Hafatry ny anjely fahatelo

1. Maranatha ( 27/12/2012 08:46)
Misy hafatra ny anjely telo ao amin'ny apokalipsy faha 14.
Ny fahatelo amin'io hafatra io dia manao hoe: Apok 14:9 Ary nisy iray koa, dia anjely fahatelo, nanaraka ireny ka nanao tamin'ny feo mahery hoe: Raha misy miankohoka eo anoloan'ny bibi-dia sy ny sariny ka mandray ny marika eo amin'ny handriny na amin'ny tànany,10 dia izy koa no hisotro ny divain'ny fahatezeran'Andriamanitra, izay naidina tao anatin'ny kapoaky ny fahatezerany tsy miharoharo zavatra, sady hampijalina amin'ny afo sy solifara eo anatrehan'ny anjely masina sy eo anatrehan'ny Zanak'ondry iry;11 ary ny setroky ny fijaliany dia miakatra mandrakizay mandrakizay; ary tsy manam-pitsaharana na andro na alina izay miankohoka eo anoloan'ny bibi-dia sy ny sariny, na izay mandray ny mariky ny anarany.12 Indro ny faharetan'ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy.13 Ary nahare feo avy tany an-danitra aho nanao hoe: Soraty: Sambatra ny maty, dia izay maty ao amin'ny Tompo hatramin'izao. Eny, hoy ny Fanahy, fa hitsahatra amin'izay nisasarany izy; fa ny asany manaraka azy.

Tsy haiko hoe tokony ho fafana ve io teny io sa ...? fa raha manaraka tsara io teny io izany dia tokony hiala amin'ny bibidia, sy ny sariny , ARY NY ISAN'NY ANARANY, .

Raha manaraka io isika sy mahalala tsara dia nandritra ny fametahana tombo-kasen'Avoindrindra no fotoana hialana amin'ireo (bibidia, sariny isan'ny anarany)mba hahafahana mandray izay tombokaseNY izay.

ANARANA=FAHEFANA (Asa 4:7 ...Fahefana manao ahoana, na anarana manao ahoana, no nanaovanareo izany?)

ISAN'NY ANARANY= ISAN'NY FAHEFANY

Noho izany izay rehetra maneho ny fahefan'i BIBIDIA, na ny fahefan'ny SARINY dia tsy maintsy hialana avokoa raha te ho voapetaky ny tombokasen' Avoindrindra.

Raha tsorina dia ireo fampianaran-diso rehetra izay noforonin'ny bibidia sy ny sariny ireo tsy maintsy hialana ireo. Apok 13:18 Indro ny fahendrena. Aoka izay manan-tsaina hanisa ny isan'ny bibi-dia, fa fanisan'olona izany; ary enina amby enim-polo amby enin-jato no isany.

Dia manisa fa mitontona tsara io. Raha mbola misy fahefany ao ampiangonanao dia mba maodimaody fa mifandray antendro amin'ny bibidia na ny sariny izany io misy anao io. Tsy hahazo ny Tombo-kase hianao raha mbola manao ny fanaony sy manaraka izay ataony ao.

Mahereza!
répondu par Nehemiah le 13/02/2013 06:17
2. sitlo ( 27/12/2012 09:51)
Fitombokase, efa kisarisary daholo izany...
3. Miharena ( 27/12/2012 16:11)
Raha ity tokoa moa namana Maranatha ka ny fivavahana rehetra tsisy an-kanavaka dia tsisy anisan'ny an'ny Avo Indrindra fa mifanohitra amin'izay tena tiaNY hahatongavana? Satria raha mandinika tsara isika dia somary mivily lalana ihany ny olombelona amin'ny fiheverana fotsiny aza hoe Ny Avo Indrindra, izay toa tsy mitombina satria endrika teraka tao antranon'omby no tena maneho AZY, izany hoe tsy mpanjaka velively fa Ilay miasa ao anatin'ny tsirairay, naka ny toeran'ny mpanompo. Raha tsy izay no izy dia tsy nangataka Taminy akory izay tiantsika isika mba hotanterahaNY. Raha tena dinihina dia toy ny irakiratsika hanatanteraka izay kasaintsika IZY.

Eo no misangodim-panina ihany isika mianakavy satria fatra-paniraka ny Tompo hanatanteraka ny sitrapontsika nefa mametraka AZY eo ambon ySeza Fiandrianana.

Mitovy amin'izany koa ny fifampitondrana eo amin'y fiarahamonina? Ny atao hoe filoham-pirenena dia tsy mibaiko fa baikoina hanaily izay angatahintsika aminy.

Marina tsy misy diso ny resak'i Kristy hoe izay miady ho lohany aminareo no mpanompon'izy rehetra. izay no Tena Kristy raha tena mandinika isika. Ka sao dia diso daholo aza isika manandratra Azy io?

Mampieritreritra an!
4. leva2 ( 28/12/2012 05:51)

sitlo:

Fitombokase, efa kisarisary daholo izany...

Velona Jesosy!

Tombokase = Fanahy Masina.
Efe 01/13 "Ao amiNY koa hianareo, rehefa renareo ny tenin’ny fahamarinana, dia ny filazantsara famonjena anareo, eny, ao aminy koa hianareo, rehefa nino, no nasiana tombo-kase tamin’ny Fanahy Masina araka ny teny fikasana".

Izay zanak'Andriamanitra no mandray ny "Tombokase".
Rom 08/14-17 "Fa izay tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra no zanak’Andriamanitra.
Fa tsy nandray ny fanahim-pahandevozana ho amin’ny tahotra indray hianareo, fa nandray ny fanahin’ny zanaka natsangana, izay iantsoantsika hoe: Aba, Ray ô.
Ny Fanahy dia miara-milaza amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika.
Ary raha zanaka, dia mpandova; eny, sady mpandova an’Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy koa, raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy koa"
.

Ahoana no ahalalana fa mitoetra sy miasa ary mitarika antsika ny Fanahy Masina?
Valiny : Tsy mandeha araka ny nofo isika, fa mandeha araka ny fanahy :
Gal 05/17-25 "Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanareo manao izay zavatra tianareo.
Fa raha tarihin’ny Fanahy hianareo, dia tsy mba ambanin’ny lalàna.
Fa miharihary ny asan ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana, fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra.
Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana,
Fa izay an’i Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin’ny faniriany sy ny filàny tamin’ny hazofijaliana.
Raha velon’ny Fanahy isika, dia aoka handeha araka ny Fanahy".

Ny fomba fanaovana azy : mandini-tena isika ka raha mbola misy, na dia iray aza, ao anatintsika amin'ireo toetry ny nofo ireo dia tsy manana ny Fanahy Masina isika, tsy AZY isika na dia efa mpandray, na dia efa diakona, na dia efa mpitoriteny, na dia efa mpitandrina, na efa mompera, na efa mpivavaka be, eny fa na dia efa nanehoan'Andriamanitra fahagagana aza teo amin'ny fiainantsika.
5. leva2 ( 28/12/2012 06:45)

Miharena:

Marina tsy misy diso ny resak'i Kristy hoe izay miady ho lohany aminareo no mpanompon'izy rehetra. izay no Tena Kristy raha tena mandinika isika. Ka sao dia diso daholo aza isika manandratra Azy io?

Mampieritreritra an!

Velona Jesosy!

Marina tokoa fa fanetren-tena nasehon'i Kristy no halehiben'ny voninahiny, satria asehon'Andriamanitra fa tena tiany izaho sy ianao. Io fitiavaNY io, nanekeny hatramin'ny fahafatesana (fara-tampon'ny fitiavana) no fara-tampon'ny halehibeny sy ny voninahiny.

Tandremo anefa, averiko aminao manokana ity namana miharena :
"Fa izay an’i Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin’ny faniriany sy ny filàny tamin’ny hazofijaliana" Gal 05/24.
Tsy ny sitrapontsika no tokony hatao, na dia mangataka aza isika, fa tokony ho loha-laharana mandrakariva ny sitrapoNY :
"Ary hoy Izy: Aba, Raiko ô, ny zavatra rehetra hainao; esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao". Mar 14/36.
6. Maranatha ( 28/12/2012 08:09)

leva2:


sitlo:

Fitombokase, efa kisarisary daholo izany...

Velona Jesosy!

Tombokase = Fanahy Masina.
Efe 01/13 "Ao amiNY koa hianareo, rehefa renareo ny tenin’ny fahamarinana, dia ny filazantsara famonjena anareo, eny, ao aminy koa hianareo, rehefa nino, no nasiana tombo-kase tamin’ny Fanahy Masina araka ny teny fikasana".

Izay zanak'Andriamanitra no mandray ny "Tombokase".
Rom 08/14-17 "Fa izay tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra no zanak’Andriamanitra.
Fa tsy nandray ny fanahim-pahandevozana ho amin’ny tahotra indray hianareo, fa nandray ny fanahin’ny zanaka natsangana, izay iantsoantsika hoe: Aba, Ray ô.
Ny Fanahy dia miara-milaza amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika.
Ary raha zanaka, dia mpandova; eny, sady mpandova an’Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy koa, raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy koa"
.


Misaotra ny namana leva2 nitondra io fanazavana io. Fa tsy ampy io namana .

Izao no tsarovy ny olom-bonjena dia misy karazany roa : Ny 144 000 sy ny olona marobe:
Apok 7:4 Ary nahare ny isan'izay voaisy tombo-kase aho: efatra arivo amby efatra alina amby iray hetsy no voaisy tombo-kase avy tamin'ny firenen'ny Zanak'isiraely rehetra.
Apok 7:9 Rehefa afaka izany dia hitako fa, indreo, nisy olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin'ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana sy teo anatrehan'ny Zanak'ondry, niakanjo akanjo fotsy lava sady nitana sampan-drofia teny an-tànany,

Ny tombo-kase koa dia misy karazany roa:
II kor1:22 Izay nanisy tombo-kase antsika koa ka nanome ny Fanahy ho santatra ato am-pontsika.
- Ny ametahana ny 144000, nanomboka t@ 1844 fotoana nanombohan'ny Fitsarana, ka mandram-pahatapitry ny Fitsarana (rehefa mamerina miteny ny mpamonjy ao efitra masina indrindra hoe :VITA) , ny ady hatrehan'ireo no mafy indrindra satria hiatrika ny fanenjehan'ny bibidia sy ny sariny, sy ireo tsy tia fivavahana izy ireo. FITOMBOKASEN'AVOINDRINDRA no apetaka aminy . Tsy hahitana lainga amin'izy ireo na tsiny, ireo no manaraka ny zanak'ondry na aiza na aiza no alehany, Ireo no miaina amin'ny vanimpotoana farany ny tantaran'ny tany, ireo no voalaza fa vahoaka sisa nadresy t@ vahoaka ny laodikia Apok 3:21, Ireo no tra-belona amin'ny fiavian'ny Mesia fanindroany, (Raha misy ary efa maty amin'ireo dia hatsangan'A/tra manokana izy fa tsy maintsy velona izy mitsena ny Tompo amin'ny fiaviany miaraka amin'ireo ratsy fanahy nanombo an'i Tompo teo amin'ny hazo-fijaliana). ireo no nandresy ihany koa ny bibidia sy ny sariny ary ny isan'ny anarany. Isa arabakiteny io 144000 io. Mivelona tsy misy mpanelanelana eo anatrehan'A/tra izy ireo aorian'ny fitsarana fotoana izay hahataperan'ny fanelanelanana hataon'ny Tompo amin'A/tra sy ny olona. Ireo no mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana miaraka amin'ny Tompo Apok 3:21. Ny fankatoavana sy fitandremana feno sy tanteraka ny Sabata no fahafantarana azy ireo. Ireo no ilay virijiny 5 hendry nandray ny Tompo tamin'ny fihaviany.

-Ny vahoaka marobe: Io dia nanomboka t@ fiandoahn'ny izao tontolo izao ka mandrampahatonga ny fiavian'ny Tompo fanindroany, io dia ilay voalaza fa izay nadray ny fanahy masina ka nanaiky ho tarihan'ny fanahin'ny Tompo. sns... imlay efa nazavainao

Ny hitovizan'ireo : samy @ fahoriam-be no hidirana @ fanjakan'ny lanitra Asa 14:22 nampahery ny fanahin'ny mpianatra ka nananatra azy haharitra amin'ny finoana, sady nilaza fa tsy maintsy ho amin'ny fahoriana be no idirantsika amin'ny fanjakan'Andriamanitra.

Mahereza!
7. leva2 ( 28/12/2012 09:25)
Velona Jesosy!

Marin'io namana Maranatha,
Fa endriky ny Fanahy Masina koa ny "akanjo fotsy madio", ary ity no tena hitovizan'ireo 144.000 sy ireo vahoaka andiany marobe nanoloana ny seza fiandrianany (any an-danitra).
Apo 7/14 : "Ireo no avy tamin’ny fahoriana lehibe, ary ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry"
8. Maranatha ( 28/12/2012 11:49)

leva2:

Velona Jesosy!

Marin'io namana Maranatha,
Fa endriky ny Fanahy Masina koa ny "akanjo fotsy madio", ary ity no tena hitovizan'ireo 144.000 sy ireo vahoaka andiany marobe nanoloana ny seza fiandrianany (any an-danitra).
Apo 7/14 : "Ireo no avy tamin’ny fahoriana lehibe, ary ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry"


Ny akanjo = toetra
fotsy=madio=tsisy loto
Akanjo fotsy = toetra tsy ahitana loto
Nosasana t@ ran'ny zanak'ondry=nodiovina t@ fahamarinana'ny Mesia (Fanamarinana @ finoana). Izay olona rehetra mino ilay rà nalatsaka teo kalvary mba ho fanadiovana ny tenany noho ny fahotany ka mibebaka sy miala @ fahotany no voadion'io rà io.

Rehefa izany ny olona izay manasa ny akanjony amin'io r@ io dia tsy miverina manao ny fahotana intsony. gal 2:17 Fa raha mitady hohamarinina ao amin'i Kristy isika, nefa ny tenantsika no hita fa mpanota, moa mpanompo ny ota va Kristy?

Ireo vahoaka marobe no mitafy io fahamarinan'ny Kristy io.

Fa ny 144000 dia mivelona @ fahamarinan'ny tenany ihany ary hita ho tsy manantsiny eo anatrehan'Avoindrindra izy ireo. satria efa mitsahatra ny asa fanelanelanana hataon'i Mesia amin'ny fotoana izay hisedrana azy ireo. izay no mahatonga azy ireo miaraka mipetraka @ Mesia eo amin'ny seza fiandrianan'ny Rainy rehefa avy maharesy. Fotoana anakiray izay hanaporofona @ satana sy ny anjeliny io fatoana hahaveloman'ny 144000 ireo fa azon'ny rehetra hatao tsara ny mankato sy mitandrina ny Didin'Avoindrindra, izay fototry ny ady tany an-danitra.

Ireo izay nandefona azy (tafiditra ao anatiny ry Kaiafa Mpisoronabe, ireo mpanoradalana, ny fariseho, ireo tsy tia ny tompo, ry heroda, ry pilato, ireo mpakahala fivavahana rehetra sns..) hatsangana manokana miaraka amin'ireo 144000 maty talohan'ny fotoana. Fitsanganana manokana io. A/tra no manangana azy ireo. Henenjika ny 144000 toy ny nataony t@ Mesia no antony hitsanganany sy hijery ny fiavian'ny tompo eny amin'ny rahon'ny lanitra @ fahatongavany.

Koa satria tena mafy ny fanenjehana hatao amin'izy ireo dia nohafohezina izany andro izany. Tsy matahotra ny fanenjehana anefa izy ireo. Ny hatahorany dia hoe efa tena voavela marina tokoa ve ny helony rehetra sa misy hadino tsy voabebaka t@ fotoana mbola nanadiovana ny fahotany.

Efa tena mitovy @ endriky (toetra) mesia izy ireo. Tsy mivadika t@ Rainy. Izay no mahatonaga azy ireo hoe miaina @ fitafiany (toetrany) manokana . Tsy miakanjo akanjo fotsy lava ireo.

Ny vahoaka marobe miakanjo fotsy lava sy mitana sampan-drofia eny an-tanany fa ireo kosa mitafy ny fitafiana nandreseny sy mitana lokanga ny Avoindrindra sady mihira ny fihiran'ny Mosesy sy ny zanak'ondry mijoro eo anoloan'ny ranomasina fitaratra Apok 15 :2 Ary nahita aho fa, indro, toa ranomasina fitaratra miharo afo, ary izay naharesy ka afaka tamin'ny bibi-dia sy ny sariny ary ny isan'ny anarany dia nitsangana teo amoron*'ny ranomasina fitaratra, nitana lokangan'Andriamanitra. 3 Ary mihira ny fihiran'i Mosesy, mpanompon'Andriamanitra, sy ny fihiran'ny Zanak'ondry izy manao hoe: Lehibe sy mahatalanjona ny asanao, Tompo Ô, Andriamanitra Tsitoha; Mahitsy sy marina ny lalanao, Ry Mpanjaka mandrakizay. 4 Iza no tsy hatahotra? Ary iza no tsy hankalaza ny anaranao, Tompo ô? Fa Hianao ihany no masina, ary ny firenena rehetra ho avy hiankohoka eo anatrehanao; Fa efa naharihary ny fitsarana marina nataonao.

Mahereza!
9. methode ( 29/12/2012 21:23)
Tsy azo raisina an-tendrony toy izany ny Apokalipsa fa tsy maintsy fantarina tsara ny tantaran'izy io. Tokony tsy hadino fa fankaherezana ny kristianina voaenjika no nanoratana an'io ary nampiasa kisarisary mba tsy hahalalan'ny mpanenjjika izay tiana hampitaina. Ireo tena Kristianina ihany no mahazo izay tiana lazaina ao! Ankehitriny dia lasa fampitahorana olona ny Apokalipsa mba hisarihana olona ho ao amin'ny fiangonana manao izany!
Tokony tsy hadino koa fa ny Devoly nampiasa tenin'Andriamanitra handresena lahatra an'i Jesoa, ka tsy izay rehetra mitanisa tenin'Andriamannitra dia avy amin'Andriamanitra!
10. Miharena ( 30/12/2012 02:42)
Ny fanavahana ny safotofotom-pisainana na safotom-piheverana ny ho avy avy amin'ny famakiana Baiboly voasoratra efa lasa no olana namana Méthode, raha tsy hay ny vanim-potoana. Ny ankehitriny tsy hita nefa ny lasa sy ny ho avy no eritreretina. Io fomba io no mahatonga ny fihalohaloan'ny haizina (=safotom-piheverana) ao an-dohan'ny olona ary maro ny Kristianina no tafaroboka amin'izany. Lasa nofy ny fanantenana ary rehefa tsy tanteraka dia maro no lasa adala. Na isika aza mandalo eny an-dalana eny mahita olona miteny irery satria tsy mahafehy intsony io safoto nampidirina tao an-doha io tsy mfanaraka amin'ny zava-misy sy iainana marina.
11. Maranatha ( 02/01/2013 07:16)

methode:

Tsy azo raisina an-tendrony toy izany ny Apokalipsa fa tsy maintsy fantarina tsara ny tantaran'izy io. Tokony tsy hadino fa fankaherezana ny kristianina voaenjika no nanoratana an'io ary nampiasa kisarisary mba tsy hahalalan'ny mpanenjjika izay tiana hampitaina. Ireo tena Kristianina ihany no mahazo izay tiana lazaina ao! Ankehitriny dia lasa fampitahorana olona ny Apokalipsa mba hisarihana olona ho ao amin'ny fiangonana manao izany!
Tokony tsy hadino koa fa ny Devoly nampiasa tenin'Andriamanitra handresena lahatra an'i Jesoa, ka tsy izay rehetra mitanisa tenin'Andriamannitra dia avy amin'Andriamanitra!

Misaotra anao namana methode. Tena marina tokoa ny nambaranao raha tsy tena mapanaradia ny Tompo ka hitoeran'ny fanahiny tsy hahatakatra izay voalaza ao amin'io boky ny apokalipsy sy Daniela io. Mety hiteny hianao hoe fampitahorana sy ny sisa fa izao no voalaza ao amin'ny Ezekiela 3:18 Raha hoy Izaho amin'ny ratsy fanahy: Ho faty tokoa ianao! ary tsy mananatra azy ianao, na miteny hananatra ny ratsy fanahy, hialany amin'ny lalany ratsy hamonjena ny ainy, dia ho faty amin'ny helony ihany ilay ratsy fanahy; nefa hadiniko amin'ny tananao ny ràny.19 Fa raha mananatra ny ratsy fanahy kosa ianao, ka izy no tsy mety miala amin'ny faharatsiany sy amin'ny lalany ratsy, dia ho faty amin'ny helony ihany izy; fa ho voavonjinao ny fanahinao.
Ho anay laika dia tsy mba manao fitadiavam-bola ny hafatra avy @ Avoindrindra, na misarika ny olona hanatona ny fiangonana izay misy anay, ho anay dia ilay voasoratra hoe HO VAVOLOMBELONA aminy izany. Ho anay dia tsy misy hafatra hamboarimboarina fa hoe sao tsy zakan'ny olona . Izay nasaina nampilazaina anay no lazainay. ary tsy maintsy lazainay. Raha sendra ka tsy zakan'ilay fanahy izay ao anatinao ilay izy dia tsy teninay ireo fa tenin'izay naniraka anay , any Aminy hianareo manitsy izay tsy zakanareo.
Jaona 7:16 Dia namaly azy Jesosy ka nanao hoe: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an'izay naniraka Ahy.17 Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin'ny fampianarana izy, na avy amin'Andriamanitra izany, na miteny ho Ahy Aho.
Dia mbola io tenin'i Tompo io ihany koa no averiko aminao. namana methode. Aza mijery ilay olona mitondra ny hafatra fa ilay hafatra ho entiny no diniho sy haraho ka rehefa marina sy ara-baiboly tsara inona no manakana anao tsy hanaraka izany raha te ho any amin'ny fiainana hianao.
12. methode ( 02/01/2013 13:29)
Ka tsy ny Tenin'Andriamanitra no diso fa ny interpretation no samy manana ny azy, de mila hay aloha ny tantara vao tena afaka mahazo ny tiana lazainy.
13. Maranatha ( 03/01/2013 05:25)

methode:

Ka tsy ny Tenin'Andriamanitra no diso fa ny interpretation no samy manana ny azy, de mila hay aloha ny tantara vao tena afaka mahazo ny tiana lazainy.

Mazava ho azy tsy ny interpretation-ko na ny anao no ampiasaina fa raha izay dia samy hanana ny azy , fa ny interpretation'ny lanitra ka Izy izay nampanoratra ihany no manazava ny teniNy.(Ny teniny izay voasoratra ao @ baiboly ihany no manazava izay voasoratra ao @ baiboly). Ny tsy voasoratra fa hevitry ny olom-belona dia diniho tsara aloha sao misy Didy voadika .
Ny contexte no tsara fantarina, mety tsy ho arakao daholo ny tantara nisy, mila mahazo ny contexte hianao. Ny tenin'A/tra izay fantatra dia hampiharina fa tsy hatao fahalalana fotsiny.
14. Maranatha ( 03/01/2013 05:43)
I petera 2: 9 Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, "fanjaka-mpisorona, firenena masina" (Eks. 19.6), olona nalain'Andriamanitra ho an'ny tenany mba hilazanareo ny hatsaran'ilay niantso anareo hiala tamin'ny maizina ho amin'ny fahazavany mahagaga

Ireo 144000 no voalaza fa manjaka miaraka @ Tompo, miaraka mipetraka aminy eo ambony seza fian-drianany Apok 14:4 Ireo no tsy voaloto tamin'ny vehivavy, fa virijina izy. Ireo no manaraka ny Zanak'ondry na aiza na aiza no alehany. lreo no navotana avy tamin'ny olona ho voaloham-bokatra ho an'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry. Apok 3:21 Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambonin'ny seza fiandrianako, dia tahaka ny nandreseko kosa sy ny niarahako nipetraka amin'ny Raiko eo ambonin'ny seza fiandrianany.

Fanjakam-pisorona no resahina eto théo-cratie. ny Tompo no Mpanjaka. Efa ireny nomena antsika ireny ny lalam-panorenana ny fanjakany. Ny Didiny no ampanjakaina.

15. RBNIR ( 03/01/2013 17:08)
Faly miarahaba ny namana rehetra indray ary faly koa miarahaba antsika rehetra tratry ny taona vaovao 2013. Ny Tompo anie hitahy antsika rehetra ary hampahiratra ny masontsika rehetra izay mikatsaka ilay "MARINA" nambarany fahiny.
Mila fantarina aloha hoe iza marina moa ilay bibidia? Inona ny mission hampanaovina azy? Rahoviana no tena hiseho amin'ny endriny maha bibidia azy tokoa izy?
Araho fa efa nisy natsidiko tato ny mombamomba azy io.
http://forum.serasera.org/forum/message/m507bdfc0e9c94#m50af4e1872312
Bibidia dia satana no mifidy azy ary manome ny heriny rehetra.
Ao amin'ilay Evènement fahatelo izay ho avy alohan'ny hifaranan'izao tontolo izao no tena hiseho io bibidia io Hanova fotoana sy lalan'Andriamanitra izy ary hanenjika sy hamono ireo olom-boafidin'Andriamanitra izay hitory ny fahamarinana farany ao amin'ny Evènement faharoa izay mbola ho avy ihany koa.
Ny atao hoe saindalin'i satana: tokana ny tanjon'i satana, tsy avela hahazo vahana ny fivavahana TSY MISY KILEMA, mba ho vitsy ny ho voavonjy.
Arak'izany tany amin'ny taona voalohandohany niasan'i Kristy sy ireo apostoly ary ireo kristianina voalohany, dia nahavaivay ny fanenjehana nataony mba hampihemotra ireo izay nanolotena ho an'i Kristy.
Tsy nahomby anefa izany satria vao maika niroborobo ny fivavahana kristianina.
Vokany, nampiasa tetika lalina dia lalina indray satana (io ilay hoe sain-dalin'i satana).
Fantatr'i satana tsara fa Andriamanitra dia tsy tia heloka. Ny atao hoe heloka dia tsy inona fa fahotana ihany.
« Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna. » (1 Jao.3:4)
Araka io teny io dia ny fandikana ny lalan'Andriamanitra no atao hoe "OTA";
Fantatr'i satana fa tsy tia heloka Andriamanitra, izany hoe tsy tia fahotana, izany hoe tsy tia izay mandika ny didiny sy ny lalany.
Izay no nampitsiry ilay sain-dalina tao amin'ny satana: Najanony ny fanenjehana sy famonoana ka tsy norarana intsony ny olona hivavaka saingy atao kosa izay tsy hitiavan'Andriamanitra azireo. (hampanotana amin'Andriamanitra ireo olona ireo amin'izay dia tsy ho tian'Andriamanitra na dia mivavaka aza).
Nandefa ny olony hiditra tao amin'ny fivavahana kristiainina i satana araka izany ary ny tanjony dia hanova ireo lalan'Andriamanitra velona ho lalana hafa izay tsy avy amin'Andriamanitra fa avy amin'ny devoly na satana.
Araho ity rohy ity namana isany fa efa natsidiko tao koa ny mikasika ity saindalin'i satana ity sy ireo lalana izay novain'i satana tamin'izany: http://forum.serasera.org/forum/message/m50ab2fc310c72#m50b33c1bbdfad
Ilay bibidia dia tsy hoe ratsy be akory fa ny mifnohitra amin'izay aza olona tsara fanahy be eo imason'ny olona saingy ny hanova ny fotoana sy ny lalan'Andriamanitra no tena mission hampanaovin'ny devoly azy omeny fahefana be ny bibidia ka havita fahagagana izay hitondra saritsarimpitahina Be ho an'ny olona (saingy ara-nofo no tena hitarihany ny olona hanaiky azy).
Ny atao hoe "miakohoka amin'ny bibidia" dia manaiky ny fitarihany rehetra. Manaiky ireo fanovana lalan'Andriamanitra izay hatolony, manaiky sy mampirisika azy hanenjika sy hamono ireo olona izay voafidy hitory ny fahamarinana ao amin'ilay evènement faharoa izay ho avy.
Ry namana isany, fantatr'i satana tsara ireto teny ireto:
« Koa foana ny ivavahan'ireo amiko, raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy (Isa. 29. 13). » (Mat.15:9)
« Koa foana ny ivavahan'ireo amiko, Raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy. (Isa. 29. 13). » (Mar.7:7)
Fantatr'i satana fa tsy ho ankasitrahan'Andriamanitra intsony ny fivavahan'ireo olona izay mampianatra didy hafa ankoatra ny didy izay efa nomen'Andriamanitra hatrany amboalohany.

Ny tanjon'i satana hoy aho averiko indray : mba tsy ho tian'Andriamanitra ny olona ka ho betsaka dia ho betsaka tokoa ny ho very.

N'aiza n'aiza misy anao dia hoy aho hoe aza miala amin'izay voasoratra ao anaty baiboly, ary ny tsara indrindra dia mijoroa ao amin'ny fiangonana misy anao amin'izay fahamarinana fantatrao mba ho fanasina ao ianao.
Saingy raha mafy loha tsy mety hiova kosa izy namana dia raiso ity teny ity :« Ary nahare feo iray koa avy tany an-danitra aho nanao hoe: Mialà aminy ianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy. » (Apok.18:4)
Ny antony hialanao ao amin'izay fotoana izay dia mba hiarovanao ny tenanao tsy hiombokeloka aminy na koa ho tratran'ny loza hanjo azy.

Tsy voatery hiverina aty Antananarivo ianao fa mijoroa amin'ny fahamarinana ao amin'izay toerana misy anao mba ho jiro sy ho fanasina ianao.
Aza manaiky hiray tetika amin'i satana sy ny bibidiany ianao ka hanova ireo lalana sy fotoana efa napetrak'Andriamanitra ho tandremantsika.

Izao anefa no tsarovy : izay maharitra hatramin'ny farany ihany no hovonjena. Hisy ny henjika, ny fahoriana sns... vokatr'io fijoroanao io saingy ho aho hoe mahereza e, tsy ianao irery anie e, marobe no efa manaiky ankehitriny hilanja io hazo fijaliana io.
« Mifalia amin'ny fanantenana; miareta amin'ny fahoriana; mahareta amin'ny fivavahana. » (Rom.12:12)

Tokana ny loka andrandraina amin'izany dia FIAINANA MANDRAKIZAY NA VIE ETERNEL.

Tsy maintsy mandrosO isika aza "OSA" toy ny sasany fa mijoroa ho lehilahy.
« Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin'ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa. » (Apok.21:8)

MPANDRESY (WINNER) FA TSY OSA (LOSER )ISIKA RY NAMANA MATOKIA AN I JESOSY KRISTY TOMPO FA IZY HANOME NY HERY REHETRA MBA HO VAVOLOMBELONA ETO AMIN ITY IZAO TONTOLO IZAO ITY IZAHO SY IANAO.

Samia ho tahin'ny Tompo daholo.



16. Miharena ( 04/01/2013 18:00)
Miarahaba ny namana RBNIR indray nahatratra ity taona ity.

Raha mamaky ny resaka ataonao dia misy tokoa tantara tiana voizina avy amin'ny Baiboly ao.

Misy fizarana andraikitra hita dia ny andraikitr'i Satana sy ny andraikitr'Andriamanitra ary ny andraikitry ny olombelona.

Mba fanontaniana manitikitika ahy ity, isika Kristianina ankehitriny ve tsy mahatsapa fa toa manome andraikitra be dia be an'i Satana? Aiza ho aiza no andraikitsika amin'ny filazana ny faharesen'i Satana? Izaho moa dia nilaza ihany hoe, satria efa nomena fahefana i Satana dia tsy misy afatsy ny fanadiovana azy sisa no azo atao mba ho voavonjy avokoa ny rehetra izay teo ambany fahefany.

Ny Bibidia tokony hazerantsika dia isika ihany izay nanangana azy sy nandova avy amin'i Satana. Inona avy àry izany bibidia izany? Izay mamofompofona fitiavantena sy fanandrantan-tena ary fiankinana amin'y materialy sy fitaka isankarazany entina hisintonana ny saina amam-panahin'ny olombelona (ara-nofo avokoa ny fototr'izany).

Ny fampahalalàna ny fandovana ny fiainana mandrakizay izay anjara tsy azo esorina amin'ny olombelona (tantaran'ny zanaka adala) dia efa fampahafantarana azy tsy hanana tahotra.

Be safoto indraindray ny fampahafatarana izany zavatra tsotra izany amin'ny alalan'ny fanomezana supposition ny eritreritr'i Satana. io no isan'ny mampandringa betsaka ny fitoriana ankehitriny. Be loatra ny fierikerehana sy supposition ka tsy afaka mifantoka ny olobmbelona. Hitantsika moa matetika ny namana RBNIR miresaka momba ny hoe ny voany no hahafantarana ny hazo. Fa misy faka mangidy hatrany ao amin'y hafatra matetika mivoaka fa tsy misy fampanantenana fiainana, ka izany no mampieritreritra ary itaomana ny maro hifoha tanteraka eo anatrehan'izay fisainana mitan-droa be fisalasalàna izay hatrany mahatonga ny Tompo nilaza tamin'i Petera sy ny Apostoly hoe tsy ampy finoana (raha nahita AZY nandeha teny ambonin'ny rano). Mila mibanjina AZY isika ary mampiditra AZY ao anaty hahafahana manana io finoana tsy azo hozongozonina io ary mampianatra ny hafa hanao izany koa.
Tsapako manko fa tena tsy tafiditra mihitsy ny fampianarana be dia be mandeha ataon'ny Kristianina ankehitriny matoa aho mamoitra ireo resaka ireo. Ny sasany manao kajikajy, ny sasany maneho loza sy fampitandremana fotsiny, ny sasany miady amin'ny asa ratsy nefa tsy mampahomby ny fiovana fototra ao amin'izay iasàna. Koa mila ovaina mihitsy ny Fototra iaingana rehefa tena hampianatra momba ny finoana amin'izao fotoana isian'ny safoton-kevitra maobe izao.

Sa ahoana no fijerinao azy Namana?
17. RBNIR ( 15/01/2013 07:18)
Faly miarahaba namana Miharena,
Voalohany Ilay bibidia dia olona (fa tsy hoe faharatsiana sns). Ny faharatsiana rehetra dia ny OTA no fotony saingy misy lalana mazava tsara hamonoana ny tenan'ny OTA (mbola lohahevitra hafa azo sokafana izay).
Mampalahelo raha fakamangidy aminao ilay hafatra namana,
Ny MARINA REHETRA ANEFA DIA TSY MAINTSY TORIANA, satria tsy tiako ho diso fanantenana ny maro amin-tsika.
Fitiniko, ilay Bibidia dia olona hofidian'i satana (ho avy na futur no ampiasaiko) hanantateraka mission: hanamafy ny fanovana ny fotoana sy ny lalàna napetrak'Andriamanitra (hanamafy hoy aho satria ny fanovana ny lalana sy fotoana napetrak'Andriamanitra dia efa ela B no tanteraka noho ny saindalin'i satana,
Rehefa tonga ny 3ème Evènement izay ho avy, dia hiseho amin'ny tena endriny maha Bibidia azy izy io (HANENJIKA sy HAMONO) ireo olona hitory ny fahamarinana tsy misy kilema ao amin'ny 2ème Evènements,
Ny atao hoe miankohoka amin'ny bibidia, dia manaiky ary mankasitraka ny fanovana lalana sy fotoana napetrany, ary koa manaiky ary mankasitraka ny hamonoana ireo olona hitory ny fahamarinana ao amin'ny Evènement faharoa.

« Ary nisy iray koa, dia anjely fahatelo, nanaraka ireny ka nanao tamin'ny feo mahery hoe: Raha misy miankohoka eo anoloan'ny bibi-dia sy ny sariny ka mandray ny marika eo amin'ny handriny na amin'ny tànany, » (Apok.14:9).

Izay manamaso aoka izy hahita, ary izay manantsaina aoka izy hisaina,

Ny Tompo anie hitahy antsika rehetra,

18. Miharena ( 12/02/2013 11:10)
Miarahaba ny namana RBNIR nampiditra ilay adihevitra momba ny Bibidia eto. Rehefa arahana tsara ilay filaharan-kevitra dia misy resaka fanarahana olona resahanao ao ary ho avy izy io. Tsy mazava anefa satria efa ela no niresaka fanovana andro sy fotoana ny olona izay efa tamin'ny andro nananganana ny finoana mijoro mandrak'ankehitriny (lazaintsika ho Alahadiste ohatra, ary ao koa ny Silamo izay tsy nadnray ny Sabata intson fa Zoma no andro fihaonana amin'i Allah).

Ka iza amin'ireo àry no izy? sa ho avy indray?

Mila mazava hoy aho rehefa maneho hevitra fa tsy manao tombantombana satria raha Masina Andriamanitra dia tokony ho masina toa Azy koa ny Mpanatanteraka ny SitrapoNY fa tsy manao tombantombana.



19. RBNIR ( 12/02/2013 12:15)

Miharena:

Miarahaba ny namana RBNIR nampiditra ilay adihevitra momba ny Bibidia eto. Rehefa arahana tsara ilay filaharan-kevitra dia misy resaka fanarahana olona resahanao ao ary ho avy izy io. Tsy mazava anefa satria efa ela no niresaka fanovana andro sy fotoana ny olona izay efa tamin'ny andro nananganana ny finoana mijoro mandrak'ankehitriny (lazaintsika ho Alahadiste ohatra, ary ao koa ny Silamo izay tsy nadnray ny Sabata intson fa Zoma no andro fihaonana amin'i Allah).

Ka iza amin'ireo àry no izy? sa ho avy indray?

Mila mazava hoy aho rehefa maneho hevitra fa tsy manao tombantombana satria raha Masina Andriamanitra dia tokony ho masina toa Azy koa ny Mpanatanteraka ny SitrapoNY fa tsy manao tombantombana.

Faly miarahaba namana,

1 - "Hitsangana eo amin'ny fitoerana Masina" hoy ilay teny : tsy maintsy olona manompo an'i Jehovah fa tsy mpanompon'i Allah namana (satria ilay fitoerana masina voalaza (Mat.24:15) dia fitoerana Masin'i Jehovah fa tsy an'i Allah (samihafa ireo),

2- Mahafantatra tsara ny finoana kristianina ilay bibidia satria izy ihany no ho kristy sandoka izay hisandoka ilay fiaviana tena izy.

Samia ho tahin'ny Tompo namana

Samia ho tahin'ny Tompo e,
20. Nehemiah ( 12/02/2013 14:44)

RBNIR:

Ny tanjon'i satana hoy aho averiko indray : mba tsy ho tian'Andriamanitra ny olona ka ho betsaka dia ho betsaka tokoa ny ho very.

Ka i Andriamanitra anie fitiavana. Izay no toetrany. Rehefa hitsiry nify ny akoho voa misy olona na zavamananaina halany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2331