fandemen tsaina
2. pisoonja
(
10/05/2013 12:42)
Aza manao an'izany ianao , fa tsy misy olona terena hivavaka anie fa safidy io e, koa ahoana no lazainao hoe fandemen-tsaina
3. Nehemiah
(
10/05/2013 13:08)
Inona aloha no famaritan'i Bazylou ny fivavahana ? Tsy voatery mitovy ny fandraisan'ny olona rehetra ny atao hoe fivavahana
4. moustaraf
(
10/05/2013 13:23)
Rehefa mety ho fivavahana dia fandemen-tsaina avokoa:
1. na inona finoana misy anao eny fa na ny sampy aza...
2. Tsy maintsy miaky sy miankohoka ianao eo anoloan'izay tompoinao ary manaraka izay rehetra lazainy "tahaka ny fotaka eo an-tanan'ny mpanao vilany tany"
3.raha tsy malemy eo anatrehan'izay ivavahano ianao, dia iza no ambony? ianao sa izy? Tsy misy antony iankinana aminy velively raha izy no ambany noho ianao!
4. Miaky ny mpino rehetra fa izay ivavahany dia manana HERY sy fahefana @ lafin-javatra rehetra!
ENY FANDEMEN-TSAINA NY FIVAVAHANA REHETRA

5. didi10
(
10/05/2013 13:41)
bazylou:
ny fivavahana
Eny izay manaiky ho mpanompo dia malemy eo imason'ny Tompony.
Ampianarina hahay hanompo isika rehefa mivavaka.
6. mirananirina
(
10/05/2013 14:14)
Iraisako hevitra ny tenin'i bazy raha toa ka:
Misy teny na olana mivoaka dia ny valiteny dia hoe mivavaha!! Tsy misy mht ny fanampiana na fandraisantanana. Heverin'ireo fa tsy mivavaka manko ilay olona manana olana io.
Ohatra inn no tokony ataoko hianarako any andafy, valiteny mivavaha dia ho tanteraka izany grrrrrr!

7. hadji
(
11/05/2013 06:35)
mirananirina:tantreka io rehefa entina am-pisainana fa tsy misabaka hevitra sy hireharehana fa hoe mpivavaka aho

8. mirananirina
(
11/05/2013 07:17)
hadji:

Izaho ange tsy mandà hoe mivavaka rhf misy zvt atao e, fa kosa arahina fanampiana sy fanoroana ny fivavahana ,fa tsy vitan'ny mivavaka fotsiny dia vita!
9. hadji
(
11/05/2013 07:34)
ka izay ilay entina am-pisainana fa tsy hoe hivavaka aho dia mivaly afaka 1 minitra
10. nannie
(
11/05/2013 08:08)
ka ahoana ? ianao ilay nitarika ny ady hevitra, mafy saina ? Mbola ho sendra ny mafy noho ianao ianao dia ho tsapanao izany hoe ampianarin'ny fiainana. (Tsy tokony hatahotra an'izany firariantsoa izany ianao).
hadji:
ka izay ilay entina am-pisainana fa tsy hoe hivavaka aho dia mivaly afaka 1 minitra
11. moustaraf
(
11/05/2013 19:20)
Salama namana,
1.I Abrahama no rain'ny mpino; izany no nahatsara laza azy: "ny faharetana", 25 taona vao tnateraka ny teny fikasana nataon'i Tsitoha taminy, nefa niandry izy!
Tsy fandemen-tsaina ve izany??? sa finoana???
Mino aho fa nataon'ny olona fihomehezana izy mivady efa samy antitra ireto t@ izany fotoana izany!
2.Raha niady t@ Gibeona i Josoa sy ny Israely, ary nangataka t@ Tsitoha ; dia nivaly avy hatrany: Ny masoandro sy ny volana tsy nikisaka nandritra ny 2 andro!
3. Maro ireo asa mivaingana, mivantana ataon'i Tsitoha ary tsy haintsika sy tsy takatrin'ny saintsika velively, ka nahoana no ferantsika @ saintsika ny asa azon'Izy mpamorona atao?
Amiko dia tsy hitako ny olana raha ny ho any an-dafy no italahoana @ Tsitoha; angaha tsy hoe Tongava aminao araka izay irinao???
izaho manokana dia miaina fahagagana isan'andro izay tsy heritreretiko sy tsy takatry ny saiko akory, nefa tanteraka @ fiainako!
MAHEREZA DAHOLO

12. toriteny
(
13/05/2013 05:58)
Misalasala aho ny hiteny an'ito satria délicat be ilay izy fa aleo teneniko ihany.
Betsaka ny ohatranao ry bazylou ary indraindray aho tena te hiteny mihitsy hoe raha za ianao tsy mandeha any am-piangonana intsony, tsy miantso ny anaran'Andriamanitra intsony. Ary valable io ho an'ny pseudo kristianina rehetra izay miezaka ny hitovy amin'ny kristianina (mihezaka mamaky baiboly, mihezaka manao asa soa, mihezaka ny ho tsara toetra nefa tsy manana ny FAnahy akory sy tsy ho voavonjy mihitsy), raha mbola io lalana io ihany no hitadiavanareo famonjena, raha mbola fisehoana ivelany ho anjely eo anivon'ny fiarahamonina sy hi-laver na ny conscience nareo ihany no hidirana any am-piangonana dia aza mivavaka intsony satria lany fotoana fotsiny ianareo nefa tsy ho voavonjy mihitsy! Mety masiaka be ilay teny fa izay tiany ihany no hanarina sy faizina hoy ny Apok3:19 izay
Aleo aza tonga dia manao tahaka ny bazylou hoe za tsy hino mihitsy toy izay mody mpivavaka mafana fo be ivelany ihany nefa ny ao anaty glaçon, tsisy an'i Jesosy.
Dia tadidio ny tenin'ny Apo3:13 ho an'izay matimaty "Fantatro ny asanao , fa tsy mangatsiaka na mafana ianao ; aleo ho mangatsiaka na ho mafana ianao." Aleo izany na tena miteny toy ny an'i bazylou mihitsy hoe za tsy hivavaka mandrakizay toy izay kristianina sarintsariny fotsiny.
Dia ho an'i bazylou, ny conseil afaka omeko anao dia ny hoe raha izaho ianao araraotina tsara mihitsy izao fiainanao izao rehefa tsy te ho kristianina ianao au moins mba misy 60 ans mahafinaritra ao anatin'ny des milliards d'années mbola sisa hivelomanao

13. bazylou
(
13/05/2013 14:07)
toriteny,
ny tiako ahatongavana di any hoe aoka hisaina ny rehetra fa tsy mahavita lavitra noho ireo razambetsika isika na dia nolazaina aza fa ketrina sy bado izy ireo satria efa nahatakatra io fisainana io ny ntaolo na dia tsy mbola tonga teto aza ny mompera sy presbitera menasofina.
Ary io indrindr ano antony nanasokajiany ny andriamanitra, andriananahary, zanahary.
14. Nehemiah
(
13/05/2013 15:24)
Hmmmm... Fisainan'ny Ntaolo tahaky ny hoe "Ny tonon'andro tsy mahalehilahy", ny fanisiana ratsy na famonoana ny zazakely teraka t@ vintana mahery sy ny tsy fampiasàna soratra ?
Ny zavatra azoko antoka aloha dia tsy mba vokatry ny fivavahana kristiana ity toe-tsaina fataliste sy manaiky lembenana ratsy ary mirona @ gaboraraka manabotry ny firenena ankehitriny.

15. Miharena
(
14/05/2013 01:42)
Ny fijery azy indray namana Bazylou dia tsotra ihany, ilay fandemen-tsaina resahan'ny namana Moutaraf no izy, izany hoe tsy ny saina intsony fa ilay finoana no mibahana.
Ny olana fotsiny dia rehefa misy manamavo ara-tsaina ilay finoana nokoloina tao anaty iny dia lasa mirona ara-tsaina ny olona dia mitsipaka ilay mibahana ao anatiny indray dia miongankongana eo izy mandra-pitombiny tsara hoe : hay tsy ny saiko sy ny raiki-tapisako no izy fa ilay fanahy iraisana amin'ny Mpahary izay manoro ahy ny zava-drehetra.
Ka na iza na iza olombelona dia efa izay no izy, IZY no niandohan'izy rehetra ka na hihodin-kavia, na hihodin-kavanana dia efa karakaraiNY satria avy AMINY.

16. bazylou
(
14/05/2013 22:09)
diso ianao ry nehemiah fa ny fivavahana kristiana no nampiditra io fatalisma io teo amin'ny gasy.
Satria nahoana hoy ianao ??
Satria raha nanana fisainana fataliste ny gasy taloha dia tsy hnahatsangana iny fefiloha eny andriantany sy ny namany iny fa naleony najanona teo fa tsy hovita mandrakizay io hoy izy sady mandany andro.
ohatra 1 fotsiny iny.

17. Nehemiah
(
15/05/2013 05:48)
Tsy hitako izay fifandraisana @ ohatra nomenao sy ny hoe mahatonga ny olona ho fatalistes ny fivavahana kristiana.
Fa ny zavatra fantatro dia ny maha-kristiana an'i Jean Ralaimongo sy Joseph Ravoahangy Andrianavalona ary Dr. Raseta no nahatonga azy ireo hihetsika hiaro ny zon'ny mpiray tanindrazana @. Ny kôlejy nianaran'izy ireo no ampianarako @'izao.
Na dia any ivelany aza dia ahitàna ohatran'izay : tsy ny finoany kristiana ve no nahatonga an'i Martin Luther King Jr hihetsika hiaro ny zon'ny mainty hoditra ? Tsy ny finoany kristiana ve no nahatonga an'i Abraham Lincoln hihetsika mba hanafaka ny mainty hoditra @ fanandevozana nampanaovin'ny kristiana anarana tany Etazonia atsimo t@ ?
Fa averiko indray mandeha, tsy mba ny hoe "Ny tonon'andro tsy mahalehilahy" no hanafaka antsika @ fahoriantsika.

18. bazylou
(
15/05/2013 22:44)
fataliste ny fivavahana kristiana satria tsy misy fahasahiana hijoro sy hanao zavatra , fa efa aloahlika foanany ranom bary vao hoe mijoro ho kristiana sy atao anaovana bizna.
Taiza no nisy ntaolo fataliste izany ?, rah atsy tonga teo ny vazaha nampiditra ny fivavahana kristiana hahakanosa azy ?

19. Nehemiah
(
16/05/2013 08:33)
Dia nahoana izany no niandry ny sitrapon'ny mpanandro izy ireo alohan'ny hanorenana trano na fefy na handavahana lavaka na hanao inona na inona ?
Fatalistes ve ireny Apôstôly sy martiora nanome ny fiainany ho an'i Jesoa Kristy ? Torak'izay koa, fatalistes ve Rasalama, Rafaralahy Andriamazoto, Rafaravavy Marie ary ny maro hafa koa ? Ary aleo ihany averina, fatalistes ve Ralaimongo sy Ravoahangy ary Raseta ?
70%n'ny Amerikana no kristiana. Fatalistes ve izy ireo ?

20. bazylou
(
16/05/2013 14:54)
tsy fataliste ny ntaolo fa manaraka ny fizotrin'ny fanajana ny manodidina azy.
fataliste ve i ralaimongo e, i rasalama e, ..... tsy fatalite no filaza ireny fa fahasahiana hijoro amin'ny heviny fotsiny.
hafa ny fatalite hafa ny fijoroana amin'ny hevitra.