fandemen tsaina
21. Nehemiah
(
17/05/2013 07:13)
Nohon'izay dia tsy azonao atao ny milaza fa miteraka fatalisme ny finoana kristiana, fa voa mainka fotopisainana mahatonga ny olona hijoro ho an'ny fahamarinana ilay izy.
Fa tsy hitako indray ny ifandraisan'ny "fizotrin'ny fanajana ny manodidina" sy ny fileferana @ sitrapon'ny mpanandro. Tsy endrika fandemen-tsaina tokoa ve izany ?
Vaky vava mihitsy mantsy aho rehefa mahita olona manary toaka @ zoro avaratra atsinanana. Inona izao no dikan'izay ? Fanajàna inona ? Olona efa sakafon'ny kankana hatry ny ela ve ???

22. Miharena
(
17/05/2013 07:26)
Vaky vava mihitsy mantsy aho rehefa mahita olona manary toaka @ zoro avaratra atsinanana. Inona izao no dikan'izay ? Fanajàna inona ? Olona efa sakafon'ny kankana hatry ny ela ve ???
Mahagaga hoy ianao ity resaka fanaonany' Malagasy ity fa aoka angamba hijerentsika hoe inona tokoa no mahatonga ny fanaovana io fomba io?
Ny fantatra dia nahay ary mahay mifandray amin'ny olona nodimandry ny Malagasy. Rehefa tonga ny fivavahana Kristianina dia nihalefy izy io fa avy hatrany dia ny Tsitoha no ifandraisana.
Raha misotra zava-mahamamo ny olona dia mahatsapa kokoa ny fanahiny. Izany hoe fahatsapana amin'y alalan'ny fampiasana zavatra ilay fomba io, toy ny fomban'y olona mifoka zavamahadomelina ihany.
Mahatsapa izany izy ireo fa mifanerasera ara-panahy amin'ny efa nodimandry ohatra, ary izany no mahatonga azy hanao ilay fanomezana mba ho an'ny fanahin'ny razana, izay heverina hatrany fa miombon'aina amin'ny velona rehetra. Ny azo ilazàna izany dia hoe tsy manaiky mihitsy ny Malagasy hoe tapaka hatreo amin'ny fiainana ara-nofo ny olona tsirairay. Ka asa hoe toy izany koa ve ny fahatsapan'ny Kristianina azy sa tsia? ary raha tsia, inona no fanazavàna mazava azo avoitra?
23. Nehemiah
(
17/05/2013 07:34)
Eo indrindra isika : mandrara ny hifandraisana @ maty ny finoana kristiana satria tsy afaka manao inona na inona ho antsika, na tsara na ratsy, izy ireo. Fa ny herin'ny maizina kosa dia misy @ tontolo ara-panahy. Ary raha omentsika opportunité amitahana antsika izy ireo dia tsy maintsy raisiny ilay izy, ka hody manao hoe : fanahin'i Ranona aho, mijaly aho any an-koatra any fa manaova an'izao sy izao sy izao mba hahatony ny fijaliako (na zavatra hoatr'izany).
24. toriteny
(
18/05/2013 00:13)
bazylou:
toriteny,
ny tiako ahatongavana di any hoe aoka hisaina ny rehetra fa tsy mahavita lavitra noho ireo razambetsika isika na dia nolazaina aza fa ketrina sy bado izy ireo satria efa nahatakatra io fisainana io ny ntaolo na dia tsy mbola tonga teto aza ny mompera sy presbitera menasofina.
Ary io indrindr ano antony nanasokajiany ny andriamanitra, andriananahary, zanahary.
Izao ary ny fanontaniako aminao. Inona ny fanadementsaina lazainao fa hoentin'ny Andriamanitry ny vahiny ka tsy hoentin'ny andriamanitry ny malagasy? Inona izany no tena mahasamihafa ireo andriamanitra 2 ireo mahatonga anao miteny fa ny an'ny razana no tsara lavitra sy tsy mandemisaina?
Izao mantsy tsy isiaka ihany no nanana andriamanitra antsika manokana fahiny fa ny firenena rehetra samy nanana an'izany avokoa (Ny grika, ny romana, ny sinoa, ny indien,...)ary ny origine nipoiran'ny fivavahana kristianina tsy europeana na dia ireo aza no nitondra izany teto amintsika fa firenena Jiosy (izay tsy menasofina mihitsy). Fa maninona ireo firenena maro be izay efa samy nanana ny andriamaniny fahiny no nandao izany ho an'ny fivavahana Kristianina dia maninona isiaka no tokony mbola hitazona ny fivavahan'ny razantsika.
Tsy hoe izay ny tendance dia tokony hanaraka koa isiaka fa andron'ny fanatontoloana izao. Ny ahy fantatro ny hinoako sy ny antony hisafidiako an'i Jesosy Kristy ho Andriamanitro fa ny anao? Inona no mbola mampifikitra anao amin'ny fivavahan'ny razana?
25. bazylou
(
19/05/2013 00:00)
Ny andriamanitra niankohofan'ny razambetsika Malagasy dia tsy andriamanitra natao fitaovana sy andemena saina toy ny vazaha mpanjanaka.
Ny andriamanitra nivavahan'ny Malagasy dia efa hitany sy hainy talohan'ny natongavan'ny vazaha teto madagasikara.
rehefa nidiran'ny vazaha ny sain'ny gasy sy ny fanahiny dia lazainy amin'izay fa io nentindrazana io dia sampy sy tsy tian'ny andriamanitra itompoany.
Ary na ankehitriny aza dia lazaina fa ambany ny andriamanitry ny razan asatria ratsy sy mampanompo sampy.
Ny andriamanitry ny malagasy talohan'ny nidiran'ny vazaha anefa dia efa nahazoan'ny Malagasy ny fanajana rehetar iroe zavatra manodidina azy.
ary io daholo no fototry ny fomba sy haja malagasy rehetra, na any avaratra io n aatsimo, na andrefan ana atsinanana, aryna afovoan tany.
Izao isika rehetra tonga amin'ny fanatontoloana lazainao e.
Ary vazaha no mitondra sy mametraka ny fisainany ao anatinao ary ny fandrosoana dia ny fitovizana min'ny vazaha na ssaina, fitafy, finoana, toe karena..............
Aminay dia tsy misy hafa tsy ny fiverenana amin'ny nentim paharazana satria amin'izao zavatra rehetra eto mada izao dia tsy misy vaha olana maharitra hafa tsy ny fianteherana amin'ny nentim paharazana.
Na amin'ny lafinyinona io na inona, ary ny ao anatin'ny fary mamy kilasy famaranana aza dia efa nametraka an'io amin'ny resaka fampianarana. Tokony ampianrina ny malagasy sy ny taranany hoe inoan no mahamalagasy azy ary inona no fototra iaingany sy ny hoaviny.

26. endriny
(
20/05/2013 17:36)
pisoonja:
Aza manao an'izany ianao , fa tsy misy olona terena hivavaka anie fa safidy io e, koa ahoana no lazainao hoe fandemen-tsaina
Tsy nisy nisafidy ny hivavaka, fa fanerena na koa andeha atao hoe fitaizana fony kely no mahatonga ny olona hivavaka. Voatery tsy maintsy manaraka ny Ray aman-dReny hivavaka izaky ny alahady ianao na mbola te hilalao kanety aza. Bedy raha tsy mandeha miangona.
Dia aiza amin'ireo ilay safidy
27. Nehemiah
(
21/05/2013 07:11)
Endriny > Mbola tsy azonao mihitsy izany ny atao hoe finoana kristiana ? Tsy mba resaka mandohalika eo anatrehan'ny sary vongan'i Maria na milona anaty rano voahasina na miangona isak'Alahady ilay izy, fa finoana an'i Jesoa Kristy, Andriamanitra tonga nofo, izay maty nisolo voina antsika t@ hazofijalian'i Kalvary ka mahatonga antsika hanana fifandraisana velona @ Andriamanitra isan-tsegondra vaky.
Ka mivavaha ianao mba tsy hivarina @ fandrika nivarinan'i Kaina.

28. Nehemiah
(
21/05/2013 07:33)
bazylou:
rehefa nidiran'ny vazaha ny sain'ny gasy sy ny fanahiny dia lazainy amin'izay fa io nentindrazana io dia sampy sy tsy tian'ny andriamanitra itompoany.
Ary na ankehitriny aza dia lazaina fa ambany ny andriamanitry ny razan asatria ratsy sy mampanompo sampy.
Mbola diso indray izay, satria Andriamanitra no nasandratry ny misiônera fa ny sampy tahakan'Ikelimalaza sy ny tariny no notsipahiny.
Ny andriamanitry ny malagasy talohan'ny nidiran'ny vazaha anefa dia efa nahazoan'ny Malagasy ny fanajana rehetar iroe zavatra manodidina azy.
ary io daholo no fototry ny fomba sy haja malagasy rehetra, na any avaratra io n aatsimo, na andrefan ana atsinanana, aryna afovoan tany.
Izao isika rehetra tonga amin'ny fanatontoloana lazainao e.
Ary vazaha no mitondra sy mametraka ny fisainany ao anatinao ary ny fandrosoana dia ny fitovizana min'ny vazaha na ssaina, fitafy, finoana, toe karena..............
Aminay dia tsy misy hafa tsy ny fiverenana amin'ny nentim paharazana satria amin'izao zavatra rehetra eto mada izao dia tsy misy vaha olana maharitra hafa tsy ny fianteherana amin'ny nentim paharazana.
Na amin'ny lafinyinona io na inona, ary ny ao anatin'ny fary mamy kilasy famaranana aza dia efa nametraka an'io amin'ny resaka fampianarana. Tokony ampianrina ny malagasy sy ny taranany hoe inoan no mahamalagasy azy ary inona no fototra iaingany sy ny hoaviny.
Toa tsy handaitra anao mihitsy ny hevitra aroso, na inona na inona, ka izao fotsiny : ny fitiavan'i Jesoa Kristy anao ve no ankahalanao Azy ?