fivavahana.. ny aty sy ny any

1. rhaj ( 02/12/2003 19:22)
manahoana

nisy fandaharana t@ tele taty Kanada, omaly..
ny foto-dresaka dia ny hoe afaky ny hiara-hiaina
anatin'ny "pluralisme" (religieux) ve isikana..
tafiditra @ izany h@ atheist...

ny hany tavela ato an-tsaiko dia ireto.
(raha misy diso izay tantaraiko eto dia miangavy
ny namana hanitsy/hanampy...).

Hoy ilay ranamana iray (Sikh izy)..

k'izy ity anie sahala @ilay tantara-kisary hoe,
nisy jamba maromaro asaina mitsapa elefanta,
ary milaza hoe inona ilay izy. Samy milaza ny
"truth" tsapany. Dia nefany, "zovy" moa no
afaka hilaza-tena fa "mahita", ary hilaza fa ny
fahatsapany no "tena izy"? "zovy"?

dia nanamafy ilay ranamana iray (Hindu izy)..

ny ampianarin'ny antitra (hendry) anay, dia
jereo ho'zy ny tendron'i Himalaya... marobe
ny lalana mitondra mankany (segaondera sy
otorouty ho'zy nareo).. ka "zovy" moa no
afaka hilaza hoe ny "lalana misy azy ao" no
"tena izy"?

ny piraobilema teo mantsy dia, nisy ranamana
iray, kristianina-evanzelisita izy. Izy dia manaiky
koa ilay tantara-kisary-elefanta sy lalana-
mankany-Himalaya, fa ny tantara-kisary
nanampiany azy dia hoe..

sahala @ mankany @ dokotera anie izy ity e..
dokotera samy hafa mety hilaza samy hafa..
ka raha mahalala aho hoe, ity dokotera ity
no "tena izy", dia mahatsiaro manana "adidy"
ny hilaza ny rehetra aho f'izay no "tena izy"...

nisy kristianina iray (united church izany) moa
nanala-tena t@ hevitr'ilay kristianina-evanzelista,
ka nilaza hoe ilay "diversity" dia ekeny sy hajainy,
ary akory aza, mampanankarena na manamafy
orina ny "finoany"; ary izy (zareo) dia tsy
handresy lahatra ny hafa hoe "midira aty aminay"..

Dia ho'z'izy: "accident at birth" anie ny
naha-kristianina ahy.. raha tany Arabie aho no
teraka, dia mety ho mosilimo-kely-sambatra.
Dia ho'zy ilay Hindu nanamafy hoe: izaho, dia
jiosy-kely-sambatra, bodista-kely-sambatra...
ny tiako lazaina, dia ny anarana no samy hafa,
fa ny fikatsahana sns.. dia mitovy ihany..

Fa hoy ilay Sikh hoe.. ny "religion" (aminy) dia
sahala @ hoe "path" mitondra.. mankany-mankany.
Ao anatiny ao ianao, tena mbola "eo am-pikarohana".
Ny teny hoe Sikh dia midika hoe mpianatra.
Nanamafy ilay Hindu, f'zareo koa, na ny tenany aza
dia efa hananany "doute" fa "tsy-mahalala": tsy
ao anatin'ny soatoavin-drizareo ireo mihintsy ny
hilaza fa "izao no tena izy".

Dia hoy ilay Sikh.. ny "religion" (isan-karazany)
anie dia ahatongavana @ tsara... sy ny ratsy.
Raha ny tato ho ato, dia nampiasaina ho @
"ratsy" ilay izy. Ny olana dia ny "sasany" dia
mihevitra fa ny azy no 'tena izy", zony izany,
nefany izany dia ampiarahiny @ "action" ataony
@ hafa. Ilay hafa @io tsy mitovy hevitry aminy.
Ary izany no anton'izao "ratsy" rehetra hiainantsika izao..

Ny isan'ny namaranan'ilay Sikh ny resany dia..

ianao ao @ Finoanao ao, asa-mitohy-goavana-tsy-vita
mihintsy ny fitadiavanao ny hankany-hankany..
k'aza tsindritsindriana ny hafa ny @ finoaNAO.
Ny anao hatrehina, fa ilay "mpamonjy" no hisarika
ny hafa hankany-hankany, toa ny nisarihany anao.
Ary anay izay tsy mitovy aminao, mba ameo zo zahay
@ ataonay ao @ "fitadiavanay" ato, ameo zo zahay,
ary zonay akoriny aza 'zany, na ho diso aza..

mandrapiresaka

rhaj
novalian'i fijo ny 23/01/2004 11:45
2. fijo ( 03/12/2003 20:39)
marina io analizy io,ary mahalaza tsara ny tena zavamisy ami'ity resaka fivavahana ity.misaotra e.
3. ikaretsaka ( 03/12/2003 10:30)
Hozy ilay mompera mpampianatra anay fahiny izay hoe ny finoana dia ohatran'ny fandraisanao ny filazan'olona
anankiray manambara misy vitsika mainty manana maso mainty mipetraka eo ambony vato mainty ao anaty tonelina mainty maizinkitroka @ alina maizimbolana
4. fijo ( 04/12/2003 09:25)
maizina be mihintsy izany ka.tsy hafaka mandalo amin'izany ny karetsaka.ih,ih,ih.
5. kally ( 04/12/2003 13:54)
Andriakaky ô!maizina be... mila afo de paosy azafady fa tsy hitako mihitsy Ikaretsaka!!
6. fijo ( 05/12/2003 20:25)
azavao izahay ry karetsaka fa tsy mazava ilay izy a.
7. ikaretsaka ( 05/12/2003 15:41)
ka tena tsy azo hazavaina fa plus ianao miezaka manazava ..plus ilay izy miha maizina
8. rajaona ( 06/12/2003 15:06)
Tsy henonareo ve izany e! Henoy fotsiny ny fikaretsahany dia hazava tsy mila afo de pôsy e!
9. rfanjav ( 09/12/2003 20:08)
aiza indray no misy an'izany !!!!
10. fijo ( 10/12/2003 20:46)
dia aza mivavaka intsony ary e.
11. rfanjav ( 12/12/2003 20:42)
fijo : Za indray tsy maintsy mivavaka foana, fa malalaka ianao raha tsy te hivavaka intsony ka,

samy manao izay mampety ny fiainany io !
12. kally ( 13/12/2003 20:10)
Fa i Fijo io ve nisy nanolana tany am-piangonana fony kely sa ahoana e?aza tezitra fa fanontaniana mipetraka io mila valiana mitsangana an!
13. fijo ( 16/12/2003 11:11)
ih,ih,ih,ih,ih,.tay be indray iny fanontaniana iny an.tsy nisy nanolana izany aho,fa dia tsy hitako marina izay voalaza dia tsy mino aho e.raha voaporofo ny voalaza ao dia mino aho.
rfanjav,dia ho lany andro mivavaka anie ianao,tsy aleo mampiaraka,ahazoana fafiny.
14. mity ( 17/12/2003 11:58)
Tena mba afaka fehezina atao tsotra sy fohy ve le tian'ny mpanoratra nanao sujet io holazaina??
15. rhaj ( 22/12/2003 14:26)
ny fehi-kevitra @ito dia:

fanontanina: afaka miara-miaina anaty "pluralisme" ve isika?

valiny: "tsia".. satria misy ny milaza fa "ny azy IHANY no tena tsara".

ilay "ihany" no (miteraka) olana.

izay aloha ny fijerin'ny aty (kanada sy amerika avaratra) fa asa ny... any (mkara)...
16. fijo ( 23/12/2003 12:48)
ka raha izany dia atsaharo ilay mivavaka,fa mandany andro.
17. mity ( 23/12/2003 17:09)
Ka ny any aminareo ary ry Rhaj tsy mety kou maika fa ny aty?? Sady efa tena miroborobe be zao ny secte eto Mkara, na ny catholique sy protestant aza anie rehefa tena jerena tsara ny fomba fisainan'ny olona tsirairay (zay manodidina ahy io an!) mbola mitoetra ao aminy ihany le hoe ny anay no tena izy
18. fijo ( 24/12/2003 10:53)
samy ratsy izany fa hialao e.
19. ikaretsaka ( 10/01/2004 17:19)
fa aleo aloha @ zao toy izay ilay manapoaka tena @ baomba nohon'ny fivavahana ireny e
20. fijo ( 23/01/2004 11:45)
tsy fivavahana ireny fa aretin tsaina musulman.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.223