Diso ny fiheverana fa ny finoan'ny Ntaolo malagasy...

1. alfantomas ( 16/06/2013 09:22)
Diso ny fiheverana fa ny finoan'ny Ntaolo malagasy dia mifanohitra amin'ny finoana kristianina, tsy mifanohitra velively ireo fa mifameno aza
répondu par Nehemiah le 19/06/2013 07:30
2. Tefigasy ( 17/06/2013 04:31)
Hazavao ny hevitrao, tohano amin'ny ohatra sy ny tranga misy mivantana.
Inona ilay finoan'ny ntaolo malagasy ?
Inona avy ireo lazaina fa kolon-tsaina malagasy maneho taratra izany finoany izany ?
Mifandray sy ankatoavin'ny fivavahana kristianina ve izy ireny ?
3. sitlo ( 17/06/2013 04:32)
Diso izany fa ny Ntaolo tsy niraharaha izay Jesosy sy Abrahama sy ny tariny tany.

Ny mahatonga ny olona ankehitriny hihevitra fa mifameno ireo dia satria ny finoana kristianina rehefa nahelin'ny eoropeanina teto an-tany dia nofafainy teo amin'ny fiarahamonina ny finoana taloha. Tamin'ny fomba maro isan-karazany.

Koa satria ny manam-pahaizana no azo vonoina mivantana, ny boky sy ny tempoly ary ny zavatra mivaingana no azo dorana. Fa ny any an-tsain'ny tsy manam-pahaizana kosa tsy afaka esorina, dia navadika finoana kristianina ireny. Ary eo no tsy araky ny taty aoriana intsony hoe nentin'ny vazaha ve ireny sa efa teto an-toerana.

Ohatra, ny teny hoe "masina" dia teto an-toerana fahizay. Rehefa maty avokoa ireo olona tena mahalala ny nataon'ny ntaolo hoe "masina" dia napetraka tao an-tsain'ny olona fa ireto no atao hoe masina: soratra masina, olo-masina, rano voahasina...

Tsy haiko raha mazava. Tsy ny malagasy irery no voan'io fa amin'ny toerana maro eto an-tany. Rehefa nadika tamin'ny tenin'ny olona teo amin'ny toerana iray ny finoana kristianina dia ny voambolana nampiasain'ireo olona ireo tamin'ny finoany no nalain'ny kristianina handikana ny baiboly sns. Coup double
4. Nehemiah ( 17/06/2013 07:12)
Miseho mazava @ valin'i Sitlo ny fankahalany raiki-tapisaka ny finoana kristiana. Tiako marihina fotsiny fa tsy masina ho an'ny olona rehetra ny rano voahasina.

Tsy azo lavina fa niditra mora foana t@ fiaraha-monina Malagasy ny finoana kristiana, mora lavitra nohon'ny @ firenena mpanompo sampy hafa, satria tena mifandraika @ soatoavina Malagasy ny soatoavina kristiana : masi-mandidy Andriamanitra, tsy mety maty ny fanahy, fanajàna ray aman-dreny, ny tody (justice immanente) ary indrindrindrindra ny Fihavanana, mazava loatra.

@ maha-kristiana ahy mino ny Baiboly ahy aloha dia tsy mahagaga ahy mihitsy izany : milaza ny Baiboly fa nahalala an'Andriamanitra ny olombelona taorian'ny Safo-drano, kanefa nirona t@ fanompoan-tsampy nohon'ny hafitsok'i Nimroda izy ireo ary naparitak'Andriamanitra avy tany Babela. Ny olona niely avy tany dia nitazona fahalalàna an'Andriamanitra izay nihalo tsikelikely arakaraky ny tsy fahaizan'ny foko maro samihafa niely avy tany nitazona an'izay fahalalàna izay.

Ny vazimba tonga taty izao dia nahalala an'Andriamanitra, fa saingy nanjary nifangaro t@ fanompoana ny maty ilay izy. Avy eo nentin'ny Arabo taty ny fanompoan-tsampy ka voa mainka lasa niharatsy ny toe-javatra ara-panahy. Soa ihany fa "Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron’ny tsi-fahalalana" (Asa. 17:30a).

Kanefa koa tsy azo lavina koa fa misy ny lafiny sasany @ finoan'ny Ntaolo izay mifanohitra @ finoana kristiana. 1 @'ireny ny fanompoana razana tsy afaka manisy soa na ratsy antsika. Anank1 hafa ny hoe : "Ny tonon'andro tsy mahalehilahy". Nahoana ny gasy ankehitriny no fatalistes tsy mahasahy manohitra ny vintana sy laxistes tsy hanao raha ary manaiky lembenana tahak'izao ? Vokatr'ity fisainana raiki-tapisaka anatin'ny sain'ny gasy ity, fa tsy mba vokatry ny finoana kristiana, izay mitarika ny olona hanao izay tratry ny ainy hahatanteraka ny fandaharan'Andriamanitra ho an'ny fiainany. Fisainana efa nisy t@ andron'ny Ntaolo io. Mbola tsy nitondra faisana t@ fiaraha-monina ilay izy t@ andron'ny fiaraha-monina mifototra @ fambolena sy fiompiana, fa ankehitriny, @'izao tontolo mandroso be izao, tavela ny gasy...

Ka hoy aho hoe : tsy miendrika eny/tsia ny valin'io fanontaniana io. Tokony tsipahina izay tsy mifanaraka @ finoana kristiana tahakan'ny fanompoana razana satria Andriamanitra efa nanome fitahiana manokana an'i Madagasikara sy ny vahoaka Malagasy mba ho vahoaka misongadina eran-tany @ lafiny fahalalàna sy fanajàna Azy. Izay no mahatonga ny Nosintsika ho feno karazan-javamananaina tsy fahita raha tsy aty hany ka mahafinaritra tsy misy toy izany ny écosystème ary hisy fiaraha-monina ahitàna olona tsara fanahy sy mahay mandray olona, sns. Kanefa inona moa no nataontsika ? Nanilika Azy isika. Jereo fotsiny ny stands misy gazety isa-maraina ary vakio ny lohateny. Avy eo gaga rehefa rakofan'ny valala (izay entin'Andriamanitra manasazy ny vahoaka nanilika azy, izahao Dt. 28:38-42) ny ampaha3n'ny firenena.
5. sitlo ( 17/06/2013 07:14)
averiko indray fa tsy velona ato amiko ny atao hoe fankahalana fa aza mifaneso
6. Nehemiah ( 17/06/2013 07:37)
sitlo:

tsy velona ato amiko ny atao hoe fankahalana fa aza mifaneso

Lol
7. sitlo ( 17/06/2013 07:38)
Tsy hitako izay mampihomehy amin'izany. Ary tsy azoko akory ny antony isehoana itoriana teny eto nefa izany no toetra.
8. Nehemiah ( 17/06/2013 07:43)
Aza mi-noyer le poisson eo moa e. Tianao ho fongotra aty Madagasikara ny finoana kristiana ka midika izay fa halanao ilay izy ./.
9. sitlo ( 17/06/2013 07:46)
Tsy vadinao aho na inona anao ka fantatrao ny tiako atao.
10. Nehemiah ( 17/06/2013 08:13)
Ny toetrako indray no kianiny...
11. sitlo ( 17/06/2013 08:19)
Tsy misy iraharahiko izay fiainanao any fa aza mifanopa eto fotsiny dia ampy ahy izay. Isaky ny mamoaka hevitra aho lazainao fa raiki-tapisaka ato anatiko ny fankahalana. Tsy mba afaka atao dinika sy adihevitra tsotra ve ity?
12. Nehemiah ( 17/06/2013 08:30)
Taiza koa no misy zavatra arabiana nefa tsy ankahalàna :) ? "Asanareo manompo faty" aho e, "finoana natao mba hitarika ny olona ho mpanompo" aho e, "tokony haka vakansy @ finoana kristiana ny gasy" aho e...
13. sitlo ( 17/06/2013 08:33)
Ndeha ataoko hoe tsy fantatrao ny atao hoe fankahalana. Fa ny teneniko fotsiny dia hoe aza antsoina ho mankahala aho fa ompa izany amiko.
14. Nehemiah ( 17/06/2013 08:36)
Eny ary
15. RBNIR ( 17/06/2013 09:42)
Faly miarahaba ny namana rehetra indray,

Marina ny an'ny namana sitlo, tsy misy hifandraisan'ny velively ny finoana kristianina sy ny finoan'ny Ntaolo malagasy.
Ankehitriny koa dia mbola betsaka no tsy mahafantatra ny tena finoana kristianina "fa mihevitra ho mahalala" fotsiny ihany ny ankamaroan'ny olona.
Ny tena fampianarana dia ilay natolotri Jesosy Kristy Tompo 2000 taona lasa ary niainan'ireo apostoly sy ireo kristianina tany amboalohany.
Izay rehetra niala tamin'io fampianarana voalohany (tsy misy kilema) io dia efa tsy mahafantatra intsony "ILAY MARINA NAMBARAN'I JESOSY".
Mifidy olona indray ny Tompo ankehitriny hamerenana an'io finoana io amin'ilay tena MARINA takiany.
Eto Madagasikara dia efa nisy voafidy, any ivelany koa dia efa nolazainy fa efa nisy nofidiany ......
Mitadiava dia hahita hianareo.........

Samia ho tahin'ny Tompo daholo
16. bor2lais ( 17/06/2013 10:31)
sitlo:

Tsy vadinao aho na inona anao ka fantatrao ny tiako atao.

"zany an !" :-)
nehemiah:

Ny toetrako indray no kianiny...

"fa inona njay ary ?" :-)
sitlo:

Ndeha ataoko hoe (tsy) fantatrao ny atao hoe fankahalana. Fa ny teneniko fotsiny dia hoe aza antsoina ho mankahala aho fa ompa izany amiko.

:-)
nehemiah:

Eny ary

"bravo ... !" :-)
17. Tefigasy ( 17/06/2013 11:02)
Tsy hita intsony moa ity izay nalehan'ilay namana nametraka ilay lohahevitra. Ho anareo nitondra fanazavana eo ambony ireo ary, mba afaka mamaritra tsara ilay tena atao hoe "finoan'ny ntaolo malagasy ve ianareo ? " .
Ahoana no tena ilazanareo fa tsy misy hifandraisany velively amin'ny finoana kristianina izany ?

Ohatra mivantana :
Ny ntaolo malagasy dia nino fa Andriamanitra no nahary ny lanitra sy ny tany ary izay rehetra eo aminy. Ny kristiania ihany koa dia toa izay
Ny ntaolo malagasy dia niandry an'Andriamanitra hatrany eo amin'ny zavatra maro (fangataham-pitahiana, famaliana ny fahavalo, ...). Ny kristianina ihany koa dia toa izay
(....)
Ny olana hitako fotsiny aloha hatreto dia mbola nitsapatsapa tao anaty haizina ny ntaolo malagasy ka voafetra ihany ilay fahalalany an'Andriamanitra. Hany ka tsy mahagaga raha nanafangaro an'ilay Andriamanitra tamin'ny fomba fanao hafa izay tsy azy ny ntaolo: toa ny fanangaroharoana an'Andriamanitra amin'ny razana, ny famadihana, ny sorona sy ny alafady maro isan-karazany, ...
Ekeko fa tena tsy nadraharaha ilay Abrahama, Jesosy, sy ny tariny ny ntaolo: ahoana tokoa moa no tokony hiraharahiany an'izany nefa ireo ary tsy fantany akory. Na ilay Andriamanitra antsoiny aza tsy hainy akory ny anarany ! Saingy hita eo amin'ny toetrany, ny fombany, ny kolon-tsainy fa tena olona nivavaka sy natahotra an'Andriamanitra ny malagasy hatrizay, ary voarakitra sy hita ao anatin'ny fahendrena malagasy izany. Io no nandrindra ny fiaraha-monina malagasy fahiny.

Raha mandeha any ambanivolo be any ianao, mahita malagasy mbola manao ireo fomba ireo, mbola tsy mahalala ilay fivavahana kristianina, ka atoronao azy ilay tena Andriamanitra voarakitra ao anaty baiboly, dia mora ho azy ireo ny mandray Azy, mora ho azy ireo ny manakifika ireo hevitra sy fomba notsapatsapaina fahiny mba hahitana sy hihaonana amin'Andriamanitra. Firifiry moa ireo mpisikidy, mpilalao ody no nivadika ho kristianina, nandoro ny odiny sy ny fanaony rehefa tena nahita sy nahalala ilay Andriamanitra izay tsy mifanalavitra amin'ilay notadiaviny sy nokatsahiny hatrizay !
Saingy rehefa tsy voazava tsara , tsy voatolotra tsara ilay tena fivavahana kristianina dia toa lasa hanampiana ilay fomba efa diso tao anatin'ny fitsapatsana ilay izy. Izany hoe mijanona sy tazonina ireo fomba rehetra natao hatrizay entina hitadiavana ilay mpahary fa ampiana izay vaovao entin'ny fivavahana kristianina. Ary ireo matetika no milaza fa mifameno ilay fivavahana kristianina sy ilay efa an'ny ntaolo malagasy hatrizay.

Ny hamitinako azy dia izao : tsy mifameno fa manitsy ilay fivavahan'ny ntaolo malagasy izay niaina tao anatin'ny fitsapatsapana ny fomba rehetra mety hahitana sy hihaonana amin'Andriamanitra ny fivavahana kristianina. Efa nino ilay Andriamanitra mpanao ny tany sy ny lanitra ny malagasy fahiny, nitady ny fomba sy hevitra entina mihaona aminy saingy tsy nahita fa nitsapatsapa tao anaty haizina. Izay no hahitsin'ny fivavahana kristianina.

Izay aloha ny fahitako azy hatreto, mety ho diso, mety ho tsy ampy fa anjaranao ny mameno na ny manitsy ! Ary tsy voasoratra ao anaty baiboly koa izany ka tsy azoko hiziriziriana ny mety ho fahamarinany
18. pisoonja ( 17/06/2013 11:29)
hatreto dia tena mitovy hevitra amiano aho ry namana tefigasy , fa ny ntaolo taloha dia efa nametraka fa " aza ny lohasaha mangina no jerena fa Atra ao an-tampon'ny loha " , nahalala ilay tena Atra izany izy ireo , "Hajao ny rainao sy ny reninao mba ho lava andro ianao ", dia nametraka ny Ntaolo fa ny famadihana dia fanajana ny ray aman-dreny sy ireo rehetra nahitana masoandro
noho izany na tsy nahafantatra ny Soratra Masina aza izy ireo dia hita t@ izany fa Atra no nanan'izy ireo tahotra voalohany
19. Nehemiah ( 17/06/2013 13:08)

Tefigasy:
Saingy rehefa tsy voazava tsara , tsy voatolotra tsara ilay tena fivavahana kristianina dia toa lasa hanampiana ilay fomba efa diso tao anatin'ny fitsapatsana ilay izy. Izany hoe mijanona sy tazonina ireo fomba rehetra natao hatrizay entina hitadiavana ilay mpahary fa ampiana izay vaovao entin'ny fivavahana kristianina. Ary ireo matetika no milaza fa mifameno ilay fivavahana kristianina sy ilay efa an'ny ntaolo malagasy hatrizay.

Mahaliana ity filazanao ity ary azo heverina fa anisan'ny anton-dehibe tsy nampahomby ny asa fitoriana Filazantsara aty Madagasikara : notampohan'ny misionera "môderina" ny hafatra.
20. alfantomas ( 17/06/2013 14:07)
ny mahatonga ny maro an'isa hanakiana ny finoan'ny ntaolo fahiny dia tsara raha ampafantarina ihany fa vokatry ny fanjanahantsaina nentin'ny mpanjanaka izay naofantsihan'izy ireo tao antsain'ny zanan-tany ny fankahalana an'izay ananany fa nosoloin'ireo ho fanamboniana ny azy ireo. Ny ntaolo anie efa niantehatra tamin' Atra fahiny fa ny fiheverany ny toerana misy azy no tsy mitovy. Satria teny antsaha sy tany anaty ala no nivelaran'ny sainy dia tsy mahagaga loatra raha noheveriny fa teny no misy ny Zanahary fa ny an'ny Jiosy dia ny ady lapa no niseho matetika tany dia izay no nilazany fa any AN-DAPA SOA NO MISY AN'ANDRIAMANITRA NEFA VE EFA NISY NAHITA IZANY??? ny finoan'ireo aza dia milaza fa mahita ny toerana rehetra Atra nefa lazainy fa any an-dapa soa....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.5982