Miharena: tena samihafa ny Andriamanitsika fa ny jesosinao kay tafiditry ny devoly.
22. Miharena
(
23/03/2012 16:15)
De mba otran'ny ahona zany Batisa any aminareo zany?
Kabary tsy valiana ilay hoe hoatran'y ahoana sy ilay hoe any aminareo satria tsy mahasoa.
Ny fanamarihana fotsiny dia hoe Satana no mpampisaraka na mpiampanga no voasoratra ao anaty Baiboly ao. Ka sao dia ianao Didi10 no lasa manao io asa io amin'ny fitsikerana ny fomban'ny hafa. Soa ihany fa tsy mijery ny andron'ny tsy fahalalàna Andriamanitra fa be famindram-po ka mamela ny heloka rehetra.
23. didi10
(
25/03/2012 12:55)
Miharena:

- Aiza koa no misy fiangonana manao Batisa nefa tsy sahy mijoro amin'ny Batisa ataony?
- Mamela heloka Andriamanitra fa ho an'izay mibebaka ihany ny famindram-po sy famelan-keloka.
24. Miharena
(
25/03/2012 16:15)
Ny fijoroana dia ny Fanahy Masina ao anaty miteny. Izaho dia tsy hitanisa aminao hoe toy izao no fomba fanaonay ka ataovy fa hahavonjy anao fa milaza aminao fotsiny hoe zanak'Andriamanitra ianao ka miahazavà sy mihatsarà. Ampy izay satria raha hilaza aminao aho hoe ny fiangonanay ihany no tena marina dia mamitaka anao aho satria trano sy tsangan-drindrina ihany no ampanantenaiko anao fa tsy fiorenan'ny Fanahy Masina ao anatinao.
25. didi10
(
26/03/2012 07:21)
Maninona raha tsorina fotsiny fa aza mandainga fa tsy manana trano fiangonana ianao!!!
26. Miharena
(
26/03/2012 13:10)
Maninona raha tsorina fotsiny fa aza mandainga fa tsy manana trano fiangonana ianao!!!
Namana ianao ka tsy hisoronana na dia masiaka aza. Mazava ny fanambarako ka raha mandray ianao dia tsara, tsy mandray ianao, i Kristy mahavoonjy anao foana na dia singambolo fotsiny aza sisa hanavotana anao amin'ny fiheveran-diso rehetra.
27. didi10
(
26/03/2012 16:16)
Valio ny fanontaniako raha mandeha mankany am-piangonana ianao e!!! raha tsy tianao ho ataoko lohahevitra vaovao ho hitan'ny rehetra ny zavatra afeninao.
28. niryna
(
26/03/2012 16:34)
miarana:mety hitombona tokoa izay saingy raha mahafantatra na namaky ny tenin'Atra koa isika ka misy olona iray tonga mampiditra zava-baovao amintsika dia arahaba soa.Fa raha manohitra ny soratra masina(tsy izay mampianatra ny azy ao am-piangonana io an,fa ny voasoratra araka ny ao anatin'ny baiboly ) ka toherina ary avadika dia angamba kosa tsy hitsangana hijoro ho kristy izy na anome fampianarana diso(olona anie ity boky nolazainy lava ity e -3e testament)
Ny Fahendrena kokoa ngamba hoy aho ho an'izay mitonon-tena ho Kristiana, dia ny mampahafantatra Ilay Kristy arahiny fa tsy handiso ny an'ny hafa : « Iza no hiampanga ny olom-boafidin'Andriamanitra? Andriamanitra no manamarina azy. » (Romana 8:33).
Andriamanitra ihany no manamarina, ka aleo mangina rehefa vita ny fanambaràna.
29. Miharena
(
27/03/2012 06:08)
Didi10:
Valio ny fanontaniako raha mandeha mankany am-piangonana ianao e!!! raha tsy tianao ho ataoko lohahevitra vaovao ho hitan'ny rehetra ny zavatra afeninao
ENY 1000000 isan-jato no valiny.
Ny mifoha dia mahalala izay anirahan'ny Tompo azy ary omeNY be dia be mihoatra izay voambara ao am-piangonana.