Aleo avadika ny pejy, fa mba hitady ny tsara amin'izay
1. endriny
(
05/07/2013 12:46)
Ahoana no fomba hanomezana endrika tsara ny finoana Malagasy?
répondu par Nehemiah le 25/07/2013 06:50
3. Nehemiah
(
05/07/2013 13:25)
Zava-dehibe angaha ny "endriky" ny finoana 1 ?
Sa inona no tena tianao tenenina @'izany endri-pinoana izany ?

4. pisoonja
(
06/07/2013 06:05)
Mizara maromaro ny finoan'ny gasy
Mino an'Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy nanafaka antsika t@ fahotana
Mino ny fanahin'ireo razam-be izay lazainy fa mbola mitahy
ka iza amin'ireo no omena endrika tsara , ilay voalohany sa faharoa

5. Miharena
(
07/07/2013 00:24)
Nisy mpandala ny esoterisme Malagasy izay miresaka mazava fa tsy maty ny razana ary manana boky firaketana mihitsy izy amin'ny resaka ifanaovany amin'ny mpanjaka rehetra teto Madagasikara hatramin'izao. Rehefa anontaniana indray izy anefa hoe ahoana izany finoana Kristianina dia hoy izy hoe tsy diso mihitsy io finoana io fa mifameno tsara ary ny an'ny Malagasy aza no manamafy ny finoana Kristianina. Ny fifandraisan'ny razana amin-Janahary sy Jesoa dia lazain'io olona io fa mandeha hatrany.
Ka asa tokoa hoe inona no endrika hanatsaràna izany fomba izany? mety mifandray tokoa ve? Fa raha te-hahalala izany aloha dia mila miroboka tanteraka vao mahazo hoe ahoana no tena vontoatiny.

6. endriny
(
09/07/2013 04:54)
Ny ahy izany ilay fivavahan-drazana nitomboan'ny firenena Malagasy mihintsy no tiako vohizina, fa iny rafitra iny sy ny fadiny no hitako mifandraika amin'ny natiora sy ny fifanajana eto Madagasikara.
Raisiko ohatra amin'ny toerana lasa be Kristianina dia mihitatra izay tsy izy ny tevy ala, ary tsy hay tohaina mihintsy fa ampian'ny mpitondra fiangonana mihintsy aza ny mpitevy ala amin'ny hoe: Anjakao ny zava-boahary, ka na ny biby fady sy ny tany rehetra aza dia ringana avokoa.
Fady ny mamono Vintsy ary tsy maintsy fonosana lambamena ny Vintsy sendra voavono tsy nahy na novonoina... Rehefa tonga ny Kristianina dia: Vorona kely ohatr'io ve no mba ampitoviana voninahitra amin'ny olona raha maty ka fonosina lamba mena...
Nisy mihintsy moa teto niteny hoe ny Malagasy kamo misaina fa tsy mijery question pour un champion... Dia hoy aho hoe ny Question pour survie aza ve tsy voavaliny kosa dia izay rediredim-bazaha any no andeha andaniana betro, tsy aleo mampifalifaly saina mba ho ela velona a...

7. tsipolitra
(
09/07/2013 07:00)
sarotra be zany ry endriny satria efa bobaka be ny antokom-pivavahana eto @ tanàna, ny malagasy ihany koa dia menatra @ fampisehoana ny fivavahan-drazana.
8. booboo
(
09/07/2013 09:04)
Angamba tokony ampianarina sy ampahafantarina bebe kokoa ny tena dikan-draha aby. Ny raha tsy hay sy tsy fantatra ihany manko no atahorana sy diaboliser-na, amiko manokana.
9. Miharena
(
09/07/2013 10:31)
Marina daholo izay voalaza fa ny olana tokoa dia misy ny mialokaloka eo amin'ny tenin'Andriamanitra sasany mba hihoarana ny fahendrena tsara nananan'ny ntaolo, ary manaotao foana noho izany.
Ary tsy vitsy ny ohatra velona mikasika izany zavatra izany raha tsy hilaza afatsy ny ota fady izay mahalavo ireo kristianina sasany izay manao izany eny amin'ny toerana fady.
Fa ny tena zava-dehibe tokony imasoana angamba dia ny hoe inona no mampihaona araka ny tokony ho izy ireo fahendrena rehetra voizin'ny roa tonta, indrindra ny mahakasika ny maha-olombelona sy ny fiainany ara-panahy.

10. Nehemiah
(
09/07/2013 15:02)
endriny:
Ny ahy izany ilay fivavahan-drazana nitomboan'ny firenena Malagasy mihintsy no tiako vohizina, fa iny rafitra iny sy ny fadiny no hitako mifandraika amin'ny natiora sy ny fifanajana eto Madagasikara.
Raisiko ohatra amin'ny toerana lasa be Kristianina dia mihitatra izay tsy izy ny tevy ala, ary tsy hay tohaina mihintsy fa ampian'ny mpitondra fiangonana mihintsy aza ny mpitevy ala amin'ny hoe: Anjakao ny zava-boahary, ka na ny biby fady sy ny tany rehetra aza dia ringana avokoa.
Fady ny mamono Vintsy ary tsy maintsy fonosana lambamena ny Vintsy sendra voavono tsy nahy na novonoina... Rehefa tonga ny Kristianina dia: Vorona kely ohatr'io ve no mba ampitoviana voninahitra amin'ny olona raha maty ka fonosina lamba mena...
Nisy mihintsy moa teto niteny hoe ny Malagasy kamo misaina fa tsy mijery question pour un champion... Dia hoy aho hoe ny Question pour survie aza ve tsy voavaliny kosa dia izay rediredim-bazaha any no andeha andaniana betro, tsy aleo mampifalifaly saina mba ho ela velona a...
Ary tsy matin'i Ndriana Rabarioelina n°2 lolo mihitsy ny filazako ny zava-misy an :-).
11. endriny
(
09/07/2013 16:28)
Hay ve eh? Ary mba dadany indray izany sampam-pitsikilovana nehemeahisma izany an
12. endriny
(
10/07/2013 04:38)
Inona avy ny soa sy ny tsara navelan'ny fahendrena sy ny finoan-drazana Malagasy?
13. smileyah
(
10/07/2013 08:10)
Inona no tianao ho lazaina? Mbola hamono omby hatao joro ve? Sa hanatitra hena ho an'ny Voay sy ny mamba? Sa hanatitra tantely eny @ vodihazo rehetra eny?
14. pisoonja
(
10/07/2013 10:38)
Misy ny tsara tokony hotazomina , fa ny omby hatao joro ovay ataovy masikita ,e!!!!!!!!!!!!
15. Miharena
(
11/07/2013 03:45)
Izy ity moa forum fa tsy hoe fitarihana ny hafa hanangana fironan-kevitra fa samy maneho hevitra fotsiny ihany ary ny tsara amin'ny dia mba ho hevitra mahitsy kokoa no entina mivoaka avy eo. Mahafinaritra ny an'ny namana Pisoonja.Tsy ampifandraiaina amin'y finoana ny omby fa nofonkena mitampihavanana ihany e!
16. endriny
(
15/07/2013 05:51)
smileyah:
Inona no tianao ho lazaina? Mbola hamono omby hatao joro ve? Sa hanatitra hena ho an'ny Voay sy ny mamba? Sa hanatitra tantely eny @ vodihazo rehetra eny?
Rehefa tsymandringana ny tsy mitovy finoana amin'ny tena dia efa tsara amiko...
17. Nehemiah
(
15/07/2013 08:29)
Nahoana ary no kianinao ny kristiana manana finoana tsy mandringana ?
18. sitlo
(
15/07/2013 19:26)
Ny sasany miseho milay ery hoe tsara averina ny toetsaina maha-malagasy fahiny sns... Nefa rehefa misy miteny hoe inona avy ary ireo tsara tamin'ny finoana malagasy taloha, dia iny fa resaka fanaterana sorina eny amin'ny vodihazo no asesika...
19. endriny
(
17/07/2013 13:14)
Nehemiah:
Nahoana ary no kianinao ny kristiana manana finoana tsy mandringana ?
Vetivety fotsiny jereo hy fototry ny fivavahana Kristianina, ny baiboly sy ny ady ao aminy, ny fanaovana sorona ny zanakolona, ny croisade, ny fanjanahantany, ny fandorana ireo lazaina fa sampy, ny fandoroana tantara ny mponina amerika afovoany, ny fidarohana andro aman'alina ny firenena mifototra amin'ny sahariah, vao afak'omaly i egipta... dia voavaly ilay fanontanianao ny namana.
Fa ireo singa nahasoa sy niarahan'ny Malagasy nirihariha hatrizay no tiako ajoro sy atambatra.
20. Nehemiah
(
17/07/2013 14:44)
endriny:
Vetivety fotsiny jereo ny fototry ny fivavahana Kristianina
Jn. 3:16 : "Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay."
endriny:
ny baiboly sy ny ady ao aminy
2 Kor. 10:4a"fa tsy avy amin’ ny nofo ny fiadian’ ny tafikay"
endriny:
ny fanaovana sorona ny zanakolona
1 Kor. 1:18 : "Fa ny teny ny amin’ ny hazo fijaliana dia fahadalana amin’ izay ho very, fa herin’ Andriamanitra kosa amintsika izay hovonjena
endriny:
ny croisade, ny fanjanahantany, ny fandorana ireo lazaina fa sampy, ny fandoroana tantara ny mponina amerika afovoany, ny fidarohana andro aman'alina ny firenena mifototra amin'ny sahariah, vao afak'omaly i egipta... dia voavaly ilay fanontanianao ny namana.
http://forum.serasera.org/forum/message/m5191d57765a0e, jereo manokana ny teny farany