Jiosy i Pape Benoit 16,ary mbola betsaka ny ho voafitaka!!!

1. lagoon ( 02/02/2011 21:38)
http://resistance-catholique.org/videos_html/2010_VS-B16.html

http://le-projet-juif.com/?p=3504
répondu par majesty le 26/02/2011 08:09
2. AndriambyII ( 03/02/2011 09:41)
Sao dia misy désinformation kosa izany reportage izany ! Voatery hanoroka ilay sary ve ny Pape ? Non .
3. hery ( 03/02/2011 10:02)
Tsy hitako hoe inona no ivakiana loha amin'izay papa jiosy na tsy jiosy any. Sa filohanareo koa izy? lolll

Zah zao tsy ivakiako loha mihitsy na lehilahy zany Mahomet zany na vehivavy satria tsisy mampalailai-komana amiko. Andry zalahy any zany fa tsy ahy.

Ka izay no mahagaga ahy hoe in no mahaliana an'ze papan'olona any? Sa te ho mpianany?
4. AndriambyII ( 03/02/2011 10:43)
Mipetraka @ iza aloha ny blém sy ny fanontaniana ? @ fiainana andavanandro kosa dia tsara raha mba mahafantatra ny mombamomba ny mpitarika isanisany foana indraindray klé !! na fivavahana io, na politika io , na inon' io na inona , rehefa misy olona taritina izay indrindrindrindra .Tsotra kely ilay mialangalana tsy manefa adidy ,fa ny enjiky ny nenina any aoriana no tsy ho voafehy .
5. hery ( 03/02/2011 11:03)
Adidy ve zany? :-) BE adidy loatra raha izany.

Ka izay no lazaiko hoe ny zavatra mahaliana no manahirana... mety liana mafy amin'i benoit 16 izy matoa gaga sy taitra...
6. locl ( 03/02/2011 18:26)
Tsy misy dikany izany na jiosy na afrikanina na europeanina, izy no Pape eo dia izay aloha, anjaranao ny mivavaka manamafy ny finoanao, ny resaka étiquette mba hialao amin'izay fa manimba
7. swann ( 03/02/2011 20:04)
fa innn koa no mahatonga fofona be an'i hery eo nefa e mba mikozy fotsiny i lagoon ane fa tsisy innn ! toa tonga de frapenareo lery ! ..

- hay tokoa mo tonton tsy teto fa tany antanana ?... manakory aby alou ny tany hery a !? ahoana daholo ny havana amnatsakaiza retra any ? ary elaela tsy nanoratra teto toi de tonga de aviavy b mitsy a ! nefa zahay teto hatramizay nilamina b tsisy nanao taimbava zany fa d nifanaja tsara tokoa !
- sa tapotapohan'ny nahazo clavier sy souris i tonton d mamely mafy an'i lagoon ? any dago manko to tsisy rezo matetika oe ko ! ...

okay tonton hery mankalaza e ! mbola ho avy i rapika hikozy kely aminao ony e ! niova anarana izy zao fa tsy rapikatti tsony sao fannn toi tonton a ! okay
8. swann ( 03/02/2011 20:05)



ary aza mipapapapa sy aviavy b rehefa mamaly amin'ny manaraka fa mamalia ampitiavana
9. niryna ( 06/02/2011 00:10)

hery:

Tsy hitako hoe inona no ivakiana loha amin'izay papa jiosy na tsy jiosy any. Sa filohanareo koa izy? lolll

Zah zao tsy ivakiako loha mihitsy na lehilahy zany Mahomet zany na vehivavy satria tsisy mampalailai-komana amiko. Andry zalahy any zany fa tsy ahy.

Ka izay no mahagaga ahy hoe in no mahaliana an'ze papan'olona any? Sa te ho mpianany?
'Zaho koa mba gaga
Ny fampianarana ny olona mba anatona an'Atra hitady famonjena izao no tena zava-dehibe amiko, inona no mahatonga antsika hizara ny tenin'Atra ho an'ireo izay mbola ao anatin'ny aizina? Maninona no famonjena,iza no mamonjy ary iza no vonjena,vonjena amin'ny inona ary maninona no zaraina ho an'ireo izay mbola tsy mahalala izany famonjena nomen'Atra antsika izany. sa ahoana?
10. niryna ( 06/02/2011 00:16)

AndriambyII:

Mipetraka @ iza aloha ny blém sy ny fanontaniana ? @ fiainana andavanandro kosa dia tsara raha mba mahafantatra ny mombamomba ny mpitarika isanisany foana indraindray klé !! na fivavahana io, na politika io , na inon' io na inona , rehefa misy olona taritina izay indrindrindrindra .Tsotra kely ilay mialangalana tsy manefa adidy ,fa ny enjiky ny nenina any aoriana no tsy ho voafehy .
tsara ny mahalala ,marina izany fa raha toa kosa ka hijery ny andrina eny amin'ny olona lava isika kanefa ny antsika tsy itantsika dia tsotra koa ny teny,hitondra ireo olona izay zaraina ny tenin'Atra ve ny fahalalanao fa Jiosy izy ? Inona no tanjona tiako ho tratrarina,hizara ve sa hitsara olona>Raha atao hoe jiosy izy dia vao maika tsara izany satria misy Jiosy voatarika anaraka ilay kristy ,jiosy tsy nekeny ho mpamonjy izany eo.
Fa ilay hoe be no ho voafitaka indray aloha dia anjaran'ny tsirairay no tokony ahalala ilay arahiny na mivoana amin'ny tenin'Atra na mitory ny famonjena izay avy amin'i kristy irery ihany ,avereno aty amiko raha diso izany eritreritra keliko izany an
11. niryna ( 06/02/2011 00:18)

hery:

Adidy ve zany? :-) BE adidy loatra raha izany.

Ka izay no lazaiko hoe ny zavatra mahaliana no manahirana... mety liana mafy amin'i benoit 16 izy matoa gaga sy taitra...
hi.hi, hery koa mampihomehy,izay indrindra. Fa ny tohiny anie dia hoe be no ho voafitaka,izaho aloha tsy mijery izay web any aloha fa ilay lohateny no tena nahavariana kely ahy,voafitaka amin'ny inona?
12. niryna ( 06/02/2011 00:21)

swann:

fa innn koa no mahatonga fofona be an'i hery eo nefa e mba mikozy fotsiny i lagoon ane fa tsisy innn ! toa tonga de frapenareo lery ! ..
azafady fa tsy hoe miharo an'i hery aho sanatria a,fa mba nisy eritreritra nitovy kely fotsiny.Ny ahy ilay hoe be no voafitaka no nahavoafitaka ahy.ha,ha
voafitaka amin'ny inona,ilay hoe ranona jiosy na ranona izao tsy dia ahoko aloha. Indraindray isika dia mila mitandrina rehefa manome lohahevitra ,asa aloha fa avereno aty amiko raha diso izany eritreritro izany

13. hery ( 06/02/2011 09:54)
Tonga fofona ahoana? Rehefa mamaly lohahevitra ve dia tong fofona?

Jereo fa i swann irery izao no tsy namaly ny lohahevitra fa mitsikera ny mpamaly indray. Rehefa tsy mahita havaly dia afaka mangina fotsiny fa tsy voatery manoratra eto amin'ny forum anie e.

-----


Izany eo ihany fa valiako ihany ny lohahevitra.

Averiko ihany hoe finoana dia sakafo. Eritrereto toy ny hoe samy mihinana ny sakafo mahavelona sy sahaza azy isika. Dia avy eo ianao tonga miselontselona avy any miteny hoe tandremo voafitaka amin'iny mofo haninareo iny. Kanefa iio no mofo efa nohaninay h atramin'izay sy mahavelona anay... ary ianao tsy mbola nihinana tamin'ilay mofo akory... sady tsy hihinana amin'ilay mofo no tsy mpiara-misakafo aminay. Dia hisy hihaino ve?

Ka hamafisiko ilay notenenin'i niryna hoe raha tena tianao hihinana ny mofonao ny olona dia hazavao ny maha tsara ny mofonao, fa aza ny mofo hanin'ny olona no haratsiana. Ary tsaratsara kokoa mihitsy aza ireo mbola noana sy tsy mahita mofo hohanina no omenao mofo.
14. lagoon ( 06/02/2011 13:00)
ouille!mafana be ato izany.
mety tsy azonareo angamba ny tiako ho resahina.
mbola tsy fantatreo marina manko ny sionistes sy ny fomba fisainan'ireo.
ny jiosy na dia nivadika katolika ka protestanta na bouddhisme dia miasa sy mijoro ho an'ny firenena iray ihany;israely.
ny fahatongavan'i benoit 16 ho pape dia misy dikany.io pape io no hamotika ny finoana katolika.taiza ianareo no nahita chippendales tao anaty fiangonana manao strip raha tsy io pape io.sa lamoady fpvm ?
maro ny hetsika ataon'io ratziger io hamotehina ny katolika.
ary fanomanana ny olona hivadika @ ilay nouvel ordre mondial.
15. hery ( 06/02/2011 13:29)
Dia tena donto daholo izany ny katolika tsy nahatsikaritra an'izany

Sa mpiray tsikombakomba aminy daholo ireo kardinaly izany nifidy azy?

Hitanao? anisan'ny maha mafy ny finoana Katolika ilay resaka hoe Magisterium, izany hoe ny fampianaran'ny Fiangonana izay avoakan'ny fiombonamben-n'ny mpitondra fiangonana. Foto-pinoana io ho anay katolika ka anisan'ny manome baiko sy fampianarana. Raha tsy io izany no miteny hoe voafitaka isika katolika dia tsy afaka ny tsy hanaraka izay lazainy izahay.
16. lagoon ( 07/02/2011 00:01)
fa ny magesterium ve no hivavahana sa Andriamanitra e.
olombelona mitovy @nareo ve no hibaiko sy hilaza @nareo no tokony atao,ny esprit critique izany dia tsy hisy mihintsy?
handraso eo ary i magisterium.
tandremo sao dia voazanaka ara-tsaina e.
17. YDIFAS ( 07/02/2011 03:53)
Fehiny:
"Fa tsy misy hafa, na ny jiosy na jentilisa, fa iray ihany no Tompon'izy rehetra, sady manan-karena homeny izay rehetra miantso Azy Izy" Romana 10/12

"Fa Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray, na jiosy na jentilisa, na andevo na tsy andevo; ary isika rehetra dia efa nampisotroina ny Fanahy iray" 1Korintiana 12/13

18. swann ( 07/02/2011 10:40)

tonga fofona ahoana? Rehefa mamaly lohahevitra ve dia tong fofona?

Jereo fa i swann irery izao no tsy namaly ny lohahevitra fa mitsikera ny mpamaly indray


marina zany ...zah toko no diso fa ny an'i hery no marina ..!
19. swann ( 07/02/2011 10:41)

tena tsa namaly ktou ah fa nanakina an'i hery fotsiny ! marina zan ...
20. hery ( 07/02/2011 10:41)
lagoon> Fa aiza Andriamanitra no mibaiko? :-)

Asaivo midina eto an-tany izy miteny hoe tsy ilaina ny baiboly sy ny olona mampita izany aminareo dia tsy hanaraka oul hafa intsony izahay.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0913