Nitsangana tamin'ny maty tokoa ve i Jesoa Kristy ? Fizaràna voalohany : ny zava-misy
1. Nehemiah
(
10/08/2013 06:47)
Iza amintsika no tsy manontany tena hoe inona no ho aviko aorian'ny fahafatesako ? Fanontaniana efa fametraka taloha lavitry ny nahatongavan'ny misiônera kristiana izany, efa fametraky ny razambe taloha, mbola voa mainka fametraka ankehitriny ary ho fametraka hatrany raha mbola izao tontolo izao izao tontolo izao.
Rehefa mahafoy olon-tiana isika dia malahelo mafy ary maimain'ny hihaona @ rehefa ho tonga ny anjarantsika. Hifanena any an-koatra @ olon-tiana nafointsika ve isika sa tsy misy inona na inona intsony aorian'ny fahafatesana ?
Nampianatra i Jesoa Kristy fa tsy nifarana t@ fahafatesan'ny vatantsika ny fiainantsika. Nanao filazàna mahatalanjona izy : Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. (Jn. 11:25). Nilaza koa ny vavolombelona fa nasehony ny fahefàny @ fiainana sy fahafatesana rehefa nitsangana t@ maty 3 andro taorian'ny namantsihana Azy @ hazofijaliana sy nandevenana Azy.
Kanefa misy ny olona izay tsy manana fanantenana mihitsy @ aorian'ny fahafatesana.
Mazava loatra fa tsy nino ny tenin'i Jesoa Kristy i Russell.
Nilaza ny mpanara-dia an'i Kristy fa niseho velona t@ taorian'ny fahafatesany sy ny fandevenany i Jesoa Kristy. Nilaza izy ireo fa tsy vitan'ny nahita Azy fa niara-nisakafo t@, nitsapa Azy ary niaraka t@ nandritry ny 40 andro.
Angano niforona taorian'ny nahafatesany ve izany sa mifototra @ zava-misy ? Zava-dehibe loatra ho an'ny finoana kristiana ny famaliana an'ity fanontaniana ity. Satria raha nitsangana t@ maty i Jesoa Kristy dia nanamarina an'izay rehetra nolazainy momba ny tenany, ny anton'ny fiainana ary ny ho avintsika aorian'ny fahafatesana.
Raha nitsangana t@ maty i Jesoa Kristy dia Izy no hany manana ny valin'ny resaka notanisaina etsy ambony. Eo ankilany, raha tsy marina ny fitantaràna ny fitsanganan'i Jesoa Kristy t@ maty dia mifototra @ lainga bevava ny finoana kristiana.
Maro ny tsi-mpino izay nanandrana nandiso ny fitsanganan'i Jesoa Kristy t@ maty. Tao anatiny i Josh McDowell. Nandany 700 ora nikaroka ny porofon'ny fitsanganan'i Jesoa Kristy t@ maty izy.
Izay no nosoratan'i McDowell t@ bokiny malaza The New Evidence That Demands a Verdict, izay mamelabelatra ny zavatra hitany.
Ka angano fandrebirebena saim-bahoaka ve ny fitsanganan'i Jesoa Kristy t@ maty sa tranga tena mahatalanjona fa saingy tena izy ? Tsy maintsy zohintsika aloha ny zava-misy @ tantara, izay voa afaka manatsoaka hevitra.
[size=16]Ny tsi-mpino sy ny mpandà an'Andriamanitra[/size]
Indrisy fa tsy ny olona rehetra no vonona hizaha ny zava-misy am-panetren-tena. I Bertrand Russell izao dia niaiky fa tsy 'niraharaha' ny zava-misy ara-tantara. T@'indray mandeha koa, nilaza am-pahatoniana ilay mpahay tantara Joseph Campbell t@ Televiziôna PBS fa tsy nitranga ny fitsanganan'i Jesoa Kristy t@ maty, kanefa tsy nitanisa porofo mihitsy izy. Misy manam-pahaizana sasany tahakan'i John Dominic Crossan miasa @ Jesus Seminar miombon-kevitra @. Tsy mitanisa porofon'ny fomba fijeriny mihitsy ireo mpandà an'Andriamanitra ireo.
Ny tsi-mpino tena tso-po kosa dia liana @ porofo. Ny tsi-mpino dia miezaka ny mampihatra ny fampiasàna ny fisainana @ hevitra rehetra tsy an-kanavaka fa tsy tonga dia ekena ho marina ary tsy maintsy mahita porofo mitombina tanteraka izy ireo vao mino. Marina fa mitifi-tena @ lafiny lôjika ity hevitra ity satria voatery tonga dia miaiky azy ho marina izy ireo, fa izany hoe resaka hafa izay. Ny tiako iaviana eto dia rehefa mamototra ny tsi-mpino tso-po dia tsy tonga dia mikatona @ possibilité fa mety marina ny zavatra fotorany.
Maro ny tsi-mpino izay tso-po kokoa noho i Russell sy Crossan izay namototra avokoa ny porofon'ny fitsanganan'i Jesoa Kristy t@ maty, ary tsy omena tsiny izy ireo satria io fanontaniana io angamba no manan-danja indrindra @ tantaran'ny olombelona.
[size=16]Faminanian'i Jesoa momba ny tenany[/size]
Efa niteny nialoha talohan'ny nahafatesany t@ mpianany i Jesoa Kristy fa hisy hamadika azy, hosamborina Izy ary hohombohana @ hazofijaliana ka hitsangana @ maty 3 andro aorian'izay Izy.
Tsy mahagaga ve izany tetik'i Jesoa izany ? Inona no ao ambadik'izay ? Tsy fombany ny misehoseho tahakan'ireny forains ireny, fa tena nanome toky Izy fa ho porofon'ny maha-Mesia Azy ho an'ny olona manana saina sy fo misokatra ny fahafatesany sy ny fitsanganany @ maty.
Izany hoe, efa nampandre mialoha ny mpianany i Jesoa ka raha tsy nanefa ny teniny Izy dia nanjary niharihary ho mpisoloky Izy.
Kanefa, alohan'ny amotorantsika momba ny fitsanganan'i Jesoa @ maty, tsy maintsy mamototra momba ny fahafatesany isika fa raha tsy izay dia manjary lasa alohan'ny omby ny sarety.
[size=16]Maty t@ fahafatesana mahatsiravina Izy, dia...? Tapitra hatreo ve ny resaka ?[/size]
Raha namaky ny Evanjely (na farafaharatsiny nahita ny sarimihetsika "La Passion du Christ" notontosain'i Mel Gibson ka tsy notampenanareo ny masonareo) ianareo dia fantatareo tahatahaky ny ahoana ny nahafatesan'i Jesoa Kristy.
Namadika Azy araky ny efa naminaniany ny mpianany Jodasy Iskariôta, ary nosamborina Izy. Nampandalovina kisarisarim-pitsaràna Izy ka nampangaina ho nikomy. Nomelohin'ny governora rômana Pontio Pilato Izy ho tombohana @ hazofijaliana.
Talohan'ny nanombohana Azy dia nokaravasiana t@ "chat à 9 queues", izay karavasy misy potipoti-by sy taolana @ mba handriatra ny nofo, Izy. Talohan'izay koa dia nodarohana sy nororaina ary noesoesoana Izy.
Rehefa avy nibata ny hazofijaliana 30 kg mahery tany Gologota Izy dia namantsika Azy teo @ hatotanana (fa tsy ny felatanana) sy ny tongony t@ fantsika vita @ vy bobaka sy martoa hazo mavesatra ny miaramila Rômana. Avy eo dia nalatsany t@ lavaka kely ny hazofijaliana, anelanelan'ny jiolahy 2.
Nihantona teo 6 ora eo ho eo Izy. T@ 3 hariva (izany hoe t@ ora fanaterana ny Zanak'Ondrin'ny Paska ho an'ny otan'Isiraely 1 manontolo t@ fivavahana Jiosy), nihiaka nanao hoe "Tetelestai !", izay teny aramiana ilazàna ny trosa izay voaloa tanteraka, Izy ary maty.
Lasa maizina tampoka ny lanitra ary nihorohoro ny tany.
Kanefa lasa maizina be kokoa ny fiainan'ny olona izay nanjary raiki-pitia t@ toetrany feno fahamoram-po sy fiantràna. Rava tsy misy ho raisina intsony ny fanantenany.
Malaky maty ihany i Jesoa ka gaga i Pilato ary nihevitra fa sao dia tsy tena maty ihany ilehio. Nisy miaramila rômana 1 nandoaka ny tehezan'i Jesoa t@ lefony. Ny fangaron'ny ra sy rano izay niboiboika avy @ fery dia nanambara avokoa fa maty i Jesoa.
Rehefa azon'ny miaramila antoka fa maty Izy dia nampidinina teo ary napetraka t@ fasan'i Josefa avy any Arimatea. Notohanana vato goaibe ny fidirana tokan'ny fasana ary nambenin'ny miaramila Rômana andro aman'alina ilay izy.
Teo ankilany, difotry ny alahelo ary nivarahontsana izaitsizy ny mpianatr'i Jesoa.
Toa rava ny fanantenana rehetra. Toa nandresy i Rôma sy ny Fariseo. Sa ?
[size=16]Kanjo...[/size]
Tsy tapitra hatreo ny resaka. Tsy nanjavona ny fandalàna ny fampianaran'i Jesoa (mazava loatra ;) ). Raha ny tena marina dia ny fivavahana kristiana no fivavahana lehibe indrindra ankehitriny. Ka inona izany no zavatra nitranga taorian'ny nametrahana an'i Jesoa t@ fasana ?
Izay no fanontaniana tsy maintsy fotorantsika.
5 monja ny hevitra mitombina azo anazavàna ny fitsanganan'i Jesoa Kristy t@ maty araky ny fitantaran'ny Testamenta Vaovao azy :
- tsy maty ambony hazofijaliana izao i Jesoa
- tetika ratsy maty paika ny fitsanganan'i Jesoa Kristy t@ maty
- nanofy atoandro ny mpianatra
- angano ilay fitantaràna
- tena nitranga ilay izy.
Ny aiza no tena mifandraika @ zava-misy ?

ilay filôzôfa mpandà an'Andriamanitra Bertrand Russell:
I believe that when I die I shall rot, and nothing of my own ego will survive.
Mazava loatra fa tsy nino ny tenin'i Jesoa Kristy i Russell.
Nilaza ny mpanara-dia an'i Kristy fa niseho velona t@ taorian'ny fahafatesany sy ny fandevenany i Jesoa Kristy. Nilaza izy ireo fa tsy vitan'ny nahita Azy fa niara-nisakafo t@, nitsapa Azy ary niaraka t@ nandritry ny 40 andro.
Angano niforona taorian'ny nahafatesany ve izany sa mifototra @ zava-misy ? Zava-dehibe loatra ho an'ny finoana kristiana ny famaliana an'ity fanontaniana ity. Satria raha nitsangana t@ maty i Jesoa Kristy dia nanamarina an'izay rehetra nolazainy momba ny tenany, ny anton'ny fiainana ary ny ho avintsika aorian'ny fahafatesana.
Raha nitsangana t@ maty i Jesoa Kristy dia Izy no hany manana ny valin'ny resaka notanisaina etsy ambony. Eo ankilany, raha tsy marina ny fitantaràna ny fitsanganan'i Jesoa Kristy t@ maty dia mifototra @ lainga bevava ny finoana kristiana.
R. C. Sproul, teôlôjiana, @ "Reason to Believe", p. 44:
The claim of resurrection is vital to Christianity. If Christ has been raised from the dead by God, then He has the credentials and certification that no other religious leader possesses. Buddha is dead. Mohammad is dead. Moses is dead. Confucius is dead. But, according to Christianity, Christ is alive.
Maro ny tsi-mpino izay nanandrana nandiso ny fitsanganan'i Jesoa Kristy t@ maty. Tao anatiny i Josh McDowell. Nandany 700 ora nikaroka ny porofon'ny fitsanganan'i Jesoa Kristy t@ maty izy.
Josh McDowell:
I have come to the conclusion that the resurrection of Jesus Christ is one of the most wicked, vicious, heartless hoaxes ever foisted upon the minds of men, OR it is the most fantastic fact of history.
Izay no nosoratan'i McDowell t@ bokiny malaza The New Evidence That Demands a Verdict, izay mamelabelatra ny zavatra hitany.
Ka angano fandrebirebena saim-bahoaka ve ny fitsanganan'i Jesoa Kristy t@ maty sa tranga tena mahatalanjona fa saingy tena izy ? Tsy maintsy zohintsika aloha ny zava-misy @ tantara, izay voa afaka manatsoaka hevitra.
[size=16]Ny tsi-mpino sy ny mpandà an'Andriamanitra[/size]
Indrisy fa tsy ny olona rehetra no vonona hizaha ny zava-misy am-panetren-tena. I Bertrand Russell izao dia niaiky fa tsy 'niraharaha' ny zava-misy ara-tantara. T@'indray mandeha koa, nilaza am-pahatoniana ilay mpahay tantara Joseph Campbell t@ Televiziôna PBS fa tsy nitranga ny fitsanganan'i Jesoa Kristy t@ maty, kanefa tsy nitanisa porofo mihitsy izy. Misy manam-pahaizana sasany tahakan'i John Dominic Crossan miasa @ Jesus Seminar miombon-kevitra @. Tsy mitanisa porofon'ny fomba fijeriny mihitsy ireo mpandà an'Andriamanitra ireo.
Ny tsi-mpino tena tso-po kosa dia liana @ porofo. Ny tsi-mpino dia miezaka ny mampihatra ny fampiasàna ny fisainana @ hevitra rehetra tsy an-kanavaka fa tsy tonga dia ekena ho marina ary tsy maintsy mahita porofo mitombina tanteraka izy ireo vao mino. Marina fa mitifi-tena @ lafiny lôjika ity hevitra ity satria voatery tonga dia miaiky azy ho marina izy ireo, fa izany hoe resaka hafa izay. Ny tiako iaviana eto dia rehefa mamototra ny tsi-mpino tso-po dia tsy tonga dia mikatona @ possibilité fa mety marina ny zavatra fotorany.
Maro ny tsi-mpino izay tso-po kokoa noho i Russell sy Crossan izay namototra avokoa ny porofon'ny fitsanganan'i Jesoa Kristy t@ maty, ary tsy omena tsiny izy ireo satria io fanontaniana io angamba no manan-danja indrindra @ tantaran'ny olombelona.
[size=16]Faminanian'i Jesoa momba ny tenany[/size]
Efa niteny nialoha talohan'ny nahafatesany t@ mpianany i Jesoa Kristy fa hisy hamadika azy, hosamborina Izy ary hohombohana @ hazofijaliana ka hitsangana @ maty 3 andro aorian'izay Izy.
Tsy mahagaga ve izany tetik'i Jesoa izany ? Inona no ao ambadik'izay ? Tsy fombany ny misehoseho tahakan'ireny forains ireny, fa tena nanome toky Izy fa ho porofon'ny maha-Mesia Azy ho an'ny olona manana saina sy fo misokatra ny fahafatesany sy ny fitsanganany @ maty.
Wilbur M. Smith @ " Great Certainty in This Hour of World Crises", p.10-11:
When he said that He himself would rise again from the dead, the third day after He was crucified, He said something that only a fool would dare say, if He expected longer the devotion of any disciples – unless He was sure He was going to rise. No founder of any world religion known to men ever dared say a thing like that.
Izany hoe, efa nampandre mialoha ny mpianany i Jesoa ka raha tsy nanefa ny teniny Izy dia nanjary niharihary ho mpisoloky Izy.
Kanefa, alohan'ny amotorantsika momba ny fitsanganan'i Jesoa @ maty, tsy maintsy mamototra momba ny fahafatesany isika fa raha tsy izay dia manjary lasa alohan'ny omby ny sarety.
[size=16]Maty t@ fahafatesana mahatsiravina Izy, dia...? Tapitra hatreo ve ny resaka ?[/size]
Raha namaky ny Evanjely (na farafaharatsiny nahita ny sarimihetsika "La Passion du Christ" notontosain'i Mel Gibson ka tsy notampenanareo ny masonareo) ianareo dia fantatareo tahatahaky ny ahoana ny nahafatesan'i Jesoa Kristy.
Namadika Azy araky ny efa naminaniany ny mpianany Jodasy Iskariôta, ary nosamborina Izy. Nampandalovina kisarisarim-pitsaràna Izy ka nampangaina ho nikomy. Nomelohin'ny governora rômana Pontio Pilato Izy ho tombohana @ hazofijaliana.
Talohan'ny nanombohana Azy dia nokaravasiana t@ "chat à 9 queues", izay karavasy misy potipoti-by sy taolana @ mba handriatra ny nofo, Izy. Talohan'izay koa dia nodarohana sy nororaina ary noesoesoana Izy.
Rehefa avy nibata ny hazofijaliana 30 kg mahery tany Gologota Izy dia namantsika Azy teo @ hatotanana (fa tsy ny felatanana) sy ny tongony t@ fantsika vita @ vy bobaka sy martoa hazo mavesatra ny miaramila Rômana. Avy eo dia nalatsany t@ lavaka kely ny hazofijaliana, anelanelan'ny jiolahy 2.
Nihantona teo 6 ora eo ho eo Izy. T@ 3 hariva (izany hoe t@ ora fanaterana ny Zanak'Ondrin'ny Paska ho an'ny otan'Isiraely 1 manontolo t@ fivavahana Jiosy), nihiaka nanao hoe "Tetelestai !", izay teny aramiana ilazàna ny trosa izay voaloa tanteraka, Izy ary maty.
Lasa maizina tampoka ny lanitra ary nihorohoro ny tany.
Kanefa lasa maizina be kokoa ny fiainan'ny olona izay nanjary raiki-pitia t@ toetrany feno fahamoram-po sy fiantràna. Rava tsy misy ho raisina intsony ny fanantenany.
Lord Hailsham, chancelier lehiben'ny Royaume-Uni taloha, @ "The Door Wherein I Went", p. 54:
The tragedy of the Cross was not that they crucified a melancholy figure, full of moral precepts, ascetic and gloomy … What they crucified was a young man, vital, full of life and the joy of it, the Lord of life itself … someone so utterly attractive that people followed him for the sheer fun of it.
Malaky maty ihany i Jesoa ka gaga i Pilato ary nihevitra fa sao dia tsy tena maty ihany ilehio. Nisy miaramila rômana 1 nandoaka ny tehezan'i Jesoa t@ lefony. Ny fangaron'ny ra sy rano izay niboiboika avy @ fery dia nanambara avokoa fa maty i Jesoa.
Jim Bishop, @ "The Day Jesus Died", p. 257:
The dead do not bleed, ordinarily, but the right auricle of the human heart holds liquid blood after death, and the outer sac hold a serum called hydropericardium.
Rehefa azon'ny miaramila antoka fa maty Izy dia nampidinina teo ary napetraka t@ fasan'i Josefa avy any Arimatea. Notohanana vato goaibe ny fidirana tokan'ny fasana ary nambenin'ny miaramila Rômana andro aman'alina ilay izy.
Teo ankilany, difotry ny alahelo ary nivarahontsana izaitsizy ny mpianatr'i Jesoa.
J. P. Moreland, nalain'i Lee Strobel am-bava t@ "The Case for Christ", p. 246:
They no longer had confidence that Jesus had been sent by God. They also had been taught that God would not let his Messiah suffer death. So they dispersed. The Jesus movement was all but stopped in its tracks.
Toa rava ny fanantenana rehetra. Toa nandresy i Rôma sy ny Fariseo. Sa ?
[size=16]Kanjo...[/size]
Tsy tapitra hatreo ny resaka. Tsy nanjavona ny fandalàna ny fampianaran'i Jesoa (mazava loatra ;) ). Raha ny tena marina dia ny fivavahana kristiana no fivavahana lehibe indrindra ankehitriny. Ka inona izany no zavatra nitranga taorian'ny nametrahana an'i Jesoa t@ fasana ?
Peter Steinfels @ “Jesus Died – And Then What Happened?” @ New York Times 3 Aprily 1998:
Shortly after Jesus was executed, his followers were suddenly galvanized from a baffled and cowering group into people whose message about a living Jesus and a coming kingdom, preached at the risk of their lives, eventually changed an empire. Something happened … But exactly what?
Izay no fanontaniana tsy maintsy fotorantsika.
5 monja ny hevitra mitombina azo anazavàna ny fitsanganan'i Jesoa Kristy t@ maty araky ny fitantaran'ny Testamenta Vaovao azy :
- tsy maty ambony hazofijaliana izao i Jesoa
- tetika ratsy maty paika ny fitsanganan'i Jesoa Kristy t@ maty
- nanofy atoandro ny mpianatra
- angano ilay fitantaràna
- tena nitranga ilay izy.
Ny aiza no tena mifandraika @ zava-misy ?
répondu par Nehemiah le 13/08/2013 13:03
2. moustaraf
(
11/08/2013 15:42)
salama namana,
Mety ho maro ny hevitra izay tena tsy hitovy mihitsy raha momba an'io tantara io,satria maro ireo laazaina ho manam-pahaizana no miezaka manaporofo ny mifanohitra amin'io.
-Raha ara-baiboly no itondrana ny fanaporofoana dia mila mahafehy tsara ny baiboly manontolo isika:
1° Hoy Jaona ao @ Apok "Izy ilay zanak'ondry voavono hatramin'ny nanorenana an'izao tonolo izao";
Raha nanota i Adama sy Rhavah dia nanamboarana akajo hodi-biby = hoditr'ondry izay novonoina ho famelan-keloka = Yeshu'a
2°Nodidiana ny Israely hanatitra fanatitra isan-karazany mandritra ny taona ; ireny rhetra ireny dia tandidon'ilay fanatitra tokana vitan'i Mesia (hatramin'ny voalohany), izay naseho ampahibe maso t@ taona 30
3°Davida dia efa naminany "Ny fanatitra biby dia tsy tianao, ary ny fanatitra alatsa-drà tsy mba nankasitrahinao; fa fanahy torotoro (rouha nishbarah= Yeshu'a) no ankasitrahinao
4°NY ampitson'ny Paska no anaovana ny fanantitra amboara aevaeva= ampitson'ny paska nitsangana Yeshu'a , izy ilay amboara aevaeva araka ny fanehoam-pinona fa TSY MAINTSY MITSANGANA AMIN'NY MATY IZY
5°Mbola misy secret hafa: Nahoana i Maria no tsy navelany hikasika azy aloha t@ iny maraina iny? MISY HEVI-DALINA IO

3. Miharena
(
12/08/2013 06:38)
Raha ho an'ny olona tsy ara-panahy dia tsy hahazo izany fitsanganana amin'ny maty izany mihitsy izy.
Ny ahy moa dia te-haneho ihany hoe maninona no aseho antsika amin'izao vanim-potoana izao fa tsy maty ny olona fa manana ny fanahy velona rehefa mandao ny nofony?
Ny tiana ambara dia hoe mbola fiheverana sy fanadihadiana ihany ve ny finoana ankehitriny sa efa miteny aminn'y fahatsapana ny fanahy tanteraka ?
Lasa diso mitodika loatra amin'ny fanadihadiana isika fa tsy mijery izay tena zavamisy sy tsapantsika ao anaty ao.
Ny Fanahy Masina miasa amin'ny fanoroana ny famaliana ireo fanontaniana apetraky ny saina ireo ohatra dia tsy heverintsika akory.
Azo atao ny mamaky ny Baiboly ary andraisana ohatra velona ny fiainana andavanandro. Raha tsy izay dia foana ny lojikam-pivoarana ao amin'ny Baiboly izay fikasan'Andriamanitra.

4. pisoonja
(
13/08/2013 06:20)
Ny fitsanganana amin'ny maty dia natao ho an'ny olona rehetra , na tsy mino io na mino, satria ny tsy ara-panahy dia hahazo fitsanganana mahavaivay
Amiko ny fanarahana ny didin'Andriamanitra sy ny fanaovana ny sitrapony dia ahazoana fiainana mandrakizay.

5. Nehemiah
(
13/08/2013 07:35)
moustaraf:
salama namana,
Mety ho maro ny hevitra izay tena tsy hitovy mihitsy raha momba an'io tantara io,satria maro ireo laazaina ho manam-pahaizana no miezaka manaporofo ny mifanohitra amin'io.
-Raha ara-baiboly no itondrana ny fanaporofoana dia mila mahafehy tsara ny baiboly manontolo isika:
1° Hoy Jaona ao @ Apok "Izy ilay zanak'ondry voavono hatramin'ny nanorenana an'izao tonolo izao";
Raha nanota i Adama sy Rhavah dia nanamboarana akajo hodi-biby = hoditr'ondry izay novonoina ho famelan-keloka = Yeshu'a
2°Nodidiana ny Israely hanatitra fanatitra isan-karazany mandritra ny taona ; ireny rhetra ireny dia tandidon'ilay fanatitra tokana vitan'i Mesia (hatramin'ny voalohany), izay naseho ampahibe maso t@ taona 30
3°Davida dia efa naminany "Ny fanatitra biby dia tsy tianao, ary ny fanatitra alatsa-drà tsy mba nankasitrahinao; fa fanahy torotoro (rouha nishbarah= Yeshu'a) no ankasitrahinao
4°NY ampitson'ny Paska no anaovana ny fanantitra amboara aevaeva= ampitson'ny paska nitsangana Yeshu'a , izy ilay amboara aevaeva araka ny fanehoam-pinona fa TSY MAINTSY MITSANGANA AMIN'NY MATY IZY
5°Mbola misy secret hafa: Nahoana i Maria no tsy navelany hikasika azy aloha t@ iny maraina iny? MISY HEVI-DALINA IO
Hitanao ihany ireny tsi-mpino ireny : rehefa miantso porofo avy @ Baiboly dia ahiliny satria "fisainana mitamberina" hony, na dia tsy fisainana mitamberina aza. Kanefa misy ny porofo avy ivelan'ny Baiboly ho an'ny fitsanganan'i Kristy t@ maty, ary ho hitantsika @ fizaràna ho avy izy ireo.
6. Nehemiah
(
13/08/2013 07:46)
Miharena:
Raha ho an'ny olona tsy ara-panahy dia tsy hahazo izany fitsanganana amin'ny maty izany mihitsy izy.
Marina izany, araky ny 1 Kor. 2:14.
Miharena:
Ny ahy moa dia te-haneho ihany hoe maninona no aseho antsika amin'izao vanim-potoana izao fa tsy maty ny olona fa manana ny fanahy velona rehefa mandao ny nofony?
Ny tiana ambara dia hoe mbola fiheverana sy fanadihadiana ihany ve ny finoana ankehitriny sa efa miteny aminn'y fahatsapana ny fanahy tanteraka ?
[quote=Miharena]Lasa diso mitodika loatra amin'ny fanadihadiana isika fa tsy mijery izay tena zavamisy sy tsapantsika ao anaty ao.
Ny Fanahy Masina miasa amin'ny fanoroana ny famaliana ireo fanontaniana apetraky ny saina ireo ohatra dia tsy heverintsika akory.
Azo atao ny mamaky ny Baiboly ary andraisana ohatra velona ny fiainana andavanandro. Raha tsy izay dia foana ny lojikam-pivoarana ao amin'ny Baiboly izay fikasan'Andriamanitra.
Ka tsy tanjon'ny apôlôjetika mihitsy anie ny "mandresy lahatra" na ny manova fo e. Anjaran'ny Fanahy Masina ny manova fo.
1 Pet. 3:15-16 : fa manamasìna an’ i Kristy ho Tompo ao am-ponareo [Isa. 8.12, 13] ; ary aoka ho vonona mandrakariva hianareo hamaly izay manontany anareo ny amin’ ny anton’ ny fanantenana ao anatinareo, nefa amin’ ny fahalemem-panahy sy ny fanajana, ka manàna fieritreretana tsara, mba ho menatra izay manaratsy ny fitondran-tenanareo tsara ao amin’ i Kristy, dia izay anendrikendrehana anareo. (Avy amiko ny sora-mandry)
Izay no tanjon'ny apôlôjetika izay : ny mahavaly ny fihaikàna apetraky ny mpanaraby sy ny mpanaratsy, ary koa ny manamafy ny fiorenan'ny finoan'ny sasany manana finoana mareforefo na voahozongozona, araky ny Jod. 22-23.
7. Nehemiah
(
13/08/2013 07:54)
pisoonja:
Ny fitsanganana amin'ny maty dia natao ho an'ny olona rehetra , na tsy mino io na mino, satria ny tsy ara-panahy dia hahazo fitsanganana mahavaivay
Iny moa dia tsy iadiana hevitra, araky ny Ap. 20. Kanefa tsy izay fitsanganana @ maty izay no resahana ety fa ny fitsanganan'i Jesoa Kristy t@ maty.
pisoonja:
Amiko ny fanarahana ny didin'Andriamanitra sy ny fanaovana ny sitrapony dia ahazoana fiainana mandrakizay.
Milaza ny Gal. 2:16 hoe : "nefa nony fantatsika fa tsy hamarinina amin’ ny asan’ ny lalàna ny olona, fa amin’ ny finoana an’ i Jesosy Kristy, dia nino an’ i Kristy Jesosy koa isika mba hohamarinina amin’ ny finoana an’ i Kristy, fa tsy amin’ ny asan’ ny lalàna, satria tsy misy nofo hohamarinina amin’ ny asan’ ny lalàna.
Etsy ianao raha te-hahafantatra bebe kokoa.
8. Nehemiah
(
13/08/2013 13:03)
Ity ny rohy mankany @ fizaràna faha2 :
http://forum.serasera.org/forum/message/m520a2e69158cc