Miharena: tena samihafa ny Andriamanitsika fa ny jesosinao kay tafiditry ny devoly.

1. didi10 ( 21/03/2012 12:32)
Fanontaniana tamin'ny Miharena
Aza miteniteny foana ry Miharena a!

Dia sahinao ve no milaza fa ny devoly tao anatin'i Jesosy no nitondra Azy nankany an-tendrombohitra? sy naka fanahy azy?

Valiny nolazainy
Voalazanao Didi10. Hay mahatakatra izay tiana lazaina ihany ianao.

Fa eo ihany isika. tsy mila miresaka izay tsy ao anaty Baiboly fa ny ao ihany no hazavaina.

I Jao 3, 5-9
5 Ary fantatrareo fa Izy no naseho hanaisotra ny ota; ary tsy mba misy ota ao aminy. 6 izay rehetra mitoetra ao aminy dia tsy manota; izay rehetra manota dia tsy nahita na nahalala Azy.
7 Anaka, aza avela hisy hamitaka anareo: izay manao ny marina no marina; eny, marina tahaka Azy. 8 Izay manota dia avy amin'ny devoly, satria ny devoly manota hatramin'ny voalohany. Izao no nisehoan'ny Zanak'Andriamanitra, dia ny handrava ny asan'ny devoly. 9 Izay rehetra naterak'Andriamanitra no tsy manota, satria ny voany mitoetra ao anatiny, ary tsy mahay manota izy, satria naterak'Andriamanitra.

répondu par Miharena le 27/03/2012 06:08
2. miarana ( 21/03/2012 13:48)
fa tsy misy olona ampitenenin'ny Fanahin'Andriamanitra ka manao hoe: Voaozona Jesosy; ary tsy misy mahay manaiky hoe: Jesosy no Tompo, raha tsy amin'ny Fanahy Masina. (I Kor 12:3)
3. Miharena ( 21/03/2012 15:46)
Marina izany rehetra izany: Jesosy no Tompo ary izay naterak'Andriamanitra tsy manota. Fantaro izay dia tsy hanota koa isika tsirairay avy.

Ny hany tsy fantatro aminareo dia tsy fantatrareo mihitsy kay ilay Jesosy ivavahanareo hatrany io. Ilay nanaiky hitondra ny hazo fijaliana na dia ny fahafantarana aza hoe ahoana no fomba handavoana ny faharatsiana ao anaty nofo izay entintsika io.

Tsy Jesosy atao Tompoko Tompoko hoy aho no Jesosiko fa Jesosy miasa mizara fitiavana andro aman'alina ary mandrakizay ny famindrampoNY noho ny fahalalàny fa hay toy ireny no atao hoe miaina ao anaty nofo sy ny fifamahofahoan'ny fifampitaizan'olombeona nahatonga azy ireo tsy hahay hiala amin'ny faharatsiana rehetra. Efa omena recette ianao izao, dia mandehana amin'ny fahitsiam-panahy sy fo ary saina miaraka.

... Izy no naseho hanaisotra ny ota; ary tsy mba misy ota ao aminy...

Marina dia marina saingy tsy mahalala izay tokony esorina izay tsy mahay mamantatra tsara ny atao hoe ota sy ny antony mahatonga azy. Aza atolaka any amin'i Satana izay nahimpontsika tsirairay avy fa isika no manao azy ary izany no ampianaran'i Krsity hoe ao anatinstika ihany ny devolintsika tsirairay avy. Mazava ary tsy azo lavina ny fanoharana hoe : esory aloha ny andry be eo anoloan'ny masonao vao manala ny sombin-kazo amin'ny rahalahinao. Raha tsy IZY mihitsy no maka ny toeran'i Satana sy mahalala azy antsipirihany tsy ahahafaka azy.

Azonareo jerena tsara ny ohatra momba ny tsy nahafahan'ny mpianatra ny devoly tamin'ny anaran'i Jesosy ka novaliaNY hoe iny iray iny tsy afaka raha tsy amin'ny fifadiankanina sy ny fivavahana.

Midika famantarana fototra izany resak'i Kristy izan ary mazava ny fomba tsotra nitenenaNY ny fomba ahazoana mamongotra izay aretina ao anatintsika avy.

Rehefa diso mitodika any ivelany dia olona tsy manam-pinoana mitombina izay. Tsarovy tsara izay teniko izay rehefa sendra ny ady mafana ianareo. Na dia eto amin'ny sehatra hifanakalozan-kevitra eto aza dia azonareo jerena taratra fa tsy ho resinareo mihitsy ny finoan'ny olona mijoro ao anaty sy miaina ao amin'Andriamanitra, na ny maha-Kristy zanak'Andriamanitra azy ary mahitsy fijery sy fandalinana hatrany izy miresaka aminareo ny sehatra rehetra momba an'Andriamanitra sy i Kristy Tompo.
4. mirananirina ( 21/03/2012 15:57)
Sahinao ve ny milaza fa devoly ny Jesosy ny hafa?????Sao tsy rariny kosa,fa ianareo ve nahita na mahita ny any Andanitra any??????
5. niryna ( 21/03/2012 16:08)

Miharena:

MIharena a> ny olana anie dia hianao mampianatra na mizara ny tena marina dia ny anao ihany no asesinao na efa diso izao aza e! Mety tsy mitovy ny an'ny kristiana tokoa angamba ilay andrimanitra hivavahanao ka.Aiza ka izay rehetra ao anaty baiboly dia toherinao avokoa ooops
6. Miharena ( 21/03/2012 16:16)
Niryna:

Aiza ka izay rehetra ao anaty baiboly dia toherinao avokoa ooops

Tsy manohitra velively ny ao anaty Baiboly fa manazava ahafahan'ny olona mahery finoana hahay handresy ny ratsy ao anatiny. Tsy izaho no manesika fa i Krsity ao anatiko no manesika satria izay no nampianariNY ahy.

iala tsiny ka aloha raha toa ka somary mrty mahery aminareo ilay fomba filazako izay fanehoan-kevitra eto fa ny hisavasavana ny raviny hono hahitana ny fotony. Ilay fotony mazava no tiana hipoitra matoa miteny.
7. niryna ( 21/03/2012 16:33)

Niryna:

Aiza ka izay rehetra ao anaty baiboly dia toherinao avokoa ooops

Miharena:

Tsy manohitra velively ny ao anaty Baiboly fa manazava ahafahan'ny olona mahery finoana hahay handresy ny ratsy ao anatiny. Tsy izaho no manesika fa i Krsity ao anatiko no manesika satria izay no nampianariNY ahy.
ka raha samy hoe Andriamanitra mitovy anie ilay izy dia tsy tokony hisy hifanohitra ny kristiana hafa ny anao e sa ? dia mila mamerina ny lesona hatramin'ny voalohany indray izany ,mila miverina any amin'ny base-ny mihitsy dia ny teny ao anatin'ny baiboly (TT sy TV) andramo hoe

iala tsiny ka aloha raha toa ka somary mahery aminareo ilay fomba filazako izay fanehoan-kevitra eto fa ny hisavasavana ny raviny hono hahitana ny fotony. Ilay fotony mazava no tiana hipoitra matoa miteny.
tsy misy tsiny ka ,fitiavana avokoa no antony hifanitsiana ka raiso izay mahasoa anao ok
8. Miharena ( 21/03/2012 16:58)

ka raha samy hoe Andriamanitra mitovy anie ilay izy dia tsy tokony hisy hifanohitra ny kristiana hafa ny anao e sa ? dia mila mamerina ny lesona hatramin'ny voalohany indray izany ,mila miverina any amin'ny base-ny mihitsy dia ny teny ao anatin'ny baiboly (TT sy TV) andramo hoe

Kanefa raha toa ka mbola olombelona ihany no manao interprétation dia mbola tsy hitovy mihitsy ny Krsitianina na mamaky Baiboly iray aza. Aleo IZY TompoNY no miteny dia fantatra ilay tiaNY tenenina. Izay no antony hamakiana izay misy mahasoratra izay hafatra nampitaina taminy.
9. miarana ( 21/03/2012 18:17)
Ny Fahendrena kokoa ngamba hoy aho ho an'izay mitonon-tena ho Kristiana, dia ny mampahafantatra Ilay Kristy arahiny fa tsy handiso ny an'ny hafa : « Iza no hiampanga ny olom-boafidin'Andriamanitra? Andriamanitra no manamarina azy. » (Romana 8:33).

Andriamanitra ihany no manamarina, ka aleo mangina rehefa vita ny fanambaràna.
10. miarana ( 21/03/2012 18:19)

11. didi10 ( 22/03/2012 06:45)

mirananirina:

Sahinao ve ny milaza fa devoly ny Jesosy ny hafa?????Sao tsy rariny kosa,fa ianareo ve nahita na mahita ny any Andanitra any??????

Tsy haiko na mipetraka amin'iza ity fanontaniana ity, fa ny zavatra tsapa aloha ny amin'ny hevitr'i Miharena dia samy misy ilay ratsy daholo ao anatin'ny olona rehetra, eny fa na dia ao anatin'i Jesosy Zanak'ondrin'Andriamanitra tsy voakasi-pahotana aza.
Mampalahelo fa tena tafiditra lalina amin'ny fampianaran-diso ny namana ary mihezaka mafy manaparitana izany fampianarana tsy ara-baiboly izany eto.
12. Miharena ( 22/03/2012 14:28)
Didi10, aza dia raisina antendrony ny fanamarihana natao momba io resaka Jesosy voakasik'ota araka ny fiheveranao fa fiheverako azy io. Diso ianao raha izay no eritreritrao. Nanaiky hitondra ny hazo fijaliana noho ny fahatongavaNY nofo no tiana lazaina, izany hoe nangoniNY tao AMINY daholo ny ota rehetra hofantsihina. Ny Mazava no tiaNY ampianarina ny rehetra ary nomeNY ny fomba handresena ny haizina.

Izy ity moa resaka fiainana pratika hoy aho fa tsy resabe sy tanisa ka asa na mahavaly ilay fanontaniana ilay izy na tsia hatramin'izao. Na koa hoe mbola tsy mahazo mihitsy izay fahatsoran'ny fanehoan-kevitro eto ve Didi10 ka mitady fanoharana mifamahofaho hitany ao anaty Baiboly dia rehefa valiana tsotra dia manao hoe manohitra ny Baiboly i Miharena?
13. miarana ( 22/03/2012 15:04)
raha ny fijeriko azy, dia olona efa zatra mifamaly an-tsoratra eto hianareo satria matetita hitako ato @ dinika ireo anarana ireo. Ka iza ary no hanaiky ho resy lahatra e ?
14. Miharena ( 22/03/2012 15:32)
Miarana:

raha ny fijeriko azy, dia olona efa zatra mifamaly an-tsoratra eto hianareo satria matetita hitako ato @ dinika ireo anarana ireo. Ka iza ary no hanaiky ho resy lahatra e ?

Milaza fotsiny fa tsy mandresy lahatra ka. Ary tsy fifamaliana fa fanehoana ny fitaovan'ny tsirairay avy fotsiny io. Fa farany angamba mety hahita hoe hay tsy misy mifanipaka izay voalaza fa ny ampahany fotsiny no nampisy fifamaliana teny.
15. didi10 ( 22/03/2012 16:19)

Miharena:

Didi10, aza dia raisina antendrony ny fanamarihana natao momba io resaka Jesosy voakasik'ota araka ny fiheveranao fa fiheverako azy io. Diso ianao raha izay no eritreritrao. Nanaiky hitondra ny hazo fijaliana noho ny fahatongavaNY nofo no tiana lazaina, izany hoe nangoniNY tao AMINY daholo ny ota rehetra hofantsihina. Ny Mazava no tiaNY ampianarina ny rehetra ary nomeNY ny fomba handresena ny haizina.

Izy ity moa resaka fiainana pratika hoy aho fa tsy resabe sy tanisa ka asa na mahavaly ilay fanontaniana ilay izy na tsia hatramin'izao. Na koa hoe mbola tsy mahazo mihitsy izay fahatsoran'ny fanehoan-kevitro eto ve Didi10 ka mitady fanoharana mifamahofaho hitany ao anaty Baiboly dia rehefa valiana tsotra dia manao hoe manohitra ny Baiboly i Miharena?

Hay ianao mahay manamboatra resaka tsy mahita lalan-kizorana amin'ny hevitrao?

Apo 2,4

4 Kanefa manan-teny aminao Aho, satria efa niala tamin'ny fitiavanao voalohany hianao. 5 Koa tsarovy izay nitoeranao fony tsy mbola lavo, dia mibebaha, ka manaova ny asa voalohany; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao Aho ka hamindra ny fanaovan-jirona hiala amin'ny fitoerany; raha tsy mibebaka hianao. 6 Kanefa izao no toetranao :halanao ny asan'ny Nikolaita, izay halako koa.
16. Miharena ( 23/03/2012 04:07)
Didi10:

Hay ianao mahay manamboatra resaka tsy mahita lalan-kizorana amin'ny hevitrao?

Tsy mazava aminao izay lazaina matoa ianao manao io fanamarihana io.

Ary rehefa manao tanisa dia hazavao ara-panahy fa raha io Apo 2,4 io ohatra no tanisainao nefa tsy resahanao izay atao hoe fitiavana voalohany dia teny tsy misy vontoatiny no zarainao.

Miandry aho ahafahana mamantatra izay tena fantattrao momba izany.
17. didi10 ( 23/03/2012 06:57)

Miarahaba namana

Ny fitiavana voalohany izay tian'ny Soratra Masina ambara eto dia ilay finoanao tany amboalohany efa nihemoranao rehefa nahita ity testamenta tsy izy ity ianao.
Miverena namana a! Mibebaha fa fandalovana ity fiainana ity fa ho mandrakizay kosa ny fijalian'izay tsy mety mandray ny famonjena nentin'i Jesosy Kristy Paska ho antsika.
18. Miharena ( 23/03/2012 10:14)

Diso ianao namana ary mamorona raha milaza fa izay nosoratanao io no dikan'ny teny hoe fitiavana voalohany voambara ao.

Tsy mety Didi10 ny manao plagiat ny Tenin'i Krsity amin'ny tsy misy hidirany an!

Hazavao indray aloha fa tsy mazava. Ny Foto-pinoanao no atosahy fa tsy ny filazana fa nivily aho. Izaho manko tsy mivily fa ao anatiny mihitsy izao. Ka asa hoe inona no tianao ahatongavana amin'ilay hoe nihataka izany aho.

Ankoatr'izay, raha mihatra aminao io teny io, dia inona no havalinao?
19. didi10 ( 23/03/2012 10:34)
Ka tokony raisinao mihitsy aloha ny Baibolinao dia vakianao tanteraka ilay hafatra ho an'ilay fiangonana niala tamin'ny fitiavana voalohany dia ho azonao ilay izy, ary ho hitanao fa tsy diso ny fampitahako azy aminaoVakio Apok 2,4

Aleo asiako sary mihitsy raha mbola tsy azonao:
- Jesosy milaza fa izay miso sy atao Batisa no hovonjena: Ianao milaza fa tsy ilaina ny Batisa fa fombafomban'olona
- Jesosy mampitandrina fa izay tsy mamoa voa mendrika ny fibebehana dia ho ariana any amin'ny farihy mirehitra afo: ianao milaza fa tsisy an'zany

Dia mbola sahy milaza ve ianao fa ao anatiny?

Tim I 4 : 1 - 22
[-4-] Fa ny Fanahy milaza marina fa amin'ny andro aoriana dia hihemotra amin'ny finoana ny sasany, manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran'ny demonia, 2 amin'ny fihatsarambelatsihin'ny mpilaza lainga, ka voapetaky ny vy mahamay ny fieritreretany,
20. Miharena ( 23/03/2012 10:48)
Tsy nisy nilaza taminao fa tsy ilaina ny Batisa fa ny fombafomba fanaovana azy izay hiadian-kevitra no mampiteny ireo tenin'i Kristy momba ny milaza azy ho kristiana nefa tsy tafiditra fa voampanga indray aza hoe mialà Amiko ianareo mpanao meloka.

Ilay mpanao meloka angamba no aoka dia tsorina fa ireo izay tsy mivelona amin'y finoana fa mitady sitraka amin'y fomba fanao. Rehefa irahina handroaka devoly amin'ny anaran'i Jesosy dia manao fa angamba tsy mapahalala akory hoe inona no nahatonga anao ho voan'ny devoly amin''ilay olona anaovana izany ka miverimberina eo aminy foana ilay aretiny.

Toy izany koa ianao ohatra, mety mizarazara tenin'Andriamanitra eto ianao nefa tsy omena tsara akory ny vontoatiny nitanisanao azy.

Ka mna hazavao tsara namana fa mbola mivily ilay valim-panontaniako satria lasa valinteny ao anaty Baiboly momba ny vy mahamay indray no tonga eto.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0487