Ny kristianina sy ny ady amin'ny fitovian-jo eo amin'ny lahy sy ny vavy

1. didi10 ( 05/12/2012 14:17)
Mamorona ny fitovian-jo ve Andriamanitra? ahoana no fahitantsika kristianina izany?
répondu par Miharena le 14/12/2012 16:03
2. Nehemiah ( 05/12/2012 14:29)
Avelaontsika hiteny i Andriamanitra :
"Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany hianareo rehetra ao amin’ i Kristy Jesosy." (Gal. 3:28)

Raha ny @ fanambadiana indray dia :
"Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo araka izay mety hatao ao amin’ ny Tompo.
19 Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, ary aza sosotra [Gr. mangidy] aminy." (Kol. 3:18-19)

Ny firaisan'ny lahy sy ny vavy anaty fanambadiana dia tandidon'ny firaisan'Andriamanitra sy ny fiangonany, ka tokony ny lohahevitra kristianina ihany no arahin'ny samy mpivady. @'izao mantsy dia miziriziry ery ny fikambanana tahaky ny MLF hoe "manan-jo hiasa ny vehivavy" tahaky ny hoe mahamenatra ny mitaiza zaza. Kanefa asa masina no nomen'i Andriamanitra ny vehivavy.
3. didi10 ( 05/12/2012 15:09)

Nehemiah:

Avelaontsika hiteny i Andriamanitra :
"Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany hianareo rehetra ao amin’ i Kristy Jesosy." (Gal. 3:28)

Lojika raha entin'ny fiangonana maty sasany eny amin'ny alitarany ny fanambadian'ny lahy samy lahy sy ny vavy samy vavy raha toa izao no fandraisantsika ny tenin'Andriamanitra.

Misaotra ny namana Nehemia, raha azoko tsara izany dia mankasitraka ny fitovian-jo eo amin'ny lahy sy ny vavy ny namana.
4. Miharena ( 05/12/2012 15:40)
Tsy tokony ho raisina antendrony arak'io filazanao azy io ilay izy Didi10 raha miresaka lahy samy lahy indray ianao mandray ilay teny tsy misy fanavakavahana voasoratra.

Ny endrika tiana ahatongavana raha tena mijery io Baiboly io isika dia ny maha-iray ao amin'ny RAY ny olon-drehetra ihany no vontoatin'izy iray manontolo io.

Ny tsy fahazoana izay no mampiavaka azy tsirairay avy. Ny sasany mihevitra hoe tsy misy RAY ao aminy, ny sasany mihevitra hoe raha tsy endrika toy izatsy na izaroa dia tsy atao hoe IRAY ao amin'ny RAY.

Ny fiadiana zo eo amin'ny lahy sy ny vavy dia eo amin'yn sehatra fiainana andavanandro izay isian'ny tsy fitoviana eo amin'ny fifampitondrana. Mila avahana hoe inona no mahatonga izany, ny rafitra napetrak'olombelona ve sa efa endrika mivoitra ho azy satria misy tsy fitoviana ara-toe-batana hita mazava tsara izay miteraka fanavahana?

Ilay hoe tsy misy intsony na Jiosy na sns... dia mazava fa Andriamanitra dia IRAY ary tsy manavaka na iza na iza satria Fofon'AINY avokoa izay eo. Na ratsy io na tsara araka ny fiheveran' ny olombelona azy. Matoa ny vehivavy sasany amin'ny foko na forenena iray no manaiky ilay tsy fitoviana dia fantany tsara fa rafitra mipetraka izany. Nefa aoka koa ho fantatra hoe hatraiza koa ny fahafantarany ny hoe na misy zavatra ateraky ny fiarahamonina aza dia tsy misaraka aminy Andriamanitra izay mitoetra ao anatiny.

Io dia tsy hanavahana na inona na inona no foto-pinoany fa ny fantatra dia miteny ao anatin"ny olona Andriamanitra na iza izy na iza. Io no azo ambara ho fiononana fa ny fitovian-jo dia mazava fa tsy hisy velively noho ny fandrafetan'ny olombelona ny fiarahamoniny avy.

5. hery ( 05/12/2012 23:29)
didi10 ngamba anisan'ireo afaka mamaly hoe lahy sa vavy Andriamanitra...

Inona nomamaritra ny maha lahy sy ny maha vavy
6. Nehemiah ( 06/12/2012 05:24)

didi10:

Nehemiah:

Avelaontsika hiteny i Andriamanitra :
"Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany hianareo rehetra ao amin’ i Kristy Jesosy." (Gal. 3:28)

Lojika raha entin'ny fiangonana maty sasany eny amin'ny alitarany ny fanambadian'ny lahy samy lahy sy ny vavy samy vavy raha toa izao no fandraisantsika ny tenin'Andriamanitra.

Fa kosa tsy mba izay no lazain'ny Tenin'Andriamanitra fa "Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ ny vadiny; ary dia ho nofo iray ihany ireo." (Gen. 2:24) Milaza tsara io andininy io (izay mbola namifisin'i Jesoa) fa ny fanambadiana dia LEHILAHY IRAY SY VEHIVAVY IRAY IHANY !
7. mirananirina ( 06/12/2012 08:25)
Ilay miady @ fitovianjo angamba ry didi10 tsy hoe ny Kristianina amiko fa @ ny maha olombelona atsika dia te hitovy zo aminareo lhl izay vhv na hita izao aza fa tsy hitovy na oviana na oviana isika.
8. didi10 ( 06/12/2012 09:51)
Tsara ny Tompo

Misaotra antsika rehetra.

Ny fomba famalintsika dia mampibaribary fa Kristiana isika rehefa any am-piangonana fa rehefa andavanandro dia tsy mitondra tena toy ny kristiana.
Ny lalàna napetraky ny Tompo no tokony hitondrantsika ny fiainana rehetra na any am-piangonana na any amin'ny fiainana an-davanandro.

TSY NAMORONA NY FITOVIAN-JO ANDRIAMANITRA

1- Ny lahy no voalohany
Hatrany amin'ny famoronana dia lehilahy no noforon'Andriamanitra, rehefa nampandaloviNY teo imason'i Adama avokoa ireo biby rehetra ka tsy nisy sahaza an'i Adama va namorona an'i Eva Izy. (Gen 2;20)

2- Mila manaiky ny vehivavy fa ny lahy no lohany
Efe 5;22
22 Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo tahaka ny anekena ny Tompo. 23 Fa ny lahy no lohan'ny vavy, dia tahaka an'i Kristy koa Lohan'ny fiangonana;

Maro ankehitriny ireo vehivavy idiram-bola betsaka noho ny lehilahy ka miady ho lohany ao amin'ny tokantrano, ny fiheveran'ny vehivavy fa afaka mahaleo tena ka tsy mila manaiky ny lehilahy no mahatonga ny fiainan-tokantrano maro, potiky ny divorce.
Ny "Émancipation de la femme" dia tontolo iray entin'i Satana handravana ny fiainan-tokantrano sy ny fianakaviana (lahy + vavy + zanaka).
Ny fanekena na "soumission" dia tokony hita taratra na any ampiangonana na any amin'ny fiainana an-davanandro.

2. Tsy mahazo mitory teny amin'ny lehilahy ny vehivavy
I Tim 2,11
11 Aoka ny vehivavy hianatra mangingina ka hanaiky tsara. 12 Fa ny vehivavy tsy avela hampianatra na hanapaka ny lehilahy, fa hangina ihany. 13 Fa Adama no natao voalohany, vao Eva. 14 Ary tsy Adama no voafitaka, fa ny vehivavy no voafitaka, ka dia tonga mpanota. 15 Nefa hovonjena ihany izy amin'ny fiterahan-jaza, raha maharitra amin'ny finoana sy ny fitiavana ary ny fahamasinana mbamin'ny fahononan-tena.

Mazava fa tsy araka ny sitrapon'Andriamanitra ny vehivavy Pasitera, raha nisy izany tamin'ny andron'ny Apostoly dia tsy maintsy efa nisy ny Epistily nosoratana vehivavy fa tsy misy izany.
9. bor2lais ( 06/12/2012 14:28)
Radidi:

Mazava fa tsy araka ny sitrapon'Andriamanitra ny vehivavy Pasitera

Ny mahagaga anefa dia toa tamin'ny vehivavy Izy no niseho voalohany taorian'ny fitsanganaNY ! ;-)
Sao dia amin'izay kosa Radidi mba miparitaka haingana kokoa ny Vaovao Mahafaly ! :-)
10. leva2 ( 06/12/2012 17:28)
Velona Jesosy!

Misy tsy mahazo ilay resaka ataonao namana didi10.

Ny mba tiako hambara dia izao : Noharin'Andriamanitra tsy hitovy isika olombelona : lahy sy vavy.
Tsy mitovy ny anjara toerana nametrahan'Andriamanitra azy ireo eo amin'ny fiaraha-monina, eo amin'ny asa fanompoana Azy. Tsy midika mihitsy izany hoe misy avo sy iva, fa raha vao tsy eo ny iray, na mifampisalovana andraikitra, na toerana ny lahy na ny vavy dia tsy tomombana ny fiaraha-monina.
Ny fahalalana sy ny fahaizana manaiky izay anjara toerana nametrahan'Andriamanitra ny lahy sy ny vavy izay no tena zava-dehibe.

Misaotra namana
11. jojo3t ( 07/12/2012 04:50)
Eo amin'ny fiaraha-monina amin'zao fotoana zao moa dia efa mihevitra ny maro fa efa tokony hitovy zo ny lehilahy sy ny vehivavy, eo koa no tsy azon'ny olona.

Ny vehivavy mihevitra fa raha tsy mitovy zo amin'ny lehilahy izy dia toy ny hoe ambany na tsisy dikany, ny lehilahy indray mihevitra azy ho ambony noho ny vehivavy ka lasa somary manjakazaka na manao tsinontsinona.

Tsy tokony hitranga anefa ireo rehetra ireo raha manaraka ilay lamina efa napetrak'Andriamanitra, tsarovy ny zavatra rehetra rehefa tsy misy lohany dia tsy handeha na oviana na oviana, efa voalaza ery ambony avokoa moa ny andininy milaza ny maha-lohany ny lehilahy.

Tsy midika izany fa hoe ambany ny vehivavy na hoe baikona, natao hikarakara amim-pitiavana ny vadiny ny lehilahy ary hampirisihana ho tia ny vadiny tahaka ny tenany, zany hoe raha tia ny tenany izy tsy hanjakazaka mihitsy amin'ny vadiny, ny vehivavy kosa nampirisihana hanaja ny vadiny ary hanaiky azy, afaka mifanampy tsara izy ireo ary afaka maneho hevitra tsara ihany koa ny vehivavy.

Ny tsy fanarahana izay lamina rehetra izay no mahatonga ny tokantrano hikorontana, satria rehefa samy midrikina amin'ny heviny dia lasa mifanditra sy tsy mifandefitra ary miady satria miady ho samy lohany.
12. Nehemiah ( 07/12/2012 05:40)

leva2:

Velona Jesosy!

Misy tsy mahazo ilay resaka ataonao namana didi10.

Ny mba tiako hambara dia izao : Noharin'Andriamanitra tsy hitovy isika olombelona : lahy sy vavy.
Tsy mitovy ny anjara toerana nametrahan'Andriamanitra azy ireo eo amin'ny fiaraha-monina, eo amin'ny asa fanompoana Azy. Tsy midika mihitsy izany hoe misy avo sy iva, fa raha vao tsy eo ny iray, na mifampisalovana andraikitra, na toerana ny lahy na ny vavy dia tsy tomombana ny fiaraha-monina.
Ny fahalalana sy ny fahaizana manaiky izay anjara toerana nametrahan'Andriamanitra ny lahy sy ny vavy izay no tena zava-dehibe.

Misaotra namana

Izay mihitsy anie no tiako ambara t@'azy fa izy no nihevitra ny teniko ho zavatra hafa e ! Lol !
13. didi10 ( 07/12/2012 06:40)

bor2lais:

Radidi:

Mazava fa tsy araka ny sitrapon'Andriamanitra ny vehivavy Pasitera

Ny mahagaga anefa dia toa tamin'ny vehivavy Izy no niseho voalohany taorian'ny fitsanganaNY ! ;-)
Sao dia amin'izay kosa Radidi mba miparitaka haingana kokoa ny Vaovao Mahafaly ! :-)

Rehefa voalaza fa Alahady ny Tompo no nitsangana dia nofoanana ny Sabata ka nafindra Alahady, dia rehefa Vehivavy koa no nisehoaNY voalohany dia afaka hosorona ho Mpitandrina koa ny vehivavy, mba lojika avy aiza izany namana?
14. bor2lais ( 07/12/2012 09:45)
Radidi:

Rehefa voalaza fa Alahady ny Tompo no nitsangana dia nofoanana ny Sabata ka nafindra Alahady, dia rehefa Vehivavy koa no nisehoaNY voalohany dia afaka hosorona ho Mpitandrina koa ny vehivavy, mba lojika avy aiza izany namana?

Ny lojikanao ihany anie no averiko aminao eto e ! :-)

Am-pitiavana (araka ny filazan'ilay namana izay) no mba ilazako anao : aza dia variana miondrika be loatra ao amin'ny "soratra"ao re ianao fa mba mitrakà ihany indraindray mba ahita ny Teny ! ;-)

Azavaiko ny tiako lazaina (fomba fijeriko ihany anefa fa mety diso angamba ka ialako tsiny mialoha) :

Lasa toa raisinao tahaka ny hafatra napetraky ny maty (testament) ilay boky fa tsy ny fanahin'ny voasoratra ao no jerena !

Eto aho dia miombon-kevitra tanteraka amin'ny namana (Tefigasy angamba izy izay) niteny hoe : "mivoatra hatrany ny fiasan'ny Fanahy Masina" !

Raha ny fijeriko ny fandraisanao azy mantsy dia "figé" tahaka ny sary (appareil photo) daholo ny zavatra voalaza ao anatin'io Baiboly io, hany ka na dia efa aty amin'ny taonjato faha-21 aza dia iny sary iny ihany no mbola ao an-tsaina.

Izany hoe, toa raisinao tahaka ny testament napetraky ny olona maty ilay izy ka izay voasoratra ao ara-bakiteny no heverinao fa tsy maintsy arahina !

Ny ahy indray dia fijery "dynamique" no andraisako azy ary ilazako sy anohanako fa Andriamanitra velona no inoako sy tompoiko fa tsy maty (nametraka testament) akory ary mbola miasa sy miteny mandraka ankehitriny.

Mba mahagaga ihany mantsy ange fa toa manaiky daholo ihany ny maro eto hoe Tenin'Andriamanitra no voasoratra ao amin'io Baiboly io, ka tsy ahatakatra velively ny tiaNY lazaina raha tsy manana ny FanahiNY (antony angatahana izany Fanahy Masina izany alohan'ny hamakiana ilay boky).

Ny olana anefa dia heverintsika fa rehefa tsy mitovy ny fandraisantsika ny teny iray ohatra dia disoina ny an'ny hafa na hoe lojika avy aiza koa izany ! Tonga hatrany amin'ny hoe "efa voapetaky ny vy mahamay, sns" aza ny resaka.

Amiko aloha na dia Fanahy iray ihany aza no angatahina miasa dia samy manana ny fomba fiasany amin'ny tsirairay Izy fa tsy voatery hitovy daholo akory ! :-)

Ary izay asaNY amin'ny tsirairay izay angamba no tsara zaraina eto sao mba mahasoa ny hafa fa tsy ny fanapetahana vy mahamay akory (izay mampandositra !) ;-)

Fomba fijeriko ihany anefa io ka avereno aty amiko raha tsy mety ! :-)
15. Miharena ( 07/12/2012 14:50)
Raha ny fahafantarako ny hevitry ny namana Didi10 dia tsy manana zo mihitsy ny vehivavy raha tena Kristianina.

Sa diso fijery aho?

Fa raha tena maaky io Baiboly io aho dia mahita fa manana anjara be dia be ny vehivavy ao ary izay nanatona an'i Jesoa dia nahazo avokoa. Ka sao dia diso ihany ny namana milaza fa tsy tokony hisy ny vehivavy Pasitera?
16. AndriambyII ( 08/12/2012 14:48)
Mampitaha zavatra mitovy isika matetika , kely dia kely ny mahasamihafa ny lahy sy ny vavy , indraindray aza ny olona sasany dia misy manome hevitra fa raha ny tena izy dia tokony nanana fitaovam-pananahana tokana ihany ny olombelona !Ary tokony ho nitombo isa ireo organisma mpamokatra ny orimona ao anatin'ny vatan'olombelona .Voalazan-dradarwin fa teo anelanelan'ny taonjato enina hetsy sy dimanjato sy arivo sy taonjato O niforonan'ny dinozoro dia nahitana zavamananaina tonga lafatra raha resaka fananahana otonoma no resahina . Voaringan'ny fiovan'ny toetrandro moa izy ireny , ary niforonan'ny mikroorganisma samihafa fototra .
17. AndriambyII ( 08/12/2012 14:48)

18. didi10 ( 13/12/2012 10:42)

Miharena:

Raha ny fahafantarako ny hevitry ny namana Didi10 dia tsy manana zo mihitsy ny vehivavy raha tena Kristianina.

Sa diso fijery aho?

Fa raha tena maaky io Baiboly io aho dia mahita fa manana anjara be dia be ny vehivavy ao ary izay nanatona an'i Jesoa dia nahazo avokoa. Ka sao dia diso ihany ny namana milaza fa tsy tokony hisy ny vehivavy Pasitera?

Tsara ny Tompo

Andray kosa namana Miharena
Izaho tsy niteny hoe tsy mananjo mihitsy ny vehivavy fa betsaka ireo zavatra ananan'ny lehilahy "privilège" izay tsy azon'ny vehivavy atao ny miady zo ny amin'izany.
19. Miharena ( 13/12/2012 17:10)
Araka ny tenin'ANdriamanitra moa hoy ny namana Didi10 ilay resahana eto.

Ny olana dia heverina hatrany fa izay voasoratra ihany no mamehy ny zava-drehetra.

Rehefa mandeha anefa ny fivoarana dia mahita zava-baovao mipoitra momba ny fiainan'ny olombelona na lehilahy io na vehivavy izay samy manatontosa asa mitovy lenta.

Azontsika antoka tokoa ve fa tsy nantsoin"Andriamanitra hitory ny vehivavy? Na hanao Pasitera io na hiasa noho ny fampianaran'i Jesoa azy? Ohatra i Nenilava, Inona no heverinao momba azy?

Mety hilaza ianao hoe tsy Jesoa no nitarika an'i Nenilava handeha hitory filazan-tsara. Nefa azo hamarinina fa Jesoa mihitsy no nitarika azy tamin'izany fotoana izany. Ka io no mahatonga ahy hilaza hoe lasa figé amin'ilay tenin'Andriamanitra isika.
20. didi10 ( 14/12/2012 10:55)
Misaotra namana

raha ny resaka Nenilava dia tokony ho fijoroana vavolombelona ihany no nataony momba ny zavatra nasehon'Andriamanitra azy momba ny helo sy ny lanitra fa ty fitoriana ny filazan-tsara sy ny fampianarana dia efa andraikitr'ireo mpitandrina lehilahy maro izay efa nosorana tao amin'io fiangonana lehibe io.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.062