Andriamanitra Fitiavana
1. leva2
(
09/06/2013 11:10)
Anisan'ny anomezan'ny tsy mpino ity an'Andriamanitra Mpahary ny lanitra sy ny tany sy Jesosy Kristy zanany ity fiainan'ny zanak'olombelona miharatsy sy mihasarotra ity. Krizy, adilahy politika, fahantrana, asan-jiolahy sns...
Zary mihemotra aza ny kristiana sasany rehefa mahazo vahana ny hoe : "raha nisy izao Andriamanitra izao, raha be fitiavana izy, nahoana no navelany ho toy izao ity fiainatsika ity?"
Tena ilaina ny hevitrao namana isany!

répondu par endriny le 13/06/2013 16:46
2. Tefigasy
(
09/06/2013 13:21)
leva2:
Tena ilaina ny hevitrao namana isany
Nisy lehilahy nandeha tany @ mpanety volo iray mba hanety volo sy volom-bava. Niresaka zavatra maro izy ireo ary lasa niresaka ny momba an’Andriamanitra ny farany. Toy izao ny resaka nifanaovany :
Hoy ilay mpanety :
- Tsy mino ny fisian’Andriamanitra aho
- Fa maninona hoy ilay lehilahy
- Hay, andana mivoaka kely eny amin’ny arabe ianao dia hitanao tsara ny porofo fa tsy misy Andriamanitra. Raha misy ve Andriamanitra dia mbola hisy ny olona marary, ny zazakely tsy misy ray aman-dreny miahy, Raha misy andriamanitra, tsy hijaly otrizao isika. Tsy azoko sainina mihitsy ny hitia andriamanitra manaiky an’izao zavatra rehetra izao.
Nieritreritra mafy ity lehilahy iray ary tsy nahita izay havaly. Vita ny hetivolo de lasa nandeha ilay lehilahy.
Tampoka teo anefa, nahita lehilahy iray, lava volo be izy sady ringidringitry ny loto ny volony. Niverina haingana tao amin’ilay mpanety izy ary niteny taminy hoe :
- Hitanao, tsy misy koa kay ny mpanety
- Ahoana no hitenenanao izany , hoy ilay mpanety, Ito aho ary ianao ary vao avy nohetezako vao teo
- A a a , hoy ity lehilahy, tsy misy ny mpanety satria raha misy ny mpanety dia tsy hisy olona lava volo maloto intsony ohatran’io olona eo ivelany io.
- Hoy ity mpanety aveo hoe: Ah, nefa ny mpanety misy ! Fa izao ny zava-misy : io olona io tsy manatona ahy mba hohetezana ny volony.
- Izay mihitsy hoy ilay lehilahy. Tena izay mihitsy ! Misy tokoa Andriamanitra ! Fa ny zava-misy dia ny olona no minia tsy manatona azy, ny olona no tsy mitady azy. Ary noho izany dia betsaka ny fanaintainana sy ny fikorontanana eto an-tany.
Ny voninahitra anie ho an'Andriamanitra Ray, Zanaka, Fanahy Masina irery ihany !
3. endriny
(
10/06/2013 04:31)
Tefigasy:

Tsy mitombina ilay ohatra satria tsy ilay mpanety no namorona na nampaniry ny volon'ilay olona.
Fa izao aza, raha nanao ny olona Atra araka ny finoana. dia nahoana no avelany hijaly ilay olona raha tiany? Raha milaza fa tia zaridaina ianao, dia namboly voninkazo fa sady tsy nanondraka no tsy nanisy zazeika ny zana-bonikazo novolena. Dia azo lazaina ve fa tia zaridaina ianao?
Sa dia Atra sadika ilay Atra ka faly mahita ny mijaly. Ny mahagaga dia ohatran'io teny io hoe ilay olona no tsy manantona an'Atra. Dia rehefa misy mahosoasoa dia hoe nofidin'Atra aho ho mpitory... Raha zohina izany ilay resaka hoe "izy no tsy manantona an'Atra", dia toa milaza fa manora-tena ireo milaza fa nofidian'Atra, satria Atra tsy mifidy olona, fa ny olona no tokony hifidy an'Atra.
Ahahahahahh
4. Tefigasy
(
10/06/2013 05:02)
endriny:
Tsy mitombina ilay ohatra satria tsy ilay mpanety no namorona na nampaniry ny volon'ilay olona.
Tsy ohatra ilay izy fa resaka nifanaovan'ny mpanety sy ilay olona hetezana. Na tsy ilay mpanety aza no nampaniry ny volon'ilay olona, inona moa ny olana amin'izany ? . Tsy ny nampaniry volo na ny nahatonga ny volo no sujet fa hafa !
endriny:
Fa izao aza, raha nanao ny olona Atra araka ny finoana. dia nahoana no avelany hijaly ilay olona raha tiany? Raha milaza fa tia zaridaina ianao, dia namboly voninkazo fa sady tsy nanondraka no tsy nanisy zazeika ny zana-bonikazo novolena. Dia azo lazaina ve fa tia zaridaina ianao?
Izay no maha tena fitiavana an'ilay Andriamanitra nanao anay. Tsy mba manery mihitsy fa manome safidy malalaka. Raha ny tena tiany dia ny mba ho voavonjy daholo ny olona manontolo, ho voakarakara, ary tena izany no ataony amin'ireo efa nisafidy ny hanaiky hataony izany saingy fitiavana izy ka manome anao safidy malalaka toa izao ataonao eto izao. I satana dia zava-boahary noharian'Andriamanitra, nomeny safidy malalaka na hankatoa azy na haniratsira sy hamadika azy: dia io hitanao mameno ny tany io ny asany ankehitriny fa tsy mitsahatra ny manompa sy manenjika Azy hatrany
endriny:
Sa dia Atra sadika ilay Atra ka faly mahita ny mijaly. Ny mahagaga dia ohatran'io teny io hoe ilay olona no tsy manantona an'Atra. Dia rehefa misy mahosoasoa dia hoe nofidin'Atra aho ho mpitory... Raha zohina izany ilay resaka hoe "izy no tsy manantona an'Atra", dia toa milaza fa manora-tena ireo milaza fa nofidian'Atra, satria Atra tsy mifidy olona, fa ny olona no tokony hifidy an'Atra.
Ny andriamanitrao angamba no sadika fa tsy ny anay. Ny andriamanitrao mety manao didy jadona aminao, mety tsy manome anao ny safidy malalaka ho anao, fa ny anay tsy izany: na tompon'ny fahefana sy ny hery aza izy dia manolotra fahafahana foana, ary izay no tena anisany hitiavako azy koa. Ray tsy mba manao didiko fe lehibe fa mifampiresaka tsara amin'ny zanany foana
endriny:
Ahahahahahh
Mbola fotoan'ny fihomehezana tokoa izao, raha mampihomehy anao izany dia mazotoa mihomehy mafy mihitsy fa ao aoriana kely tsy afaka ny hanao izany intsony ianao. Tsy fampitahorana akory sady tsy tokony hampatahotra izany fa fampahafantarana ny zavatra hitranga fotsiny ihany na dia tsy hinoanao aza !
Ho an'Andriamanitra ihany ny voninahitra mandrakizay !
5. bor2lais
(
10/06/2013 07:44)
leva2:
Zary mihemotra aza ny kristiana sasany rehefa mahazo vahana ny hoe : "raha nisy izao Andriamanitra izao, raha be fitiavana izy, nahoana no navelany ho toy izao ity fiainatsika ity?"
Gravy tokoa aloha rehefa ny "créature" no mamboatra ny "Créateur"-ny e ! :-)
6. Nehemiah
(
10/06/2013 08:13)
Tsy hitako anie izay olana @'izao e. Efa naverimberiko imbetsaka ihany fa isika olombelona no nahatonga an'izao tontolo izao ho tahak'izao. I Adama no nanota, ka Andriamanitra no nanozona an'izao tontolo izao, satria masina indrindra Izy ka tsy maintsy manafay. Ary izay no adinon'ny olona matetika : Fitiavana Andriamanitra, fa saingy masina koa Izy.
Nahazo ny sazy sahaza antsika anie isika. Niteny an'Andriamanitra i Adama, ary taorian'izay dia niteny koa isika hoe : "Izahay tsy mila anao fa avelao koa mba izahay no tompon'ny vintanay !" Dia nomen'Andriamanitra an'izay isika, nisintaka kely t@ fihazonan'izao tontolo izao Izy ka niditra ny fahafatesana, ny aretina, ny loza natoraly (tsy mitombina kosa ny hoe "voajanahary" e :) ary ny zava-dratsy tsy tambo isaina.
Hitantsika @'izany fa zava-dehibe loatra ny fitantaran'ny Gen. 1-11.

7. bor2lais
(
10/06/2013 08:57)
Andriamanitra dia Fitiavana : maro no azo ambara saingy fijery 3 no tiako zaraina eto.
1. Araka io voalazan'i Nehemiah io dia nomeNY andraikitra (responsabilité) ra-olombelona rehefa nahazo torolalana (directive avy Aminy) saingy tsy narahiny io farany io dia fantatra ny vokany !
2. Tsy sazy fa Fitiavana ho an'izay tia Azy.
Rom 8.28 Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an'Andriamanitra, dia izay voantso araka ny fikasany rahateo,
3. Rehefa tiana ho tsara ny hazo iray dia tsy maintsy rantsanana. Lasa somary ratsy endrika saingy ny vokany aoriana no tsara tsinjovina !
Fijery ("positif" fa tsy "fataliste" akory) mba tiako zaraina ny ahy io ! Avereno aty ihany raha toa ka ... ;-)

11. smileyah
(
10/06/2013 13:12)
Andriamanitra dia fitiavana:
Na tsara fanahy ianao na ratsy dia nomeny masoandro, ranonorana, sns...
Raha toa ianao mbola velona dia noho ny fitiavaNy.
Matoa misy ny mahantra dia noho ny olombelona ihany: ao ny vokatry ny hakamoana, ao ny fitiavantena (tsy mba te hanampy ny hafa), ao ny fitiavam-bola sns...
Mba noheverinareo ve fa raha nisy fifankatiavana teo @ samy olona dia ho foana ny fahantrana?
Nahoana no misy ny manambe ary misy ny tsy manana mihitsy?
Moa ve tsy masoandro iray ihany no manazava sy manome hafanana? Koa no lazainareo fa avy @ Andriamanitra izao fahantrana izao?
Ny olombelona no tsy manam-pitiavana.
Moa heverinareo fa tsy fitiavana ny mahantra no nahatonga azy ireo ho toa izany?
Satria raha tonga teto an-tany Jesoa Kristy zanany dia nilatsa-tena ho mahantra.
Ary hoy Izy Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana.

12. endriny
(
10/06/2013 13:38)
Tsy ilay Atra no ratsy, fa ilay fampiasana ny anarany hampitahorina olona sy entina anamarinan-tena ary hanangonan-karena, ka ananararaotana ny olona efa mijaly...
Iza no nilaza fa nahantra I Kristy teto an-tany? " Smileyah... nisy soratra an'izany ve ny tantara?

15. sitlo
(
10/06/2013 15:39)
Nehemiah:
sitlo:
"Dieu est mort"
philosophie terminale
Enfin on montre son vrai visage hein !
Aleo tsy andika vilana ilay resaka. Reference academique azo hanadihadiana ny lohahevitra. Ary raha kamo dia Nietzsche no nanazava an'io. Raha vonona handalina ny valitenin'ny lohaheviny tokoa ny mpitarika ny dinika dia hahita ny fanazavan'ny olona maro.
Ho an'i Nehemiah manokana, averiko indray, maninona no manenjika ahy ianao, miandry kendry tohana?
16. endriny
(
11/06/2013 02:15)
smileyah:
Endriny>> Nisy mpanankarena teraka tany anaty tranon'omby ve?
Vakio in-telo na in-efatra ilay baiboly milaza ny antony fa niterahany tany an-tranon'omby dia hitanao ao: fa noho ny trano fandraisam-bahiny rehetra feno no nahatonga teraka tany fa tsy hoe izy nahantra...
Mety mivadika koa ange ny voalazan'ny baiboly rehefa ianareo no mamaky azy e... izaho aloha tsy mahay hebreo a
17. endriny
(
11/06/2013 02:19)
sitlo:
Nehemiah:
sitlo:
"Dieu est mort"
philosophie terminale
Enfin on montre son vrai visage hein !
Aleo tsy andika vilana ilay resaka. Reference academique azo hanadihadiana ny lohahevitra. Ary raha kamo dia Nietzsche no nanazava an'io. Raha vonona handalina ny valitenin'ny lohaheviny tokoa ny mpitarika ny dinika dia hahita ny fanazavan'ny olona maro.
Ho an'i Nehemiah manokana, averiko indray, maninona no manenjika ahy ianao, miandry kendry tohana?
sao dia mila tsenaina amin'ny taxi nareo sao tratrany eo?
18. smileyah
(
11/06/2013 03:33)
Endriny>> Ity nisy teny nolazain'i Jesoa :"sarotra ho an'ny mpanan-karena ny hiditra @ fanjakan'Andriamanitra".
Ataoko angamba fa tsy mpitaribato vilambava ny Tompo sanatria.

19. Nehemiah
(
11/06/2013 05:46)
sitlo:
Ho an'i Nehemiah manokana, averiko indray, maninona no manenjika ahy ianao, miandry kendry tohana?
Hita fa tsy maintsy miakatra be aho rehefa misy manaraby ny finoana kristiana ! Izaho koa mba hamerina an'izay anao : tsy mbola tonga tao an-tsainao ve fa raha mba maneho fahalemem-panahy dia tsy anaovanay an'izao ?
Tsy tianao hanjaka @ fiananao Andriamanitra, nasehonao mazava t@ fitanisàna filôzôfa mpankahala ny finoana kristiana satria "fandemen-tsaina" hoy izy. Tsy izay ve no eritreritrao ? Ny helo no kianinao kanefa tsy resaka helo ny finoana kristiana fa resaka famonjena @ ota, izay miteraka ny ratsy rehetra @'izao tontolo izao sy ny fiainan'ny olombelona araky ny efa nolazaiko tetsy ambony. Hatry ny oviana ianao no mbola hankafy ny toetra ratsinao ?
20. endriny
(
11/06/2013 09:06)
smileyah:
Endriny>> Ity nisy teny nolazain'i Jesoa :"sarotra ho an'ny mpanan-karena ny hiditra @ fanjakan'Andriamanitra".
Ataoko angamba fa tsy mpitaribato vilambava ny Tompo sanatria.
Dia tsy misy tafiditra any izany ny mpitondra fiangonana rehetra, ary ny papa sy ny eveka no voalohany voadaka, tonga dia savaty be no omen'Atra, ary any amin'ny afobe no mitrotrongy.. ahahahahha
Dia tsy misy tokony hiariana sy hiasana ary hianarana mba ahazo vola bebe kokoa intsony, foanana ny sekoly, fa tsy ilaina ny manankarena.... fanasana atidoha fatao amin'ny Malagasy Mahantra efa hatramin'ny ela, fa ny mpitondra fiangonana mitaty rakitra fotsiny dia manana 4x4