Finoana an'i Kristy...

1. endriny ( 20/05/2013 17:28)
Nahoana no ny firenena tandrefana, izay toerana tsy niavian'i Kristy Tompo Jesosy irery ihany no mino fa nitsangana tamin'ny maty izy? Nahoana ny silamo sy ny jiosy no samy milaza daholo fa tsy I Kristy Tompo no nofantsihana tamin'ny hazo fijaliana? Dia nandova zavatra diso ve isika sanatria? Aza hitako, aza mahita ahy re ry lanitra o?
répondu par endriny le 06/06/2013 10:26
2. leva2 ( 20/05/2013 18:32)

endriny:

Nahoana no ny firenena tandrefana, izay toerana tsy niavian'i Kristy Tompo Jesosy irery ihany no mino fa nitsangana tamin'ny maty izy? Nahoana ny silamo sy ny jiosy no samy milaza daholo fa tsy I Kristy Tompo no nofantsihana tamin'ny hazo fijaliana? Dia nandova zavatra diso ve isika sanatria? Aza hitako, aza mahita ahy re ry lanitra o?

Velona Jesosy!

Tena mbola tsy miorina izany finoanao izany namana fa tsara mandini-tena ianao.
Tsy izay filazan'ny olona, na antokom-pinoana, na iza izy milaza ho mpikaroka mahay sy mpahay tantara no hanorenana ny finoana namana, fa ianao mihitsy no mila mahatsapa sy mahita ary manaporofo eo amin'ny fiainanao fa "velona Jesosy".

Ity koa no tsara ho fantatra : "Ary nony nandeha izy ireo, indreny, ny mpiambina sasany nankany an-tanàna ka nilaza tamin’ny lohan’ny mpisorona ny zavatra rehetra izay vao niseho. Ary rehefa niangona izy mbamin’ny loholona, dia niara-nihevitra ka nanome vola be ny miaramila ary nanao hoe: Lazao hoe: Ny mpianany no tonga alina ka nangalatra Azy, raha sendra natory izahay; ary raha misy milaza izany amin’ny governora, izahay dia hampanaiky azy ka hanao izay tsy hampaninona anareo. Dia nandray ny vola izy ka nanao araka ny teny nomeny azy; ary izany teny izany dia naelin’ny Jiosy mandraka androany" Mat 28/11-15.

Farafaharatsiny, rehefa tsy hino izay ambaran'ny baiboly ianao namana, mba te hisarika ny sainao aho hijery ireny fijoroana vavolombelona marobe isan-karazany ireny, ataon'ny kristiana izay nanehoan'ny Tompo ny voninahiny sy nanaporofoany mandraka ankehitriny fa VELONA IZY ary MARINA NY TENINY dia ny baiboly izany.

Izaho manokana dia namana dia afaka hiresaka aminao fijoroana vavolombelona maromaro tamin'izay nitranga teo amin'ny fiainako manokana raha tianao; hanaporofoako aminao fa VELONA JESOSY, ary NY RANY NITETE teo amin'ny hazo fijaliana no antoky ny namonjena sy nanafahana ahy. Ataoko izany raha izay no hanampy anao hiroso, ka hiorina amin'ny finoana.

Mivavaka ho anao aho namana.
3. sitlo ( 20/05/2013 19:53)
Tsy mahavaly ny fanontaniana izany ry leva. Sady manohitra ny teninao ihany ianao raha milaza hoe aza miheno ny olona nefa avy eo mihenoa ny vavolombelona...
4. leva2 ( 20/05/2013 20:23)

sitlo:

Tsy mahavaly ny fanontaniana izany ry leva. Sady manohitra ny teninao ihany ianao raha milaza hoe aza miheno ny olona nefa avy eo mihenoa ny vavolombelona...

Misaotra namana amin'ny fanamarihana.

Misy détails tokony hanampiako azy angamba :
- Ny finoana anie tsy hoe satria ranona sy ranona nitantara tamiko, na nilaza tamiko an'izao sy izao e; Fa ilay notantaraina tamiko sy nolazaina tamiko iny kosa no misarika ahy handini-tena sy hikaroka ka hahatsapa sy hanaporofo ary HINO. Izany rahateo no tiako hitaomana ny namana endriny eto.
- Ny hitaomako ny namana endriny koa eto dia ny tsy hihainoany ireo izay milaza fa "tsy nitsangana tamin'ny maty Jesosy" na koa "tsy Jesosy Kristy ilay nofantsihina teo amin'ny hazo fijaliana", fa ny mba hihainoany ny baiboly, sy ireo vavolombelona manaporofo fa Jesosy Kristy ilay nohombohina teo amin'ny hazo fijaliana, sy maty ary nitsangana tamin'ny maty.

Misaotra namana
5. endriny ( 21/05/2013 05:34)

leva2:


Misaotra namana amin'ny fanamarihana.

Misy détails tokony hanampiako azy angamba :
- Ny finoana anie tsy hoe satria ranona sy ranona nitantara tamiko, na nilaza tamiko an'izao sy izao e; Fa ilay notantaraina tamiko sy nolazaina tamiko iny kosa no misarika ahy handini-tena sy hikaroka ka hahatsapa sy hanaporofo ary HINO. Izany rahateo no tiako hitaomana ny namana endriny eto.
- Ny hitaomako ny namana endriny koa eto dia ny tsy hihainoany ireo izay milaza fa "tsy nitsangana tamin'ny maty Jesosy" na koa "tsy Jesosy Kristy ilay nofantsihina teo amin'ny hazo fijaliana", fa ny mba hihainoany ny baiboly, sy ireo vavolombelona manaporofo fa Jesosy Kristy ilay nohombohina teo amin'ny hazo fijaliana, sy maty ary nitsangana tamin'ny maty..

Misaotra namana


Dia mba mandainga koa ry Leva, lazao fa tsy ny fitoriana natao taminao no nampino anao an'i Kristy, ka ny fitoriana moa tsy fitantarana?
Saingy misaotra ihany, na dia tsy mahavaly ny fanontaniako aza
6. didi10 ( 21/05/2013 06:12)

endriny:

Nahoana no ny firenena tandrefana, izay toerana tsy niavian'i Kristy Tompo Jesosy irery ihany no mino fa nitsangana tamin'ny maty izy? Nahoana ny silamo sy ny jiosy no samy milaza daholo fa tsy I Kristy Tompo no nofantsihana tamin'ny hazo fijaliana? Dia nandova zavatra diso ve isika sanatria? Aza hitako, aza mahita ahy re ry lanitra o?



IKor 1,18


18 Fa ny teny ny amin'ny hazo fijaliana dia fahadalana amin'izay ho very, fa herin'Andriamanitra kosa amintsika izay hovonjena.
...
20 Aiza ny hendry? Aiza ny mpanora-dalàna? Aiza ny mpiady hevitra avy amin'izao tontolo izao? Tsy nampodin'Andriamanitra ho fahadalana va ny fahendren'izao tontolo izao? 21 Fa satria, na dia naseho aza ny fahendren'Andriamanitra, ny fahendrena dia tsy hahatonga izao tontolo izao hahalala an'Andriamanitra, ka dia ny fahadalan'ny fitorian-teny no sitrak'Andriamanitra hamonjeny izay mino; 22 fa ny Jiosy mila famantarana, ary ny jentilisa mitady fahendrena, 23 fa izahay kosa mitory an'i Kristy voahombo tamin'ny hazo fijaliana, dia fahatafintohinana amin'ny Jiosy ary fahadalana amin'ny jentilisa, 24 fa amin'izay voantso kosa, na Jiosy na jentilisa, dia Kristy, Izay herin'Andriamanitra sy fahendren'Andriamanitra . 25 Fa ny fahadalan'Andriamanitra dia hendry noho ny olona; ary ny fahalemen'Andriamanitra mahery noho ny olona.

Mazava ny Tenin'Andriamanitra namana.
Midira ianao amin'ny finoana dia tsy mba anisan'ireo ho very ianao.
7. Nehemiah ( 21/05/2013 06:57)

endriny:

Nahoana no ny firenena tandrefana, izay toerana tsy niavian'i Kristy Tompo Jesosy irery ihany no mino fa nitsangana tamin'ny maty izy?

Tiako marihina fa tsy mba ny tandrefana irery no mino an'izay. Ahitàna olona mino ny nitsanganan'i Kristy t@ maty ny firenena rehetra ety ambony Tany.
endriny:
Nahoana ny silamo sy ny jiosy no samy milaza daholo fa tsy I Kristy Tompo no nofantsihana tamin'ny hazo fijaliana? Dia nandova zavatra diso ve isika sanatria? Aza hitako, aza mahita ahy re ry lanitra o?

Ny fitsanganan'i Kristy t@ maty dia tranga nitranga indray mandeha monja t@ tantaran'ny olombelona, ka tsy hahita porofo mivaingana fa nitsangana t@ maty Izy satria tranga tsy azo averina izany.

Fa kosa ao ny porofo lôjika manohana ny hoe nitsangana t@ maty Izy. Andeha isika hampitsimbadika ny fomba fijery ka manontania tena ianao hoe inona no tokony ho zava-misy raha tsy nitsangana t@ maty Izy. Ka ireto avy ny fanontaniana mipetraka :


- Efa mifandraika tsara mihitsy @ faminanian'ny Baiboly momba ny Mesia ny fahaterahana sy ny fiainana ary ny fahafatesan'i Jesoa, ka nahoana no tsy ho tanteraka koa ny faminaniany momba ny fitsanganany @ maty ?
- Nahoana ny Mpianatra, izay natahotra ho an'ny fiainany ka niafinkafina t@ efitra ambony, no nanjary mahery fo be ka nitory ny fitsanganan'i Kristy t@ maty na dia nampidi-doza ho an'ny fiainany aza izany ? Samy natao martiora daholo anie Izy ireo, afa-tsy i Jaona !
- Tsy maintsy niezaka ny hitady ny fatin'i Jesoa mba handisoana ny Mpianatra ny fahavalon'ny finoana kristiana, nefa tsy nahomby.
- Aman-jatony ny olona nilaza fa nahita Azy nitsangana t@ maty. Ahoana no ahafahana manazava an'izay raha tsy nitsangana t@ maty Izy ???


Tiako marihina koa fa tsy dia mila fandinihina lalina ny mahatsikaritra fa hosoky ny finoana kristiana ny finoana silamo.

Farany dia averiko eto ny Jn. 20:29 : Hoy Jesosy taminy: Satria nahita Ahy hianao, dia nino; sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino.
8. leva2 ( 21/05/2013 08:14)

Nehemiah:

Ny fitsanganan'i Kristy t@ maty dia tranga nitranga indray mandeha monja t@ tantaran'ny olombelona, ka tsy hahita porofo mivaingana fa nitsangana t@ maty Izy satria tranga tsy azo averina izany.

Velona Jesosy!

Miala tsiny namana Nehemiah fa somary tsy mitovy fijery kely isika eto.
Hoy ny 1Kor 15/14 : "Ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny tori-teninay, ary foana koa ny finoanareo".
Ny finoanao no porofo mivaingana sy azo tsapain-tanana fa nitsangana Kristy. Ny finoana, izay fiainam-panahy ao anaty saingy tsy maintsy hita taratra eo amin'ny ara-nofo ihany koa satria ny kristiana dia "fanasina sy fahazavana"; izany hoe mampahazava ny ao anatiny izy no sady manazava ny manodidina azy ihany koa : eo amin'ny tokantrano, any am-piasana, eny an-dalana, sns ... amin'ny fihetsika, fiteny, fomba fiaina izay tokony ahatarafana ilay Kristy velona ao anaty.

Misaotra namana.
9. Nehemiah ( 21/05/2013 08:55)
Eny e, ny finoana no andehanantsika fa tsy ny fahitàna. Ny tiako tenenina @ "porofo mivaingana" dia porofo materialy izay tsy azon'ny mpandà an'Andriamanitra mafana fo indrindra lavina.

Tsy ho azon'olona an-tsaina mihitsy ny fitsanganan'i Kristy @ maty raha tsy mino Azy izy, mazava loatra. Fa ny tanjon'ny hafatro etsy ambony dia ny maneho fa mifanaraka @ nisian'ny fitsanganan'i Kristy @ maty ny zava-misy.
10. endriny ( 21/05/2013 13:26)
Tsy any amin'ilay hoe mino na tsy mino, fa hoe "Nahoana no ny firenena tandrefana no nivoy sy nipoiran'ny hevitra hoe nofantsihana sy nitsangana tamin'ny maty ilay Kristy fa tsy ny firenena izay nisy azy? Diso ve izany ny finoana Silamo sy Jiosy?
11. leva2 ( 21/05/2013 14:51)

endriny:

Dia mba mandainga koa ry Leva, lazao fa tsy ny fitoriana natao taminao no nampino anao an'i Kristy, ka ny fitoriana moa tsy fitantarana?
Saingy misaotra ihany, na dia tsy mahavaly ny fanontaniako aza

Misy maha-marina izay filazanao izay, fa ny tenin'Andriamanitra aza dia hoe : "ny finoana dia avy amin'ny toriteny", saingy indirectement.
Izao mantsy namana endriny, ary mampalahelo tokoa fa maro ny kristiana no tratran'izy ity : nisy mpitory teny iray ohatra, ary resy lahatra tamin'izay nambarany ny olona iray ka dia nino fa marina izany. Dia izay ve ilay atao hoe "mino" : TSIA, fa hatreto aloha dia ilay olona nitory teny taminy no ninoany fa tsy ilay Jesosy toriana taminy. Dia izay ambaran'ity mpitory teny ity dia itompoana teny fantatra daholo, ary zary izy mihitsy no toa mpanelanelana eo amin'Andriamanitra sy ilay olona nitoriana sy resy lahatra ka "nino".

Ny atao hoe "mino aho", dia izaho mihitsy no nivavaka sy nangataka tamin'ny Tompo ka nohenoiny sy novaliany ary nanehoany ny voninahiny. Nilaiko noho izany ilay nitory teny tamiko, fa tsy nanana eritreritra ny hanandrana sy hizaha ny Tompo aho raha tsy nampahafantatra ahy izy, fa avy eo dia izaho mihitsy no manao dingana hahalala sy hahafantatra Azy ary hanaporofo ka HINO. Rehefa nitory tamiko ny mpitory hoe "andramo ka zahao fa tsara ny Tompo", dia nanandrana sy nizaha aho ary hitako fa tsara IZY ka nino aho.

Miala tsiny namana fa somary lalina ilay izy, no sady hors sujet koa, saingy mety ilaina ihany ny mahalala izany.
12. sitlo ( 21/05/2013 15:43)
Na mety hoe niteraka tamin'ny andevony hafa i Abrahama dia sady tsy tian'ny jiosy no tsy tian'ny silamo.
13. Nehemiah ( 22/05/2013 07:21)

endriny:

Diso ve izany ny finoana Silamo sy Jiosy?

Efa voavaly teo ny momba ny silamo.

Ny an'ny Jiosy indray "lany daty" raha ny marimarina kokoa.
14. Tefigasy ( 22/05/2013 07:43)
Nehemiah:

Ny an'ny Jiosy indray "lany daty" raha ny marimarina kokoa.

Misy bandy atao hoe "moustafar" izay ho avy hiakatra be eo izao mahita an'io, hihihihi
15. sitlo ( 22/05/2013 12:34)
Mitovy amin'ny toe-tsain'ny sekta izany ny kristianisma.
16. moustaraf ( 22/05/2013 18:44)

Tefigasy:

Nehemiah:

Ny an'ny Jiosy indray "lany daty" raha ny marimarina kokoa.

Misy bandy atao hoe "moustafar" izay ho avy hiakatra be eo izao mahita an'io, hihihihi


Salama namana,
Mampihomehy ahy mihitsy ny mahita izao soratanareo eto @ serasera ity, hi hi hi hi!
-Etsy ambony dia lazina fa "tsy maintsy ho tanteraka ny faminaniana rehetra" milaza ny Mesia!
AIZA MOA NO VOASORATRA IZANY FAMINANIANA IZANY? Bokin'i Mosesy sy ny Mpaminany , izay lazana fa LANY DATY!!!
-Ny bokin'ny Evanjely sy ny Epistily dia tsy misy dikany inona raha tsy nisy ny bokin'i Mosesy, ka ny tsy fahaizana mamaky sy mandray ny heviny aty @ FAHATANTERAHANY no mampivoana ireo mpitarika vilam-bava!

-Ny olana dia , terena sy tsongatsongaina ireo toko sy andininy mahametimety, fa ireo izay toa tsy haihay sy manahirankirana dia tsy sahy resahina mihitsy;
ohatra: ekena fa ny bokin'ny mpaminany no milaza ny Mesia, hatreo ihany no lazaina, fa raha milaza izahay hoe; hatramin'ny anarany mihitsy anie no efa voalaza ao e: YESHU'A,
dia mihifikifi-doha avy hatrany ny maro! na dia aseho hatramin'ny toko sy andiny, dia e e e!

- ka ilay mpamonjy marina ve no inoana sa ilay fampianarana Romana no tena ankafizina e?
Izay no anjarako, MISAOTRA
17. Miharena ( 22/05/2013 19:42)
Endriny:

Tsy any amin'ilay hoe mino na tsy mino, fa hoe "Nahoana no ny firenena tandrefana no nivoy sy nipoiran'ny hevitra hoe nofantsihana sy nitsangana tamin'ny maty ilay Kristy fa tsy ny firenena izay nisy azy? Diso ve izany ny finoana Silamo sy Jiosy?


Raha ny tokony ho izy dia tsy finoana tantara no tokony hananan'ny mpino fa ny fahalalàna an'Andriamanitra izay mampionona tsy hitady zavatra hafa sy safoton-kevitra ary safoton-tsangan-kevitra mampisy antokony ny olona isankarazany. Diso daholo izany na milaza izy fa mpino jiosy, mpino silamo, mpino kristianina satria raha vao mamofompofona antoko dia tsy misy fahamarinany manome ilay fahadiova-mpinoana tanteraka.

Ny déconditionnement mihitsy izany no takiana ary singany kely indrindra sy sarotra tadiavina izy io raha tsy mitandrina eo am-pandinihina ireo karazam-pireham-pinoana misy. Nefa rehefa mandinika lalina dia singa tokana no vontoatiny tokony hitombenan'ny antokony avy. Izany hoe IRAY FOTOTRA fa haingony avokoa ny ara-tantara sy ny ara-drafitra naorin'ny olombelona nanodidina azy avy.

Raha toa ka mahita io singa io ny tsirairay dia tsy hisy hiady finoana intsony eto ambonin'ny tany fa mifoha daholo ny olona rehetra. Ny olona toy izany no handrafitra tany vaovao ao aoriana kely ao. Ary efa manomboka miseho tsikelikely ireo karazana olona mifoha ireo ankehitriny.
18. Nehemiah ( 23/05/2013 07:10)

sitlo:

Mitovy amin'ny toe-tsain'ny sekta izany ny kristianisma.

Blaa-bla-bla. Rehefa milaza ny azy ho exclusif ny finoana kristiana (tahaky ny finoana silamo sy jiosy) dia esoesoana ary atao hoe intolérant. Fa rehefa hafa dia tsy maninona. Arahabaina ianao ho an'ny fihatsarambelatsihinao.
19. Nehemiah ( 23/05/2013 07:12)
Moustaraf >> Ianao ve rehefa hivoaka ny Microsoft Office 2010 ka ho omen'olona maimaimpoana aminao dia mbola hanizingizina fa ny Microsoft Office 2007 ihany no izy ka tsy hanaiky ?
20. endriny ( 23/05/2013 13:37)

sitlo:

Mitovy amin'ny toe-tsain'ny sekta izany ny kristianisma.


Ny fiorenan'ny finoana kristianina tokoa aloha dia iray tamin'ireo sekta na atao hoe karazam-pinoana an'arivony nisy tany Israely sy Egipta, saingy noho i Mosesy nahatahiry ny finoan-drazany, ilay hoe Abrahama (io razany io a) dia izy no nanafoana ny finoana hafa, sy namono mihintsy mantsy izany, ireo rehetra tsy nitovy Atra taminy dia io Andriamaniny io no lasa Atry ny rehetra ary nataony didy fiorenana mihintsy. Saingy taty aoriana moa nisy ihany no nampatsiahy fa tsy io irery no Atra, dia nasiana indray ny fampianarana hoe: ny Andriamanitry abrahama dia Andriamanitry ny Andriamanitra, izany hoe miaky ihany fa be dia be ny Andriamanitra fa tsy tokana, fa ity an'i Abrahama ity fotsiny no naron'ny olombelona Israelianina ho filohan'ny Andriamanitra rehetra.
Saingy dison'ny olona mpijery baiboly io na dia ao anaty baiboly aza, ka lazaina fa Andriamanitra tokana hono... Izany hoe samy maka aizay ahazoany kil koa moa e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.358