny Nosy Maorisy toa mahay miara-miaina ny olona manana finoana samihafa marobe. Ahoana no ahavitany izany? Mifanaja fotsiny angamba.
4. rhaj0 ( 31/03/2014 17:46)
Hiaino ny fiainanao (ao @ finoaNAO ao) ary avelao ny hafa hiaina ny fiainany (ao @ finoaNY, izay mety TSY mitovy ny anao).

"Vivre et laisser vivre."

Hoy aho tetsy ambony hoe toa "mihantsy ady" anie izy izany e.. .Amiko dia toa ny fiverenena amina "guerre des religions" izao kabary manosika lava ny "evangelisation" (conversion au christianisme) izao.

hoy ilay Sikh etsy ambony hoe.. avelao izahay ao @ fiainanay (sy finoanay) na dia ho "diso" aza... ny anao hatrehina.


Ohatra tao Kebek izao, dia nisy fotoanany dia tena sorenabe ary leo tanteraka @ ireo Temoins de Jehovah mihintsy ny olona sy ny fokontany (ville), ary dia niakatra Fitsarana mihintsy, hoe manohintohina ny fahalalahan'ny tsirairay miaina anie ity kitsindritsindrin-drizareo Temoins de Jehovah mandondom-baravarana sy manesika kabary tsy nanontaniana (unsollicited) lava ity.

Ka izao izany, toa hirotsaka @izany koa ve izany ny Katolika ?
Raha izany dia ho guerre des religions no hisy eo. Ary hotry ny efa tsapako manomboka eto @ seraserantsika eto akoriny aza izany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2802