Tena tantaran'i Jesoa ve ny evanjely gnôstika ?

1. Nehemiah ( 02/09/2013 07:03)
[size=16]Misy asa soratra miafina momba an'i Jesoa Kristy ve ?[/size]

T@ 1945, tany akaikin'ny tananan'i Nag Hammadi, tany Ejipta Ambony, nahitàna kôpiana asa soratra fahagola 52, izay antsoina hoe evanjely gnôstika tao anatin'ny boky sora-tanana harefo mifono cuir 13. Voasoratra t@ teny kôpta izy ireo ary fananan'ny mônastera taloha.

Misy manam-pahaizana gnôstika vitsivitsy izay nilaza mihitsy fa ireny no tena tantaran'i Jesoa Kristy fa tsy ny Testamenta Vaovao. Tohanan'ny zava-misy ara-tantara ve ny evanjely gnôstika sa noforomporonina fotsiny ?

[size=16]Misy asa soratra miafina momba an'i Jesoa Kristy ve ?[/size]

Ny evanjely gnôstika dia heverina fa nosoratan'ny andian'olona miantso ny tenany hoe Gnôstika (mazava ho azy :-) ), avy @ voambolana grika gnosis izay midika hoe "fahalalàna". Nieritreritra ny tenany ho nanana fahalalàna manokana miafina @ sarambabembahoaka izy ireo.

Rehefa niely ny finoana kristiana, nampiditra fampianarana sy sombin'ny finoana kristiana t@ fampianarany ny Gnôstika mba tsy ho "very kil" sy hampiasa an'i Jesoa Kristy ho "dokam-barotra" ho an'ny finoany, ka nanjary hosoky ny finoana kristiana ny finoana gnôstika. Kanefa, mba hifandraihan'ny fampianarany @ finoana kristiana, tsy maintsy namboamboarina ka nanesorana ny mah'olombelona Azy sy ny mah' Andriamanitra Tsitoha Azy i Jesoa.

John McManners, @ "The Oxford History of Christianity", p. 28:
Gnosticism was (and still is) a theosophy with many ingredients. Occultism and oriental mysticism became fused with astrology, magic. … They collected sayings of Jesus shaped to fit their own interpretation (as in the Gospel of Thomas), and offered their adherents an alternative or rival form of Christianity.

[size=16]Ny @ mpitsikera ny finoana gnôstika t@ fiandohany[/size]

Efa nanomboka niroborobo ny finoana gnôstika t@ taon-100 voalohany, taom-10 vitsivisty taorian'ny nahafatesan'i Jesoa Kristy. Nikely aina mihitsy ny Apôstôly, t@ fampianarany sy ny asa sorany, mba hampibaribary ka hanameloka ny fampianarana gnôstika ho mifanohitra @ Fahamarinan'i Jesoa Kristy hitan'ny masony.

Zohio, oh., ny 1 Jn. 2:22 : Iza no mpandainga, afa-tsy ilay mandà an’ i Jesosy tsy ho Kristy? Izy no antikristy [Na: ilay antikristy] , dia izay mandà ny Ray sy ny Zanaka.

Nanaraka ny toro-mariky ny Apôstôly ny mpitondra ny fiangonana voa niorina ka niara-niombon-kevitra hanameloka ny sektan'ny Gnôstika. Nanamarina ilay Rain'ny Fiangonana Irénée 140 taona talohan'ny kônsily tany Nikaia, fa neverin'ny Fiangonana ho heretika ny Gnôstika. Nahiliny koa ny "evanjeliny". Fa rehefa niresaka momba ny evanjely @ Testamenta Vaovao kosa izy dia nanao hoe : "Tsy azo atao ny mihevitra fa mety ho maromaro kokoa na vitsivitsy kokoa nohon'ny efa ananantsika ny Evanjely".

Origène, izay teôlôjiana kristiana, 100 taona mahery talohan'ny kônsily tany Nikaia:
Mahafantatra evanjely 2 izay antsoina hoe "Evanjely nosoratan'i Tômasy", ary ny "Evanjely nosoratan'i Matia", ary ny maro hafa koa - sao dia heverin'ny sasany ho bado izahay nohon'ireo izay mieritreritra ny tenany ho manana fahalalàna manokana satria mahay an'ireny.

Na izany na tsy izany, eo anilan'ireny dia tsy niaiky afa-tsy izay neken'ny Fiangonana izahay, izany hoe ny Evanjely 4 ihany no tokony ekena."

[size=16]Tsy fantatra izay mpanoratra[/size]

Saika mitondra ny anaran'ny olona voalaza @ Testamenta Vaovao daholo ny evanjely gnôstika : asan'i Filipo, evanjelin'i Petera, evanjelin'i Tômasy, evanjelin'i Maria Magdalena, ahitàna hatr@ evanjelin'i Jodasy Iskariôta :).

Kanefa izao : nodatiana ho nosoratana t@ 110 ka hatr@ 300 taona taorian'i Kristy izy ireo ary tsy misy manam-pahaizana matotra mihevitra azy ireo ho nosoratan'ny olona nakany ny anarany.

Norman Geisler, izay manam-pahaizana momba ny Testamenta Vaovao, @ "When Skeptics Ask", p. 156:
The Gnostic writings were not written by the apostles, but by men in the second century (and later) pretending to use apostolic authority to advance their own teachings. Today we call this fraud and forgery.

[size=16]Inona no tianao : mystery sa tantara ?[/size]

Raha tsorina dia tsy fitantaran'ny fiainan'i Jesoa Kristy fa fampianarana ésotérique, mifono mystery, izay tsy mitanisa antsipiriany ara-tantara tahaky ny anaran'olona na toerana na tranga niseho, ny evanjely gnôstika. Mifanohitra tanteraka @ Testamenta Vaovao, izay mirakitra antsipiriany tsy tambo isaina momba ny fiainana sy ny ministera ary ny tenin'i Jesoa Kristy, ny toetrany.

Iza no inoanao : olona milaza aminao hoe "E, etsy ianao hampianarako fahalalàna miafina izay nambara tamiko" sa olona milaza aminao hoe : "Nandinika fatratra ny rakitantara sy ny porofo aho ka iny ny anao dia anjaranao ny manapa-kevitra" ? Hevero anie ireto filazàna 2 ireto :
- Toy izao ny teny miafina izay nolazain'i Jesoa ary noraketin'i Joda Tômasy Didymo (evanjely gnôstikan'i Tômasy, nosoratana sahabo ho tanelanelan'ny taona 110 sy 150)
- Satria maro no efa nanoratra nandahatra tantara ny amin’ ny zavatra izay efa tanteraka [Na: inoana tokoa amintsika] tamintsika tokoa araka izay efa noraisintsika natolotry ny vavolombelona izay sady nahita maso no efa mpitory [Gr. mpanompo] ny teny hatramin’ ny voalohany: dia sitrako koa, rehefa nofotorako tsara ny zavatra rehetra hatramin’ ny niandohany, ny hanoratra izany aminao araka ny filaharany, ry Teofilo tsara indrindra [Gr. mahery indrindra; teny fanajana ny lehibe izany] , mba hahafantaranao tsara fa mafy orina ny teny izay nampianarina anao. (Lk. 1:1-4, nosoratana sahabo ho tanelanelan'ny taona 55 sy 70).

Mieritreritra ve ianao fa ny fomba fanoratr'i Lioka matotra sy mangarahara no mety aminao kokoa ? Mieritreritra ve ianao fa azo atokisana kokoa ilay izy nohon'ny daty nanoratana azy izay akaikin'ny daty nanombohana an'i Jesoa Kristy t@ hazofijaliana (taona 33 eo ho eo) lavitra kokoa ? Izay koa no noeritreritin'ny Fiangonana fahiny ary nampianariny.

Miombon-kevitra @ Fiangonana fahiny koa ny ankabeazan'ny manam-pahaizana fa ny Evanjely @ Testamenta Vaovao no tena tantaran'i Jesoa Kristy.

Raymond Brown, manam-pahaizana momba ny Testamenta Vaovao:
We learn not a single verifiable new fact about the historical Jesus’ ministry, and only a few new sayings that might possibly have been his.

Na dia 'kirana' fatratra t@ asa soratra gnôstika ny manam-pahaizana vitsivitsy, tsy maharesy ny Testamenta Vaovao mihitsy @ lafin'ny daty nanoratana sy ny fahatomombanan'ny fitantaràna izy ireo.

F. F. Bruce, manam-pahaizana momba ny Testamenta Vaovao:
There is no body of ancient literature in the world which enjoys such a wealth of good textual attestation as the New Testament.

Izany dia efa ampy handrondanana ny théories du complot rehetra aposaky ny sasany momba ny "evanjely" gnôstika.
répondu par voromailala le 10/09/2013 10:21
2. Miharena ( 02/09/2013 07:25)
Fomba fivavaky ny olona iray izay tsy dia lasa lavitra loatra amin'ny fandinihana ny Baiboly ity : Manana fiasana maro Ianao Jesoa entina mamerina ny olona ho isan'ny voavonjy. Ka na iza na iza tonga ao an-tsainy fa tokony hivavahana dia io ihany no ambentin-dresany.

Ka ny fanontaniana dia hoe : raha toa tokoa ka misy ireo karazana boky lazaina fa gnostika, tsy aleo ve aloha tonga dia hatao ny fampitahana dia hita hoe inona no tsy mifandraika amin'ny Evanjey 4 ao amin'ny Testamenta Vaovao? Avy eo izay vao mandray ny fanambaran'ny olona izay notanisainao namana Nehemiah?
3. Nehemiah ( 02/09/2013 07:44)
Tsy mba tonga ao an-tsainao ve fa :
- raha milaza ireo manam-pahaizana matotra ireo, miaraka @ Rain'ny Fiangonana kristiana fa tsy mifanaraka ny fitantaran'ny Evanjely 4 sy ny gnôstika dia azo heverina tsara mihitsy fa marina izy ireo ?
- efa nijery evanjely gnôstika aho ka nahita fa marina izay, tahaky ny andininy farany @ evanjelin'i 'Tômasy' ohatra, alohan'ny nanoratako an'ity ?
- manan-katao ankoatry ny mandinika ny evanjely gnôstika ts11 avy ka mitanisa ny diso ao anatiny ?

Ankoatran'izay ahoana ny fiheveranao ny @ nanamelohan'ny Apôstôly ny finoana gnôstika sy ny @ elanelam-potoana mampisaraka ny fahafatesan'i Kristy sy ny nanoratana azy ireo ary ny tsy fahafantarantsika ny mombamomba ny mpanorany ?
4. voromailala ( 02/09/2013 07:47)
Ny namana Nehemiah dia tokapo ohatra siny ka tsy mahalala afatry ny baiboly, toy ny mpitondra fivavahana rehetra ihany.
Ka na inona na inona boky mitantara momban'i Jesoa ka ivelan'ny baiboly dia diso aminy.

Kanefany amiko amin'ireny no mety ahitana ny tena fampianaran'i Jesoa, satria mety anisan'ny evanjily nohesorina tamin'ny concile nicée izy ireny ka tsy tafiditra tao anaty baiboly.

Ao ohatra ny evanjilin'i Maria sy Filipo ary Tomasy izany milaza fa mpivady Jesoa sy Maria.
Misy oronantsary tao amin'ny France 5, mbola azonao jerena eto ny Replay.RÉVELATIONS SUR LA FEMME DE JÉSUS

Izay milaza fa i Maria madeleine no mpianatr'i Jesoa nahay indrindra, ary nisy fotoan azany dia izy no nitarika ny apostoly taorinan'ny nandehanan'iJesoa.
Ary avy amin'ireny evanjily lazaina fa apokirifa ireny ihany koa dia manomboka voa marina amin'ny alalan'ny fikarohana arkeolojika toy fasan'i Jesoa izany nosoratako eto.
nahitana ny razan'i Jesoa, Maria vadiny ary ny zanaka lahiny Judah.
Chance 1/30 000 hoy ireo mpikaroka raha tsy diso aho no mety mahadiso ireo fikarohana io.

5. Nehemiah ( 02/09/2013 08:25)

voromailala:

Ny namana Nehemiah dia tokapo ohatra siny ka tsy mahalala afatry ny baiboly, toy ny mpitondra fivavahana rehetra ihany.
Ka na inona na inona boky mitantara momban'i Jesoa ka ivelan'ny baiboly dia diso aminy.

Zavatra voalohany, tsy mpitondra fivavahana aho.
voromailala:
Kanefany amiko amin'ireny no mety ahitana ny tena fampianaran'i Jesoa, satria mety anisan'ny evanjily nohesorina tamin'ny concile nicée izy ireny ka tsy tafiditra tao anaty baiboly.

Fahaiza-miaina ifotony ny mamaky tsara ny voalazan'ny olona 1 izay voa mametraka hafatra mamaly azy : nilaza aho hoe :

Nanamarina ilay Rain'ny Fiangonana Irénée 140 taona talohan'ny kônsily tany Nikaia, fa neverin'ny Fiangonana ho heretika ny Gnôstika. Nahiliny koa ny "evanjeliny".

ary

Origène, izay teôlôjiana kristiana, 100 taona mahery talohan'ny kônsily tany Nikaia :
Mahafantatra evanjely 2 izay antsoina hoe "Evanjely nosoratan'i Tômasy", ary ny "Evanjely nosoratan'i Matia", ary ny maro hafa koa - sao dia heverin'ny sasany ho bado izahay nohon'ireo izay mieritreritra ny tenany ho manana fahalalàna manokana satria mahay an'ireny.

Na izany na tsy izany, eo anilan'ireny dia tsy niaiky afa-tsy izay neken'ny Fiangonana izahay, izany hoe ny Evanjely 4 ihany no tokony ekena."

Ankoatran'izay efa nomeko anao imbetsaka ity rohy ity sady namaritra aho hoe "ny tapany momba ny canon" kanefa tsy novalianao mihitsy ny hevitra narosoko teo.
Ka rehefa jerena dia voa mainka tokam-po lavitra noho izaho ianao sady @'izay tsy maneho fahaiza-miaina : odianao fanina izay lazain'ny sasany fa ny anao ihany no abosesikao :-)
Tsy ny hatokam-poko no zava-dehibe fa ny fahatomombanan'ny hevitra arosoko. Marina ve aho sa tsia ?
Raha marina aho, tongava saina. Raha diso ahy, asehoy ahy ny hadisoako.
voromailala:
Ao ohatra ny evanjilin'i Maria sy Filipo ary Tomasy izany milaza fa mpivady Jesoa sy Maria.
Misy oronantsary tao amin'ny France 5, mbola azonao jerena eto ny Replay.RÉVELATIONS SUR LA FEMME DE JÉSUS

Izay milaza fa i Maria madeleine no mpianatr'i Jesoa nahay indrindra, ary nisy fotoan azany dia izy no nitarika ny apostoly taorinan'ny nandehanan'iJesoa.
Ary avy amin'ireny evanjily lazaina fa apokirifa ireny ihany koa dia manomboka voa marina amin'ny alalan'ny fikarohana arkeolojika toy fasan'i Jesoa izany nosoratako eto.
nahitana ny razan'i Jesoa, Maria vadiny ary ny zanaka lahiny Judah.
Chance 1/30 000 hoy ireo mpikaroka raha tsy diso aho no mety mahadiso ireo fikarohana io.

Raha ny momba ny horonan-tsarin'i Simcha Jacobovici milaza fa nahita ny fasan'i Jesoa tany Talpiot dia tena miala tsiny aminao fa efa naseho fa fôpla ny fikarohan'i Jacobovici :
- ny soratra @ fasana izay lazainy fa milaza hoe "Jesoa" dia mety midika hoe "Hamôna" ny tena marina fa tsy Jesoa, satria sarotra ihany ny mamaky ny soratra onciale
- ny statistika nomena t@ horonan-tsary dia niainga avy t@ données nomen'i Jacobovici an'ilay mpahay statistika, izay ianjadian'ny hevitra raiki-tapisak'i Jacobovici fa fasan'i Jesoa avokoa ilay izy ka nanjary nandiso ny kajy : manana namana anglisy izay manana namana Jiosy nilaza azy fa tsy midika inona na inona mihitsy izao satria "common like mud" ireny anarana tahaky ny ireny na dia ankehitriny aza ?
- nahoana no "Jesoa zanak'i Jôsefa" no nosoratana t@ fasana kanefa neverina ho Galiliana Izy ka tokony "Jesoa avy any Nazareta" no nosoratana teo ?
Mbola maro ny hevi-dravina @'ilay horonan-tsary fa tsy mety tadidiko ny sasany sady tsy mandeha ny connex°-ko, ka mbola hanoratra hevitra momba an'izay aho dia apetrako aty ny rohy.
6. Miharena ( 02/09/2013 08:26)
Na ny an'ny namana Nehemiah, na ny an'ny namana Voromailala eto dia samy milaza fa manam-pahaizana matotra avokoa no manao fikarohana ka milaza izay tsoa-kevira azony avy. Fa ny ahy indray dia tsy izay manam-pahaizana izay loatra no entiko milaza fa marina ny fananmbaràny avy. Satria ny manam-pahaizana manko amiko dia efa manana izay raftora napetrany ho fahamarinana dia mampanaiky ny hafa izay fanadihadiana omeny.

Raha te-hahalala ny marina isika dia tokony ireo izay atao hoe mandà ny tenany ary baikoin'ny Fanahy Masina hilaza ny marina no tokony hohainoina. Avy eo dia mijery ireo karazana apokrifa raha toa ka mifanaraka amin'ny Fanahy manambara aty aoriana mitantara hoe izao no tena izy fa tsy io voasoratra io.

Ny mitady ireny karazana porofo ara-panahy ireny no hitako hoe mahaliana ahy kokoa ary maharesy lahatra ahy fa tsy izay mitady porofo ara-materialy fotsiny ihany. Izany hoe avy amin'ireny fanambaràna mivantana ireny no tokony horaisina vao mamoaka tsoa-kevitra hoe toy izao izany no izy raha misy tranga materialy miseho.

Anisan'ny mahaliana ahy ohatra ilay Testamenta Fahatelo fa azo hanazavàna zavatra maro amin'ny tranga misy ankehitiny.

7. Nehemiah ( 02/09/2013 08:44)

Miharena:

Tsy afa-bela @'izany ianao, na tianao na tsy tianao. Resaka filôzôfia tsotra izany : samy manana ny axiomes iaingany.
Miharena:
Raha te-hahalala ny marina isika dia tokony ireo izay atao hoe mandà ny tenany ary baikoin'ny Fanahy Masina hilaza ny marina no tokony hohainoina. Avy eo dia mijery ireo karazana apokrifa raha toa ka mifanaraka amin'ny Fanahy manambara aty aoriana mitantara hoe izao no tena izy fa tsy io voasoratra io.

Ahoana no ahafantaranao fa tsy nobaikoin'ny Fanahy Masina ny olona tahakan'i Irénée, Origène, Norman Geisler na F. F. Bruce ? Satria tsy mifanaraka @ ankinao ve ?
Miharena:
Ny mitady ireny karazana porofo ara-panahy ireny no hitako hoe mahaliana ahy kokoa ary maharesy lahatra ahy fa tsy izay mitady porofo ara-materialy fotsiny ihany. Izany hoe avy amin'ireny fanambaràna mivantana ireny no tokony horaisina vao mamoaka tsoa-kevitra hoe toy izao izany no izy raha misy tranga materialy miseho.

Anisan'ny mahaliana ahy ohatra ilay Testamenta Fahatelo fa azo hanazavàna zavatra maro amin'ny tranga misy ankehitiny.

Iza no niteny anao hoe tsy azo ampiarahina ny zava-panahy sy ny materialy ? Tsy avy @ finoana jodeo-kristiana anie izay hevitra izay fa filôzôfia grika e.
8. Miharena ( 02/09/2013 09:05)
Nehemiah:

Ahoana no ahafantaranao fa tsy nobaikoin'ny Fanahy Masina ny olona tahakan'i Irénée, Origène, Norman Geisler na F. F. Bruce ? Satria tsy mifanaraka @ ankinao ve ?

Mety ho marina ny filazan'ireo olona lazainao ireo, mety ho diso ihany koa anefa. Ny olana fotsiny amiko aloha dia hoe misy ny mpandinika fa ny zava-dalin'ny Fanahy Masina mety tsy ho hitany.

Iza no niteny anao hoe tsy azo ampiarahina ny zava-panahy sy ny materialy ? Tsy avy @ finoana jodeo-kristiana anie izay hevitra izay fa filôzôfia grika e

Azo itarafana ny ara-panahy ny tranga materialy saingy tsy afaka hanaporofoana na inona na inona ny ara-materialy satria izay zava-miafina tsy voatery ho hita ara-materialy fa fahatsapana ara-panahy ihany no hahafantarana azy.
9. voromailala ( 02/09/2013 09:05)
Nehemiah>Raha tsy mitondra fivavahana moa izany ianao dia inona izany no zavatra entinao eto?

Momba ny resaka hoe voalavy na tsia. Ny tsara kokoa dia mihaona miresaka angambany satria raha soratra tsy hotapitra mihintsy ny resadresaka.

Fa raha azoko tsara zany dia ao anatinao lalina miteny fa mety misy marina ny amin'ireny apokirifa ireny fa noho ny fivavahana narahanao dia lasa hoe tsy izy iry ireny?

Fanamarihana kely hoan'ny namana Nehemiah sy Miharena. Tsy hoe rehefa mizara ireny oronantsary ireny aho dia midika fa hoe miombokevitra, izay mahatonga ahy hatrany mametraka fanontaniana.

Fa na izany anefany dia amiko dia ilaina ny fikarohana siantifika, ahafahantsika mamantatra ny tantara ny tany sy izao tontolo izao.

10. Miharena ( 02/09/2013 09:11)
Amiko indray namana Voromailala dia tsy ilay resaka fikarohana no maninona fa ilay izy tsy ao anatin'ny atao hoe fikarohana ara-panahy no mety hampandringa azy.
11. voromailala ( 02/09/2013 09:33)
Miharena> izay koa marina. Tokony hampiasaina ilay teknolojia mba ahafahanao mandalina ny ara-panahy.
Ohatra: Azo hatao ny manamboatra laminasa Windows 8 izay mandeha hafatra isaky ny 5 minitra (azo hovaina arakaha izany ilaivana azy) hoe aza adino ny fampianaran'i Kristy.

12. Miharena ( 02/09/2013 09:44)
Voromailla:

Ohatra: Azo hatao ny manamboatra laminasa Windows 8 izay mandeha hafatra isaky ny 5 minitra (azo hovaina arakaha izany ilaivana azy) hoe aza adino ny fampianaran'i Kristy.

Ity ohatra dia azo antoka fa manipulation mentale na psykolojika. Ary azo raisina ho isan'ny mampandringa ny fianam-panahy tokoa. Satria izay tompon'ny fitaovana no mibaiko ny fahalalan'ny olona fa tsy ny Fanahy izay tena maha-izy azy avy intsony.

Raha mahatsikaritra isika dia rehefa misy adihevitra mandeha momba ny finoana dia misy ireo izay mihirm-belona manana fihevitra tsy azo ravàna mihitsy azony tamin'ny fandalin'ny olona ny Baiboly. Dia rehefa ilazàna tranga mazav be sy azo tsapain-tanana izy dia mahita soratra ao anaty Baiboly ialàna bala foana.

Fa ny Baiboly ihany moa no milaza azy ireo hoe : efa voapetaky ny vy mahamay ny lohany ka tsy misy intsony ny fiainam-panahy vanona amin'ireo karazan'olona ireo na hitory zato faharivo aza.
13. voromailala ( 02/09/2013 11:52)
Miharena> manaja izay fijerinao izay aho.

Amiko izany azo hampisaina daholo ny fitaovana rehetra ahatratrarana ny tanjona, ilay fiandanampo ao amin'i Kristy. ny vavaka izany dia fitaovana iray, taloha ohatra tamin'ny hoditra biby ny soratra masina, zao izy efa azo vakiana amin'ny finday sns....

Mila manaraka ny fivoarana arateknolojika ny fandalinana ny finoana, ary raha ny hevitro manokana azany dia tokony miova maraka ny teotrandro ny fampianaran'i Kristy, ny soratra masina izany.

Eritrereto anie hoe zavatra nolazaina 2000 taona mahery lasa, mbola tsisy solosaina, birao, aterineto tamin' izany, dia hiezahana hatao izay hampety ilay fampianarana am zao fotoana zao?

Mila havaozina ny soratra masina mba hifanarana amin'ny toetrandro.

14. voromailala ( 02/09/2013 14:34)

[size=16]Inona no tianao : mystery sa tantara ?[/size]

Raha tsorina dia tsy fitantaran'ny fiainan'i Jesoa Kristy fa fampianarana ésotérique, mifono mystery, izay tsy mitanisa antsipiriany ara-tantara tahaky ny anaran'olona na toerana na tranga niseho, ny evanjely gnôstika. Mifanohitra tanteraka @ Testamenta Vaovao, izay mirakitra antsipiriany tsy tambo isaina momba ny fiainana sy ny ministera ary ny tenin'i Jesoa Kristy, ny toetrany.

Iza no inoanao : olona milaza aminao hoe "E, etsy ianao hampianarako fahalalàna miafina izay nambara tamiko" sa olona milaza aminao hoe : "Nandinika fatratra ny rakitantara sy ny porofo aho ka iny ny anao dia anjaranao ny manapa-kevitra" ?

Avy nandalina kely resaka gnostika aho dia miverina mamaly ilay resaka amin'izay.

Hoan'izay te andalina dia nahita site gnostika madagasikara aho tsy fantatro hoe iza no tompony fa tena ahitana vaovao mahaliana.into ilay rohy.

Hiverina amin'ilay fanontaniana za hoe mystery sa tantara dia hoy aho hoe efa hitako ny tantara fa andeha indray aho hijery ny mystery.
Raha ny fikarohana nataoko dia misy fampianarana mihafina (ezoterika) nataon'i Jesoa tamin'ireo mpianany.

Ny olana anefa taty aoriana dia lasa tany antanan'ireo olondratsy ihany koa io fampianarana io. Izay no mahatonga andry zareo gnostika milaza fa misy ny Loge Blanche sy Loge Noire (illuminati sy ny karazany zany)

15. Nehemiah ( 02/09/2013 15:09)
Tsara ny mamaly ny hevitra napetrako, kanefa somary diso fiantefa ny valinao satria ny tiako ambara @'ilay fanontaniana dia hoe iza no tomombana tokoa : ilay miseho azy ho manana fampianarana miafina handrebireby ny sainao tahakan'ireny mpitondra sekta ireny ka tsy ahazoanao antoka ny hamarinan'ny fampianarany, sa ilay milaza fa nikaroka sy namototra tsara ka manome ny valin'ny fikarohana anao fa avelany hanapa-kevitra ianao ?
16. Nehemiah ( 02/09/2013 15:11)

voromailala:

Nehemiah>Raha tsy mitondra fivavahana moa izany ianao dia inona izany no zavatra entinao eto?

Kilalaon-teninao kosa izao :-)
voromailala:
Fa raha azoko tsara zany dia ao anatinao lalina miteny fa mety misy marina ny amin'ireny apokirifa ireny fa noho ny fivavahana narahanao dia lasa hoe tsy izy iry ireny?

:)
17. voromailala ( 02/09/2013 15:26)

Nehemiah:

Tsara ny mamaly ny hevitra napetrako, kanefa somary diso fiantefa ny valinao satria ny tiako ambara @'ilay fanontaniana dia hoe iza no tomombana tokoa : ilay miseho azy ho manana fampianarana miafina handrebireby ny sainao tahakan'ireny mpitondra sekta ireny ka tsy ahazoanao antoka ny hamarinan'ny fampianarany, sa ilay milaza fa nikaroka sy namototra tsara ka manome ny valin'ny fikarohana anao fa avelany hanapa-kevitra ianao ?

Raha ny ambaran'ilay fanontaniana indray no jerena dia izao:
Amiko izany mila handramana ilay izy vao fantatra hoe mandrebireby saina ve sa tsia?

Izany akory tsy midika hoe misy ireo zay mpitondra sekta nahay ilay izy dia navadiny ho fitadiavambola ohatra, izay ihany koa no nahatonga ny iliominatia.

18. voromailala ( 02/09/2013 15:26)

Nehemiah:

voromailala:

Nehemiah>Raha tsy mitondra fivavahana moa izany ianao dia inona izany no zavatra entinao eto?

Kilalaon-teninao kosa izao :-)
voromailala:
Fa raha azoko tsara zany dia ao anatinao lalina miteny fa mety misy marina ny amin'ireny apokirifa ireny fa noho ny fivavahana narahanao dia lasa hoe tsy izy iry ireny?

:)

mba mianatra andra Bor2lais zany :-)
19. Nehemiah ( 03/09/2013 05:32)

voromailala:
Raha ny ambaran'ilay fanontaniana indray no jerena dia izao:
Amiko izany mila handramana ilay izy vao fantatra hoe mandrebireby saina ve sa tsia?

Dia tsy mba hampihatra discernement ve ny olona ? Ohatra efa napetrako : tsy maintsy manandrana spaghetti misy poizim-boalavo ve voa hahafantatra fa poizina ilay izy ?
20. voromailala ( 03/09/2013 07:18)
Nehemiah> Ka io anie ilay lazaiko hoe samy manana ny hatao hoe "Tsara'" sy ny "Ratsy" ny olona e.
Vao miova firenena fotsiny ianao dia efa miova ny "Moral", na samy malagasy azany dia samy manana ny hataony hoe "Tsara" sy "Ratsy", tsy misy izany ny hoe tsara sy ratsy iraisan'izao tontolo izao.

Aminao ilay izy mety hoe misy poizim-boalavo amiko ilay mizy mety hoe misy sira, amin'ny olona hafa mety hoe misy dipoavatra.

Efa nanandrana aho matoa niteny an'izany, ohatra ny fampiasana ny Enneagramme. Fanazavan'ny Wikipedia io zaraiko io fa ny ahy le an'i Gurdjieff no efa nohalaliniko.
Izay mifandray amin'ny loi de la triade et loi d'octave.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0797