Diso ny fiheverana fa ny finoan'ny Ntaolo malagasy...
21. endriny
(
17/06/2013 14:19)
alfantomas:
Diso ny fiheverana fa ny finoan'ny Ntaolo malagasy dia mifanohitra amin'ny finoana kristianina, tsy mifanohitra velively ireo fa mifameno aza
Izany hoe fiheverena sy fomba ary paikady hitarihana ny Malagasy ho kristianina io havitra io. Marina fa nino zanahary tonga eo ambonin'ny sampy maro ny Malagasy. Saingy ity no tadidio, rehefa tsy mandeha ny varotra matetika dia tsy maninona atao trosa ny entana na anovana dokam-barotra.
Amin'ny finoana kristianina ihany koa dia misy ny doka sy ny fitarihana ny olona mba hino na "fitadiavana kil" hoy aho.
Ny tantara teto Madagasikara: Tamin'ny Vatikan 1, dia mbola natao tamin'ny teny latinina ny ankamaroan'ny lamesa tao amin'ny katolika, nampananosarotra ny olona io ary dia nifindra tsikelikely nankany amin'ny protestanta ny olona (ny protestanta izay nanao ny fivavahana tamin'ny tenimalagasy). Hita soritra nanerana ny tany io, ka dia natao ny vatikan 2, izay maka ny fomban'ny tany ivavahana. Dia natao tamin'ny tenigasy tanteraka ny fivavahana katolika teto Madagasikara.
Tsy ampy anefa io, satria ny fivavahana Besopy (Protestanta) dia niha-nahazo laka hatrany noho ny fampiasany ny hira zafindraony tany am-piangonana. Dia taitra ny Katolika ka nampiasa ny Ankalazao ny tompo izay ny frère (Pere) Paul Louis tamin'izany androny no tena nitarika sy namorona azy. Niverina tsikelikely ny mpino, nitombo ny fianakaviana niditra an-daharana.
Ny Protestanta tetsy an-daniny mbola nihazohazo tamin'ny fampiasana ny bahan-kira Malagasy tany ampiangonana. Saingy rehefa nahita izy ireo fa betsaka ihany koa ny olony voasarika nifindra tany amin'ny pantekotista, izay sady manao balina no mivavaka. Dia teraka teo ny fanohanana an'i Ndriana Andriamamonjy, Fara, sy Hantatiana moa fantatsika daholo.
Dia tao koa moa an-koatr'ireo ny katolika sy ny pantekotista izay mizara frippery hanambazana olona mahantra andeha hanantona ny fiangonan'izy ireo avy...
Fehiny, tetik'ady ilazana aminao io : "
alfantomas:" fa tokony hivadika kristianina ianao fa mora aminao ilay izy raha Malagasy ianao...
ny finoan'ny Ntaolo malagasy dia mifanohitra amin'ny finoana kristianina, tsy mifanohitra velively ireo fa mifameno aza
Fitadiavana kil
23. endriny
(
17/06/2013 15:34)
Andriamanitra tsy ifaninanana:
Rehefa naniraka ny mpianany hitory ny Kristy, dia nisy mpianatra niverina ka nilaza hoe: "Ry Tompo misy olona koa any mitory amin'ny vahoaka ny momba an'Atra ihany koa any amin'ilay toerana nanirahinao anay", Dia hoy ny :"Ny Kristy avelao izy fa mandehana any amin'ny tany mbola tsy misy mpitory"
Rehefa naniraka ny mpianany hitory ny Kristy, dia nisy mpianatra niverina ka nilaza hoe: "Ry Tompo misy olona koa any mitory amin'ny vahoaka ny momba an'Atra ihany koa any amin'ilay toerana nanirahinao anay", Dia hoy ny :"Ny Kristy avelao izy fa mandehana any amin'ny tany mbola tsy misy mpitory"
24. Miharena
(
17/06/2013 16:14)
Tefigasy:
Efa nino ilay Andriamanitra mpanao ny tany sy ny lanitra ny malagasy fahiny, nitady ny fomba sy hevitra entina mihaona aminy saingy tsy nahita fa nitsapatsapa tao anaty haizina. Izay no hahitsin'ny fivavahana kristianina.
Mba tsy hironana amin'ny fomba fiheverana tratran'ny tarazom-panenjehana sy fanindrahindrana dia mila arindra ny fijery ny zavamisy. Ny hany mba mila fantarina tsara dia hoe : tena maizina tokoa ve sa ny fomba fijerin'ny mpino taty aoriana no nandoto azy?
Misy ny Hasina izay mifototra amin'ny voary sy ny fahalalàna fa IRAY no LOHA namorona teo amiin'ny Malagasy. Ny sampy dia voary ara-panahy ary noheverina ho manana hery arakaraka ny fanahy nipoirany avy ary izy ireo no manoro ilay endrika entina hanehoana azy toy ny tapakazo, zavamaniry, tandroka, fangaro samihafa. Mety hisy hilaza hoe ratsy ny fisian'ireny nefa azo lazaina fa nandrindra ny fiainan'ny Malagasy izy ireny. Ny olana noho ny fanamavoana ireny rindra ireny dia niteraka tsy fifanajàna ary lasa toetra ratsy teo amin'ny Malagasy maro izay mandala ny Kristianina izy io. Tarazon'ny fitadiavana hery lehibe sy mahasehaka noho ny ann'ny namana hafa no nitranga ka nanjary lasa zary nisy akony mandrak'ankehitriny ilay izy eo amin'ny samy Kristianina. Ny adim-pinona dia isan'ny atao hoe karazana megalomanie na fiheverna ho lehibe noho ny hafa, na marina kokoa noho ny hafa.
Izany hoe toetra iray ihany no nifandimby hatramin'izao fa tsy mbola tonga amin'ny sehatra mazava ny olomblelona ka tafavoaka ny fifandirana tsy misy varany.
Ny fomba hivoahana amin'izany toetra izany dia tsy misy afa-tsy zavatra tsotra ihany: tsy mitsara fa mandinika. Tsy mijery ivelany fa mandinika ny vontoatiny. Ary ny lehibe indrindra dia ny fanafoanana ny tena, izany hoe tsy miseho ho mahay noho ny Mpandahatra. Izay manana izany dia mahazo be dia be : ohatra : ireo oloan mifoha maro teto MAdagasikara izay olona lohan'ny sampy nefa folaka ary lasa nahavita fahagagàna lehibe noh ny fanekena an'i Jesoa tanteraka. Tsy olon'ny boky fa olon'ny finoana marina.
25. Tefigasy
(
18/06/2013 05:44)
Miharena:
Ny sampy dia voary ara-panahy ary noheverina ho manana hery arakaraka ny fanahy nipoirany avy ary izy ireo no manoro ilay endrika entina hanehoana azy toy ny tapakazo, zavamaniry, tandroka, fangaro samihafa
Izao izany ilay ambara any amin'ilay 3eme testament raha azoko tsara ?
26. Nehemiah
(
18/06/2013 07:13)
Ny ntaolo anie efa niantehatra tamin' Atra fahiny fa ny fiheverany ny toerana misy azy no tsy mitovy. Satria teny antsaha sy tany anaty ala no nivelaran'ny sainy dia tsy mahagaga loatra raha noheveriny fa teny no misy ny Zanahary fa ny an'ny Jiosy dia ny ady lapa no niseho matetika tany dia izay no nilazany fa any AN-DAPA SOA NO MISY AN'ANDRIAMANITRA NEFA VE EFA NISY NAHITA IZANY??? ny finoan'ireo aza dia milaza fa mahita ny toerana rehetra Atra nefa lazainy fa any an-dapa soa....
Angamba misy fiheveran-diso eto. Rehefa milaza ny Jiosy fa any an-dapa soa no mifanena @'Andriamanitra dia tsy voatery midika fa any ihany no misy Azy. Tahaky ny Ntaolo dia nihevitra ny Jiosy fa manerana ny toerana rehetra Andriamanitra. Kanefa Izy mihitsy no namepetra ny Jiosy mba tsy hanompo sy hanolotra sorona Azy afa-tsy any @ Tempoly, fa manjary mirongatra ny fanompoan-tsampy.
27. Nehemiah
(
18/06/2013 07:34)
endriny:
Andriamanitra tsy ifaninanana:
Rehefa naniraka ny mpianany hitory ny Kristy, dia nisy mpianatra niverina ka nilaza hoe: "Ry Tompo misy olona koa any mitory amin'ny vahoaka ny momba an'Atra ihany koa any amin'ilay toerana nanirahinao anay", Dia hoy ny :"Ny Kristy avelao izy fa mandehana any amin'ny tany mbola tsy misy mpitory"
Marina avokoa : tsy nanorina fivavahana vaovao mihitsy i Kristy. Izay koa no mahatonga anay FJKM tsy hitarika ny olona ho FJKM fa hitarika ny olona ho kristiana, izany hoe hanaraka an'i Kristy.
28. endriny
(
18/06/2013 14:26)
Nehemiah:
: tsy nanorina fivavahana vaovao mihitsy i Kristy. Izay koa no mahatonga anay FJKM tsy hitarika ny olona ho FJKM fa hitarika ny olona ho kristiana, izany hoe hanaraka an'i Kristy.
Mahafinaritra ahy mihintsy ny fiangolan'ny tenigasy ry zareo a. :"tsy nanorina fivavahana vaovao mihitsy i Kristy. Izay koa no mahatonga anay FJKM ...hitarika ny olona ho kristiana", koa raha izay no marina tokony nijanona tamin'ny finoana Jiosy ny rehetra, fa tsy namorona ny hoe kristianina, nefa kay izy kristy aza izany nandala ny finoana teo alohany... Tsy mifangarika ve izany fijery izany?
29. voromailala
(
18/06/2013 14:35)
io resaka io mihintsy no voalaza ao amin'ny Evanjilin'i Thomas, momba an'ilay ondry nania.
Hoy Jesoa, rehefa very ilay ondry iray dia navelany teo ireo ondry 99, ary lasa nitady azy izy,
koa rehefa hitany ilay ondry very, dia iny no lasa ondry tiany indrindra.
I Jesoa ilay ondry nania, niala tamin'ny fivavahany Jiosy izy, ary nokarohan'Andriamanitra ka hitany avy eo, ary izy no lasa tian'Andriamanitra indrindra.
Noho mila mirebelle amin'ny finoana arahanao ianao ohatran'i Jesoa, dia hitady anao ho azy Andriamanitra.
ity ilay izy
Logion 107. (1) Jésus a dit : Le Royaume est comparable à un homme, un berger, qui avait cent brebis. (2) L’une d’elle s’égara — c’était la grande. 25 Il laissa les quatre-vingt-dix-neuf et chercha l’unique, jusqu’à ce qu’il la trouve. Après qu’il eût peiné, il dit à la brebis : je t’aime plus que les quatre-vingt-dix-neuf.
31. endriny
(
18/06/2013 16:40)
Nehemiah:
Endriny > L'honnêteté intellectuelle c'est pas pour les chiens
Ahahahahaha, ianao aloha dia n. 1 amin'ny fitenenana fanalikana sy fampihinana maloto olona e, tsy mahagaga fa izay ny kristianina angamba a
32. Miharena
(
19/06/2013 02:11)
Endriny > L'honnêteté intellectuelle c'est pas pour les chiens
Hita taratra amin'ny maha-mpampianatra azy ny namana Nehemiah namana Endriny a! ny olan'ny mpampianatra dia mpamerinteny fa tsy misy conviction azy manokana na dia iray aza. Na io fomba fiteny voalazany eo io aza dia ohabolana ihany koa.
Dia azo indramina tsara ilay oha-teny momba ny kipantsona hoe: "Na dia miteny toy ny fitenin'ny olona sy ny anjely aza aho ka tsy manam-pitiavana dia toy ny kipantsona ..."
Miala tsiny amin'ny namana Nehemiah ain'ilay fanamarihana fa asa na tsapany izany na tsia aloha!
Tefigasy:
Miharena
Ny sampy dia voary ara-panahy ary noheverina ho manana hery arakaraka ny fanahy nipoirany avy ary izy ireo no manoro ilay endrika entina hanehoana azy toy ny tapakazo, zavamaniry, tandroka, fangaro samihafa
Izao izany ilay ambara any amin'ilay 3eme testament raha azoko tsara ?
Tsia, tsy io no ambara any amin'ny 3è Testament.
Raha azonao tsara dia famelabelarana fotopisainana iray izay nambaran'ny Malagasy na koa aza ny vahiny maro hoe finoana ireo seho ireo. Ny mahatanteraka ny zavatra iray anefa dia fantatra fa tsy ilay tapakazo fa ilay ao ambadiny. Voary toy ny voary rehetra izay ao ambadika izay. Nefa koa azo lazaina fa noho ny eritreritra ihany izay zary tanteraka rehefa atao dridrangilo no manome hasina ny sampy (phénomène cause à effet fotsiny ihany).
33. endriny
(
19/06/2013 04:43)
Miharena:
Nehemiah:
Endriny > L'honnêteté intellectuelle c'est pas pour les chiens
Hita taratra amin'ny maha-mpampianatra azy ny namana Nehemiah namana Endriny a!
Menatra aho raha izao no atao hoe mpampianatra.
Izaho koa no adala mamaly azy eto eh...
34. Nehemiah
(
19/06/2013 07:30)
endriny:
Menatra aho raha izao no atao hoe mpampianatra.
Izaho koa no adala mamaly azy eto eh...
:-)
