Inona moa izany no ataon'ny kristianina eto an-tany?

1. RAR.DAGO ( 10/10/2010 15:26)
Raha toa ka fanomanana ny fihainana ao arian'ity eto an-tany ity no tanjona, maninona moa ny kristianina no mitaraina rehefa ampijalian'i Ratsiraka, Ravalomanana na i Rajoelina?
Tsy tokony ho faly aza ve nareo satria mijaly manala ny fahorian'izao tontolo izao?
répondu par vonynive le 26/10/2010 11:54
2. rijadolly ( 10/10/2010 15:37)
RAR.DAGO ve kristianina sa tsy kristiana aloha e?
3. RAR.DAGO ( 11/10/2010 04:19)

rijadolly:

RAR.DAGO ve kristianina sa tsy kristiana aloha e?

Kristianina mpandray fanasan'ny tompo mihitsy taloha fa niala rehefa niverina namaky baiboly sy nanadiady mikasika ny tantaran'ny fivavahana monothéiste satria mifanalavitra loatra ny zavatra ampianain'ny mpitandrina, ny kabary politikan'ny tompon'andraikitra (na jiosy io, na kristianina, silamo) sy ny fampianarana homen'ireo boky fototra sy ny mpaminany roa farany (Jesosy sy Mahomeh)
Mba ho tsorina dia nolazaina (indrindra ireo mpitandrina) fa biby fampitahorana i Atra ary natao hijaly ny olombelona @ fivavahana monothéiste mba hanala ny faotany sy hidirana any an-danitra, ary tsoriko fa tsy mety amiko izany.
4. AndriambyII ( 11/10/2010 07:21)

RAR.DAGO:

Noho ny hamazan' ny andraikitra dia marobe ireo pretra , mopera , imam , rabin ,.... izay efa mpanota matevin-koditra tsy avotra intsony @ izao fotoana izao . Amiko , dia tokony ho ferana koa ny mandat maha -pitarim-pinoana azy rehetra ireny , atao quinquenat , na septenat , na ny tahakahak'izany ,lasa manimba ny fahamasinam-pinoana sy mampisy fisarahana @ samy olombelona.
5. mirananirina ( 11/10/2010 08:57)
Rehefa mijaly na aiza na aiza na ampijalian'iza na iza dia mitaraina foana amin'ny maha - olombelona izany,satria ny tena tsy Andriamanitra ka tsy mijaly.
6. swann ( 11/10/2010 14:00)

satria ny tena tsy Andriamanitra ka tsy mijaly.
..tena mijaly mihitsy Andriamanitra mahita an'i Mirananirina be fahotana be sy mpandainga be io kà ,sady zay tsy mety miova mihitsy !
7. vonynive ( 13/10/2010 08:25)

RAR.DAGO:

Raha toa ka fanomanana ny fihainana ao arian'ity eto an-tany ity no tanjona, maninona moa ny kristianina no mitaraina rehefa ampijalian'i Ratsiraka, Ravalomanana na i Rajoelina?
Tsy tokony ho faly aza ve nareo satria mijaly manala ny fahorian'izao tontolo izao?

tsy de azoko le tianao holazaina ka mba mety azonao ampiana kely ve?
8. niryna ( 14/10/2010 04:56)

rijadolly:

RAR.DAGO ve kristianina sa tsy kristiana aloha e?

ny valiny dia tsy izy na teo noho niala satria hoy izy hoe "Tsy tokony ho valy ve nareo" raha isika dia mety ho tafiditra koa izy sa ?
9. niryna ( 14/10/2010 04:59)

rijadolly:

RAR.DAGO ve kristianina sa tsy kristiana aloha e?
RAR.DAGO:

Kristianina mpandray fanasan'ny tompo mihitsy taloha fa niala rehefa niverina namaky baiboly sy nanadiady mikasika ny tantaran'ny fivavahana monothéiste satria mifanalavitra loatra ny zavatra ampianain'ny mpitandrina, ny kabary politikan'ny tompon'andraikitra (na jiosy io, na kristianina, silamo) sy ny fampianarana homen'ireo boky fototra sy ny mpaminany roa farany (Jesosy sy Mahomeh)
itan'i rija izany? teo no niala hono izy

Mba ho tsorina dia nolazaina (indrindra ireo mpitandrina) fa biby fampitahorana i Atra ary natao hijaly ny olombelona @ fivavahana monothéiste mba hanala ny faotany sy hidirana any an-danitra, ary tsoriko fa tsy mety amiko izany.
mpitandria inona koa izany? tsy anjarako ny hitsara fa dia izay ve no nahatonga anao niala tao e,sa io no anisany iray tao anatin'ireo zavatra maro mifamahafaho nahazo anao?
10. RAR.DAGO ( 14/10/2010 05:22)
hoy aho tato @ ity dinika iray hoe :http://forum.serasera.org/forum/message/m4cb0286799ad1

Izaho mino :
- Ny ilàna ny fanaovana ny tsara sy ny tsy tokony hanaovana ratsy olona mba ampivoatra ny fiaraha-monina satria ny fizarana fahaizana sy fahendrena no soa tsara indrindra eto an-tany.
- fa ny hevitra tsara sy ratsy dia mitoetra ao @ tsirairay.
- fa misy hery mandrindra ny zavatra milamina (matoa tsy misy ny korontana -chaos-) fa tsy voatery ho hery tokana io.

Fa tsy mino hoe :
- Misy Atra mibedy sy mitsara ary manasazy izay tsy mandohalika eo anatrehany
- Misy satana misy rabony, mipetraka any @ afobe, mitarika @ ratsy
- Ny fihainana any ankoatra dia tsara noho izao misy izao ka tokony hiafy sy hijaly ankehitriny mba hidirana any.

Tsy kristianina aho izany, fa milaza ve izany fa ny anareo no marina fa izahay dia diso?
Marina fa notezaina tsy hivoaka sy tsy hijery ny hafa mihitsy ianareo mba tsy hiova hevitra fa, mila tsiny raha hivadi-dela, les chrétiens (et tous les monothéistes) ne détiennent pas l'exclusivité de la raison en dehors de leur paradigme surtout quand leurs philosophies de sagesse sont détournées à des fins de pouvoir. Le simple fait d'utiliser des vocabulaires guerrières (tafika masina, guerre sainte, ...) est une ineptie quand on veut promouvoir la paix et le partage.

Na tsy hifamaly @ izany aza aho tiako ho fantatrareo fa betsaka ny olona toy aho eto an-tany (mba tsy ilazàna hoe maro anisa izahay fa tsy miteny) ary tsy manana alalana mihitsy ianareo izay mino Atra tokana hilaza fa izay tsy mitovy aminareo dia kokan'olona avokoa.

Ary ny mahatonga aho miditra @ "forum" toy izao dia ny hitondrana "drapeau blanc" hilazàna hoe "aoka re ity fiheverana fa ianareo irery no mitanà ny marina ity fa izany anie no mampiady ny zanak'olombelona na t@ andron'ny croisade, na hatramin'izao ady ataon'ny tany tandrefana @ islamista izao e!
[/quote]
11. vonynive ( 14/10/2010 08:28)

RAR.DAGO:

Raha toa ka fanomanana ny fihainana ao arian'ity eto an-tany ity no tanjona, maninona moa ny kristianina no mitaraina rehefa ampijalian'i Ratsiraka, Ravalomanana na i Rajoelina?
Tsy tokony ho faly aza ve nareo satria mijaly manala ny fahorian'izao tontolo izao?

Kristianiana za zay manoratra, ho ahy dia tsy tanjona akory ny fiaInana aorian'ny fiainana eto antany @ kristianina fa "fahasoavana", izany oe fanomezana tsy nangatahina ho an'ireo nandray an'i Jeso, hoy ny EFESIANA 2 8 - Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra;..
JAONA 3 15 - 16 mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy.16 Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.
raha fanantenana hahazo zavatra no anton'ny fivavahana kristianina de tsy mety fa "Fitiavana an'i Jeso tsy ilana tambiny"

12. vonynive ( 14/10/2010 08:30)

RAR.DAGO:

hoy aho tato @ ity dinika iray hoe :http://forum.serasera.org/forum/message/m4cb0286799ad1

Izaho mino :
- Ny ilàna ny fanaovana ny tsara sy ny tsy tokony hanaovana ratsy olona mba ampivoatra ny fiaraha-monina satria ny fizarana fahaizana sy fahendrena no soa tsara indrindra eto an-tany.
- fa ny hevitra tsara sy ratsy dia mitoetra ao @ tsirairay.
- fa misy hery mandrindra ny zavatra milamina (matoa tsy misy ny korontana -chaos-) fa tsy voatery ho hery tokana io.

Fa tsy mino hoe :
- Misy Atra mibedy sy mitsara ary manasazy izay tsy mandohalika eo anatrehany
- Misy satana misy rabony, mipetraka any @ afobe, mitarika @ ratsy
- Ny fihainana any ankoatra dia tsara noho izao misy izao ka tokony hiafy sy hijaly ankehitriny mba hidirana any.

Tsy kristianina aho izany, fa milaza ve izany fa ny anareo no marina fa izahay dia diso?
Marina fa notezaina tsy hivoaka sy tsy hijery ny hafa mihitsy ianareo mba tsy hiova hevitra fa, mila tsiny raha hivadi-dela, les chrétiens (et tous les monothéistes) ne détiennent pas l'exclusivité de la raison en dehors de leur paradigme surtout quand leurs philosophies de sagesse sont détournées à des fins de pouvoir. Le simple fait d'utiliser des vocabulaires guerrières (tafika masina, guerre sainte, ...) est une ineptie quand on veut promouvoir la paix et le partage.

Na tsy hifamaly @ izany aza aho tiako ho fantatrareo fa betsaka ny olona toy aho eto an-tany (mba tsy ilazàna hoe maro anisa izahay fa tsy miteny) ary tsy manana alalana mihitsy ianareo izay mino Atra tokana hilaza fa izay tsy mitovy aminareo dia kokan'olona avokoa.

Ary ny mahatonga aho miditra @ "forum" toy izao dia ny hitondrana "drapeau blanc" hilazàna hoe "aoka re ity fiheverana fa ianareo irery no mitanà ny marina ity fa izany anie no mampiady ny zanak'olombelona na t@ andron'ny croisade, na hatramin'izao ady ataon'ny tany tandrefana @ islamista izao e!

RAR.DAGO a, fa tsy tokony afangaronao ny mpivavaka kristianina sy ny fivavahana kristiana, tsy mitovy koa ny tena krirstiana sy ny kristiana anarany fotsiny mpanao fombafomba
[/quote]
13. RAR.DAGO ( 14/10/2010 08:42)
vonynive:

.... fa tsy tokony afangaronao ny mpivavaka kristianina sy ny fivavahana kristiana, ...

Dia tena faly aho ny hamaky ny fanazavanao mikasika izany rahavako
14. mirananirina ( 14/10/2010 10:25)

Tsy kristianina aho izany, fa milaza ve izany fa ny anareo no marina fa izahay dia diso?

Ka raha vao tsy mitovy ny finoana dia henjehana foana ilay olona,nefa tsy tokony hahagaga mihitsy izany ,misy mino ,misy tsy mino,ireo tena manampahaiza be ohatra mahita fa izy no Andriamanitra mahavita izao sy izao.Ny ahy indray dia diso amiko ireo manenjika ny finoan'ny tsirairay satria samy manana ny tiany.Elephant no hinoany sy tompoiny sahala @ akamaroan'ny Srilankais ohatra...Aminy mety efa nahita fahasoavana avy @ izay izy.
15. hery ( 14/10/2010 11:22)
Fa hoe ny fanomanana ny fiainana aorian'ity tany ity ve midika hoe tsy firaharahiana ny fiainana eto an-tany? Amiko dia tsia.

Ny olombelona dia vatana sy fanahy (ho an'ny Kristiana). Noharian'Andriamanitra teto amin'ity tany ity izy ka anjarany koa no mi-assumer izay fahariana izay. Miainia araka izay tokony ho izy ny maha-olombelona. Izay no maha fahotana ny mamono tena.

Mila kojakojaina izany ilay maha olombelona, na ny an'ny tena io na ny an'ny hafa. Izay rahateo no votoatin'ny Fitiavana.

Koa io Fitiavana io no mibaiko hoe tsy mety raha misy ampijaliana, na mijaly ny hafa.

16. RAR.DAGO ( 14/10/2010 11:34)
+1

hery:

17. fijo ( 15/10/2010 19:32)
mitovy ihany izany izahay sy rar dago.fa za fotsiny tsy mbola nandray taloha.maro ihany ny mpino no miala rehefa nandinika ny (voalaza) sy ny misy.
18. rahery08 ( 18/10/2010 05:53)
Mety azoko heverina ihany hoe misy adim-panahy ao aminao ao ry RAR Dago matoa miteny zavatra toa izao ianao! mety ho efa akaiky fa tsy lavitra ianao,
fa izao eh! rah mijery ny bokin'Isaia toko faha 6 isika dia misy zavatra mampandini-tena ihany no ambarany:

« Ary nandre ny feon'ny Tompo aho nanao hœ: Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho irakay? Dia hoy izaho: Inty aho, iraho aho. » (Isaia 6:8)
« Ary hoy Izy: Mandehana, ka lazao amin'ity firenena ity hœ: Mandrenesa mandrakariva ihany ianareo, nefa aza mahalala; Ary mijere mandrakariva ihany ianareo, nefa aza mahafantatra. » (Isaia 6:9)
« Ataovy adala ny fon'ity firenena ity, Ary ataovy lalodalovana ny sofiny, Ary ataovy mikimpy ny masony, Fandrao hahita ny masony, Sy handre ny sofiny, Ary hahalala ny fony, Dia hibebaka izy ka ho sitrana. » (Isaia 6:10)
« Ary hoy izaho: Tompo ô, mandra-pahoviana anefa? Dia hoy Izy: Mandra-pahafoanan'ny tanàna, ka tsy hisy mponina, Ary ny trano tsy hisy olona, Ary ny tany ho lao tokoa; » (Isaia 6:11)
« Ary Jehovah hampandeha lavitra ny olona, Ka ho be ny lao ao amin'ny tany; » (Isaia 6:12)

Nirahina Isaia ho any @ ireo olona izay tsy hiaino Azy, tsy hiraharaha an Atra! hoatran'ny hoe Andriamanitra mihintsy no manamafy ny fony, tsy ahatonga azy ireo hibebaka,

mandra-pahafoanany, mandra-paha ringany,

19. RAR.DAGO ( 18/10/2010 07:38)
rahery08:

Mety azoko heverina ihany hoe misy adim-panahy ao aminao ao ry RAR Dago matoa miteny zavatra toa izao ianao! mety ho efa akaiky fa tsy lavitra ianao,

:-) tsy lavitra ny inona moa?

Io tokon'i Isay resahinao io anie tsy resaka hoe contradiction fa fomba fahitan'Isaia ny asan'ilay Atra hinoany e!

Aza adino, fa parabole no fomba niresahina t@ izany indrindra fa rehefa resaky ny mpaminany.
Raha ny hevitro dia filazàna fotsiny io hoe tahaky ny ahoana ny asarotan'ny asa miandry azy satria efa tady tsy hino intsony ny jiosy fa ny adim-pahefana no mahamay azy. Natao izany ilay iraka haka bika sy endrika masiaka ampitahorana ireo izay "miderapy".
Sady t@ izany koa moa tsy nisy izany humanisme sy demokrasia izany fa izay andriamahery ihany no tompoina ka ty maintsy natao faran'izay masiaka sy mafy be ny an'ny tena.

Aza adino fa t@ andron'i Ozias dia saritadritaka ihany ny jiosy satria samy te ho favy daholo eo anivon'ny fiangonana sady samy ho te "représentant de dieu" daholo.
@ lafiny politika koa, vao avy nisaraka roa Israely sy Joda ary ady aliaka no tany t@ izany, filistiana, egyptiana, sns.... miady aby!!

20. vonynive ( 19/10/2010 12:34)
tohizako kely aloha
tsy tanjona hoy aho ny fiainana aorian'izao fiainana izao @ kristianina fa fahasoavana na fanomezana ary ny ataon'ny kristianina eto dia miasa ho an'ilay naniraka azy dia ny Rainy izany,JAONA 14-12Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin'ny Ray.
maro ireo asa na andraikitra ireo

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9675