Andriamanitra Fitiavana

21. Nehemiah ( 11/06/2013 12:31)
Hita be fa lolom-po tsy afaka @ finoana kristiana, ka na miady hevitra toy inona aza dia tsy hitondra vokatra mahasoa.
22. sitlo ( 11/06/2013 16:18)
Nehemiah:
Hita fa tsy maintsy miakatra be aho rehefa misy manaraby ny finoana kristiana ! Izaho koa mba hamerina an'izay anao : tsy mbola tonga tao an-tsainao ve fa raha mba maneho fahalemem-panahy dia tsy anaovanay an'izao ?

Ianao irery angamba no manao an'izao fa aza ny olon-kafa no mody iafenana

Raha resaka Nietzsche no resahana dia ny heviny no fantatro fa tsy misy iraharahiko izay fiainany any. Ka tsy haiko na fantatrao manokana izy na ahoana fa izaho aloha tsy miraharaha na mankahala an'Andriamanitra izy na ahoana. Tsy tsara mantsy ny mitsara olona. Ary izay indrindra no tsy nilazako ny anarany tamin'ny voalohany.
Fa mazava izany izao fa manenjika ahy ianao ka mazotoa. Tsy dia raharahiko firy na izany aza.

Avereno amin'ny resak'i leva2 amin'izay ny dinika. Hoy izy, ahoana no ankasitrahana an'Andriamanitra raha toa ka misy olona maty noana eto an-tany? Dia hoy ianao hoe, satria tsy nanaraka ny sitrapon'Andriamanitra ny olona. Dia hoy aho hoe "Dieu est mort".
Dia jereo tsara, raha manaraka ny sitrapo'Andriamanitra ny olona dia araka ny baiboly hoe "velona ao anaty Aho". Fa raha tsia dia maty izay.

Mba dinio aloha vao mamaly re olona fa indraindray resaka tsotra lasa mivaralila noho ny fo feno...
23. leva2 ( 12/06/2013 04:48)
Velona Jesosy!

Raha napetraka tany am-boalohany ny fanontaniana hoe : "raha be fitiavana Andriamanitra, nahoana no toy izao ny fiainan'ny zanak'olombelona?"
Samy nilaza ny heviny teto daholo, ary misaotra noho ny fandraisana anjara namana isany. Ity no andeha hodinihitsika : Isaia 59/01-02 :
INDRO, ny tànan’i Jehovah tsy fohy, fa mahavonjy,
Ary ny sofiny tsy lalodalovana, fa mahare;
Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin’Andriamanitrareo,
Ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy.
24. Nehemiah ( 12/06/2013 07:14)

sitlo:

Raha resaka Nietzsche no resahana dia ny heviny no fantatro fa tsy misy iraharahiko izay fiainany any. Ka tsy haiko na fantatrao manokana izy na ahoana fa izaho aloha tsy miraharaha na mankahala an'Andriamanitra izy na ahoana. Tsy tsara mantsy ny mitsara olona. Ary izay indrindra no tsy nilazako ny anarany tamin'ny voalohany.
Fa mazava izany izao fa manenjika ahy ianao ka mazotoa. Tsy dia raharahiko firy na izany aza.

[...]

Mba dinio aloha vao mamaly re olona fa indraindray resaka tsotra lasa mivaralila noho ny fo feno...

Voalohany, tsy fantatro ny famaritanao ny "fanenjehana" fa tsy ny manenjika an'iza na iza no ao an-tsaiko. Ny zavatra fantatro dia tsy manan-tsaina afa-tsy ny manenjika ny finoana kristiana ianao ka tsy maintsy toheriko foana. Jereo tsara fa rehefa resaka pôlitika dia tsy maninona mihitsy aho. Fa rehefa miresaka ianao dia tsy maintsy mirona @ fanambaniana sy fanarabiana foana. Ka hoy aho hoe : mba miova, ary ekeo fa tsy mety ny nataonao. Raha izay no ataonao hoe fanenjehana dia azo heverina fa manenjika anao aho. Ny zavatra tsy azon'ny olona mantsy dia tsy mifanilika ny fananarana sy ny fitiavana. Andriamanitra aho Andriamanitra nefa tsy mifanaraka @ sitrapony ny fiainanao.

Fa raha tso-po ianao dia azonao avelabelatra ny antony heverinao fa manimba ny fisainan'ny gasy ny finoana kristiana, tsy mampaninona ahy, azo iadiana hevitra @ fomba feno fanajàna izay. Fa raha ny handrora ny venin-nao fotsiny no tanjona dia e-e-e.
25. endriny ( 12/06/2013 20:05)
Dia aiza ilay Atra Fitiavana toriana eto foana? Sa lasa Jesosy Fitiavana ilay izy?
26. endriny ( 13/06/2013 16:46)

Tefigasy:

[quote=endriny]
Sa dia Atra sadika ilay Atra ka faly mahita ny mijaly. Ny mahagaga dia ohatran'io teny io hoe ilay olona no tsy manantona an'Atra. Dia rehefa misy mahosoasoa dia hoe nofidin'Atra aho ho mpitory... Raha zohina izany ilay resaka hoe "izy no tsy manantona an'Atra", dia toa milaza fa manora-tena ireo milaza fa nofidian'Atra, satria Atra tsy mifidy olona, fa ny olona no tokony hifidy an'Atra.

Ny andriamanitrao angamba no sadika fa tsy ny anay. Ny andriamanitrao mety manao didy jadona aminao, mety tsy manome anao ny safidy malalaka ho anao, fa ny anay tsy izany: na tompon'ny fahefana sy ny hery aza izy dia manolotra fahafahana foana, ary izay no tena anisany hitiavako azy koa. Ray tsy mba manao didiko fe lehibe fa mifampiresaka tsara amin'ny zanany foana
endriny:

Ahahahahahh

Izany hoe ataoko tefigasy mihintsy izy ity ahitanao azy e. Jereo ny baibolinao dia isao hoe firy ny tantara ao milaza fa Atr'Israely dia nandefa ny vahoakany hiady, hamono olona, handrava Tanana... rehefa vitanao ireo dia tsoahy ny hevitra :'Sadika ve ny Atr'Israely sa tsia"?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0069