Ny kristianina sy ny ady amin'ny fitovian-jo eo amin'ny lahy sy ny vavy
21. Miharena (
14/12/2012 16:03)
Mety marina namana Didii10 fa lehilahy ny Pasitera tamin'izany andro izany fa aoka ho fantatra fa mission lehibe lavitra noho ny an'ny Pasitera tamin'izany fotoana izany no nampanaovina an'i Nenilava. Famonjena fanahy maro no natao tamin'izany na teto an-toerana na tany ivelany.
Eo no hahitana taratra fa tsy manavaka Andriamanitra, ka matoa voatendry Pasitera ohatra ny vehivavy ao amin'ny fiangonana sasany misy dia mazava fa tendry koa izany fa tsy hoe fanahy iniana ho fandikana ny didin'ANdriamanitra akory no nipoiran'ny fanaovan'ny Fiagonana izany.